Fomba Amin’ny Krismasy—Fomba Kristianina Ve?
Fomba Amin’ny Krismasy—Fomba Kristianina Ve?
TONGA ity ny fotoanan’ny Krismasy. Midika ho inona ho anao sy ny fianakavianao ary ny mpiara-miasa aminao izany? Fotoan-dehibe ara-panahy ve, sa fotoanan’ny fety sy firavoravoana fotsiny? Fotoana hisaintsainana ny nahaterahan’i Jesosy Kristy ve, sa fotoana tsy hiraharahana ireo fari-pitsipika kristianina?
Eo am-pandinihana ireo fanontaniana ireo, dia tadidio fa mety hiova arakaraka ny toerana onenanao ny fomba mahazatra amin’ny Krismasy. Any Meksika sy any amin’ny tany hafa any Amerika Latinina, ohatra, dia tsy mitovy na dia ilay anarana aza. Manazava ny rakipahalalana iray fa ny teny hoe Krismasy, “dia avy amin’ny hoe Christes Masse, na ny Lamesan’i Kristy, tamin’ny Moyen Âge”. Ny hoe La Navidad kosa anefa, araka ny iantsoana azy any amin’ireo tany any Amerika Latinina, dia manondro ny nahaterahan’i Kristy. Makà fotoana kely handinihana ny tsipiriany sasany amin’ny fomba any Meksika. Izany dia mety hisy heriny eo amin’ny fomba fihevitrao manokana mahakasika io fotoanan’ny fety io.
Ny posadas, sy “ireo olon-kendry telo”, ary ny nacimiento
Ny 16 Desambra no manomboka ny fety, amin’ilay hoe posadas. Hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe Mexico’s Feasts of Life: “Izao no fotoanan’ny posadas, sivy andro mahasondriana alohan’ny Krismasy Alina, izay ankalazana ny nirenirenen’i Josefa sy i Maria irery tao amin’ny tanànan’i Betlehema sy ny fotoana nahitan’izy ireo fanehoana hatsaram-panahy sy fialofana ihany tamin’ny farany. Isan’alina, dia miaraka ny fianakaviana sy ny namana mba hilalao indray, toy ny fampisehoana an-tsehatra, izay nitranga nandritra ireo andro talohan’ny nahaterahan’i Kristy.”
Araka ny fomba nentim-paharazana, dia mitondra sarin’i Maria sy i Josefa any amin’ny trano iray ny antokon’olona iray ary mangataka fialofana, na posada, amin’ny alalan’ny hira. Hira ihany koa no asetrin’ireo olona ao amin’ilay trano, mandra-pamela ireo mpitsidika hiditra ao amin’ilay trano amin’ny farany. Avy eo, dia manomboka ny lanonana: misy olona mitampi-maso sy mitana tsora-kazo eny an-tanany, mifandimby mamaky ny piñata, sinibe tanimanga voaravaka iray mihantona amin’ny tady. Rehefa vaky izy io, dia angonin’ireo mpanao fankalazana ny tao anatiny (vatomamy, voankazo, sy ny toy izany). Aorian’izany, dia misy sakafo sy zava-pisotro sy mozika ary dihy. Lanonana posada valo no atao, manomboka ny 16 Desambra ka hatramin’ny 23 Desambra. Ny faha-24 no ankalazana ny Nochebuena (ny Krismasy Alina), ary miezaka mba hiaraka ny fianakaviana mba hiara-mihinana sakafo manokana.
Tsy ela dia tonga ny Taom-baovao, izay ankalazaina amin’ny lanonana mikotaba be. Ny takarivan’ny 5 Janoary no heverina fa hitondra kilalao ho an’ny ankizy, ireo Tres Reyes Magos (“olon-kendry telo”). Mahatratra ny fara tampony izany amin’ny lanonana iray ny 6 Janoary, izay androsoana ny rosca de Reyes (mofomamy miendrika faribolana). Eo am-pihinanana io mofomamy io, dia hisy olona hahita saribakoly kely mampiseho an’i Jesosy zazakely, ao anatin’ny mofomaminy. Voatery mandamina sy manao lanonana iray farany any an-tranony ilay nahita azy io, ny 2 Febroary. (Any amin’ny toerana sasany, dia misy saribakoly kely telo, izay mampiseho “ireo olon-kendry telo”.) Araka ny hitanao, dia mitohy hatrany ilay lanonana mifandray amin’ny Krismasy.
Mandritra io fotoana io, dia mitana toerana tena lehibe ny nacimiento (sary mampiseho ny Nahaterahan’i Jesosy). Inona no tafiditra amin’izy io? Misy sary toy izany atao amin’ny sarivongana (lehibe na kely) vita amin’ny bakoly na hazo na tanimanga
apetraka any amin’ny toerana ho an’ny besinimaro ary koa any am-piangonana sy any an-tokantrano. Mampiseho an’i Josefa sy i Maria mandohalika manoloana fihinanam-bilona misy zaza menavava iray, izy ireny. Misy mpiandry ondry sy Los Reyes Magos (“ireo olon-kendry”) koa matetika. Ao an-tranon’omby izy ireo, ary misy biby koa miaraka amin’izy ireo. Ny mitana ny toerana lehibe indrindra anefa dia ilay zaza menavava, antsoina amin’ny teny espaniola hoe el Niño Dios (ilay Andriamanitra Zanaka). Io sarivongana mitana ny toerana lehibe indrindra io dia mety hapetraka eo ny Krismasy Alina.Fijerena akaiky kokoa ny fomba mahazatra amin’ny fankalazana ny nahaterahan’i Jesosy
Mahakasika ny fankalazana ny Krismasy araka ny ahalalana azy maneran-tany amin’ny ankapobeny, dia hoy ny The Encyclopedia Americana: “Ny ankamaroan’ireo fomba ampifandraisina ankehitriny amin’ny Krismasy, dia tsy fomba tamin’ny Krismasy tany am-piandohana, fa fomba talohan’ny andro kristianina sy fomba tsy kristianina kosa, izay noraisin’ny fiangonana kristianina ka narahiny. Nanjary modelin’ny fanao maro amin’ny fiaraha-mikorana amin’ny Krismasy, ny Satiornaly, fety romanina nankalazaina teo antenatenan’ny volana Desambra. Avy tamin’io fankalazana io, ohatra, no niavian’ilay fety manetriketrika sy ny fanolorana fanomezana ary ny fandrehetana labozia.”
Angamba arahina any Amerika Latinina ireny fanao fototra amin’ny Nahaterahan’i Jesosy ireny, mbamin’ny fanao fanampiny hafa. Mety hanontany tena ianao hoe ‘avy aiza no niaviany’. Raha ny marina, dia maro amin’ireo maniry hifikitra amin’ny Baiboly no manaiky fa tsy inona akory ny fanao sasany fa fombafomban’ny Azteka. Hoy ny fanamarihan’ny El Universal, gazety iray any Mexico: “Frera avy amin’ny fikambanan-drelijiozy samihafa no nanararaotra an’ilay hoe nifanitsy tamin’ny kalandrie katolika momba ny litorjia ireo fety tao amin’ny kalandrie indianina momba ny fombafomba, ka nampiasain’izy ireo izany mba hanohanana ny fitoriany ny filazantsara sy ny asa misionera nataony. Nosoloan’izy ireo fety ho an’ireo andriamanitra kristianina ireo fankalazana an’ireo andriamanitra talohan’ny nahatongavan’ny Espaniola. Sady nampidirin’izy ireo ny fety sy fanao eoropeanina no noraisiny koa ireo fety indianina, ka izany dia niteraka fitambaram-pireham-pinoana ara-kolontsaina izay nipoiran’ireo fombafomba mampiavaka marina ny Meksikanina.”
Hoy ny fanazavan’ny The Encyclopedia Americana: “Tsy ela dia nanjary anisan’ny fankalazana ny Krismasy ny fampisehoana tantara momba ny Nahaterahan’i Jesosy (...) Nolazaina fa natombok’i Masindahy François, ilay fampisehoana ny tranon’omby [ny fihinanam-bilona] amin’ny Krismasy any am-piangonana.” Ireny tantara mampiseho ny nahaterahan’i Kristy ireny dia nolalaovina tany am-piangonana, tany am-piandohan’ny fanjanahana an’i Meksika. Nalamin’ireo moanina franciscain izy ireny mba hampianarana an’ireo Indianina Mena Hoditra ny amin’ny Nahaterahan’i Jesosy. Nanjary be mpitia ny posadas tatỳ aoriana. Na inona na inona zava-nokendrena tamin’izy ireny tany am-piandohana, dia miteny ho azy ankehitriny ny fomba anaovana ny posadas. Raha any Meksika ianao mandritra io fotoana io, dia afaka ny hahita na hahatsapa izao zavatra nasongadin’ny mpanoratra iray tao amin’ny El Universal tao amin’ny fanamarihany izao: “Ny posadas, dia fomba nampahatsiahivana antsika ny fitadiavan’ny ray aman-drenin’i Jesosy fialofana hahaterahan’ilay Andriamanitra Zanaka. Ankehitriny anefa, dia nanjary andro fimamoana, filibana, fahatendan-kanina, fanaovan-javatra tsy misy dikany, sy heloka bevava mihamitombo hatrany sisa izy io.”
Avy tamin’ireo fampisehoana an-tsehatra voalohany tany am-piangonana nandritra ny fotoan’ny fanjanahan-tany no nipoiran’ilay hevitra mahakasika ny nacimiento. Na dia misy mahita azy io ho mahafinaritra aza, moa ve izy io mampiseho araka ny tokony ho izy izay lazain’ny Baiboly? Mitombina izany fanontaniana izany. Rehefa tonga mba hitsidika ireo lazaina fa olon-kendry telo—izay astrology raha ny marina—dia tsy nipetraka tao an-tranon’omby intsony i Jesosy sy ny fianakaviany. Efa nandeha ny fotoana, ary nipetraka tao amin’ny trano iray ilay fianakaviana. Ho hitanao fa mahaliana ny manamarika izany tsipiriany izany ao amin’ny fitantarana ara-tsindrimandry ao amin’ny Matio 2:1, 11. Azonao marihina koa fa tsy milaza ny isan’ireo astrology ny Baiboly. *
Any Amerika Latinina, dia ireo olon-kendry telo no misolo an’i Dadabe Noely. Toy ny fanao any an-tany hafa anefa, dia ray aman-dreny maro no manafina kilalao ao an-trano. Avy eo, dia mitady ireny kilalao ireny ny ankizy ny marainan’ny 6 Janoary, ka toy ny hoe ireo olon-kendry telo no nitondra azy ireny. Fotoana fakana tombony ho an’ny mpivarotra kilalao izy io, ary nahazo vola be ny sasany avy amin’izay eken’ny olona tso-po maro fa zavatra noforomporonina fotsiny. Maro be no tsy mino intsony ilay angano mahakasika ireo olon-kendry telo, na dia eo amin’ny ankizy kely aza. Na dia misy tsy faly aza satria mihena ny isan’ny olona mino an’io angano io, inona moa no azon’ny olona antenaina amin’ny zavatra noforomporonina iray izay nohazonina noho ny lovantsofina sy ny fampandrosoana ny varotra fotsiny?
Tsy nankalaza ny Krismasy na ny Nahaterahan’i Jesosy, ny Kristianina tany am-boalohany. Hoy ny rakipahalalana iray momba azy io: “Tsy natao tao amin’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany ilay fankalazana, satria ny fanaon’ny Kristianina tamin’ny ankapobeny dia ny nankalaza ny nahafatesan’ny olona niavaka fa tsy ny nahaterahany.” Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny mpanompo sampy, fa tsy amin’ny mpivavaka marina amin’Andriamanitra, ny fankalazana ny fitsingeranan’ny andro nahaterahana.—Matio 14:6-10.
Mazava ho azy fa tsy midika akory izany hoe tsy mahasoa ny mahafantatra sy ny mitadidy ireo zava-niseho marina nifandray tamin’ny nahaterahan’ilay Zanak’Andriamanitra. Manome fahaiza-mahataka-javatra sy lesona lehibe ho an’izay rehetra maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra,
ilay fitantarana araka ny marina ao amin’ny Baiboly.Ny nahaterahan’i Jesosy araka ny Baiboly
Hahazo fanazavana azo itokisana momba ny nahaterahan’i Jesosy ianao, ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy i Lioka. Asehon’izy ireo fa nitsidika tovovavy tsy nanambady iray nantsoina hoe Maria tao amin’ny tanànan’i Nazareta, tany Galilia, ny anjely Gabriela. Inona no hafatra nampitainy? “Indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.”—Lioka 1:31-33.
Taitra be tamin’ilay hafatra i Maria. Noho izy mbola tsy nanambady, dia hoy izy: “Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?” Namaly ilay anjely hoe: “Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.” Nanaiky i Maria fa izany no sitrapon’Andriamanitra ka niteny izy hoe: “Inty ny ankizivavin’ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao.”—Lioka 1:34-38.
Nolazain’ny anjely iray tamin’i Josefa ny amin’ilay fahaterahana mahagaga mba tsy hisarahany tamin’i Maria, zavatra izay nokasainy hatao taorian’ny nahalalany fa bevohoka izy. Vonona àry izy hiantsoroka ny andraikitra hikarakara ilay Zanak’Andriamanitra.—Matio 1:18-25.
Avy eo, dia nisy didy avy tamin’i Aogosto Kaisara izay nanery an’i Josefa sy i Maria hanao dia avy tany Nazareta tany Galilia ho any Betleheman’i Jodia, ilay tanànan’ireo razambeny, mba hisoratra anarana. “Ary raha nitoetra teo izy, dia tonga ny andro hahavelomany. Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.”—Lioka 2:1-7.
Milazalaza toy izao izay nitranga taorian’izany ny Lioka 2:8-14: “Ary nisy mpiandry ondry tamin’izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina. Ary nisy anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: hianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona. Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe: Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.”
Ireo astrology
Milaza ny fitantaran’i Matio fa tonga tany Jerosalema ireo astrology avy tany Atsinanana mba hitady ilay toerana nahaterahan’ilay Mpanjakan’ny Jiosy. Liana be tamin’ilay izy i Heroda Mpanjaka, kanefa tsy nanana fikasana tsara izy. “Naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.” Nahita ilay zaza ireo astrology ary “nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora”. Tsy niverina tany amin’i Heroda anefa izy ireo. “Notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy tsy hiverina any amin’i Heroda”. Nampiasa anjely iray Andriamanitra mba hampitandrina an’i Josefa ny amin’ny fikasan’i Heroda. Nandositra tany Ejipta niaraka tamin’ny zanany àry i Josefa sy i Maria. Avy eo, dia nandidy ny hamonoana ny zazalahy rehetra tao amin’ny faritr’i Betlehema i Heroda Mpanjaka tsy nifaditrovana, mba hamonoana ilay Mpanjaka vaovao. Zazalahy iza avy? Ireo roa taona no ho midina.—Matio 2:1-16.
Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay fitantarana?
Tsy nanompo an’ilay Andriamanitra marina ireo astrology mpitsidika—na firy na firy ny isan’izy ireo. Milaza toy izao ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny dikan-tenin’ny Baiboly La Nueva Biblia Latinoamérica (Fanontana tamin’ny 1989): “Tsy mpanjaka akory ireo Magy fa mpanandro sy mpisoron’ny fivavahan’ny mpanompo sampy.” Ny fahalalany momba ny kintana izay nanehoany fifikirana no antony nahatongavan’izy ireo. Raha tian’Andriamanitra hotarihina tany amin’ilay zaza izy ireo, dia ho notarihiny tany amin’ilay tena toerana
marina fa tsy nila nankany Jerosalema sy tany amin’ny lapan’i Heroda aloha. Tatỳ aoriana, dia tena nisalovana Andriamanitra mba hanovana ny lalan’izy ireo ka hiarovana ilay zaza.Amin’ny fotoan’ny Krismasy, dia matetika io fitantarana io no feno hevi-dravina sy zavatra mampihetsi-po izay manamaizina ilay zava-dehibe indrindra: nateraka mba ho Mpanjaka lehibe io zazakely io, araka ny nambara tamin’i Maria sy ireo mpiandry ondry. Tsia, tsy zazakely intsony, ary tsy zaza intsony koa aza, i Jesosy Kristy. Mpanjaka efa manapaka ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra izy, dia Fanjakana izay hanaisotra tsy ho ela ny fanapahana rehetra manohitra ny sitrapon’Andriamanitra. Ary handamina ny zava-manahirana rehetra mahazo ny olombelona i Jesosy. Izy io no ilay Fanjakana angatahintsika ao amin’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo.—Daniela 2:44; Matio 6:9, 10.
Amin’ny alalan’ny fanambaran’ireo anjely tamin’ireo mpiandry ondry no ahafantarantsika fa misokatra ho an’izay rehetra maniry handre ny hafatra momba ny vaovao tsara ny fahafahana ho voavonjy. Tonga ‘olona ankasitrahana’ ireo mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Misy fanantenana mahatalanjona ny hisian’ny fiadanana eo amin’izao tontolo izao manontolo eo ambanin’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy, kanefa tsy maintsy vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona. Mampirisika ho amin’izany sy ahitana taratr’izany faniriana izany ve ny fotoanan’ny Krismasy? Heverin’ny olona tso-po maro izay maniry hanaraka ny Baiboly fa miharihary ny valiny.—Lioka 2:10, 11, 14.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 13 Tsy azo odian-tsy hita koa izao tsipiriany hafa iray izao: Ao amin’ilay nacimiento meksikanina, dia lazaina ho “Andriamanitra Zanaka” ilay zazakely, noho ny fiheverana fa Andriamanitra mihitsy no tonga zazakely teto an-tany. Ny Baiboly anefa mampiseho an’i Jesosy ho ilay Zanak’Andriamanitra teraka teto an-tany; tsy izy ihany akory no Jehovah, ilay Andriamanitra tsitoha, ary tsy mitovy aminy izy. Diniho ny fahamarinan’izany araka ny aseho ao amin’ny Lioka 1:35; Jaona 3:16; 5:37; 14:1, 6, 9, 28; 17:1, 3; 20:17.
[Efajoro, pejy 4]
HO GAGA NY SASANY
Milaza ny fanatsoahan-kevitra azo taorian’ny taona maro nanaovana fikarohana momba ny Krismasy ilay mpanoratra atao hoe Tom Flynn, ao amin’ny bokiny hoe The Trouble With Christmas (Ny Manahirana Amin’ny Krismasy):
“Lovantsofina tsy tambo isaina izay ampifandraisintsika ankehitriny amin’ny Krismasy no mifototra amin’ny lovantsofina ara-pivavahan’ny mpanompo sampy, talohan’ny andro kristianina. Ny sasany amin’izy ireny dia mifono heviny ara-tsosialy, na momba ny maha lahy sy maha vavy, na ny haitontolo izay mety hitarika ireo olona maoderina sarotiny ara-kolontsaina sy nahita fianarana hanary ireo lovantsofina ireo raha vao takany mazava kokoa ny fiandohan’izy ireo.”—Pejy faha-19.
Taorian’ny nanomezany fanazavana tsy toko tsy forohana manohana izany, dia miverina amin’izao hevitra fototra izao, i Flynn: “Iray amin’ireo zavatra mahatsikaiky indrindra amin’ny Krismasy ny hoe vitsy kely amin’izay mahaforona azy no tena kristianina. Raha vao esorintsika ireo lafiny talohan’ny andro kristianina, ny ankamaroan’ireo sisa tavela dia niandoha taorian’ny andro kristianina, fa tsy tena kristianina akory.”—Pejy faha-155.
[Sary, pejy 7]
Ny fanambarana ny nahaterahan’i Jesosy dia nametraka ny fototra ho amin’ilay anjara asany amin’ny hoavy amin’ny maha Mpanjaka nofidin’Andriamanitra azy