Nahoana Isika no Tokony Hatao Batisa?
Nahoana Isika no Tokony Hatao Batisa?
“Mandehana ... dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy.”—Matio 28:19.
1, 2. a) Ahoana no nanaovana batisa ny olona sasany? b) Inona avy no fanontaniana mipetraka momba ny batisa?
NANDRESY ny Saxons i Charlemagne, Mpanjakan’ny Francs, ary notereny izy ireo hatao batisa tambabe tamin’ny taona 775 ka hatramin’ny 777. “Notereny ho tonga Kristianina anarana izy ireo”, hoy i John Lord, mpahay tantara. Toy izany koa no nataon’i Vladimir I, mpitondra rosianina, rehefa avy nampakatra andriambavy grika ortodoksa tamin’ny taona 987. Nanapa-kevitra izy fa tsy maintsy tonga “Kristianina” ny olom-peheziny. Nandidy ny hanaovana batisa tambabe ny vahoakany izy, ka norahonany ho faty mihitsy izay nanda!
2 Nety ve ireny batisa ireny? Tena misy dikany ve izy ireny? Tokony hatao batisa ve na iza na iza?
Fomba fanaovana batisa
3, 4. Nahoana no tsy mifanaraka amin’ny batisa kristianina ny famafazana na fandrarahana rano ambony loha?
3 Nanao zavatra nifanohitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra i Charlemagne sy Vladimir I rehefa nanery ny olona hatao batisa. Tsy misy soa azo, raha ny marina, rehefa fafazana na rarahana rano eo ambony lohan’ny olona atao batisa. Izany no izy na dia aroboka anaty rano mihitsy aza izy nefa tsy nampianarina ny fahamarinana araka ny Soratra Masina akory.
4 Jereo izay nitranga rehefa nankany amin’i Jaona Mpanao Batisa i Jesosy avy any Nazareta, tamin’ny taona 29. Nanao batisa tao amin’ny Ony Jordana i Jaona, ary an-tsitrapo no nanatonan’ny olona azy. Nasainy nitsangana tao amin’ilay ony fotsiny ve izy ireo, dia norarahany rano kely ny lohany na nofafazany an’izany izy ireo? Inona no nitranga rehefa nataon’i Jaona batisa i Jesosy? Milaza i Matio fa ‘niakatra avy teo amin’ny rano i Jesosy’ raha vao avy natao batisa. (Matio 3:16) Tao anaty rano i Jesosy, satria naroboka tao amin’ny Ony Jordana izy. Hoy koa ny Baiboly rehefa natao batisa ilay tandapa etiopianina mpivavaka be: “Izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano.” Hoy koa izy: “Ary rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy...” Naroboka tanteraka tao anaty rano àry i Jesosy sy ny mpianany rehefa natao batisa.—Asan’ny Apostoly 8:38, 39.
5. Ahoana no nanaovan’ny Kristianina voalohany batisa?
5 Midika hoe mandroboka, mandentika na manitrika anaty rano, ny teny grika nadika hoe “manao batisa”, “batisa”, sy ny toy izany. Hoy ny Diksionera Ara-baibolin’i Smith (anglisy): “Ny hoe batisa dia midika ara-bakiteny hoe fandrobohana.” Misy fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, ohatra, mampiasa ny hoe “Jaona Mpandroboka” na “Jaona mpandentika.” (Matio 3:1, Rotherham sy Diaglott, dikan-teny isan’andalana) Hoy ny Tantaran’ny Fivavahana sy ny Fiangonana Kristianina Nandritra ny Taonjato Telo Voalohany (anglisy), nataon’i Augustus Neander: “Naroboka tao anaty rano ny olona natao batisa tany am-boalohany.” Milaza toy izao ilay diksionera frantsay malaza hoe Larousse ho An’ny Taonjato Faha-20 (Paris, 1928): “Naroboka tany amin’izay toerana rehetra nisy rano ny Kristianina voalohany rehefa natao batisa.” Hoy koa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): “Miharihary fa naroboka ny olona natao Batemy tao amin’ny Eglizy voalohany.” (1967, Boky II, pejy 56) Noho izany, dia atao an-tsitrapo ny batisan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary aroboka tanteraka anaty rano izy amin’izany.
Antony vaovao anaovana batisa
6, 7. a) Inona no antony nanaovan’i Jaona batisa? b) Nahoana no vaovao ny batisan’ny mpanara-dia an’i Jesosy?
6 Tsy nitovy ny antony nanaovan’i Jaona sy ny mpanara-dia an’i Jesosy batisa. (Jaona 4:1, 2) Nanao batisa i Jaona mba hahitan’ny besinimaro fa nibebaka noho ny nanotany tamin’ny Lalàna ilay olona. * (Lioka 3:3) Nisy zava-baovao anefa tamin’ny batisa nataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy. Nampirisika ny mpihaino azy toy izao ny apostoly Petera, tamin’ny Pentekosta taona 33: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo.” (Asan’ny Apostoly 2:37-41) Tsy niresaka ny amin’ny batisan’ny fibebahana noho ny ota tamin’ny Lalàna akory i Petera teto, na dia niresaka tamin’ny Jiosy sy proselyta aza. Tsy te hilaza koa izy fa manafaka amin’ny fahotana ny batisa atao amin’ny anaran’i Jesosy.—Asan’ny Apostoly 2:10.
7 Tamin’io fotoana io i Petera no nampiasa ny voalohany tamin’ireo ‘fanalahidin’ny fanjakana.’ Nahoana? Mba hampahafantarana ny mpihaino azy fa afaka ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra izy ireo. (Matio 16:19) Nanda an’i Jesosy tsy ho Mesia ny Jiosy, koa antony vaovao sy tena ilaina mba hitadiavana sy hahazoana famelan-keloka avy amin’Andriamanitra àry ny mibebaka sy mino an’i Jesosy. Nanaporofo ampahibemaso izany finoany izany izy ireo rehefa naroboka tao anaty rano tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Izany no nampiseho fa nanolo-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy izy ireo. Tsy maintsy maneho finoana toy izany koa izay rehetra maniry hankasitrahan’Andriamanitra ankehitriny. Tsy maintsy manolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, ary atao batisa kristianina mba hampisehoana fa nanolo-tena tsy misy fepetra ho an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra.
Tena ilaina ny fahalalana marina
8. Nahoana no tsy ny rehetra no mahafeno fepetra ho amin’ny batisa kristianina?
8 Tsy ny rehetra akory no mahafeno fepetra ho amin’ny batisa kristianina. Nandidy ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Mandehana ... dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Tsy maintsy ‘ampianarina hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy ny mpianany’ aloha ny olona, vao atao batisa. Tsy misy vidiny àry ny batisa rehefa terena hanao izany ny olona tsy manana finoana miorina amin’ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra. Mifanohitra amin’ny didy nomen’i Jesosy ny tena mpanara-dia azy koa izany.—Hebreo 11:6.
9. Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray”?
9 Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray”? Midika izy io fa eken’ilay mpilatsaka hatao batisa ny toerana tanan’ny Raintsika any an-danitra sy ny fahefany. Ekeny fa i Jehovah Andriamanitra no Mpamorona antsika, sy “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra” ary Tompon’izao Rehetra Izao.—Salamo 83:18; Isaia 40:28; Asan’ny Apostoly 4:24.
10. Inona no dikan’ny hoe atao batisa ‘amin’ny anaran’ny Zanaka’?
10 Ny hoe atao batisa ‘amin’ny anaran’ny Zanaka’ dia midika hoe manaiky ny toerana tanan’i Jesosy sy ny fahefany amin’ny maha Zanak’Andriamanitra lahitokana azy. (1 Jaona 4:9) Eken’ireo mahafeno fepetra ho amin’ny batisa fa tamin’ny alalan’i Jesosy no nanomezan’Andriamanitra ny “avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28; 1 Timoty 2:5, 6) Tsy maintsy eken’izy ireo koa fa ‘nasandratr’Andriamanitra indrindra’ ilay Zanany.—Filipiana 2:8-11; Apokalypsy 19:16.
11. Inona no dikan’ny hoe atao batisa ‘amin’ny anaran’ny fanahy masina’?
11 Inona no dikan’ny hoe batisa ‘amin’ny anaran’ny fanahy masina’? Midika izy io fa eken’ireo mpilatsaka hatao batisa ho hery ampiasain’i Jehovah amin’ny fomba samihafa ny fanahy masina, mba hanatanterahana ny fikasany. (Genesisy 1:2; 2 Samoela 23:1, 2; 2 Petera 1:21) Eken’ireo mahafeno fepetra ho amin’ny batisa fa manampy azy ireo hahatakatra “ny saina lalina izay an’Andriamanitra” ny fanahy masina. Ekeny koa fa manampy azy ireo izy io hitory hatrany ilay Fanjakana sy haneho ny vokatry ny fanahy, izany hoe ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po.”—1 Korintiana 2:10; Galatiana 5:22, 23; Joela 3:1, 2.
Zava-dehibe ny fibebahana sy fiovana tanteraka
12. Inona no ifandraisan’ny batisa kristianina sy ny fibebahana?
12 Fomba ankasitrahan’Andriamanitra ampisehoana ny fibebahana ny batisa, afa-tsy ny an’i Jesosy, lehilahy tsy nanota. Manenina mafy noho ny zavatra nataontsika na tsy nataontsika isika rehefa mibebaka. Tsy maintsy nibebaka noho ny nanotany tamin’i Kristy ny Jiosy naniry hampifaly an’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 3:11-19) Nisy mpino jentilisa tany Korinto nibebaka satria nijangajanga, nanompo sampy sy nangalatra ary nanao fahotana lehibe hafa. Koa satria nibebaka izy ireo, dia “voasasa” tamin’ny ran’i Jesosy sy “nohamasinina” na natokana mba hanompo an’Andriamanitra. “Nohamarinina” tamin’ny anaran’i Kristy sy tamin’ny fanahin’Andriamanitra koa izy ireo. (1 Korintiana 6:9-11) Dingana tena lehibe mba hananana feon’ny fieritreretana madio ny fibebahana, sady mahatonga an’Andriamanitra hanamaivana antsika amin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka noho ny ota.—1 Petera 3:21.
13. Inona no dikan’ny hoe miova tanteraka, raha ny batisa no resahina?
13 Tsy maintsy miova tanteraka aloha isika vao atao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah. Atao an-tsitrapo io fiovana io, tsy misy faneriterena, rehefa tapa-kevitra amin’ny fony manontolo ny hanara-dia an’i Kristy Jesosy ny olona iray. Ialany ny fitondran-tenany ratsy teo aloha ary tapa-kevitra izy ny hanao izay tsara eo imason’Andriamanitra. Mifono heviny hoe miova na miverin-dalana ny matoanteny hebreo sy grika mifandray amin’ny hoe fiovana tanteraka ao amin’ny Soratra Masina. Midika izy io hoe miala amin’ny lalan-dratsy ka mitodika any amin’Andriamanitra. (1 Mpanjaka 8:33, 34) Mitaky “asa miendrika ny fibebahana” izy io. (Asan’ny Apostoly 26:20) Takin’izy io koa ny hialantsika amin’ny fivavahan-diso sy hanarahantsika ny didin’Andriamanitra ary hifikirantsika amin’i Jehovah irery ihany. (Deoteronomia 30:2, 8-10; 1 Samoela 7:3) Miova koa ny fisainana sy ny tanjona ary ny toetrantsika. (Ezekiela 18:31) “Miverina” isika rehefa ovantsika ho toetra vaovao ny toetra ratsy taloha.—Asan’ny Apostoly 3:19; Efesiana 4:20-24; Kolosiana 3:5-14.
Tena ilaina ny fanoloran-tena amin’ny fo manontolo
14. Inona no dikan’ny fanoloran-tenan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy?
14 Tsy maintsy manolo-tena ho an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo koa ny mpanara-dia an’i Jesosy, vao atao batisa. Ny fanoloran-tena dia Deoteronomia 5:9) Mazava ho azy fa manolo-tena ho an’Andriamanitra isika fa tsy ho an’ny asa na olona akory.
midika hoe fanokanana ho amin-java-kendrena masina. Tena lehibe io dingana io, hany ka tokony holazaintsika amin’i Jehovah amim-bavaka fa tapa-kevitra ny hifikitra aminy irery ihany isika mandrakizay. (15. Nahoana no aroboka anaty rano ireo mpilatsaka hatao batisa?
15 Asehontsika fa tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra hita ao amin’ny Soratra Masina isika, rehefa manolo-tena ho azy amin’ny alalan’i Kristy. Aroboka anaty rano ireo mpilatsaka hatao batisa mba hampisehoana izany fanoloran-tenany izany, toa an’i Jesosy natao batisa tao amin’ny Ony Jordana, mba hampisehoana fa niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy. (Matio 3:13) Tsara homarihina fa nivavaka i Jesosy tamin’io fotoan-dehibe io.—Lioka 3:21, 22.
16. Inona no fomba mety anehoantsika ny fifaliantsika rehefa misy olona atao batisa?
16 Fotoan-dehibe nefa nahafaly ny batisan’i Jesosy, ary toy izany koa ny batisa kristianina ankehitriny. Azontsika atao ny mitehaka amim-panajana sy miarahaba amim-pitiavana ny olona mampiseho ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra. Tsy mikiakiaka na misioka na manao zavatra hafa toy izany anefa isika, satria manaja ny fahamasinan’io fanehoam-pinoana io. Asehontsika amin’ny fomba mihaja kosa ny fifaliantsika.
17, 18. Ahoana no amaritana raha mahafeno fepetra ho amin’ny batisa ny olona iray?
17 Tsy manery na iza na iza mba hatao batisa mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manao batisa zazakely izy ireo ary tsy manery ny olona tsy mahalala ny Baiboly mba hatao batisa tambabe. Tsy manao batisa ny olona tsy mahafeno fepetra ara-baiboly izy ireo, raha ny marina. Na dia alohan’ny hahatongavan’ny olona iray ho mpitory tsy vita batisa aza, dia dinihin’ny anti-panahy kristianina tsara raha takany ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Jeren’izy ireo tsara koa raha mampihatra izany tokoa ilay olona ary manaiky rehefa anontaniana hoe: “Maniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah tokoa ve ianao?”
18 Amin’ny ankapobeny, rehefa mandray anjara tsara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy milaza fa maniry hatao batisa ny olona iray, dia miara-midinika aminy ny anti-panahy. Fantarin’izy ireo tsara tokoa raha efa nanolo-tena ho an’i Jehovah ilay mpino ary mahafeno ny fepetra takin’Andriamanitra ho amin’ny batisa. (Asan’ny Apostoly 4:4; 18:8) Misy fanontaniana 100 mahery mahakasika ny fampianarana ao amin’ny Baiboly apetraka amin’ilay olona. Izany no manampy ny anti-panahy hahita raha mahafeno ny fepetra takin’ny Baiboly ho amin’ny batisa izy. Misy olona tsy ekena hatao batisa satria tsy mahafeno fepetra.
Inona no misakana anao?
19. Iza no hiara-manjaka amin’i Jesosy, araka ny Jaona 6:44?
19 Maro amin’ireo olona terena hatao batisa tambabe angamba no nilazana fa ho any an-danitra izy ireo rehefa maty. Izao anefa no nolazain’i Jesosy momba ireo mpanara-dia azy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:44) Nitaona olona 144 000 hanaraka an’i Kristy i Jehovah, mba hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Tsy nanamasina olona ho amin’izany toerana be voninahitra nomanin’Andriamanitra izany mihitsy ny batisa an-tery.—Romana 8:14-17; 2 Tesaloniana 2:13; Apokalypsy 14:1.
20. Inona no mety hanampy ny sasany izay mbola tsy vita batisa?
20 Olona maro be manantena ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” sy hiaina mandrakizay eto an-tany no manampy isa ny ‘ondry hafan’i Jesosy’, indrindra fa nanomboka teo antenatenan’ireo taona 1930. (Apokalypsy 7:9, 14; Jaona 10:16) Mahafeno fepetra ho amin’ny batisa izy ireo satria nampifanaraka ny fiainany tamin’ny Tenin’Andriamanitra sy tia azy ‘amin’ny fony, fanahiny sy heriny ary sainy rehetra.’ (Lioka 10:25-28) Misy olona manaiky fa ‘mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fanahy sy ny fahamarinana’ ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tsy nanahaka an’i Jesosy anefa izy ireo ary mbola tsy nampiseho ampahibemaso fa tena tia sy mifikitra amin’i Jehovah irery ihany, satria mbola tsy natao batisa. (Jaona 4:23, 24; Deoteronomia 4:24; Marka 1:9-11) Vavaka amim-pahatsorana sy voafaritra tsara angamba no mety hilaina mba handrisika sy hampahery azy ireny hanaraka tanteraka ny Tenin’Andriamanitra, sy hanolo-tena tsy misy fepetra ho an’i Jehovah Andriamanitra ary hatao batisa.
21, 22. Nahoana ny sasany no miahotra ny hanolo-tena sy hatao batisa?
21 Misy miahotra hanolo-tena sy hatao batisa satria revo tanteraka amin’ny raharahan’ity tontolo ity na amin’ny fikatsahana harena, hany ka tsy manam-potoana firy hanaovana zavatra ara-panahy. (Matio 13:22; 1 Jaona 2:15-17) Ho sambatra erỳ anefa izy ireny raha manova ny fomba fijeriny sy ny tanjony! Hanankarena ara-panahy izy raha manatona an’i Jehovah. Tsy hanahy firy koa izy fa hilamin-tsaina sy ho afa-po satria manao ny sitrapon’Andriamanitra.—Salamo 16:11; 40:8; Ohabolana 10:22; Filipiana 4:6, 7.
22 Ny hafa milaza fa tia an’i Jehovah nefa tsy manolo-tena sy atao batisa satria mihevitra fa tsy ampamoahina izy amin’izay. Tsy maintsy ampamoahin’Andriamanitra anefa isika tsirairay. Mahazo andraikitra isika raha vao mahare ny tenin’i Jehovah. (Ezekiela 33:7-9; Romana 14:12) Teraka tao anatin’ny firenena nanolo-tena ho an’i Jehovah ny Isiraelita fahiny, satria ‘vahoaka voafidy.’ Adidin’izy ireo àry ny nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika tamin’ireo fitsipiny. (Deoteronomia 7:6, 11) Tsy misy olona tonga dia mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena raha vao teraka ankehitriny. Kanefa mila mampihatra ny fahamarinana ara-baiboly nampianarina antsika isika, sady hanao izany amim-pinoana.
23, 24. Inona avy ireo fanahiana tsy tokony hampiahotra ny olona tsy hatao batisa?
23 Mety hisy koa hiahotra ny hatao batisa satria manahy hoe tsy ampy fahalalana. Be dia be anefa ny zavatra tsy maintsy mbola ianarantsika rehetra, satria ‘tsy ho hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.’ (Mpitoriteny 3:11) Jereo, ohatra, ilay tandapa etiopianina. Nahalala ny Soratra Masina ihany izy satria proselyta, kanefa nisy zavatra tsy fantany momba ny fikasan’Andriamanitra. Tsy nisalasala ny hatao batisa anefa izy, rehefa avy nianatra ny fandaharam-pamonjena nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy.—Asan’ny Apostoly 8:26-38.
24 Misy koa miahotra ny hanolo-tena ho an’Andriamanitra satria matahotra sao tsy ho afaka ny hiaina mifanaraka amin’izy io. Hoy i Monique, 17 taona: “Niahotra ny hatao batisa aho satria natahotra sao tsy ho vitako akory ny hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenako.” ‘Handamina ny lalantsika’ anefa i Jehovah raha matoky azy amin’ny fontsika rehetra isika. Hanampy antsika mpanompony mahatoky vita fanoloran-tena izy mba ‘handeha araka ny fahamarinana.’—Ohabolana 3:5, 6; 3 Jaona 4.
25. Inona avy izao ireo fanontaniana mendrika ny hodinihina?
25 Olona an’arivo isan-taona no voatosika hanolo-tena sy hatao batisa satria matoky tanteraka an’i Jehovah sy tena tia azy. Azo antoka koa fa tsy misy maniry hivadika amin’Andriamanitra ireo mpanompony vita fanoloran-tena. Miaina amin’ny fotoan-tsarotra anefa isika ka miatrika fitsapam-pinoana samihafa. (2 Timoty 3:1-5) Inona no azontsika atao mba hiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Tsy batisan’ny fibebahana akory ny batisan’i Jesosy satria tsy nanota izy. Ny batisany kosa dia fisehoany teo anatrehan’Andriamanitra Rainy fa hanao ny sitrapony izy.—Hebreo 7:26; 10:5-10.
Tadidinao Ve?
• Ahoana no anaovana batisa ny Kristianina?
• Inona no fahalalana ilain’ny olona hatao batisa?
• Inona avy ireo dingana mialoha ny batisan’ny tena Kristianina?
• Nahoana no misy miahotra ny hatao batisa, nefa ahoana no hanampiana azy ireny?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 14]
Fantatrao ve ny dikan’ny hoe atao batisa ‘amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina’?