Very ny Fitokisana Rehefa Tsy Arahina ny Fitsipika
Very ny Fitokisana Rehefa Tsy Arahina ny Fitsipika
Tamin’ny andron’i Henri I, mpanjakan’i Angletera (1100-1135), dia izao no nandrefesana ny iray metatra: “Ny elanelan’ny tendron’ny oron’ny Mpanjaka hatreo amin’ny tendron’ny ankibeny, rehefa mitsotra ny tanany.” Mazava ho azy fa niovaova arakaraka ny mpandrefy io refy io. Noho izany, dia tsy azo antoka loatra ny tena fahamarinany.
AMIN’IZAO andro izao, dia fitsipika, na modely eken’ny firenena eran-tany no ampiasaina, mba hahazoana refy sy lanja marina kokoa. Koa izao àry no tena atao hoe iray metatra: Ny halavan’ny faritra babangoana iray diavin’ny fahazavana, ao anatin’ny iray segondra, zaraina 299 792 458. Afaka mampitovy ny refiny amin’ny an’ny hafa ny olona rehetra, na aiza na aiza, raha manana ilay fitaovana mamoaka refy mitovy amin’ny navoakan’ilay modely.
Mampanahy anefa raha miova ireo fitaovana atao modely, na dia kely fotsiny aza. Noho izany, dia arovana mafy izy ireny mba tsy hiova. Ny modely ijerena ny lanja any Grande-Bretagne, ohatra, dia fitaovana vita amin’ny metaly roa mifangaro, izay milanja iray kilao. Tahirizina ao amin’ny Laboratoara Nasionaly Momba ny Fizika izy io. Mitombo isan’andro anefa ny lanjan’io modelina kilaograma io, noho ny rivotra maloto avy amin’ny aotomobilina sy ny fiaramanidina. Mbola kopian’ilay modely iraisam-pirenena fotsiny anefa io, satria ilay tena izy dia tahirizina any ambanin’ny tany, ao amin’ny Birao Iraisam-pirenen’ny Refy sy Lanja, any Sèvres, Frantsa. Miova koa anefa na dia ny lanjan’ity farany ity aza, noho ny loto madinika. Hatramin’izao aloha, dia mbola tsy nahita modely tsy miovaova kokoa noho io ireo manam-pahaizana momba ny refy maneran-tany.
Toa tsy misy dikany amin’ny sarambaben’olona ny fiovana kely, kanefa mety ho very izy raha miova tanteraka ny modely ampiasaina. Tena tsy nifampatoky, ohatra, ny olona tany Grande-Bretagne, rehefa tsy nampiasaina intsony ny lanja taloha (livatra), fa ny kilaograma sy ny grama indray no nampiasaina. Rariny izany, satria nisy mpivarotra maty eritreritra nanararaotra ny mpividy mbola tsy zatra an’ilay lanja vaovao, ka nangala-danja.
Fitsipika momba ny fianakaviana sy ny fitondran-tena
Inona no mety ho vokatry ny fiovan’ireo fitsipika ireo? Tena mety ho ratsy kokoa: Fianakaviana rava sy fitondran-tena maloto ary fampijaliana ankizy hatraiza hatraiza. Sady maharikoriko ny maro izany no manamafy fa tsy azo ekena intsony ny fanaon’ny olona amin’izao androntsika izao. Fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny sy ankizy tezain’ny “mpivady” samy lehilahy na samy vehivavy ary ankizy vetavetain’ny olona tokony hikarakara azy. Izany rehetra izany no vokatry ny tsy fanarahan’ny olona intsony ny fitsipika tsara. Mihabetsaka ny olona manjary “tia tena, ... tsy manam-pitiavana, ... tsy tia ny tsara, ... 2 Timoty 3:1-4.
tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”, araka ny efa nolazain’ny Baiboly roa arivo taona eo ho eo lasa izay.—Tsy misy intsony ny fitokisana, rehefa tsy arahina ny fitsipi-pitondran-tena. Raiso, ohatra, ny zava-nitranga vao haingana tany Hyde, tanàna iray any avaratr’i Angletera. Nibaribary tao fa tsy narahina ny fitsipika ambony mifehy ny dokotera. “Nanaja sy natoky” ny dokoterany ireo mponina tao, nefa nampalahelo fa voafitaka izy ireo. Inona no nitranga? Nolazain’ny fitsarana fa namono vehivavy 15 notsaboiny, fara fahakeliny, ny dokotera iray. Voatery namotopototra ny nahafatesan’ny olona 130 hafa mihitsy aza ny polisy, satria voarohirohy tamin’izany io dokotera io. Niharihary fa tena namadika ny fitokisan’ny olona azy ilay dokotera, rehefa voaheloka sy naiditra am-ponja. Nomena asa hafa ny mpiambina roa, mba tsy ho voatery hikarakara an’io gadra malaza ratsy io, satria toa namono ny renin’izy ireo izy io. Tsy mahagaga àry raha niantso azy hoe “dokotera ‘Devoly’ ” ny gazety anglisy iray.
Koa satria miovaova sady miharatsy toy izany ireo fitsipika arahina eo amin’ny lafiny maro amin’ny fiainana, iza no azonao itokisana tanteraka? Aiza no ahitanao fitsipika tsy miovaova, avy amin’ny fahefana iray mahay mitaona ny olona hanaraka an’izany fitsipika izany? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.