‘Matokia! Izaho efa Naharesy Izao Tontolo Izao’
‘Matokia! Izaho efa Naharesy Izao Tontolo Izao’
TAMIN’NY 14 Nisana, volana jiosy, no maty i Jesosy. Nanomboka io andro io rehefa nilentika ny masoandro, ny alakamisy 31 Martsa taona 33. Nivory tao amin’ny efitra ambony iray tany Jerosalema i Jesosy sy ny apostoliny tamin’io hariva io, mba hankalaza ny Paska. Niomana ny ‘hiala amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray’ i Jesosy, ary nasehony fa tiany hatramin’ny farany ireo apostoliny. (Jaona 13:1) Ahoana no nampisehoany izany? Nampianatra azy ireo lesona tena tsara izy, ka nanomana azy ireo ho amin’ny zavatra hitranga.
Rehefa nihalina ny andro, dia hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33) Inona no tiany holazaina tamin’izany? Te hilaza izy hoe: ‘Tsy nahatonga ahy ho feno fankahalana na hamaly faty mihitsy ny faharatsiana manodidina ahy. Tsy navelako hamolavola ahy ity tontolo ity. Afaka ny hanao izany koa ianareo.’ Hanampy ireo apostoliny nahatoky haharesy izao tontolo izao koa, ny zavatra nampianarin’i Jesosy azy ireo nandritra ny ora farany niainany tetỳ an-tany.
Be dia be ny faharatsiana ankehitriny. Inona no tsapantsika manoloana ny tsy rariny na ny herisetra atao tsy amin’antony? Manjary mankahala ny hafa na alaim-panahy hamaly faty ve isika? Misy vokany eo amintsika ve ny fitondran-tena miharatsy ananan’ny mpiara-belona amintsika? Isika koa moa efa tsy lavorary sy mirona hanota rahateo. Sady miady amin’ny tontolo ratsy manodidina antsika àry isika, no miady amin’ny fironan-dratsintsika. Tena afaka manantena handresy azy ireo ve isika, raha tsy ampian’Andriamanitra? Ahoana anefa no ahazoantsika izany fanampiana izany? Inona no toetra tokony hiezahantsika hananana, mba hanoherana ny fironantsika hanota? Mba hamaliana izany, dia hodinihintsika izay nampianarin’i Jesosy ny mpianany malalany, ny andro nialoha ny nahafatesany.
Reseo amin’ny fanetren-tena ny avonavona
Diniho, ohatra, ny avonavona na fireharehana. Hoy ny Baiboly momba izany: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” (Ohabolana 16:18) Manoro hevitra antsika koa izy io hoe: “Raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.” (Galatiana 6:3) Manimba sy mamitaka tokoa ny avonavona. Fahendrena àry ny mankahala ny “fiavonavonana sy ny fireharehana.”—Ohabolana 8:13.
Niavonavona sy nirehareha ve ny apostolin’i Jesosy? Indray mandeha izy ireo, fara fahakeliny, no niady hevitra hoe iza no lehibe indrindra amin’izy samy izy. (Marka 9:33-37) Nangataka ny hanana toerana ambony tao amin’ny Fanjakan’i Jesosy koa, i Jakoba sy Jaona indray mandeha. (Marka 10:35-45) Te hanampy ireo mpianany hiala amin’izany toetra izany, i Jesosy. Nitsangana àry izy nandritra ilay fotoana nihinanana ny sakafon’ny Paska, ka nisikina lamba ary nanasa ny tongotry ny mpianany. Nolazainy mazava tsara toy izao ny lesona tiany horaisin’izy ireo: “Raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.” (Jaona 13:14) Tsy maintsy soloana fanetren-tena ny avonavona. Io no toetra mifanohitra aminy.
Tsy mora resena anefa ny avonavona. Nifanditra mafy ireo apostoly 11 tamin’io takariva io ihany, rehefa avy noroahin’i Jesosy, i Jodasy Iskariota, ilay hamadika azy. Nahoana? Nifanditra izy ireo hoe iza no lehibe indrindra taminy! Tsy nibedy azy ireo anefa i Jesosy, fa nanam-paharetana hatrany, ka nanamafy indray fa zava-dehibe ny manompo ny hafa. Hoy izy: “Ny mpanjakan’ny jentilisa mampanompo azy, ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa. Fa tsy mba toy izany hianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.” Nampahatsiahy azy ireo ny ohatra nomeny izy, ka niteny hoe: “Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.”—Lioka 22:24-27.
Azon’ireo apostoly ve ilay lesona? Miharihary fa azony ilay izy. Hoy mantsy ny apostoly Petera, taona maro tatỳ aoriana: “Miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.” (1 Petera 3:8) Tena mila resentsika amin’ny fanetren-tena koa ny avonavona! Hendry isika raha tsy variana mikatsaka laza na fahefana na toerana ambony. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” (Jakoba 4:6) Hoy koa ny ohabolana iray tranainy sy feno fahendrena: “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.”—Ohabolana 22:4.
Ahoana no andresena ny fankahalana?
Toetra fahita eto amin’ity tontolo ity koa ny fankahalana. Toa hita hatraiza hatraiza izy io, ary mety hateraky ny tahotra, na ny tsy fahalalana, fitsarana an-tendrony, fampahoriana, tsy rariny, fanindrahindrana firenena na foko, na fanavakavaham-bolon-koditra. (2 Timoty 3:1-4) Niely patrana koa izy io tamin’ny andron’i Jesosy. Nankahala sy nanilikilika ny mpamory hetra, ohatra, ny Jiosy, ary tsy nifandray tamin’ny Samaritanina. (Jaona 4:9) Nanamavo ny Jentilisa, na ny tsy Jiosy, koa izy ireo. Ny olona avy amin’ny firenena rehetra anefa no ekena eo anivon’ilay fivavahana naorin’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Galatiana 3:28) Tamim-pitiavana àry, dia nampianariny zava-baovao ny mpianany.
Hoy izy: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” Tsy maintsy nianatra naneho io fitiavana io izy ireo, satria hoy ihany i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35) Vaovao ilay didy, satria tsy nianina fotsiny tamin’ny hoe tiava “ny namanao tahaka ny tenanao.” (Levitikosy 19:18) Nahoana? Nanazava i Jesosy hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:12, 13) Tsy maintsy vonona ho faty ho an’izy samy izy sy ho an’ny olon-kafa izy ireo.
Ahoana no hialan’ny olona tsy lavorary amin’ny fankahalana sy ny faniriana hanisy ratsy ny hafa? Mila soloana fitiavana feno fahafoizan-tena ny fankahalana. Olona tso-po an-tapitrisa 1 Jaona 3:15) Tsy vitan’ny hoe tsy mandray anjara amin’ny ady ny tena Kristianina, fa miezaka mafy ny hifaneho fitiavana koa.
avy amin’ny foko, kolontsaina, sy fivavahana ary firehana politika samihafa no manao izany. Tafaray amin’ny fianakaviana lehibe iray tsy ahitana fankahalana izy ireo izao, dia ny fianakavian’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Manaraka ity teny ara-tsindrimandry nosoratan’ny apostoly Jaona ity izy ireo: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.” (Ahoana kosa anefa no tokony hiheverantsika ny olona tsy mitovy finoana amintsika sy mety hankahala antsika mihitsy aza? Nivavaka ho an’ireo mpamono azy toy izao i Jesosy, fony izy nihantona teo amin’ny hazo fijaliana: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” (Lioka 23:34) Rehefa nisy olona feno fankahalana nitora-bato an’i Stefana mpianatra, dia izao no nolazainy talohan’ny nahafatesany: “Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao.” (Asan’ny Apostoly 7:60) Na dia nankahala an’i Jesosy sy Stefana aza ireo olona ireo, dia naniry ny tsara indrindra ho azy ireo izy mirahalahy. Tsy nisy fankahalana tao am-pony. ‘Aoka àry isika hanao soa amin’ny olona rehetra’, hoy ny Baiboly.—Galatiana 6:10.
‘Mpanampy mandrakizay’
Nilaza tamin’ireo apostoliny 11 nahatoky i Jesosy avy eo, fa tsy hiaraka mivantana amin’izy ireo intsony izy. (Jaona 14:28; 16:28) Nanome toky azy ireo anefa izy hoe: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra [na Mpanampy] hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.” (Jaona 14:16) Ny fanahy masin’Andriamanitra io mpanampy nampanantenainy io. Hampianatra azy ireo ny zava-dalin’ny Soratra Masina izy io, ary hampahatsiahy azy ireo izay nampianarin’i Jesosy fony izy nanompo tetỳ an-tany.—Jaona 14:26.
Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika ankehitriny? Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ny Baiboly. ‘Ny fanahy masina no nitondra’ ireo olona nasaina naminany sy nanoratra azy io. (2 Petera 1:20, 21; 2 Timoty 3:16) Mahazo fahalalana, fahendrena, fahatakarana hevi-dalina sy fahaiza-manavaka ary fahaiza-misaina isika, rehefa mianatra sy mampihatra ny Soratra Masina. Ho vonona kokoa hiatrika ireo fisedrana eto amin’ity tontolo ratsy ity isika amin’izay.
Manampy antsika amin’ny fomba hafa koa ny fanahy masin’Andriamanitra. Hery lehibe manosika ny olona haneho toetra tsara izy io. Hoy ny Baiboly: ‘Ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po.’ Tsy ireo toetra ireo mihitsy ve no ilaintsika mba handresena ny fironan-dratsy toy ny fahalotoam-pitondran-tena, fifandirana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, sy ny toy izany?—Galatiana 5:19-23.
Afaka mahazo ‘hery lehibe’ hiatrehana izay olana na fahoriana mitranga koa isika, raha miantehitra amin’ny fanahin’Andriamanitra. (2 Korintiana 4:7) Mety tsy hanafoana ny fisedrana na ny fakam-panahy izy io, nefa tena afaka manampy antsika hiaritra azy ireny. (1 Korintiana 10:13) Hoy ny apostoly Paoly: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13) Amin’ny alalan’ny fanahiny masina no anomezan’Andriamanitra antsika izany hery izany. Velom-pankasitrahana tokoa isika noho ny fanahy masina! Ireo ‘tia an’i Jesosy sy mitandrina ny didiny’ no ampanantenaina fa hahazo azy io.—Jaona 14:15.
“Tomoera amin’ny fitiavako”
Ny alina talohan’ny nahafatesany, dia hoy koa i Jesosy tamin’ny apostoliny: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko.” (Jaona 14:21) Nampirisika azy ireo izy hoe: “Tomoera amin’ny fitiavako hianareo.” (Jaona 15:9) Nahoana no manampy antsika hiady amin’ny fironantsika hanota sy ny tontolo ratsy manodidina antsika, ny fitoerana amin’ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka?
Tena afaka ny hifehy ny fironantsika hanota ve isika, raha tsy manana antony lehibe manosika antsika hanao izany? Misy antony lehibe kokoa noho ny faniriana hihavana tsara amin’i * Niady mafy anefa izy mba hialana tamin’izany. Manazava izy hoe: “Naniry hampifaly an’Andriamanitra aho, ary nianarako tao amin’ny Baiboly fa tsy nankasitrahany ny fomba fiainako. Nanapa-kevitra ny hiova àry aho, ka hanaraka ny toro lalany. Tsy maintsy niady tamin’ny eritreritra nanimba sy naloto aho isan’andro, satria nifanesika tato an-tsaiko izy ireny. Tapa-kevitra ny handresy anefa aho, ka nivavaka tsy tapaka tamin’Andriamanitra mba hanampiany ahy. Ny roa taona voalohany no tena sarotra indrindra, na dia mbola mila mifehy mafy ny tenako aza aho hatramin’izao.”
Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany ve? Tovolahy ratsy fitondran-tena, ohatra, i Ernesto hatramin’izy mbola zatovo.Raha ny amin’ny ady amin’ity tontolo ity indray, dia diniho ny vavaka farany nataon’i Jesosy talohan’ny nandaozany ilay efitra ambony tany Jerosalema. Nivavaka ho an’ny mpianany izy, ary nangataka tamin’ny Rainy hoe: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:15, 16) Mampahery tokoa izany! Miaro sy manatanjaka ireo tia azy i Jehovah, rehefa miezaka ny tsy ho naman’izao tontolo izao izy ireo.
“Minoa”
Tena afaka mandresy an’ity tontolo ity sy ny fironantsika hanota isika, rehefa manaraka ny didin’i Jesosy. Fandresena lehibe izany, nefa tsy afaka manafoana an’ity tontolo ity na ny fahotana nolovantsika. Tsy tokony hamoy fo anefa isika.
Hoy ny Baiboly: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Nanolotra ny ainy i Jesosy mba hamonjena “izay rehetra mino Azy”, amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. (Jaona 3:16) Aoka àry isika hampitombo ny fahalalantsika ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany, ary hanaraka ilay torohevitr’i Jesosy hoe: “Minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.”—Jaona 14:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 22 Solon’anarana no ampiasaina eto.
[Sary, pejy 6, 7]
Nampirisika ny apostoliny i Jesosy hoe: “Tomoera amin’ny fitiavako”
[Sary, pejy 7]
Tsy ho ela dia ho afaka amin’ny ota sy ny vokany isika