Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Eglizy sy ny Fanjakana Tany Byzance

Ny Eglizy sy ny Fanjakana Tany Byzance

Ny Eglizy sy ny Fanjakana Tany Byzance

NILAZA mazava ilay mpanorina ny Kristianisma, fa tokony ho samy hafa tanteraka ny mpanara-dia azy sy izao tontolo izao tafasaraka amin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” (Jaona 15:19) Hoy izy, tamin’i Pilato, solontenam-panjakana tamin’izay: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.”—Jaona 18:36.

Tsy tokony hanaiky ho voahelingelin’ny raharahan’izao tontolo izao mihitsy ny Kristianina, mba hahafahany hanatanteraka ny andraikiny hitory “hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Toa an’i Jesosy, ny Kristianina tany am-boalohany koa dia tsy niditra tamin’ny politika. (Jaona 6:15) Hitam-poko hitam-pirenena fa tsy mba nanana andraikitra tamin’ny raharaham-panjakana na tamin’ny fitantanana raharaham-bahoaka, ny Kristianina nahatoky. Niova anefa izany tatỳ aoriana.

“Naman’izao tontolo izao”

Mora niova hevitra momba ny fifandraisany tamin’izao tontolo izao ireo mpitondra fivavahana, taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly farany. Tsy hoe “fanjakana” teo amin’izao tontolo izao fotsiny, fa naman’izy io mihitsy no nanjary masaka tao an-tsain’izy ireo. Andraisana fianarana tsara ny fandinihana ny fifamatoran’ny fivavahana sy ny politika tany amin’ny Fanjakan’i Byzance, dia ny Fanjakana Romanina Atsinanana izay nanana an’i Byzance (Istanbul ankehitriny) ho renivohiny.

Teo amin’ny fiaraha-monina nanjakan’ny fivavahana hatramin’izay, dia natanjaka be ny Eglizin’i Byzance, ary tao Byzance no foibeny. Nilaza indray mandeha i Panayotis Christou, manam-pahaizana momba ny tantaran’ny Eglizy, hoe: “Nihevitra ny mponin’i Byzance fa ny fanjakan’izy ireo teto an-tany dia sary nampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra.” Tsy nitovy hevitra tamin’izany foana anefa ny mpitondra fanjakana, nantsoina hoe emperora, ka nifandona mafy indraindray ny Eglizy sy ny Fanjakana. Milaza toy izao ny Diksioneran’i Oxford Momba An’i Byzance (anglisy): “Niovaova be ny fihetsik’ireo evekan’i Constantinople [na Byzance]. Tao, ohatra, ny nanaraka ambokony ny mpitondra natanjaka noho ny hakanosana ..., tao ny niara-niasa tsara tamin’ny emperora ..., tao koa ny nanohitra an-kitsirano ny didin’ny emperora.”

Lasa olona tena nanan-kery ny patriarik’i Constantinople, lehiben’ny Eglizy Tatsinanana. Izy no nametraka ny emperora teo amin’ny fitondrana, ka nanantena izy fa ho mpiaro mafana fo ny Fivavahana Ortodoksa ny emperora amin’izay. Tena mpanefohefo koa ny patriarika, satria izy no nitantana ny harem-ben’ny eglizy. Natanjaka be izy noho izy nanana fahefana, tsy tamin’ireo moanina tsy hita isa ihany, fa tamin’ireo lahika koa.

Matetika no afaka nanohitra ny emperora ny patriarika. Afaka nandrahona ny handroaka ny emperora tsy ho anisan’ny Eglizy izy, ka nanao didy jadona tamin’ny anaran’Andriamanitra. Afaka nampiasa fomba hafa hanonganana ny emperora koa izy.

Nihanitotongana ny fitantanana ny raharaham-bahoaka tany ivelan’ny renivohitra, ka ny eveka matetika no tena nanjaka tany. Lasa nitovy fahefana tamin’ny governora izy ireo, ary nanampy tamin’ny fifidianana azy ireny. Nitsabaka tamin’ny raharaha ara-pitsarana sy ara-barotra koa ireo eveka, isaky ny nisy raharaha nahakasika ny eglizy, ary matetika no nidirany hatramin’ny raharaha tsy nahakasika ny eglizy aza. Vao mainka koa nanjaka ireo eveka teo an-toerana satria pretra sy moanina an’alina no nanaiky ny fahefany.

Politika sy kiantranoantrano

Araka ny hita teo aloha àry, dia nanjary nifamatotra tsy afa-nisaraka ny politika sy ny asan’ny mpitondra fivavahana. Ambonin’izany, dia be dia be ny vola nilaina satria maro be ireo mpitondra fivavahana, ary betsaka koa ny asa ara-pivavahana tsy maintsy nosahaniny. Niaina tao anatin’ny fy sy ny renty ny ankamaroan’ireo mpitondra fivavahana ambony. Nanjavona ny fiainana tsotra sy masina toy ny an’ny apostoly, arakaraka ny nahazoan’ny eglizy fahefana sy harena. Nisy pretra sy eveka nandoa vola mba hahazoana izany toerana izany. Zatra nanao kiantranoantrano daholo na dia hatramin’ireo mpitondra fivavahana ambony indrindra aza. Niady mba hahazoana toerana ara-pivavahana teo anatrehan’ny emperora ireo mpitondra fivavahana, ary nampian’ireo mpanan-karena izy ireo tamin’izany.

Nampiasaina hanambazana ireo mpitondra fivavahana ambony koa ny tsolotra. Nasain’ny Emperoravavy Zoé (tamin’ny 978-1050 tany ho any) novonoina i Romain III, vadiny. Nataony avy eo izay hanambadiana ny sakaiza ratsiny, izay te ho tonga Emperora Michel IV, ka nantsoiny haingana tany an-dapa ny Patriarika Alexis. Tany ilay patriarika vao nahafantatra fa maty i Romain ary tsy maintsy hatao ny lanonam-panambadiana. Sarotra tamin’i Alexis ny hanao izany satria nankalaza Zoma Masina ny eglizy tamin’io takariva io. Nandray fanomezana be dia be avy tamin’ilay emperoravavy anefa izy, ka nanaiky hanao izay notakiny.

Fanarahana ambokony ny emperora

Nanan-jo hanao fanendrena ny emperora, tamin’ny andron’ny Fanjakan’i Byzance. Nampiasain’izy ireo izany zo izany indraindray mba hifidianana ny patriarik’i Constantinople. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy mihitsy olona afaka ho lasa patriarika na hoe nijanona ela tamin’izany toerana izany raha tsy neken’ny emperora.

Intsivy nanova patriarika ny Emperora Andronic II (1260-1332), satria noheveriny fa nilaina izany. Ny tanjony matetika dia hoe izay kandidà mora baikoina indrindra no hatao patriarika. Milaza ilay boky hoe Ny Mponin’i Byzance (anglisy), fa nisy aza patriarika iray nanoratra tamin’ny emperora ka nanome toky azy fa “hanao izay rehetra andidiany na dia hifanohitra amin’ny lalàna aza, ary tsy hanao izay zavatra tsy tian’ny emperora mihitsy.” Indroa ireo emperora no nanampatra ny fahefany tamin’ny eglizy, ka nanendry ho patriarika ny andriana anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka. Nasandratry ny Emperora Romain I ho patriarika i Théophylacte, zanany lahy vao 16 taona.

Noteren’ny emperora hiala an-tsitrapo angamba izay patriarika nanao zavatra tsy tiany, na ny synoda no nodidiany hanongana ilay patriarika. Milaza toy izao ny boky hoe Byzance: “Nandritra ny tantaran’i Byzance, dia ny manam-pahefana ambony, ary tena ny Emperora mihitsy aza, no nanjary nihananan-kery tamin’ny fifidianana eveka.”

Tamin’ny konsilin’ny eglizy, dia niara-nipetraka ny patriarika sy ny emperora, ka ny emperora no nitari-draharaha. Izy mihitsy no nitarika ny adihevitra sy namorona ireo foto-pinoana. Niady hevitra tamin’ny eveka sy ny mpivadi-pinoana izy. Ny famonoana ho faty teo amin’ny hazo no fomba fandresen-dahatra farany azony nampiasaina tamin’ireo mpivadi-pinoana tsy nety nanaiky. Nanamafy sy nampihatra ny lalàna neken’ny konsily koa ny emperora. Nampangainy ho namingavinga mpanjaka sy fahavalon’ny eglizy sady fahavalon’Andriamanitra, izay olona nanohitra azy. Nilaza ny patriarika iray tamin’ny taonjato fahenina hoe: “Tsy mahazo manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapo sy ny didin’ny Emperora mihitsy ny Eglizy.” Toy ny lehibeny, dia tsy nahavita nanohitra firy ireo eveka tao an-dapan’ny emperora. Tsy nanana hazon-damosina izy ireo ary mora nandairan’ny fandrokidrokiana hahazo tombontsoa sy ny fifanarahana feno hafetsena.

Tsy nety nanome kominio ny Praiminisitra Bardas, ohatra, ny Patriarika Ignace (tamin’ny 799-878 tany ho any). Namaly faty ilay praiminisitra, ka nampangainy ho anisan’ny mpioko sy mpamadika i Ignace. Nosamborina ilay patriarika ary natao sesitany. Avy eo dia nataon’i Bardas izay hifidianana an’i Photius, ho solon’ilay patriarika. Lahika i Photius, nefa enina andro monja no nandalovany ny ambaratongam-pahefana rehetra tao amin’ny Eglizy, ary tafakatra ho patriarika izy tamin’ny farany. Nahafeno fepetra ho patriarika ve anefa i Photius? Voalaza fa olona “fatra-paniry laza, mpizahozaho be, sady mpanao politika nikoizana”, izy.

Natao fitaovana ara-politika ny foto-pinoana

Matetika dia fifandirana ara-politika, raha ny marina, no tao ambadik’ireo adihevitra momba izay nifanaraka na nivaona tamin’ny foto-pinoana. Antony ara-politika no tena tao an-tsain’ny Emperora sasany rehefa nampiditra foto-pinoana vaovao izy. Amin’ny ankapobeny mantsy, ny emperora dia nanan-jo hamorona foto-pinoana, ary azony noterena hanaiky ny sitrapony ny eglizy.

Niezaka nandamina ny tsy fitovian-kevitra momba ny maha izy an’i Kristy, ohatra, ny Emperora Héraclius (575-641). Saika nampizarazara ny fanjakany efa narefo dia narefo mantsy izany. Niezaka nitady ny marimaritra niraisana izy, ka nampiditra foto-pinoana vaovao nantsoina hoe Monotelisma. * Nifidy patriarika vaovao ho an’i Aleksandria izy avy eo, mba hahazoana antoka fa tsy hivadika aminy ireo provansy atsimo tamin’ny fanjakany. I Cyrus avy any Phasis no nofidiny ary nanaiky ilay foto-pampianarana noforoniny io. Tsy vitan’ny hoe nataon’ilay emperora ho patriarika fotsiny i Cyrus, fa nataony lehiben’i Ejipta koa, ka nanana fahefana tamin’ireo mpitondra teo an-toerana. Nanaiky ilay foto-pinoana ny ankamaroan’ireo tao amin’ny eglizy ejipsianina, rehefa somary noteriteren’i Cyrus tamin’ny alalan’ny fanenjehana.

Nangidy ny vokany

Hita taratra amin’izany fizotran-javatra sy fisehoan-javatra rehetra izany ve ny tenin’i Jesosy tao amin’ny vavaka nataony sy ny hevitra nofonosin’izy io, rehefa nilaza izy fa ‘tsy ho naman’izao tontolo izao’ ny mpanara-dia azy?—Jaona 17:14-16.

Nizaka ny vokany mangidy ireo mpitondra nitonona ho Kristianina tany Byzance fahiny sy ireo tatỳ aoriana, satria niditra tamin’ny raharaha ara-politika sy ara-tafika teo amin’izao tontolo izao. Inona no nianaranao avy tamin’ny fandinihana fohy an’izany tantara izany? Nankasitrahan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy ve ireo mpitondra tao amin’ny Fiangonan’i Byzance?—Jakoba. 4:4.

Tsy nitondra soa ho an’ny Kristianisma marina ireny mpitondra fivavahana fatra-paniry laza ireny sy ny sakaiza ratsiny ara-politika. Nampiseho tamin’ny fomba diso ny fivavahana madio nampianarin’i Jesosy io fampifangaroana ny fivavahana sy ny politika io. Aoka isika handray lesona avy amin’ny tantara, ka hitoetra ho “tsy naman’izao tontolo izao.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Ny Monotelisma dia foto-pinoana milaza fa sady Andriamanitra no olona i Kristy, nefa tokana ihany ny sitrapony.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

“TOY NY HOE ANDRIAMANITRA MIRIARIA ENY AMIN’NY LANITRA”

Ny fiainan’ny Patriarika Michel Keroularios (tamin’ny 1000-1059 tany ho any), dia mampiseho tsara ny fihetsiky ny lehiben’ny eglizy nanoloana ny raharaham-panjakana sy ny ady seza tafiditra tamin’izany. Efa lasa patriarika i Keroularios, nefa mbola nitady ho ambony kokoa. Nolazaina fa be hambo izy, niana-kendry, ary be di-doha, “nampiseho fihetsika toy ny hoe andriamanitra miriaria eny amin’ny lanitra.”

Te hanandra-tena i Keroularios, ka nataony izay hahatonga ny fisaraham-pinoana tamin’ny papan’i Roma, tamin’ny 1054, ary notereny ny emperora hanaiky izany. Faly izy fa nandresy, ary nataony izay hametrahana an’i Michel VI teo amin’ny fitondrana sady nampiany izy mba ho mafy orina ny fanjakany. Notereny hiala tamin’ny fitondrana indray i Michel VI, rehefa afaka herintaona, ary i Isaac Comnène indray no notendreny (tamin’ny 1005-1061 tany ho any).

Nihamafy hatrany ny fifandonan’ny patriarika sy ny fanjakana. Natoky i Keroularios fa hanampy azy ny vahoaka, ka nandrahona izy sady nanao didy jadona ary nampiasa herisetra. Nilaza ny mpahay tantara iray tamin’ny androny, hoe: “Nolazainy ampahibemaso fa hiongana io Emperora io. Teny mamingavinga no nilazany azy, hoe: ‘Izaho no nanandratra anao ry ilay vendrana ity a! Nefa hopotehiko ianao.’” Nosamborin’i Isaac Comnène anefa i Keroularios ka nampidiriny am-ponja ary nataony sesitany tany Imroz.

Asehon’izany ohatra rehetra izany, fa nahatonga fahasahiranam-be ny patriarik’i Constantinople, ary tena sahy izy nanohitra ny emperora. Matetika ny emperora no voatery nifampiraharaha tamin’ny olona toy izany, dia mpanao politika nahay sy olona nahavita nihantsy ny emperora sy ny tafika.

[Sarintany/Sary, pejy 9]

(Jereo ny gazety)

Ny Farany Lavitra Indrindra Nitaran’ny Fanjakan’i Byzance

Ravenne

Roma

MACÉDOINE

Constantinople

Ranomasina Mainty

Nicée

Efesosy

Antiokia

Jerosalema

Aleksandria

Ranomasina Mediterane

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 10, 11]

Comnène

Romain III (eo ankavia)

Michel IV

Emperoravavy Zoé

Romain I (eo ankavia)

[Sary nahazoan-dalana]

Comnène, Romain III, Michel IV: Courtesy Classical Numismatic Group, Inc.; Emperoravavy Zoé: Hagia Sophia; Romain I: Photo courtesy Harlan J. Berk, Ltd.

[Sary, pejy 12]

Photius

[Sary, pejy 12]

Héraclius sy ny zanany

[Sary nahazoan-dalana]

Héraclius sy ny zanany: Photo courtesy Harlan J. Berk, Ltd.; ny sary misoratsoratra rehetra, pejy 8-12: Tao amin’ilay boky hoe L’Art Byzantin III Ravenne Et Pompose