Tonga Hatraiza ny Fitiavanao?
Tonga Hatraiza ny Fitiavanao?
“Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”.—MATIO 22:39.
1. Raha tia an’i Jehovah isika, nahoana isika no tsy maintsy tia koa ny namantsika?
REHEFA nanontaniana an’i Jesosy izay didy lehibe indrindra, dia izao no navaliny: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra”. Avy eo izy dia nanonona didy faharoa, izay mitovy amin’ilay voalohany, manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Matio 22:37, 39). Eny, marika famantarana ny Kristianina iray ny fitiava-namana. Raha tia an’i Jehovah tokoa isika, dia tsy maintsy tia ny namantsika. Nahoana? Satria mampiseho ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika, amin’ny fankatoavantsika ny Teniny, ary ny Teniny dia mandidy antsika ho tia ny namantsika. Noho izany, raha tsy tia ireo rahalahintsika sy anabavintsika isika, dia tsy afaka ny ho tena amim-pahatsorana ny fitiavantsika an’Andriamanitra.—Romana 13:8; 1 Jaona 2:5; 4:20, 21.
2. Karazam-pitiavana manao ahoana no tokony hasehontsika amin’ny namantsika?
2 Rehefa nilaza i Jesosy hoe tokony ho tia ny namantsika isika, dia tsy fisakaizana fotsiny no noresahiny. Ary niresaka fitiavana hafa noho ilay misy voajanahary ao amin’ny fianakaviana, na eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, izy. Ny noresahiny kosa dia ny amin’ilay karazam-pitiavana ananan’i Jehovah ho an’ireo mpanompony vita fanoloran-tena, sy ilay ananan’izy ireo ho an’i Jehovah. (Jaona 17:26; 1 Jaona 4:11, 19). Niombon-kevitra tamin’i Jesosy ny mpanora-dalàna jiosy iray, izay takatr’i Jesosy fa niteny tamim-pahakingan-tsaina. Nanaiky izy io fa ny fitiavana an’Andriamanitra dia tokony ho “amin’ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra”. (Marka 12:28-34). Marina ny azy. Tafiditra amin’ilay fitiavana ambolen’ny Kristianina ho an’Andriamanitra sy ny namany ny fihetseham-pontsika sy ny fahaizantsika misaina. Tsapa ao am-po izy io, ary tarihin’ny saina.
3. a) Ahoana no nampianaran’i Jesosy “mpahay lalàna” iray fa tokony hanana fomba fijery mitatra mahakasika ny atao hoe namany izy? b) Amin’ny ahoana ilay fanoharan’i Jesosy no mihatra amin’ny Kristianina amin’izao andro izao?
Lioka 10:25-37). Mety ho taitra ilay mpahay lalàna nandre an’i Jesosy nilaza fa mety ho namana tsara kokoa noho ny mpisorona sy ny Levita, ny Samaritanina. Mazava fa nampian’i Jesosy io lehilahy io mba ho tia ny namany tamin’ny fomba nitatra kokoa. Tia amin’izany fomba izany koa ny Kristianina. Hevero ireo olona rehetra anisan’ny tian’izy ireo.
3 Araka ny tatitra nataon’i Lioka, rehefa nilaza i Jesosy fa tokony ho tia ny namantsika isika, dia “nisy mpahay lalàna anankiray” nanontany toy izao: “Iza ary no namako?” Fanoharana iray no namalian’i Jesosy izany. Nisy lehilahy iray voakapoka sy voaroba ary navela teo an-tsisin-dalana rehefa saiky maty. Nandalo teo, aloha, ny mpisorona iray, ary avy eo, ny Levita iray. Samy mody tsy nahita azy izy roa lahy. Farany, dia nisy Samaritanina iray nipoitra avy any, ka nahita ilay lehilahy naratra, ary nanao zavatra tamin-katsaram-panahy lehibe ho an’ilay lehilahy. Iza tamin’ireo telo ireo no naman’ilay lehilahy naratra? Niharihary ny valin’izany. (Fitiavana eo anivon’ny fianakaviana
4. Aiza aloha voalohany indrindra no anehoan’ny Kristianina ny fitiavana?
4 Tia ny mpianakaviny ny Kristianina, izany hoe, ny vehivavy tia ny vadiny, ny lehilahy tia ny vadiny, ny ray aman-dreny tia ny zanany. (Mpitoriteny 9:9; Efesiana 5:33; Titosy 2:4). Marina aloha fa misy fatoram-pitiavana voajanahary mampiray ny ankamaroan’ny fianakaviana. Eo anefa ireo tatitra momba ny fanambadiana rava, sy ny vady atao ratsy fitondra, ary ny ankizy atao tsirambina na atao ratsy fitondra, ka mampiseho izany fa ao anatin’ny fihenjanana ny fianakaviana amin’izao andro izao, ary mety tsy ho ampy mba hampiray ny mpianakavy, ny fihetseham-po voajanahary mampifamatotra ny fianakaviana. (2 Timoty 3:1-3). Mba tena hahavanona ny fiainam-pianakavian’ny Kristianina, dia mila mampiseho ilay karazam-pitiavana ananan’i Jehovah sy i Jesosy, izy ireo.—Efesiana 5:21-27.
5. Any amin’iza no itadiavan’ny ray aman-dreny fanampiana eo amin’ny fitaizana ny zanany, ary inona no vokatr’izany ho an’ny olona maro?
5 Mihevitra ny zanany ho fananana nankinin’i Jehovah taminy ny ray aman-dreny kristianina, ka mitodika any amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana hitaizana ireo zanany ireo. (Salamo 127:3-5; Ohabolana 22:6). Amin’izany fomba izany no ambolen’ireo ray aman-dreny fitiavana kristianina izay manampy azy hiaro ny zanany amin’ireo fitaomana manimba mety hahazo ny tanora. Vokatr’izany, dia ray aman-dreny kristianina maro no nahita fifaliana toy izay hitan’ny renim-pianakaviana iray tany Holandy. Anisan’ireo 575 natao batisa tany Holandy tamin’ny taon-dasa ny zanany lahy. Koa rehefa avy nijery ny batisan’io zanany io izy, dia nanoratra izao manaraka izao: “Tamin’io fotoana io, dia nody ventiny ny rano nantsakaiko nandritra ireo 20 taona lasa. Hadino avokoa izao ny fotoana sy ny hery rehetra lany, mbamin’ny ratram-po sy ny ezaka ary ny alahelo.” Sambatra erỳ izy fa nifidy ny hanompo an’i Jehovah ny zanany lahy, tsy noteriterena fa nanao izany an-tsitrapo. Ny tampon’isan’ny mpitory namerina tatitra tany Holandy tamin’ny taon-dasa dia 31 089. Maro tamin’izy ireo no nianatra ho tia an’i Jehovah, noho ny fampianaran’ireo ray aman-dreniny.
6. Ahoana no ahafahan’ny fitiavana kristianina manampy mba hanatanjaka ny fatoram-panambadiana?
6 Nantsoin’i Paoly hoe “fehy fampiraisana tonga lafatra” ny fitiavana, ary afaka miaro ny fatoram-panambadiana izy io na dia mandritra ny fotoana misamboaravoara be aza. (Kolosiana 3:14, 18, 19; 1 Petera 3:1-7). Notoherin’ny vadiny mafy ny lehilahy iray tany Rurutu, nosy kely iray 700 kilaometatra avy ao Tahiti, rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny farany, dia nentin’ilay ramatoa ny zanany, nilaozany ilay rangahy, ary lasa izy nipetraka tany Tahiti. Na izany aza, dia naneho ny fitiavany ihany ilay rangahy tamin’ny fandefasana vola tsy tapaka tany aminy, sy tamin’ny fiantsoana an-telefaonina mba hanontaniana raha nisy zavatra nilain’ilay ramatoa, na nilain’ireo ankizy. Araka izany, dia nanao araka izay fara heriny ilay rangahy mba hanatanterahana ny adidiny kristianina. (1 Timoty 5:8). Nivavaka tsy tapaka izy mba hahatafaray indray ny fianakaviany, ary tamin’ny farany, dia nody ny vadiny. Rehefa nody ravehivavy, dia nitondra azy ‘tamim-pitiavana sy faharetana ary tamim-pahalemem-panahy’, ilay rangahy. (1 Timoty 6:11). Natao batisa izy tamin’ny 1998, ary tatỳ aoriana, dia tsy omby tratra ny hafaliany rehefa nanaiky hianatra ny Baiboly ny vadiny. Io fampianarana io dia iray amin’ireo fampianarana 1 351 notarihina tany amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Tahiti, tamin’ny taon-dasa.
7. Araka ny filazan’ny lehilahy iray any Alemaina, inona no nanatanjaka ny fanambadiany?
7 Tany Alemaina, dia nanohitra ny fahalianan’ny
vadiny tamin’ny fahamarinana ara-baiboly ny lehilahy iray, ary nino mafy fa ta hamitaka ny vadiny ny Vavolombelon’i Jehovah. Tatỳ aoriana anefa, dia nanoratra toy izao tamin’ilay Vavolombelona nifandray voalohany tamin’ny vadiny, ilay rangahy: “Misaotra anao nampifankahalala ny vadiko tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanahy aho tamin’ny voalohany satria nandre zavatra ratsy maro be momba azy ireo aho. Amin’izao fotoana izao anefa, rehefa avy nanatrika fivoriana niaraka tamin’ny vadiko aho, dia takatro fa diso ny tenako. Fantatro fa ny fahamarinana no reko, ary nanatanjaka kokoa ny fanambadianay izy io.” Misy fianakaviana maro tafaray noho ny fitiavana araka an’Andriamanitra, ao amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah 162 932 any Alemaina sy ireo 1 773 any amin’ireo nosy iandraiketan’ny sampan’i Tahiti.Fitiavana ireo rahalahintsika kristianina
8, 9. a) Iza no mampianatra antsika ho tia ireo rahalahintsika, ary manosika antsika hanao inona ny fitiavana? b) Manomeza ohatra ny amin’ny fomba azon’ny fitiavana anampiana ireo rahalahy mba hifanohana.
8 Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina tany Tesalonika: “Ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra hifankatia.” (1 Tesaloniana 4:9). Eny, mifankatia ireo izay ‘ampianarin’i Jehovah’. (Isaia 54:13). Miseho eo amin’ny atao ny fitiavan’izy ireo, araka ny nasehon’i Paoly, fony izy nanao hoe: “Mifampanompoa amin’ny fitiavana.” (Galatiana 5:13; 1 Jaona 3:18). Manao izany izy ireo, ohatra, rehefa mitsidika rahalahy na anabavy marary, rehefa mampahery ny ketraka sy manohana ireo reraka. (1 Tesaloniana 5:14). Anisan’ny mampitombo ny paradisantsika ara-panahy ny tena fitiavana kristianina ananantsika.
9 Tao amin’ny Kongregasionan’i Ancón, izay iray amin’ireo kongregasiona 544 any Ekoatera, dia naneho ny fitiavany tamin’ny fomba azo notsapain-tanana ireo rahalahy. Nisy krizy ara-toe-karena nahatonga azy ireo tsy hanana asa na fidiram-bola, ka nanapa-kevitra ireo mpitory mba hanangom-bola avy amin’ny fivarotana hani-masaka amin’ireo mpanjono teo an-toerana rehefa nody avy nanjono tamin’ny alina, izy ireo. Niara-niasa ny rehetra, anisan’izany ireo ankizy. Tsy maintsy nanomboka tamin’ny 1 ora maraina izy ireo mba hahavonona ny sakafo tamin’ny 4 ora maraina, rehefa niverina ireo mpanjono. Nozarazaraina teo amin’izy samy izy, araka izay nilainy avy, ny vola voangon’ireo rahalahy. Nampiseho tena fitiavana kristianina ny fifanampiana toy izany.
10, 11. Ahoana no azontsika anehoana fitiavana an’ireo rahalahy izay tsy fantatsika manokana?
10 Tsy voafetra ho amin’ireo Kristianina fantatsika manokana ihany anefa ny fitiavantsika. Hoy ny apostoly Petera: “Manàna fitiavana ny fitambaran-drahalahy manontolo”. (1 Petera 2:17, NW ). Tiantsika avokoa ireo rahalahintsika sy anabavintsika rehetra, satria mpivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra tahaka antsika koa izy rehetra ireny. Mety hanome fahafahana hampiseho izany fitiavana izany ny fisian’ny fotoan-tsarotra. Nandritra ny taom-panompoana 2000, ohatra, dia nisy tondra-drano be nandrava an’i Mozambika, ary nampahantra olona maro ny ady an-trano tsy an-kijanona any Angola. Voakasika tamin’ireo zava-nitranga ireo ny ankamaroan’ireo rahalahy 31 725 any Mozambika, sy ireo 41 222 any Angola. Noho izany, ny Vavolombelona tatsy Afrika Atsimo, izay teo akaiky teo, dia nandefa vatsy be dia be mba hanamaivanana ny fahorian’ireo rahalahiny any amin’ireny tany ireny. Nampiseho ny fitiavan’izy ireo ny fahavononany hanome tamin’ny ‘haben’ny harenany’ ho an’ireo rahalahiny sahirana.—2 Korintiana 8:8, 13-15, 24.
11 Hita koa ny fitiavana rehefa misy rahalahy any amin’ny tany maro mifarimbona mba hanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe any amin’ny tany mahantra kokoa. Ohatra iray amin’izany izay niseho tany amin’ny Nosy Salomon. Na dia teo aza ny hotakotaka be tany amin’ny Nosy Salomon, dia nahitana fitomboana 6 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory tamin’ny taon-dasa, tamin’ny tampon’isa 1 697. Nikasa hanorina Efitrano Fivoriambe izy ireo. Na dia maro aza ny mponina tao amin’ireo nosy no nandositra ilay tany, dia nisy mpiasa an-tsitrapo tonga avy tany Aostralia mba hanampy tamin’ilay fanorenana. Voatery niala ihany tamin’ny farany ireo mpiasa an-tsitrapo, kanefa tsy nandeha izy ireo raha tsy rehefa avy nampiofana ireo rahalahy teo an-toerana mba hamita ny fototra. Nalefa sambo avy tany Aostralia ilay rafitra vy efa préfabriqué hanaovana ilay efitrano. Ho fanambarana tsara dia tsara ho an’ny anaran’i Jehovah sy ho an’ny fitiavan’ireo rahalahy, ny famitana io trano tsara dia tsara hanaovana fanompoam-pivavahana io, amin’ny fotoana isian’ny toeram-panorenana maro be navela ho lao.
Toa an’Andriamanitra, dia tia an’izao tontolo izao isika
12. Ahoana no anahafantsika an’i Jehovah, eo amin’ny fihetsitsika manoloana ireo tsy mitovy finoana amintsika?
12 Voafetra ho amin’ny fianakaviantsika sy ho amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy fotsiny ve ny fitiavantsika? Tsia, raha ‘manahaka an’Andriamanitra’ isika. Hoy i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Efesiana 5:1; Jaona 3:16, izahay no manao soramandry.) Sahala amin’i Jehovah Andriamanitra, dia manao zavatra amim-pitiavana ho an’ny olona rehetra isika, anisan’izany ireo tsy mitovy finoana amintsika. (Lioka 6:35, 36; Galatiana 6:10). Noho izany indrindra no itoriantsika ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy ilazantsika amin’ny hafa ny zavatra nataon’Andriamanitra ho azy ireo, dia asa lehibe fanehoam-pitiavana avy amin’Andriamanitra. Mety hitondra famonjena ho an’izay mihaino izany.—Marka 13:10; 1 Timoty 4:16.
13, 14. Inona no fitantarana sasany momba ny rahalahy izay naneho fitiavana tamin’olona tsy Vavolombelona, na dia nampananosarotra be azy ireo aza izany?
13 Diniho ireto mpitory efatra mpisava lalana manokana any Népal ireto. Notendrena ho ao amin’ny tanàna iray any atsimoandrefan’ilay tany izy, ary efa hatramin’ny dimy taona izao izy ireo no maneho ny fitiavany, amin’ny fitoriana amim-paharetana ao amin’ilay tanàna sy any amin’ireo vohitra manodidina. Mba hamitana ny faritaniny, dia matetika izy ireo no mandeha bisikileta mandritra ny ora maro ao anatin’ny hafanana maherin’ny 40 degre. Nitondra vokatra tsara dia tsara ny fitiavan’izy ireo sy ny ‘faharetany nanao soa’, rehefa nanjary nisy antokon’olona nahaforona fianarana ny boky tao amin’ny iray amin’ireo vohitra. (Romana 2:7). Tamin’ny Martsa 2000, dia nisy olona 32 tonga nihaino ny lahateny ampahibemaso nataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany izay nitsidika. Nanana tampon’isan’ny mpitory 430 i Népal tamin’ny taon-dasa, izany hoe, nisy fitomboana 9 isan-jato. Mazava fa mitahy ny zotom-po sy ny fitiavana asehon’ireo rahalahy any amin’io tany io i Jehovah.
14 Tany Kolombia, dia nisy mpisava lalana manokana tsy maharitra, nandeha nitory tany amin’ireo Indianina wayuu. Mba hanaovana izany, dia voatery nianatra fiteny vaovao izy ireo, kanefa novalian-tsoa ny fiahiana feno fitiavana nasehon’izy ireo rehefa nisy 27 ny nanatrika lahateny ampahibemaso, na dia teo aza ny oram-be nivatravatra. Ny zotom-po feno fitiavana toy izay nasehon’ireo mpisava lalana ireo dia anisan’ny nandray anjara tamin’ny fitomboana 5 isan-jato tany Kolombia, sy tampon’isan’ny mpitory 107 613. Tany Danemark, dia nisy anabavy efa zokiolona naniry hitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa, saingy nalemy ny tenany. Tsy kivy tamin’izany anefa izy fa nifandray tamin’ny olona liana tamin’ny fanoratana taratasy. Amin’izao fotoana izao izy dia mifanoratra amin’olona 42
ary mitarika fampianarana ny Baiboly 11. Izy dia iray amin’ireo mpitory namerina tatitra tany Danemark, izay nahatratra tampon’isa 14 885 tamin’ny taon-dasa.Tiavo ny fahavalonao
15, 16. a) Tokony ho tonga hatraiza ny fitiavantsika, araka ny filazan’i Jesosy? b) Ahoana no nataon’ireo rahalahy tompon’andraikitra mba hifampiraharahana tamim-pitiavana tamin’olona izay niampanga lainga ny Vavolombelon’i Jehovah?
15 Nilaza tamin’ilay mpahay lalàna i Jesosy fa azo noheverina ho namana ny Samaritanina iray. Lasa lavitra kokoa mihitsy aza i Jesosy tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra, rehefa nilaza izy hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tiava ny namanao’, ary mankahalà ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo,—mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo”. (Matio 5:43-45). Na dia misy manohitra antsika aza, dia miezaka isika mba ‘handresy ny ratsy amin’ny soa’. (Romana 12:19-21). Raha azo atao, dia zaraintsika aminy ny fananantsika sarobidy indrindra, dia ny fahamarinana.
16 Tany Ukraine, dia nilaza ny Vavolombelon’i Jehovah ho sekta mampidi-doza ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Kremenchuk Herald. Tsy zava-maivana izany satria any Eoropa, dia misy milaza ny Vavolombelon’i Jehovah ho toy izany mba hampiekena ny olona fa tokony hasiana fameperana na horarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia nohatonina ilay mpampanonta gazety, ary nangatahina mba hamoaka filazana an-gazety izay manitsy ilay lahatsoratra. Nanaiky izy, saingy rehefa navoaka ilay izy, dia nasiany filazana fa niorina tamin’ny zava-misy, hono, ilay lahatsoratra voalohany. Koa nisy rahalahy tompon’andraikitra nanatona azy indray, nitondra fanazavana misimisy kokoa. Takatr’ilay mpampanonta gazety tamin’ny farany fa diso ilay lahatsoratra voalohany ka namoaka filazana nanafoana ny teniny teo aloha izy. Ny fifampiraharahana taminy tamim-pahatsorana sy tamin-katsaram-panahy no fomba feno fitiavana nentina nandamina an’io raharaha io, ary nitondra vokany tsara izany.
Ahoana no azontsika ambolena fitiavana?
17. Inona no milaza fa mety tsy ho mora foana akory ny manao zavatra amim-pitiavana amin’ny hafa?
17 Rehefa teraka ny zazakely iray, vetivety dia raiki-pitia aminy ireo ray aman-dreniny. Tsy mandeha ho azy toy izany foana anefa ny fifampiraharahana amim-pitiavana amin’olon-dehibe. Azo inoana fa izany no mahatonga ny Baiboly hamerimberina hilaza amintsika mba hifankatia. Zavatra tsy maintsy iezahantsika hananana izy io. (1 Petera 1:22; 4:8; 1 Jaona 3:11). Fantatr’i Jesosy fa hotsapaina ny fitiavantsika, fony izy nilaza fa tokony hamela ny rahalahintsika “hatramin’ny impito amby fito-polo” isika. (Matio 18:21, 22). Nampirisika antsika mba ‘hifandefitra’ koa i Paoly. (Kolosiana 3:12, 13). Tsy mahagaga raha ilazana isika hoe: “Miezaha mitady ny fitiavana”! (1 Korintiana 14:1). Ahoana no azontsika anaovana izany?
18. Inona no hanampy antsika hamboly fitiavana ny hafa?
18 Voalohany aloha, dia azontsika tadidina foana ilay fitiavantsika an’i Jehovah Andriamanitra. Io fitiavana io dia mandrisika mafy antsika mba ho tia ny namantsika. Nahoana? Satria rehefa manao izany isika, dia sady mahatonga ny olona hanana fiheverana tsara momba an’ilay Raintsika any an-danitra izany no manome voninahitra sy fiderana azy koa. (Jaona 15:8-10; Filipiana 1:9-11). Faharoa, dia afaka miezaka ny hijery zavatra toy ny fahitan’i Jehovah azy isika. Isaky ny manota isika, dia manota amin’i Jehovah; na izany aza, dia imbetsaka izy no mamela ny helotsika ary mbola tia antsika hatrany ihany. (Salamo 86:5; 103:2, 3; 1 Jaona 1:9; 4:18). Raha miezaka hanana ny fomba fijerin’i Jehovah isika, dia ho vonona ho tia ny hafa sy hamela ny fahadisoany tamintsika. (Matio 6:12). Fahatelo, dia afaka mitondra ny hafa toy ny aniriantsika hitondrany antsika isika. (Matio 7:12). Noho isika tsy lavorary, dia matetika isika no mila famelan-keloka. Rehefa milaza zavatra izay mandratra ny hafa isika, ohatra, dia antenaintsika fa hotsaroan’izy ireo fa manota amin’ny lelany ny olon-drehetra indraindray. (Jakoba 3:2). Raha tiantsika ny hitondran’ny hafa antsika amim-pitiavana, dia tokony hitondra azy ireo amim-pitiavana isika.
19. Ahoana no azontsika itadiavana ny fanampian’ny fanahy masina mba hambolena fitiavana?
19 Fahefatra, dia afaka mitady ny fanampian’ny fanahy masina isika, satria anisan’ny vokatry ny fanahy, ny fitiavana. (Galatiana 5:22, 23). Matetika no tonga ho azy ny fisakaizana sy ny fihetseham-po mampifamatotra ny mpianakavy sy ny fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mila ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah kosa anefa isika mba hambolena ilay fitiavana ananan’i Jehovah, dia ilay fitiavana izay fehy fampiraisana tonga lafatra. Afaka mitady ny fanampian’ny fanahy masina isika amin’ny famakiana ny Baiboly ara-tsindrimandry. Raha mianatra ny amin’ny fiainan’i Jesosy isika, ohatra, dia ho hitantsika ny fomba nitondrany ny olona, ary afaka mianatra manahaka azy isika. (Jaona 13:34, 35; 15:12). Ankoatra izany, dia afaka mangataka amin’i Jehovah ny fanahy masina isika, indrindra fa rehefa ao anatin’ny toe-javatra mahasarotra ny fanaovan-javatra amim-pitiavana. (Lioka 11:13). Farany, dia afaka miezaka hanana fitiavana isika raha mitoetra ho akaiky ny kongregasiona kristianina. Manampy antsika hamboly fitiavana ny fiarahana amin-drahalahy sy anabavy be fitiavana.—Ohabolana 13:20.
20, 21. Inona no fampisehoam-pitiavana niavaka nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taom-panompoana 2000?
20 Tamin’ny taon-dasa, dia nisy tampon’isan’ny mpitory ny vaovao tsara 6 035 564 maneran-tany. Tamin’ny fitambarany, dia nandany 1 171 270 425 ora ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitadiavana ny olona sy hilazana aminy ny vaovao tsara. Ny fitiavana no nahatonga azy ireo hiaritra ny hafanana sy ny ranonorana ary ny hatsiaka teo am-panatontosany io asa io. Ny fitiavana no nanosika azy ireo hiresaka tamin’ny mpiara-mianatra sy mpiara-miasa, sy hanombo-dresaka tamin’olon-tsy fantatra mihitsy teny amin’ny arabe sy tany an-toeran-kafa. Maro tamin’ireo notsidihin’ny Vavolombelona no tsy niraharaha, ary nisy sasantsasany nanohitra. Na izany aza, dia naneho fahalianana ny sasany, ka nisy fiverenana mitsidika 433 454 049 natao, sy fampianarana Baiboly 4 766 631 notarihina. *
21 Mampiseho tokoa ny fitiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Andriamaniny sy ny namany izany rehetra izany! Tsy hihamangatsiaka na oviana na oviana izany fitiavana izany. Matoky isika fa vao mainka aza hisy fanambarana lehibe kokoa hatao amin’ny taranak’olombelona amin’ny taom-panompoana 2001. Enga anie ny fitahian’i Jehovah homba an’ireo mpivavaka aminy mahatoky sy be zotom-po, eo ‘am-panaovan’izy ireo ny zavatra rehetra amin’ny fitiavana’!—1 Korintiana 16:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 20 Mba hahitana ny tsipirian’ny Tatitra Momba ny Taom-panompoana 2000, dia jereo ny tabilao ao amin’ny pejy faha-18-21.
Hainao Hazavaina Ve?
• Iza no tahafintsika rehefa tia ny namantsika isika?
• Tokony ho tonga hatraiza ny fitiavantsika?
• Inona no fitantarana sasany mampiseho ny fitiavana kristianina?
• Ahoana no azontsika ambolena fitiavana kristianina?
[Fanontaniana]
[Tabilao, pejy 18-21]
TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 2000
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 15]
Afaka mampiray ny mpianakavy ny fitiavana kristianina
[Sary, pejy 17]
Manosika antsika hiresaka ny fanantenantsika amin’ny hafa ny fitiavana