Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 12

Rahoviana no Fotoana Tokony Hitenenana?

Rahoviana no Fotoana Tokony Hitenenana?

“Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.”​—MPITO. 3:7.

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!

HO HITANAO ATO *

1. Inona no ianarantsika avy amin’ny Mpitoriteny 3:7?

TENA tia miresaka ny sasany amintsika, fa ny hafa indray aleony mangingina. Misy fotoana itenenana anefa ary misy fotoana anginana, araka ny andinin-teny iorenan’ity lahatsoratra ity. (Vakio ny Mpitoriteny 3:7.) Na izany aza, dia tiantsika raha mba miresaka kokoa ny rahalahy sy anabavy sasany, fa satrintsika indray raha tsy dia miresaka loatra ny hafa.

2. Iza no manan-jo hamaritra hoe rahoviana isika no tokony hiteny sy hoe ahoana no tokony hilazantsika zavatra?

2 Fanomezana avy amin’i Jehovah ny fahafahana miteny. (Eks. 4:10, 11; Apok. 4:11) Ampianariny antsika ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no tokony hampiasantsika an’io fanomezana io. Handinika ohatra avy ao isika ato, mba hahalalantsika hoe rahoviana no tokony hiteny ary rahoviana no tokony hangina. Ho hitantsika koa hoe inona no tsapan’i Jehovah momba ny zavatra lazaintsika. Fa andao aloha hojerentsika hoe rahoviana isika no tokony hiteny.

RAHOVIANA ISIKA NO TOKONY HITENY?

3. Rahoviana isika no tokony hiteny, araka ny Romanina 10:14?

3 Tokony ho vonona hiresaka momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany foana isika. (Mat. 24:14; vakio ny Romanina 10:14.) Manahaka an’i Jesosy isika raha manao an’izany. Anisan’ny antony lehibe nahatongavany teto an-tany mantsy ny hanambara ny marina momba ny Rainy. (Jaona 18:37) Tadidio anefa fa zava-dehibe koa ny fomba itenenantsika. Tsy maintsy miezaka ‘halemy fanahy sy hanaja lalina’ ny olona isika, rehefa miresaka amin’izy ireo momba an’i Jehovah. (1 Pet. 3:15) Tokony hihevitra ny fihetseham-pony sy izay inoany koa isika. Tsy hoe hiresaka fotsiny isika amin’izay, fa hanampy azy hahalala zavatra ary mety hanohina ny fony koa.

4. Araka ny Ohabolana 9:9, inona no mety ho vokatry ny teny lazaintsika?

4 Tsy tokony hisalasala hiteny mihitsy ny anti-panahy rehefa misy rahalahy na anabavy mila omena torohevitra. Mazava ho azy fa hofidin’izy ireo tsara ny fotoana hanaovana an’izany, amin’izay ilay olona tsy hahatsiaro ho afa-baraka. Tokony hiandry fotoana ahafahana miresaka mitokana aminy izy ireo. Mitandrina foana ny fomba firesany koa ny anti-panahy mba tsy hahatonga an’ilay olona hahatsiaro ho tsy misy dikany. Tsy misalasala manoro azy anefa izy ireo hoe inona ny toro lalan’ny Baiboly hanampy azy hanao zavatra amim-pahendrena. (Vakio ny Ohabolana 9:9.) Nahoana isika no tena tokony ho sahy hiteny rehefa ilaina izany? Misy ohatra roa hanampy antsika hahita ny valin’izany. Raim-pianakaviana nila nananatra ny zanany ny voalohany, dia ny faharoa vehivavy nila nanitsy lehilahy iray ho lasa mpanjaka.

5. Naman’ny tsy niteny ny zanany ihany i Ely Mpisoronabe. Nahoana?

5 Tena tian’i Ely Mpisoronabe ny zanany roa lahy. Tsy mba nanaja an’i Jehovah anefa izy ireo. Nanana andraikitra lehibe izy roa lahy satria mpisorona tao amin’ny tranolay masina. Nanararaotra ny fahefany anefa ry zareo, sady nanao tsinontsinona ny sorona natolotra ho an’i Jehovah, ary tsy menatra nijangajanga. (1 Sam. 2:12-17, 22) Tokony ho novonoina ho faty ireo zanak’i Ely ireo, raha araka ny Lalàn’i Mosesy. (Deot. 21:18-21) Nohamoramorain’i Ely anefa ny nataon’izy ireo, dia zara raha nobedesiny ry zareo ary mbola navelany hanompo tao amin’ny tranolay masina ihany. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny nataon’i Ely? Hoy izy taminy: “Nahoana ianao no manome voninahitra foana ny zanakao mihoatra noho izaho?” Nanapa-kevitra ny hamono ny zanak’i Ely ho faty àry i Jehovah.​—1 Sam. 2:29, 34.

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Ely?

6 Misy zava-dehibe ianarantsika avy amin’i Ely. Raha misy havantsika na namantsika nandika ny lalàn’Andriamanitra, dia tsy maintsy miteny azy isika ka mampahatsiahy azy ny fitsipik’i Jehovah. Tsy maintsy ataontsika azo antoka avy eo hoe mahazo fanampiana avy amin’ny solontenan’i Jehovah izy. (Jak. 5:14) Tsy tokony hanao hoatran’i Ely isika ka hanome voninahitra ny namantsika na ny havantsika mihoatra noho i Jehovah. Marina fa mila herim-po isika vao hahavita hiresaka amin’ny olona mila ahitsy. Mety hisy vokany tsara anefa izany. Andao indray isika izao handinika ny nataon’ny vehivavy israelita atao hoe Abigaila. Tsy nitovy tamin’ny nataon’i Ely ny nataony.

Modely ho antsika i Abigaila satria nahay namantatra izy hoe rahoviana no tokony hiteny (Fehintsoratra 7-8) *

7. Nahoana i Abigaila no nandeha niresaka tamin’i Davida?

7 Vadin’ny lehilahy mpanankarena atao hoe Nabala i Abigaila. Nisy fotoana i Davida sy ny namany tafaraka tamin’ny mpiandry ondrin’i Nabala, rehefa nandositra an’i Saoly Mpanjaka. Niaro ny andian’ondrin’i Nabala mba tsy hisy handroba ry zareo tamin’izay. Tsy nankasitraka ny fanampian’izy ireo anefa i Nabala! Vazavaza sy teny henjana no navaliny, rehefa mba nangataka sakafo sy rano kely ho azy sy ny namany i Davida. (1 Sam. 25:5-8, 10-12, 14) Nanapa-kevitra àry i Davida hoe hataony tsy misy miangana ny lehilahy rehetra ao amin’ny fianakavian’i Nabala. (1 Sam. 25:13, 22) Ahoana no nisorohana an’izany loza izany? Tonga saina i Abigaila hoe nila niteny izy. Nankany amin’i Davida sy ireo lehilahy 400 namany àry izy. Tena nila herim-po izy satria hanatona olona be dia be tezitra sy noana ary nirongo fiadiana.

8. Ahoana no hanahafantsika an’i Abigaila?

8 Ahoana no nataon’i Abigaila rehefa nihaona tamin’i Davida? Hita tamin’ny fomba firesany hoe be herim-po izy sady nanaja tsara an’i Davida ary nahay nandresy lahatra. Niala tsiny izy na dia tsy izy aza no diso. Nilaza izy hoe fantany fa olona tsara i Davida ary hahavita hanao ny tsara. Niantehitra tamin’i Jehovah koa izy. (1 Sam. 25:24, 26, 28, 33, 34) Tokony ho sahy hiteny hoatran’i Abigaila isika, rehefa misy olona hitantsika hoe mety hidi-kizo amin’ny zavatra ataony. (Sal. 141:5) Marina hoe tokony hanaja ny hafa isika, nefa tokony ho be herim-po koa. Asehontsika hoe tena namana isika rehefa tsy misorona fa manome torohevitra amim-pitiavana raha ilaina izany.​—Ohab. 27:17.

9-10. Inona no tokony hotadidin’ny anti-panahy rehefa manoro hevitra?

9 Ny anti-panahy no tena tsy maintsy sahy miteny an’izay olona sendra nanao fahadisoana ao amin’ny fiangonana. (Gal. 6:1) Manetry tena izy ireo ka miaiky hoe mety hila torohevitra koa indray andro any satria tsy lavorary. Tsy manakana azy ireo tsy hananatra an’izay mila ahitsy anefa izany. (2 Tim. 4:2; Tit. 1:9) Mampiasa tsara an’ilay fanomezan’i Jehovah izy ireo, ka miezaka hahay hanoro hevitra an’ilay olona sady hanam-paharetana aminy. Fitiavana no mahatonga azy ireo hanampy azy. (Ohab. 13:24) Ny hanome voninahitra an’i Jehovah anefa no antony voalohany indrindra anaovan’ny anti-panahy an’izany. Izay no mahatonga azy ireo hiaro ny fiangonana sy hampirisika antsika hanaraka ny fitsipik’i Jehovah.​—Asa. 20:28.

10 Hitantsika hatreto hoe rahoviana isika no mila miteny. Misy fotoana anefa ny mangina no tsara indrindra. Inona no mety hahasarotra an’izany?

RAHOVIANA ISIKA NO TOKONY HANGINA?

11. Inona no fanoharana nolazain’i Jakoba, ary nahoana izany no mety tsara?

11 Mety ho sarotra amintsika ny hitandrina an’izay lazaintsika. Mahalaza tsara an’io zava-tsarotra io ny fanoharana iray noresahin’i Jakoba, mpanoratra Baiboly. Hoy izy: “Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary, mahafehy ny tenany manontolo koa.” (Jak. 3:2, 3) Mifandray amin’ny hoe “manisy lamboridy” ilay teny hoe “mahafehy” eo amin’io andininy io. Apetraka amin’ny lohan’ny soavaly ny tady amin’ny lamboridy, ary atsofoka ao amin’ny vavany ny vy amin’ilay izy. Raha tian’ny mpitaingin-tsoavaly hivily lalana ilay soavaly na hijanona, dia sintoniny ilay tady. Raha tsy voatazony tsara kosa ilay tady, dia mety hirifatra ho any amin’izay tiany fotsiny ilay soavaly. Mety haratra ilay mpitaingina amin’izay, ary mety haratra koa ilay soavaly. Hoatr’izany koa ny tenintsika. Raha tsy mitandrina an’izay lazaintsika isika, dia mety hiteraka olana be dia be izany. Andao hojerentsika àry hoe rahoviana isika no tokony “hisintona an’ilay tady”, izany hoe hifehy tena mba hangina.

12. Rahoviana isika no tokony “hisintona an’ilay tady”, izany hoe hifehy tena mba hangina?

12 Ahoana no ataonao rehefa misy rahalahy na anabavy mahafantatra tsiambaratelo? Ahoana, ohatra, raha mihaona amin’ny mpiara-manompo mipetraka any amin’ny tany misy fandrarana ianao? Te hanontanintany azy ve ianao hoe ahoana no fomba anaovana ny asantsika any? Azo antoka aloha hoe antony tsara no mahatonga anao ho te hanontany e! Tiantsika mantsy ny rahalahy sy anabavintsika, dia mahaliana antsika izay mahazo azy. Te hilaza zavatra voafaritra tsara koa isika rehefa mivavaka ho azy ireo. Tokony “hisintona an’ilay tady” anefa isika rehefa mihaona aminy, izany hoe hifehy tena mba tsy hanontanintany zavatra tsy tokony ho fantatsika. Tsy maneho fitiavana azy isika raha manery azy hilaza tsiambaratelo. Tsy maneho fitiavana ny rahalahy sy anabavy any amin’ilay tany koa isika, satria mety hidiran-doza ry zareo raha miresadresaka momba ny asantsika any ilay mpiara-manompo. Tsy isika mihitsy no hanampy trotraka ny olana efa mahazo ny rahalahy sy anabavy any amin’ny tany misy fandrarana. Raha isika indray no mipetraka any amin’ny tany misy fandrarana, dia mila mitandrina isika mba tsy hiresadresaka momba ny fomba anaovana ny fitoriana sy ny fivoriana ary ny zavatra hafa mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah any.

13. Inona no tsy maintsy tandreman’ny anti-panahy, araka ny Ohabolana 11:13? Nahoana?

13 Ny anti-panahy no tena tsy maintsy manaraka an’ilay toro lalana ao amin’ny Ohabolana 11:13 ka tsy hilaza tsiambaratelo. (Vakio.) Mety ho sarotra izany, indrindra raha manambady izy. Mifampiresaka matetika mantsy ny mpivady, dia mifamboraka an’izay any am-pony sy any an-tsainy ary izay mampanahy azy. Manampy azy ireo mba hifankatia tsara foana izany. Fantatry ny anti-panahy anefa fa tsy mahazo “mamoaka tsiambaratelo” momba ny olona ao amin’ny fiangonana izy. Raha manao an’izany izy, dia tsy hatokisan’ny mpiara-manompo intsony sady ho ratsy laza. Tsy tokony ‘hivadibadi-dela’ ny olona voatendry ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. (1 Tim. 3:8) Midika izany hoe tsy tokony hamitaka izy ireo na ho tia mifosafosa. Raha tia ny vadiny ny anti-panahy, dia tsy hilaza aminy zavatra tsy tokony ho fantany. Ho enta-mavesatra ho azy fotsiny mantsy izany.

14. Inona no azon’ny vadin’ny anti-panahy atao mba hahatonga ny vadiny ho tsara laza foana?

14 Hanampy ny vadiny mba ho tsara laza foana ny vehivavy, raha tsy manery azy hiresaka tsiambaratelo. Manohana ny vadiny izy amin’izany sady manaja an’izay niresaka tsiambaratelo tamin’ilay vadiny. Mahatonga ny fiangonana hihavana tsara sy hiray saina koa izy ka mampifaly an’i Jehovah, ary izany no tena zava-dehibe.​—Rom. 14:19.

AHOANA NO FAHITAN’I JEHOVAH NY ZAVATRA LAZAINTSIKA?

15. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny nataon’ny naman’i Joba telo lahy, ary nahoana?

15 Tena afaka manampy antsika hahafantatra ny fotoana itenenana ny bokin’i Joba. Hita ao koa hoe ahoana no fomba tokony hilazana zavatra. Rehefa avy niharan’ny loza nisesisesy i Joba, dia nisy lehilahy efatra tonga hampahery sy hanoro hevitra azy. Nangina nandritra ny fotoana naharitraritra ry zareo tamin’ny voalohany. Tsy mba nieritreritra an’izay azo anampiana an’i Joba anefa ny telo tamin’izy ireo nandritra an’io fotoana io, ary hita tamin’ny zavatra notenenin’izy ireo taorian’izay izany. Elifaza sy Bildada ary Zofara no anaran-dry zareo. Fa inona no noeritreretin’izy telo lahy? Hoe ahoana no hanaporofoana fa nanao ratsy i Joba. Nisy marina ihany ny tenin-dry zareo, nefa diso na nandratra fo ny ankamaroan’ny zavatra nolazainy momba an’i Joba sy Jehovah. (Joba 32:1-3) Nendrikendrehin’izy ireo ho nanao ratsy i Joba. Ahoana no nataon’i Jehovah? Tezitra be tamin’izy telo lahy izy, ary nolazainy mihitsy hoe adala ry zareo. Nasainy niangavy an’i Joba izy telo lahy mba hivavaka ho azy ireo.​—Joba 42:7-9.

16. Inona no ianarantsika avy amin’i Elifaza sy Bildada ary Zofara?

16 Maromaro ny zavatra ianarantsika avy amin’i Elifaza sy Bildada ary Zofara. Voalohany, tsy tokony hitsaratsara ny rahalahy sy anabavy isika. (Mat. 7:1-5) Tokony hihaino tsara an-dry zareo isika alohan’ny hitenenana. Amin’izay ihany isika vao hahazo tsara an’izay mahazo azy. (1 Pet. 3:8) Faharoa, rehefa miteny isika dia tokony ho tsara fanahy sy hilaza zavatra marina. (Efes. 4:25) Fahatelo, tena liana amin’ny resaka ifanaovantsika i Jehovah.

17. Inona no ianarantsika avy amin’i Eliho?

17 Eliho no anaran’ilay lehilahy fahefatra, ary havan’i Abrahama izy. Azo antoka hoe nihaino tsara ny tenin’i Joba sy izy telo lahy izy. Nahavita nangoraka an’i Joba mantsy izy, sady afaka nanome torohevitra mivantana mba hanitsiana ny fomba fisainany. (Joba 33:1, 6, 17) Tsy nieritreritra ny hanandra-tena na hanindrahindra olona i Eliho. Ny hanome voninahitra an’i Jehovah no tena zava-dehibe taminy. (Joba 32:21, 22; 37:23, 24) Hitantsika avy amin’izay nataony hoe misy fotoana isika mila mangina dia mihaino tsara. (Jak. 1:19) Hitantsika koa hoe ny hanome voninahitra an’i Jehovah no tena tokony hoeritreretintsika rehefa manome torohevitra, fa tsy ny hitady voninahitra ho antsika.

18. Ahoana no azontsika ampisehoana hoe mankasitraka an’ilay fanomezana avy amin’Andriamanitra isika?

18 Hita hoe sarobidy amintsika ny fahafahana miteny, raha manaraka an’izay lazain’ny Baiboly isika ka mifidy tsara ny fotoana itenenana ary mitandrina ny fomba ilazantsika zavatra. Nilaza i Solomona mpanjaka hendry hoe: “Toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.” (Ohab. 25:11) Raha mihaino tsara isika sady mieritreritra vao miteny, dia ho hoatran’ireo paoma volamena ireo ny tenintsika. Sady hahafinaritra ilay izy no ho sarobidy. Na miresaka be isika amin’izay na tsy dia miteny, dia hampahery ny hafa izay lazaintsika sady hampifaly an’i Jehovah. (Ohab. 23:15; Efes. 4:29) Izany no fomba tsara indrindra ampisehoana hoe mankasitraka an’ilay fanomezana avy aminy isika.

HIRA 82 ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’

^ feh. 5 Ahoana no ahalalana hoe rahoviana no fotoana itenenana ary rahoviana no fotoana anginana? Misy toro lalana momba an’izany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ho faly amin’izay teny lazaintsika i Jehovah, raha mahafantatra sy mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly isika.

^ feh. 62 SARY: Anabavy manome torohevitra anabavy hafa.

^ feh. 64 SARY: Rahalahy miresaka amin’ny rahalahy iray, dia manome azy soso-kevitra momba ny fahadiovana.

^ feh. 66 SARY: Fantatr’i Abigaila hoe tokony hiteny izy. Niresaka tamin’i Davida àry izy, ary nisy vokany tsara izany.

^ feh. 68 SARY: Mpivady mifehy tena mba tsy hiresaka momba ny fomba anaovana ny asantsika any amin’ny tany misy fandrarana.

^ feh. 70 SARY: Anti-panahy mitandrina mba tsy hisy haheno ny resaka ataony momba ny fiangonana, satria tsiambaratelo ilay izy.