Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ny Kely” Tonga “Arivo”

“Ny Kely” Tonga “Arivo”

“Ny Kely” Tonga “Arivo”

“Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery”.​—ISAIA 60:22.

1, 2. a) Nahoana ny haizina no manarona ny tany amin’izao andro izao? b) Tamin’ny ahoana ny fahazavan’i Jehovah no niposaka miandalana teo amin’ny vahoakany?

“NY AIZINA manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.” (Isaia 60:2). Milazalaza tsara ny toe-javatra misy eto an-tany nanomboka tamin’ny 1919 ireo teny ireo. Nolavin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina ilay famantarana manondro fa efa manatrika amin’ny maha Mpanjaka i Jesosy Kristy, ilay “fahazavan’izao tontolo izao”. (Jaona 8:12; Matio 24:3). Noho ny “fahatezerana lehibe” ananan’i Satana, lehiben’ireo “mpanjakan’izao fahamaizinana izao”, ny taonjato faha-20 dia fotoana feno habibiana indrindra sy nisian’ny fanimbana be indrindra, teo amin’ny tantaran’ny olombelona. (Apokalypsy 12:12; Efesiana 6:12). Miaina ao anatin’ny haizina ara-panahy ny ankamaroan’ny olona.

2 Na izany aza, dia misy fahazavana tena mamirapiratra amin’izao andro izao. I Jehovah dia ‘miposaka’ amin’ny mpanompony, dia ny sisa voahosotra, izay misolo tena eto an-tany an’ilay ‘vehivavy’ vadin’i Jehovah any an-danitra. (Isaia 60:1, NW ). Nanomboka tamin’ny nanafahana azy ireo avy tamin’ny fahababoana babylonianina tamin’ny 1919 indrindra izy ireo no nanome taratry ny voninahitr’Andriamanitra, ka namela ny ‘fahazavany hazava eo imason’ny olona’. (Matio 5:16). Nanomboka tamin’ny 1919 ka hatramin’ny 1931, dia nihanamiratra hatrany ny fahazavan’ilay Fanjakana, arakaraka ny nanesoran’izy ireo ny fatotra sisa tavela tamin’ny fisainana babylonianina nangeja azy ireo. Nitombo isa izy ireo ka nahatratra an’aliny maro, rehefa nanatanteraka izao fampanantenany izao i Jehovah: “Ary hanangona ny sisa amin’ny Isiraely tokoa [aho], hakambako toy ny ondry any amin’ny vala izy,​—toy ny ondry andiany ao amin’ny tany fiandrasana; hitabataba izy noho ny hamaroan’ny olona.” (Mika 2:12). Tamin’ny 1931, dia vao mainka niharihary teo amin’ny vahoakany ny voninahitr’i Jehovah, rehefa nandray ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo.​—Isaia 43:10, 12.

3. Tamin’ny ahoana no nanjary niharihary fa niposaka tamin’ny hafa, ankoatra ny voahosotra, ny fahazavan’i Jehovah?

3 Ny sisa amin’ny “ondry vitsy” ihany ve no niposahan’i Jehovah? (Lioka 12:32). Tsia. Nanintona ny saina ho amin’ny antokon’olona hafa iray Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1931 (anglisy). Tamin’ny alalan’ny fanazavana tsara dia tsara iray momba ny Ezekiela 9:1-11, dia nasehon’io gazety io fa sary mampiseho ny sisa voahosotra ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra, voalaza ao amin’ireo andininy ireo. Iza no marihin’io ‘lehilahy’ io eo amin’ny handriny? Tsy iza akory fa ny “ondry hafa”, dia ireo manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. (Jaona 10:16; Salamo 37:29). Tamin’ny 1935, dia takatra fa io antokon’olona atao hoe “ondry hafa” io ilay “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra”, izay hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana. (Apokalypsy 7:9-14). Nafantoka indrindra tamin’ny fanangonana ny olona betsaka ny saina, nanomboka tamin’ny 1935 ka hatramin’izao.

4. Iza ireo “mpanjaka” sy ireo “firenena” resahina ao amin’ny Isaia 60:3?

4 Resahina tsy mivantana ao amin’ny faminanian’i Isaia io asa fanangonana io, rehefa nanoratra toy izao izy: “Ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.” (Isaia 60:3). Iza ireo “mpanjaka” resahina eo? Ireo sisa amin’ny 144 000. Sady mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy ilay Fanjakana any an-danitra izy ireo no nitari-dalana teo amin’ny asa fitoriana. (Romana 8:17; Apokalypsy 12:17; 14:1). Amin’izao andro izao, dia maro an’isa lavitra noho ny sisa voahosotra an’arivony vitsivitsy ireo “firenena”, dia ireo manana fanantenana ny ho eto an-tany, izay manatona an’i Jehovah mba hahazoana fampianarana, ary manasa ny hafa hanao toy izany koa.​—Isaia 2:3.

Ireo mpanompon’i Jehovah be zotom-po

5. a) Zava-misy inona avy no mampiseho fa tsy nihena ny zotom-pon’ny vahoakan’i Jehovah? b) Tany iza avy no nahita fitomboana niavaka tamin’ny 1999? (Jereo ny tabilao eo amin’ny pejy faha-17-20.)

5 Zotom-po re izany nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah maoderina izany, nandritra ny taonjato faha-20! Ary na dia eo aza ireo fanerena mihamitombo, dia tsy nihena ny zotom-pon’izy ireo teo am-panatonan’ny taona 2000. Mbola noheverin’izy ireo ho tena zava-dehibe hatrany ilay didin’i Jesosy, manao hoe: “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra”. (Matio 28:19, 20). Nahatratra tampon’isa vaovao 5 912 492 ny isan’ny mpitory ny vaovao tsara marisika, tamin’iny taom-panompoana farany tamin’ny taonjato faha-20 iny. Nahatalanjona ny isan’ny ora lanin’izy ireo niresahana tamin’ny hafa momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, satria nahatratra 1 144 566 849 ora, tamin’ny fitambarany. Nanao fiverenana mitsidika niisa 420 047 796 tamin’ny olona liana izy ireo, ary nitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana 4 433 884. Izany ka fanompoana tamin-jotom-po nahatalanjona!

6. Fandaharana vaovao inona no natao ho an’ny mpisava lalana, ary ahoana no nandraisana izany?

6 Tamin’ny Janoary tamin’ny taon-dasa, dia nampahafantatra ny Fitambara-mpitantana fa hasiana fanitsiana ny ora takina amin’ny mpisava lalana. Maro no nanararaotra an’io mba hidirana ao amin’ny laharan’ny mpisava lalana maharitra na mpanampy. Ohatra, nandritra ireo efa-bolana voalohany tamin’ny 1999, ny biraon’ny sampan’i Holandy dia naharay fangatahana hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra avo efatra heny noho ny fangatahana voarainy nandritra ny fe-potoana nitovy tamin’izany, herintaona talohan’izay. Manao izao tatitra izao i Ghana: “Nanomboka tamin’ny fotoana nampiharana ilay ora vaovao takina amin’ny mpisava lalana, dia nitombo hatrany ireo nanatevin-daharana ny mpisava lalana maharitra teto aminay.” Tamin’ny taom-panompoana 1999, ny isan’ny mpisava lalana maneran-tany dia nahatratra 738 343. Fisehoana mahatalanjon’ny ‘fahazotoana amin’ny asa tsara’ izany.​—Titosy 2:14.

7. Ahoana no nitahian’i Jehovah ny asa nataon’ny mpanompony tamin-jotom-po?

7 Nitahy izany asa tamin-jotom-po izany ve i Jehovah? Eny. Niteny toy izao tamin’ny alalan’i Isaia izy: “Atopazy manodidina ny masonao, ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.” (Isaia 60:4). Mbola manompo an’Andriamanitra amin-jotom-po hatrany ireo ‘zanakalahy’ sy ‘zanakavavy’ voahosotra, izay efa voangona. Ary ankehitriny, dia angonina ho eo anilan’ireo ‘zanakalahy sy zanakavavin’i’ Jehovah voahosotra, ny ondry hafan’i Jesosy, any amin’ny tany sy nosin-dranomasina 234.

“Asa tsara rehetra”

8. “Asa tsara” inona avy no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

8 Manana andraikitra hitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana sy hanampy ny olona liana ho tonga mpianatra, ny Kristianina. “Vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” anefa izy ireo. (2 Timoty 3:17, izahay no manao sora-mandry.) Araka izany, dia mikarakara amim-pitiavana ny fianakaviany izy ireo, tia mandray vahiny, ary mitsidika ny marary. (1 Timoty 5:8; Hebreo 13:16). Eo koa ireo mpiasa an-tsitrapo mirotsaka amin’ny tetik’asa toy ny fanorenana Efitrano Fanjakana​—asa izay manao fanambarana koa. Tany Togo, taorian’ny nanorenana ny Efitrano Fanjakana iray, ireo tompon’andraikitra tao amin’ny fiangonana iray mpanao fahagagana dia naniry hahafantatra ny hoe nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no afaka nanorina samirery ny tranony, fa ny fiangonana kosa tsy maintsy nanakarama olona ho amin’izany! Araka ny tatitra nataon’i Togo, ny fanorenana Efitrano Fanjakana ambony karazana dia nisy vokany tsara aoka izany teo amin’ny manodidina, hany ka misy olona miezaka hanofa trano na hanao trano eny amin’ireo toerana hanorenana Efitrano Fanjakana.

9. Inona no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nisy loza namely?

9 Indraindray, dia takina ny karazana asa tsara hafa iray. Tany maro, nandritra an’iny taom-panompoana lasa iny, no niharan-doza, ary mazàna dia ny Vavolombelon’i Jehovah no voalohany tonga eo an-toerana mba hitondra fanampiana. Ravan’ny Rivo-doza Mitch, ohatra, ny ampahany betsaka tamin’i Honduras. Namorona haingana komity vonjy taitra ny sampana mba handaminana ny ezaka vonjy rano vaky. Nanome fitafiana, sakafo, fanafody, sy zavatra hafa tena nilaina, ny Vavolombelona tany Honduras sy tany amin’ny tany maro hafa. Nampiasa ny fahaizany mba hanorenana indray ny trano simba ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana. Tsy ela ireo rahalahintsika tra-boina dia nahazo fanampiana mba hiverenany indray tamin’ireo asa fanaony. Tany Ekoatera, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitondra fanampiana ho an’ireo rahalahiny rehefa nandrava trano sasany ny tondra-drano lehibe iray. Nilaza toy izao ny olona ambony iray ao amin’ny fitondram-panjakana, rehefa nijery ny fomba mahomby niatrehan’izy ireo ilay toe-javatra: “Raha izaho no manana an’ireo olona ireo, dia hahavita zava-mahagaga aho! Tokony hisy olona toa anareo any amin’ny faritra rehetra eran’izao tontolo izao.” Midera an’i Jehovah Andriamanitra ny asa tsara toy izany, ary porofon’ny ‘toe-panahintsika araka an’Andriamanitra izay mahasoa amin’ny zavatra rehetra’.​—1 Timoty 4:8.

“Manidina tahaka ny rahona” izy ireo

10. Na dia tsy mitsaha-mihena aza ny isan’ny voahosotra, nahoana no ambara mbola tsy nisy toy izany ny anaran’i Jehovah?

10 Izao i Jehovah dia manontany hoe: “Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny? Fa Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy ho loha-làlana, hitondra ny zanakao avy lavitra (...) Ny hafa firenena no hanangana ny màndanao, ary ny mpanjakany hanompo anao”. (Isaia 60:8-10). Ny voalohany nandray tsara ny ‘fiposahan’i’ Jehovah dia ireo ‘zanany’, izany hoe ireo Kristianina voahosotra. Avy eo dia ireo “hafa firenena”, izay tsy iza fa ny olona betsaka, izay manompo amim-pahatokiana an’ireo rahalahiny voahosotra, ka manaraka ny tari-dalana omeny eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Noho izany, dia ambara maneran-tany mbola tsy nisy toy izany ny anaran’i Jehovah, na dia tsy mitsaha-mihena aza ny isan’ny voahosotra.

11. a) Inona no mbola mitohy hatrany, ary inona no vokany tamin’ny 1999? b) Tany iza avy no nanana tarehimarika niavaka raha ny amin’ny isan’ny natao batisa tamin’ny 1999? (Jereo ny tabilao eo amin’ny pejy faha-17-20.)

11 Vokatr’izany, dia olona an-tapitrisany maro no mirohotra “tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny”, ka mahita fialofana ao anatin’ny kôngregasiôna kristianina. Olona ana hetsiny maro no manatevin-daharana azy ireo isan-taona, ary mbola misokatra ho an’ny olona maro kokoa ny lalana. Hoy i Isaia: “Hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ny firenena”. (Isaia 60:11). Tamin’ny taon-dasa, dia 323 439 no natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah, ary mbola tsy nanakatona ireo vavahady izy. “Ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra”, anisan’ny olona betsaka, dia mbola mirohotra hatrany hiditra amin’ireo vavahady. (Hagay 2:7, NW ). Tsy misy atosi-bohon-tanana izay rehetra maniry handao ny haizina. (Jaona 12:46). Enga anie ny olona rehetra toy izany ka tsy hanary na oviana na oviana ny fankasitrahany ny fahazavana!

Tsy manan-tahotra eo anoloan’ny fanoherana

12. Tamin’ny ahoana ireo tia ny haizina no niezaka hamono ilay fahazavana?

12 Mankahala ny fahazavan’i Jehovah ireo izay tia ny haizina. (Jaona 3:19). Miezaka hamono an’io fahazavana io mihitsy aza ny sasany. Ampoizina ny hisian’izany. Na dia i Jesosy, ilay “tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra” aza, dia nesoina, notoherina, ary novonoin’ny mpiray tanindrazana taminy tamin’ny farany. (Jaona 1:9). Tao anatin’ny taonjato faha-20 manontolo, ny Vavolombelon’i Jehovah koa dia noharabina, naiditra am-ponja, norarana, ary novonoina ho faty mihitsy aza, teo am-panomezan’izy ireo taratra tamim-pahatokiana ny fahazavan’i Jehovah. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nampiasa lainga momba ireo manome taratry ny fahazavan’Andriamanitra ireo mpanohitra, ary nampiely izany tany amin’ny fampitam-baovao. Ny sasany ta hampino ny olona hoe mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah ka tokony hasiana fameperana na horarana ny asany. Nahomby ve ireny mpanohitra ireny?

13. Inona no vokatry ny fampisehoana tamim-pahamalinana ny tena zava-misy momba ny asantsika, tany amin’ny fampitam-baovao?

13 Tsia. Nandeha tany amin’ny fampitam-baovao ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nety ny hanaovana izany, mba hanazavana ny tena zava-misy. Vokatr’izany, dia navoaka hatraiza hatraiza tamin’ny gazety sy ny gazetiboky sy ny radio ary ny televiziona ny anaran’i Jehovah. Nisy vokany tsara teo amin’ny asa fitoriana izany. Tany Danemark, ohatra, dia nisy fandaharana iray tao amin’ny televizionam-pirenena niompana tamin’ny loha hevitra hoe “Ny antony ihenan’ny finoan’ny Danoà”. Nadinadinina niaraka tamin’ny hafa ny Vavolombelon’i Jehovah. Taorian’izay, dia hoy ny ramatoa iray izay nahita ilay fandaharana: “Tena nazava be hoe iza no nanana ny fanahin’Andriamanitra.” Natomboka ny fampianarana Baiboly niaraka taminy.

14. Ho diso fanantenana ireo mpanohitra, satria tsy ho ela izy ireo dia ho voatery hiaiky ny amin’ny inona?

14 Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa maro eto amin’ity tontolo ity no hanohitra azy ireo. (Jaona 17:14). Na izany aza, dia mahazo hery amin’ity faminanian’i Isaia ity izy ireo: “Ny zanak’izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’i Jehovah, Zionan’ny Iray Masin’ny Isiraely.” (Isaia 60:14). Ho diso fanantenana ireo mpanohitra, satria tsy ho ela izy ireo dia tsy maintsy hiaiky fa miady amin’Andriamanitra mihitsy izy ireo, raha ny marina. Iza no ho afaka handresy amin’izany ady izany?

15. Amin’ny ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no ‘minono amin’ny jentilisa’, ary ahoana no nahitana taratr’izany eo amin’ny asa fampianarana sy fitoriana ny filazantsara ataon’izy ireo?

15 Mbola nampanantena toy izao koa i Jehovah: “Hasandratro ho rehareha mandrakizay hianao (...) Hinono amin’ny jentilisa hianao sady hinono amin’ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao”. (Isaia 60:15, 16). Eny, i Jehovah no Mpamonjy ny vahoakany. Haharitra “mandrakizay” izy ireo raha miantehitra aminy. Ary “hinono amin’ny jentilisa” izy ireo, amin’ny fampiasany ny fitaovana sasany azo ampiasaina mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina. Ohatra, noho ny fampiasana amim-pahendrena ny teknôlôjia momba ny ôrdinatera sy ny fifandraisan-davitra, dia manjary mora kokoa ny miara-mamoaka Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny 121, ary ny Mifohaza! amin’ny fiteny 62. Misy programa manokana iray amin’ny ôrdinatera, noforonina mba hanampy amin’ny fandikana ny New World Translation (Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) amin’ny fiteny vaovao, ary mitondra fifaliana lehibe ny fandikan-teny toy izany. Rehefa navoaka tamin’ny 1999 ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny kroaty, dia an’arivony maro no latsa-dranomasom-pifaliana. Hoy ny rahalahy zokiolona iray: “Efa ela be no niandrasako an’iny Baiboly iny. Afaka mandry amim-piadanana ao amin’ny fahafatesana amin’izay aho!” Efa nihoatra ny 100 tapitrisa, amin’ny fiteny 34, ny isan’ny naely tamin’ny New World Translation, na manontolo izany na ampahany.

Fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony

16, 17. a) Nahoana no tena zava-dehibe ny hihazonana ireo fari-pitsipik’i Jehovah ambony, na dia sarotra aza ny manao izany? b) Zava-nitranga inona no ohatra manazava fa azon’ny tanora atao ny tsy ho voaloton’izao tontolo izao?

16 Hoy i Jesosy: “Izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava”. (Jaona 3:20). Etsy an-danin’izany, dia tia ireo fari-pitsipik’i Jehovah ambony ireo mitoetra ao amin’ny mazava. Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia: “Ny olonao rehetra ho marina avokoa”. (Isaia 60:21a). Mety ho zava-tsarotra ny mihazona fari-pitsipika mahitsy, eo anivon’ny tontolo iray anjakan’ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny lainga sy ny fitsiriritana tafahoatra ary ny avonavona. Any amin’ny tany sasany, ohatra, dia miroborobo tampoka ny toe-karena, ka mora ny ho voavily hifantoka amin’ny fikatsahana harena. Izao anefa no fampitandreman’i Paoly: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.” (1 Timoty 6:9). Mampalahelo tokoa rehefa revo loatra amin’ny asa fandraharahana ny olona iray ka manao sorona ny zavatra tena lehibe, toy ny fifaneraserana kristianina, ny fanompoana masina, ireo foto-pitsipika ara-pitondran-tena, ary ny andraikitra ara-pianakaviana!

17 Mety ho tena sarotra ho an’ny tanora ny mihazona fari-pitsipika mahitsy, satria midoroka zava-mahadomelina sy maloto fitondran-tena ny ankamaroan’ireo mitovy taona aminy. Tany Suriname, ny zazavavy iray 14 taona dia nohatonin’ny zazalahy bikàna iray, tany an-tsekoly. Nanasa azy hanao firaisana taminy ilay zazalahy. Nanda izy, tamin’ny fanazavana fa raran’ny Baiboly ny zavatra toy izany ivelan’ny fanambadiana. Nanaraby azy ny zazavavy hafa tao an-tsekoly ary nanandrana nanery azy hiova hevitra, tamin’ny filazana fa ta hanao firaisana tamin’iny tovolahy iny daholo ny rehetra. Nijoro tamin’ny heviny anefa ilay tovovavy. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia fantatra fa, hay, nitondra ny tsimokaretina VIH ilay zazalahy, ary nanjary narary mafy. Faly ilay zazavavy fa nankato ny didin’i Jehovah ny amin’ny tokony ‘hifadiana ny fijangajangana’ ny tenany. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tena mirehareha ny amin’ireo tanora eo anivony izay miorina mafy amin’izay mahitsy. Manome ‘voninahitra’ ny anaran’i Jehovah Andriamanitra ny finoan’izy ireo, sy ny an’ny ray aman-dreniny.​—Isaia 60:21b.

Nanome ilay fitomboana i Jehovah

18. a) Zavatra lehibe inona no nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany? b) Inona no porofo fa hitohy ny fitomboana, ary fanantenana be voninahitra inona avy no miandry an’ireo mitoetra eo amin’ilay fahazavana?

18 Eny, mandefa hazavana eo amin’ny vahoakany i Jehovah, ka mitahy azy ireo, sy mitarika azy ireo, ary manome hery azy ireo. Nahita ny fahatanterahan’ireto tenin’i Isaia ireto izy ireo nandritra ny taonjato faha-20: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22). Nanomboka tamin’ireo olona vitsy dia vitsy tamin’ny 1919, ilay “kely” dia tonga maherin’ny “arivo”. Ary mbola tsy mifarana izany fitomboana izany! Tamin’ny taon-dasa, dia 14 088 751 no nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy Vavolombelona marisika ny ankamaroan’izy ireo. Faly isika fa nanatrika an’iny fankalazana lehibe iny izy ireo, ary manasa azy ireny isika mba tsy hitsahatra hiroso ho amin’ny fahazavana. Mbola mazava mamirapiratra hatrany eo amin’ny vahoakany i Jehovah. Mbola mivoha hatrany ny varavaran’ny fandaminany. Aoka àry ny rehetra mba ho tapa-kevitra ny hitoetra eo amin’ilay fahazavan’i Jehovah. Fitahiana toy inona moa no ho vokatr’izany ho antsika dieny izao! Ary ho fifaliana toy inona moa no hoentin’izany amin’ny hoavy, rehefa hidera an’i Jehovah avokoa ny zavaboary rehetra ka hifaly amin’ny famirapiratan’ny voninahiny!​—Apokalypsy 5:13, 14.

Hainao Hazavaina Ve?

Iza no nanome taratry ny voninahitr’i Jehovah amin’izao andro farany izao?

Inona no manondro fa tsy nihena ny zotom-pon’ny vahoakan’i Jehovah?

Inona avy no sasany amin’ny asa tsara mahasomokotra ny Vavolombelon’i Jehovah?

Matoky ny amin’inona isika, na dia eo aza ny fanoherana faran’izay mafy?

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 17-20]

TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 1999

(Jereo ny gazety)

[Sary, pejy 15]

Mbola mirohotra hatrany ho amin’ny fandaminan’ i Jehovah ny olona

[Sary, pejy 16]

Faly isika fa navelan’i Jehovah hibanabana ho an’ireo tia ny fahazavana ny varavarana