Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Vehivavy Tsara Hianao”

“Vehivavy Tsara Hianao”

“Vehivavy Tsara Hianao”

Tovovavy moabita iray no niantefan’izany fiderana izany. Rota no anarany, maty vady izy, ary vinantovavin’ny vehivavy isiraelita atao hoe Naomy. Nalaza ho vehivavy tsara i Rota tamin’izy nipetraka tany amin’ny tanin’ny Isiraely, efa ho 3 000 taona lasa izay, tamin’ny andron’ny mpitsara. (Rota 3:11) Nahoana izy no tsara laza toy izany? Iza no afaka mandray soa avy amin’ny ohatra nomeny?

Tsy nihinana ny “mofon’ny fahalainana” i Rota. Nazoto niasa nandritra ny ora maro izy, nitsimpona izay latsaka teny an-tsaha. Izany fahazotoany izany no nahatonga azy hahazo teny fiderana. Niasa mafy foana izy, na dia efa nohamaivanina aza ny asany. Niasa mihoatra noho ny tokony ho natao aza izy. Tena niavaka izy, ary nifanentana tsara amin’ny filazan’ny Baiboly momba ny vehivavy vady tsara sy mendri-piderana ary mazoto.—Ohabolana 31:10-31; Rota 2:7, 15-17.

Ny toetra ara-panahy tsara nananan’i Rota no tena nahatonga azy ho tsara laza. Izany dia ny fanetren-tena sy fahafoizan-tena ary ny fitiavany tsy mivadika. Tsy nety nisaraka tamin’i Naomy izy, fa nandao ny ray aman-dreniny sy ny tanindrazany, na dia tsy nanantena akory ny hahazo vady hiadanana aza. Naniry hanompo an’i Jehovah Andriamanitry ny rafozany koa i Rota. Antitranterin’ny Soratra Masina fa vehivavy tsara i Rota. Milaza ny fitantarana hoe “tsara lavitra [ho an’i Naomy] mihoatra noho ny zanaka fito lahy” izy.—Rota 1:16, 17; 2:11, 12; 4:15.

Tsara tokoa ny fitantarana momba ny naha vehivavy tsara an’i Rota teo anivon’ny mpiara-belona taminy. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny hoe nankasitrahan’Andriamanitra ny toetra tsaran’i Rota. Ho valisoany àry, dia nomen’Andriamanitra azy ny tombontsoa ho anisan’ny razamben’i Jesosy Kristy. (Matio 1:5; 1 Petera 3:4) Tena ohatra tsara i Rota, tsy ho an’ny vehivavy kristianina ihany fa ho an’izay rehetra milaza ho mpivavaka amin’i Jehovah koa!