Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahatsiarovana An’ireo Vavolombelon’i Jehovah Novonoina

Fahatsiarovana An’ireo Vavolombelon’i Jehovah Novonoina

Fahatsiarovana An’ireo Vavolombelon’i Jehovah Novonoina

NISY takela-pahatsiarovana iray notokanana tao Körmend, any amin’ny faritra andrefan’i Hongria, tamin’ny 7 Martsa 2002. Natao ho fahatsiarovana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah telo novonoin’ny Nazia tamin’ny 1945 izy io.

Napetaka teo amin’ny rindrin’ny foiben’ny mpamono afo, teo amin’ny Lalana Hunyadi, ilay takelaka. Teo no namonoana ny olona ampahibemaso. Izao no soratra teo amin’ilay takela-pahatsiarovana: ‘Ho an’ireo Kristianina novonoina tamin’ny Martsa 1945, noho izy ireo tsy nety nanao miaramila. Antal Hőnisch (1911-1945), Bertalan Szabó (1921-1945), János Zsondor (1923-1945), 2002, Vavolombelon’i Jehovah.’

Roa volana monja talohan’ny nifaranan’ny Ady Lehibe II no namonoana azy ireo. Nahoana ireo Kristianina ireo no novonoina? Hoy ny gazety iray any Hongria: ‘Rehefa tafakatra teo amin’ny fitondrana tany Alemaina i Hitler, dia tsy ny Jiosy ihany, fa ny Vavolombelon’i Jehovah koa no nenjehina sy nampijalina, ary nalefa tany amin’ny toby fitanana sy novonoina, raha tsy nanaiky hiala tamin’ny finoany. Niaina tao anatin’ny horohoro tanteraka ny mponina tany amin’ny faritra andrefan’i Hongria, tamin’ny Martsa 1945. Anisan’ny niteraka izany horohoro izany ny nanaovana sesitany sy namonoana ny Vavolombelon’i Jehovah.’

Nizara roa ny fitokanana an’ilay takela-pahatsiarovana. Natao tao amin’ny Lapan’i Batthyány ny tapany voalohany. Nandaha-teny tao ny Profesora Szabolcs Szita, talen’ny Foibe Fikarohana Momba ny Famonoana Tambabe any Budapest, sy i László Donáth, anisan’ny Komity Mpanohana ny Zon’olombelona sy ny Vitsy An’isa ary ny Fivavahana, ary koa i Kálmán Komjáthy, izay nanatri-maso an’ireo famonoana, ary lasa manam-pahaizana momba ny tantaran’ilay tanàna ankehitriny. Nandeha an-tongotra namakivaky ny tanàna ireo olona maherin’ny 500, mba hanatrika ny tapany faharoa tamin’ilay fitokanana. Tamin’izay no nanala ny saron’ilay takela-pahatsiarovana i Jòzsef Honfi, Ben’ny Tanàna.

Nanafatra farany an’ireo rahalahiny sy anabaviny kristianina i Ján Žondor (János Zsondor) mba tsy halahelo. Nanoratra izy hoe: “Mbola ato an-tsaiko ny tenin’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 2:10, manao hoe: ‘Aoka hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao.’ . . . Ilazao ny havako sy ny namako mba tsy halahelo, satria maty noho ny fahamarinana aho, fa tsy hoe nanao heloka bevava akory.”

[Sary, pejy 32]

Bertalan Szabó

[Sary, pejy 32]

Antal Hőnisch

[Sary, pejy 32]

Ján Žondor