Afaka ny Hahomby Ianao na Nanao Ahoana na Nanao Ahoana ny Fitaizana Azonao
Afaka ny Hahomby Ianao na Nanao Ahoana na Nanao Ahoana ny Fitaizana Azonao
NANANA toetra somary tia mikomy efa hatramin’ny fahazazany i Nicholas. * Nitarika azy hidoroka zava-mahadomelina sy hiboboka toaka ilay ady anaty nahazo azy, rehefa nandeha ny fotoana. Nanazava toy izao i Nicholas: “Alkaolika ny raiko, ary tena nampijaly be ahy sy ny anabaviko izy.”
Toa mpivavaka sy anisan’ny olona mendri-kaja teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy ny ray aman-drenin’i Malinda. Kanefa tafiditra lalina koa tao amin’ny sekta iray izy ireo. “Nanafintohana ahy sy nanimba ny saiko tamin’ny naha zaza ahy ny fanao sasany tao amin’ilay sekta narahin’izy ireo”, hoy ny fitarainan’i Malinda, izay efa 30 taona mahery izao. Manampy teny toy izao izy: “Raiki-tampisaka tamiko efa hatramin’izay nahatsiarovako tena ilay fahatsapana famoizam-po sy tsy fahamendrehana nampidirina tsikelikely tao amiko.”
Iza no afaka mandà fa simba ny fahazazan’ny olona sasany noho ny herisetra, ny fitondrana ratsy, ny fanaovan’ny ray aman-dreny an-tsirambina, ary ny anton-javatra ratsy hafa? Mety ho lalina ireo ratra vokatry ny tsy nahitana fahasambarana nandritra ny fahazazana. Moa ve anefa ny fery toy ireny voatery hanaisotra ho mandrakizay ny fahafahana hanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ka hahita fahasambarana? Afaka ny hahomby amin’ny maha mpihazona tsy fivadihana azy ve i Nicholas sy i Malinda, na dia tsy tsara aza ny fitaizana azon’izy ireo? Diniho aloha ny ohatr’i Josia mpanjakan’ny Joda.
Ohatra iray ao amin’ny Soratra Masina
Nanjaka teo amin’ny Joda nandritra ny 31 taona tamin’ny taonjato fahafito al.f.i. (659-629 al.f.i.) i Josia. Tena ratsy ny toe-piainana tany Joda, fony nandray ny seza fiandrianana i Josia, taorian’ny namonoan’ny olona an-drainy. Feno mpivavaka tamin’i Bala sy olona nianiana tamin’i Malkama, ilay andriamanitra lehibe indrindra teo amin’ny Amonita, i Joda sy i Jerosalema. “Liona mierona” ireo zanak’andriana tany Joda ary “amboadia hariva” ireo mpitsara, hoy i Zefania mpaminanin’Andriamanitra tamin’izay fotoana izay. Koa niely patrana àry ny herisetra sy ny fitaka tao amin’ilay tany. Maro no nanao anakampo toy izao: “Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.”—Zefania 1:3–2:3; 3:1-5.
Kanefa mpanjaka nanao ahoana i Josia? Izao no nosoratan’i Ezra, mpanoratra ny bokin’ny Tantara ao amin’ny Baiboly: “Nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah [i Josia] ka nandeha tamin’ny làlan’i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.” (2 Tantara 34:1, 2). Mazava fa nahomby i Josia teo am-panaovana izay marina teo imason’Andriamanitra. Nanao ahoana anefa ny toe-javatra tao amin’ilay fianakaviana niaviany?
Fahazazana nahazoana fanolokoloana sa niaretana fitondrana ratsy?
Fony i Josia teraka tamin’ny 667 al.f.i., dia vao 16 taona monja i Amona rainy ary i Manase raibeny no nanjaka tao Joda. I Manase no anisan’ny mpanjaka ratsy fanahy indrindra nanjaka tany Joda. Tamin’ny fananganana alitara ho an’i Bala dia ‘nahery nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy’. Nampandeha ny zanany hamaky ny afo izy, nanao majika, nanao sikidy, nampirisika hanaraka fanao nifandray tamin’ny fanahy ratsy, ary nandatsaka ra marina be dia be. Nentin’i Manase tao an-tranon’i Jehovah koa ny sary sokitr’ilay tsato-kazo masina nataony. Nitaona an’i Joda sy i Jerosalema “mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Isiraely” izy.—2 Tantara 33:1-9.
Tena ratsy loatra i Manase, hany ka nataon’i Jehovah izay hitondrana azy nigadra tany Babylona, izay anisan’ireo tanànan’ny mpanjaka asyrianina. Fony i Manase tany amin’ny fahababoana, dia nibebaka sy nanetry tena ary nitalaho famelan-keloka tamin’i Jehovah izy. Nohenoin’Andriamanitra 2 Tantara 33:10-17.
ny fangatahan’i Manase hahazo sitraka aminy, ary naveriny indray tamin’ny toeran’ny mpanjaka tany Jerosalema izy. Nanao fanavaozana i Manase avy eo, ary nahita fahombiazana ihany tamin’izany.—Inona no vokatry ny faharatsian’i Manase sy ny fibebahany taorian’izay teo amin’i Amona zanany? Lasa tena ratsy fanahy tokoa izy. Rehefa nibebaka i Manase, ary niezaka hanadio ny firenena tamin’ilay fahalotoana izay nampidirin’ny tenany ihany, dia tsy naneho fihetsika tsara i Amona. Taorian’ny nandovan’i Amona ny seza fiandrianana, teo amin’ny faha-22 taonany, dia ‘nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah tahaka ny nataon’i Manase rainy ihany izy’. Tsy nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah izy, “fa mainka nanota bebe kokoa aza”. (2 Tantara 33:21-23). Vao enin-taona monja i Josia fony tonga mpanjaka tany Joda i Amona. Azo antoka fa tena nahatsiravina tokoa ny zavatra niainan’i Josia nandritra ny fahazazany!
Nioko hamely an’i Amona ary namono azy ireo mpanompony, ka nifarana ny fanapahany ratsy rehefa afaka roa taona. Novonoin’ny vahoaka indray kosa ireo nioko hamely an’i Amona, ary i Josia zanany no nataon’izy ireo mpanjaka.—2 Tantara 33:24, 25.
Nanao izay tsara mandrakariva teo imason’i Jehovah i Josia, na dia ratsy aza ny tarehin-javatra nandritra ny fahazazany. Nahomby tokoa ny fanapahany, hany ka milaza toy izao ny Baiboly: “Tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’i Jehovah tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn’i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.”—2 Mpanjaka 23:19-25.
Tena ohatra mampahery tokoa i Josia ho an’ireo rehetra mety ho niaritra toe-javatra nahatsiravina nandritra ny fahazazany! Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay ohatra navelany? Inona no nanampy an’i Josia hifidy ny lalam-pitondran-tena tsara sy hanaraka azy io hatrany?
Miezaha hahalala an’i Jehovah
Nisy heriny tsara teo amin’i Josia fony izy mbola kely ny fibebahan’i Manase raibeny. Tsy milaza ny Baiboly hoe nanao ahoana ny fifandraisan’izy mianaka, ary hoe firy taona i Josia 2 Tantara 34:1-3.
fony i Manase nanitsy ny lalany. Koa satria nifandray akaiky ny mpianakavy jiosy, dia nety ho niezaka i Manase mba hamonjy ny zafikeliny tsy ho simban’ny fitaoman-dratsin’ireo nanodidina azy. Mety ho nanao izany izy tamin’ny nampidirany tao am-pon’ilay zafikeliny fanajana an’ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah, sy ny teniny. Nitondra vokatra, rehefa nandeha ny fotoana, ireo voan’ny fahamarinana izay hain’i Manase ny namboly azy tao am-pon’i Josia, niaraka tamin’ny fitaomana tsara hafa koa angamba. Tamin’ny taona fahavalo nanjakany teo amin’ny Joda, dia niezaka hahalala sy hanao ny sitrapon’i Jehovah i Josia, izay 15 taona.—Ny hany fifandraisana ara-panahy nananan’ny olona sasany tamin’ny fahazazany dia ny fifandraisana tamin’ny havana lavitra iray, na olom-pantatra iray, na mpifanila trano iray. Afaka ny hitondra vokatra tsara anefa, any aoriana, ireo voa nambolena, raha kolokoloina. Nanana mpifanila trano, izay toy ny dadabe, i Malinda, noresahina tetsy aloha. Nanatitra gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tany an-tranon’i Malinda foana izy. Mahatsiaro amim-piraiketam-po an’ilay “dadabe” i Malinda, ary miteny toy izao: “Tsy nankalaza fety ilay mpifanila trano tamiko, ary izany no nampiaiky volana ahy indrindra taminy. Zava-dehibe tamiko izany, satria fotoana nohararaotina mba hanarahana ireo fombafomban’ilay sekta nisy ny ray aman-dreniko ny Halloween sy ny sasany tamin’ireo fety hafa.” Folo taona tatỳ aoriana, rehefa nasain’ny namana iray i Malinda hanatrika fivoriana kristianina tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsaroany io mpifanila trano io ka nanaiky avy hatrany izy. Nanampy azy hitady ny fahamarinana izany.
Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra
Niavaka ny fanapahan’i Josia noho ireo fanavaozana ara-pivavahana goavana natao tany Joda. Taorian’ny ezaka manokana naharitra enin-taona mba hamongorana ny fanompoan-tsampy sy hanadiovana ny tanin’i Joda, dia nanomboka nanamboatra ny simba tamin’ny tranon’i Jehovah i Josia. Teo am-panaovana io asa io, dia nahita tena zava-tsarobidy tokoa i Hilkia mpisoronabe! Nahita ilay soratra tany am-boalohany tamin’ny “bokin’ny lalàn’i Jehovah” izy. Nankinin’i Hilkia tamin’i Safana mpitan-tsoratra ilay zavatra hita tena nampitolagaga, ary i Safana kosa nanao tatitra tamin’ny mpanjaka ny amin’izay nitranga. Moa ve ireo zava-bitany nahatonga an’i Josia, 25 taona, hieboebo?—2 Tantara 34:3-18.
“Rehefa ren’ny mpanjaka ny tenin’ny lalàna”, hoy ny nosoratan’ i Ezra, “dia nandriatra ny fitafiany izy”. Fanehoana alahelo tamim-pahatsorana izany, satria takany fa tsy nanatanteraka ny didin’Andriamanitra rehetra ireo razambeny. Izany ka tena mariky ny fanetren-tena tokoa! Tonga dia naniraka solontena voaforon’ny lehilahy dimy ilay mpanjaka mba hanontany an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Holda mpaminanivavy. Nanao tatitra ireo solontena, ka toy izao no votoatiny: ‘Ho avy ny loza ho vokatry ny tsy fankatoavana ny Lalàn’i Jehovah. Fa ianao kosa, ry Josia mpanjaka, satria nanetry tena ianao, dia hangonina any amin’ny fasanao amin’ny fiadanana, ka tsy hahita ilay loza.’ (2 Tantara 34:19-28). Faly i Jehovah noho ny fihetsika nasehon’i Josia.
Toraka izany koa, na nanao ahoana na nanao ahoana ny toe-javatra nisy tao amin’ilay fianakaviana nitaizana antsika, dia azontsika atao ny hanetry tena eo anatrehan’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, ary hampiseho fanajana azy sy ny Teniny, ny Baiboly. Nanao izany i Nicholas, voatonona etsy am-piandohana. Hoy izy: “Liana tamin’ny Baiboly ihany aho sady naniry mafy ny hanana zava-kendrena teo amin’ny fiainana, na dia nikorontana noho ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fibobohana toaka aza ny fiainako. Tamin’ny farany aho dia nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanova ny fomba fiainako, ary nanaraka ny fahamarinana.” Eny, afaka manana fanajana an’Andriamanitra sy ny Teniny isika, na manao ahoana na manao ahoana ny tarehin-javatra manodidina antsika.
Mandraisa soa avy amin’ny fandaharan’i Jehovah
Naneho fanajana lalina an’ireo mpaminanin’i Jehovah koa i Josia. Tsy vitan’ny hoe nanontany an’i Holda mpaminanivavy izy, fa nanan-kery lehibe teo aminy koa ireo mpaminany hafa tamin’ny androny. Ohatra, samy nazoto nanambara ny fanamelohana ilay fanompoan-tsampy natao tany Joda i Jeremia sy i Zefania. Tena nanome tanjaka mihitsy an’i Josia ny fitandremana ny hafatra nambaran’izy ireo, teo am-panaovany ezaka manokana mba hamongorana ny fivavahan-diso!—Jeremia 1:1, 2; 3:6-10; Zefania 1:1-6.
Notendren’ilay ‘tompo’, i Jesosy Kristy, ny fitambaran’ireo mpanara-dia azy voahosotra, dia ny Matio 24:45-47, NW ). Manintona ny saina ho amin’ireo soa azo avy amin’ny fitandremana ny torohevitra ara-baiboly ilay kilasin’ny mpanompo, ary manolotra soso-kevitra mahasoa ny amin’ny fampiharana izany torohevitra izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Manao izany izy amin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly sy amin’ny alalan’ny kongregasiona. Tena mety ny hampiasantsika ny fandaharan’i Jehovah natao hanampiana antsika handresy izay mety ho toe-tsaina lalim-paka tsy mahasoa! Hatramin’ny fahazazany, dia nankahala fahefana i Nicholas. Nisakana azy tsy hanompo an’i Jehovah bebe kokoa io fahalemena io, na dia rehefa nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra aza izy. Tsy mora tamin’i Nicholas mihitsy ny nanova izany toe-tsaina izany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nahomby izy. Inona no nataony? “Noho ny fanampian’ny anti-panahy roa mahataka-javatra”, hoy i Nicholas manazava, “dia niaiky fa nanana ilay zava-nanahirana aho, ary nanomboka nampihatra ny torohevitra feno fitiavana, miorina amin’ny Soratra Masina, nomen’izy ireo.” Manampy teny toy izao izy: “Haiko ankehitriny ny mifehy ny toetrako tia mikomy, na dia mipoitra tampoka tsindraindray aza ny fahasosorana kely.”
“mpanompo mahatoky sy malina”, mba hanome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety. (I Malinda koa dia mitady torohevitra avy amin’ny anti-panahy rehefa mandray fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainany. Ireo lahatsoratra samihafa ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! no hitan’i Malinda fa sarobidy indrindra eo am-piatrehana ny fahatsapana famoizam-po sy tsy fahamendrehana izay niandoha fony izy mbola kely. Hoy izy: “Indraindray, ao anatin’ny lahatsoratra iray, dia misy fehintsoratra na fehezanteny iray ihany, sombiny kely fotsiny, izay manohina ahy. Nanomboka nitahiry ny lahatsoratra toy ireny aho, tokony ho sivy taona lasa izay. Nataoko tao anaty fampirimana taratasy izy ireny, mba hahafahako hijery azy mora foana indray.” Mirakitra lahatsoratra 400 eo ho eo izao ireo fampirimana taratasy telo ananany.
Tsia, tsy voatery hijaly foana ny olona ho vokatry ny fiainam-pianakaviana ratsy. Afaka ny hahomby eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo noho ny fanampian’i Jehovah. Ny fitaizana tsara azon’ny olona iray dia tsy manome antoka fa hitoetra ho tsy mivadika izy. Toy izany koa, ny zava-dratsy niainana nandritra ny fahazazana dia tsy misakana ny olona tsy hatahotra an’Andriamanitra.
‘Nanao fanekena teo anatrehan’i Jehovah hanaraka Azy sy hankatò Azy hatrany amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra’ i Josia, taorian’ny nahitana ny bokin’ny Lalàna nandritra ny asa fanamboarana ny simba tao amin’ny tempoly. (2 Tantara 34:31). Tsy niova mihitsy tamin’io fanapahan-kevitra noraisiny io izy mandra-pahafatiny. Samy tapa-kevitra toy izany koa i Malinda sy i Nicholas ny hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah ary hahomby amin’ny maha mpihazona tsy fivadihana azy ireo. Enga anie ianao koa ho tapa-kevitra ny hitoetra ho akaiky an’Andriamanitra sy hanompo azy amim-pahatokiana. Afaka matoky ianao fa hahita fahombiazana, satria mampanantena toy izao i Jehovah: “Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady [manampy anao, Fandikan-teny Katolika]; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”—Isaia 41:10, 13.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.
[Sary, pejy 26]
Niezaka hahalala an’i Jehovah i Josia, ary nahita fahombiazana teo amin’ny fiainany, na dia nahatsiravina aza ny zavatra niainany nandritra ny fahazazany
[Sary, pejy 28]
Afaka manampy anao handresy lafin-toetra lalim-paka ireo anti-panahy
[Sary, pejy 28]
Afaka manampy anao hihazona tsy fivadihana “Ny Tilikambo Fiambenana” sy ny “Mifohaza!”