Handray Soa Ianao Raha Mahalala ny Marina
Tsy mahay mandainga Andriamanitra. Mampanantena izy fa afaka ny hahazo “fiainana mandrakizay” ianao.—Jaona 3:16.
INONA NO TOKONY HATAONAO?
Ianaro hoe inona marina no ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra.—Jaona 17:3, 17.
Miezaha hankatò an’Andriamanitra.—Deoteronomia 30:19, 20.
Ampiharo foana ny torohevitr’Andriamanitra.—Jakoba 1:25.
Mianatra ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, mba hahalalana ny marina. Tena mandray soa izy ireo noho izany. Ho faly izy ireo hiresaka aminao an’izay zavatra nianarany.
Te hahafantatra bebe kokoa momba ny fahamarinana ao aminʼny Baiboly ve ianao? Jereo ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo alaina ao amin’ny www.jw.org.