Ampio ny Zanakao mba ho Lasa Vita Batisa
“Inona no andrasanao? Mitsangàna, ary aoka hatao batisa ianao.”—ASA. 22:16.
1. Inona no tian’ny ray aman-dreny ho azo antoka alohan’ny hanaovana batisa ny zanany?
HOY ny Ranabavy Blossom Brandt: “Niteny tamin’i Dada sy Neny foana aho nandritra ny volana maromaro hoe te hatao batisa, dia lasa niresaka matetika tamiko momba ny batisa izy ireo. Tian’izy ireo ho azoko tsara mantsy hoe fanapahan-kevitra lehibe izany. Natao batisa aho tamin’ny 31 Desambra 1934. Iny no andro niavaka indrindra teo amin’ny fiainako.” Te hanampy ny zanany hanapa-kevitra tsara hoatr’izany koa ny ray aman-dreny ankehitriny. Mety tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony mantsy ny zanany, raha mangataka andro vao hatao batisa nefa tsy tena misy antony lehibe akory. (Jak. 4:17) Tian’izy ireo ho azo antoka anefa hoe efa vonona hanara-dia an’i Jesosy ny zanany, izay vao hatao batisa.
2. a) Inona no voamariky ny mpiandraikitra ny faritra sasany? b) Inona no hodinihintsika ato?
2 Voamariky ny mpiandraikitra ny faritra sasany fa misy tanora 20 taona eo ho eo na latsak’izany, notezaina tao amin’ny fahamarinana nefa mbola tsy vita batisa. Mivory sy mitory
ny ankamaroan’izy ireny, ary mieritreritra hoe efa Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana izy ireny no mbola tsy nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa? Ny ray aman-dreny indraindray no milaza amin’ny zanany hoe aleo aloha miandry. Hodinihintsika ato ny antony efatra mahatonga ny ray aman-dreny sasany tsy hampirisika ny zanany hatao batisa.SAO DIA MBOLA KELY LOATRA IZY?
3. Inona no natahoran’ny ray aman-drenin’i Blossom?
3 Natahotra ny ray aman-drenin’i Blossom, ilay voaresaka teo aloha, hoe sao dia mbola kely loatra i Blossom ka tsy azony tsara ny dikan’ny batisa sy ny maha zava-dehibe an’izany. Ahoana àry no ahalalan’ny ray aman-dreny hoe efa vonona hanokan-tena ho an’i Jehovah ny zanany?
4. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’ny Matio 28:19, 20?
4 Vakio ny Matio 28:19, 20. Marina fa tsy resahin’ny Baiboly hoe rehefa firy taona ny olona no tokony hatao batisa. Tokony hoeritreretin’ny ray aman-dreny tsara anefa ny dikan’ilay tenin’i Jesosy eo amin’ny andininy faha-19. Ilay teny grika nadika hoe ‘manao mpianatra’, dia midika hoe mampianatra olona mba hahatonga azy ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy. Antsoina hoe mpianatra na mpanara-dia an’i Jesosy ny olona iray, rehefa mianatra sy mahazo tsara an’izay nampianariny ary tapa-kevitra ny hankatò azy. Mbola kely àry ny ankizy dia efa tokony hampianarin’ny ray aman-dreniny, ka ny tanjon’izy ireo dia ny hahatonga azy ho mpanara-dia an’i Jesosy sy ho vita batisa. Marina fa tsy mahafeno fepetra hatao batisa ny zazakely. Milaza anefa ny Baiboly fa mety hahazo ny fahamarinana sy ho tia an’izany, na dia ny ankizikely aza.
5, 6. a) Inona no azo lazaina momba ny batisan’i Timoty, rehefa jerena ny Baiboly? b) Inona no ataon’ny ray aman-dreny hendry?
5 Mbola kely i Timoty dia efa lasa mpianatr’i Jesosy sy nanompo an’i Jehovah. Nilaza ny apostoly Paoly fa mbola zazakely izy dia efa nianatra ny fahamarinana. Tsy nanompo an’i Jehovah ny dadany. Nanampy azy ho tia ny Soratra Masina anefa ny mamany sy ny bebeny, ka lasa nanana finoana matanjaka izy. (2 Tim. 1:5; 3:14, 15) Nahafeno fepetra hahazo andraikitra manokana teo anivon’ny fiangonana izy, tamin’izy 20 taona teo ho eo.—Asa. 16:1-3.
6 Tsy mitovy anefa ny ankizy. Mihamatotra haingana kokoa ny sasany. Misy mbola kely dia efa mahazo tsara ny fahamarinana sy mahay manapa-kevitra ary efa te hatao batisa. Misy indray efa lehibebe vao vonona hatao batisa. Hendry àry ny ray aman-dreny raha tsy manery ny zanany hatao batisa. Ampiany arakaraka izay fandrosoana vitany kosa ny zanany tsirairay. Ho faly izy ireo rehefa hendry ny zanany. (Vakio ny Ohabolana 27:11.) Tokony hotadidin’izy ireo foana anefa hoe ny hanampy ny zanany ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy no tanjony. Mila mieritreritra àry izy ireo hoe: ‘Ampy ve ny zavatra fantatry ny zanako, ka efa afaka manokan-tena ho an’Andriamanitra sy atao batisa izy?’
EFA AMPY VE NY ZAVATRA FANTANY?
7. Mila mahalala ny tsipiriany rehetra amin’izay voalazan’ny Baiboly ve ny olona iray vao azo atao batisa? Hazavao.
7 Tian’ny ray aman-dreny hahalala Kolosianina 1:9, 10.) Hoatran’ny ahoana àry ny habetsahan’ny zavatra tokony ho fantatry ny olona iray, vao azo atao batisa izy?
tsara ny fahamarinana ny zanany, matoa ampianariny. Handrisika azy hanokan-tena ho an’i Jehovah mantsy izany. Tsy voatery hahalala ny tsipiriany rehetra amin’izay voalazan’ny Baiboly anefa izy, izay vao afaka manokan-tena sy atao batisa. Mila manohy mianatra ny Baiboly mantsy ny mpanara-dia an’i Jesosy, na efa vita batisa aza. (Vakio ny8, 9. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’ilay mpiambina fonja?
8 Diniho izay nitranga tamin’ny fianakaviana iray tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 16:25-33) Nankany Filipy i Paoly tamin’ny dia misionera faharoa nataony, tamin’ny taona 50 tany ho any. Voaendrikendrika izy sy Silasy tamin’izay, dia nosamborina ary nogadraina. Nisy horohoron-tany tamin’ny alina, ka nihozongozona ny fototr’ilay fonja, ary nivoha ny varavarana rehetra. Nieritreritra ilay mpiambina hoe lasa nandositra daholo ny gadra, dia efa saika hamono tena izy. Nisakana azy tsy hanao an’izany i Paoly sy Silasy, ary nitory taminy sy ny fianakaviany. Tena tian’izy ireo ny zavatra nianarany momba an’i Jesosy, ka natao batisa avy hatrany izy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’izany?
9 Mety ho miaramila romanina efa nisotro ronono ilay mpiambina. Olona hoatr’izany mantsy tamin’izany no natao mpiambina fonja. Tsy nahalala ny Soratra Masina izy, ka nila nianatra ny fampianarana fototra sy izay takin’Andriamanitra amin’ny mpanompony. Nila nanapa-kevitra koa izy hoe hankatò an’izay nolazain’i Jesosy. Tao anatin’ny fotoana fohy izy no nianatra, nefa tena nankasitraka an’izay nianarany dia te hatao batisa. Azo antoka fa mbola niezaka ny hahalala zavatra bebe kokoa izy taorian’ny batisany. Aoka àry hatao hoe efa mahalala ny fahamarinana fototra ny zanakao, ary tena tiany ilay izy. Azony tsara koa ny dikan’ny hoe manokan-tena sy atao batisa. Ahoana no hataonao raha te hatao batisa izy? Azo asaina miresaka amin’ny anti-panahy izy, dia ry zareo no handinika raha mahafeno fepetra izy na tsia. * Mbola hianatra momba an’i Jehovah foana izy ary hanao an’izany mandrakizay mihitsy, hoatran’ny Kristianina vita batisa rehetra ihany.—Rom. 11:33, 34.
SAO DIA MBOLA TOKONY HANOHY FIANARANA IZY?
10, 11. a) Inona no eritreretin’ny ray aman-dreny sasany? b) Inona no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’ny ray aman-dreny?
10 Misy mieritreritra hoe aleo aloha ny zanany ho lasa lavidavitra amin’ny fianarana dia manana asa tsara, izay vao hatao batisa. Azo inoana fa mitady izay hahasoa an-janany izy ireo, kanefa tena hanampy azy hahomby eo amin’ny fiainana ve izany? Mifanaraka amin’ny Soratra Masina ve izany? Inona no ampirisihin’ny Tenin’Andriamanitra antsika?—Vakio ny Mpitoriteny 12:1.
11 Mila mitadidy isika hoe manohitra ny fikasan’i Jehovah sy izay eritreretiny ity tontolo ity sy ny zavatra rehetra eo aminy. (Jak. 4:7, 8; 1 Jaona 2:15-17; 5:19) Inona àry no fomba tsara indrindra hanoheran’ny ankizy an’i Satana sy ity tontolo ity ary ny toe-tsainy? Mila mifandray akaiky amin’i Jehovah izy. Tsy hihevitra an’izany ho zava-dehibe anefa izy, raha ny fianarana sy izay hahazoana asa tsara no asain’ny ray aman-dreniny hifantohany. Hampidi-doza azy izany. Tena tianao ve ny zanakao, raha ity tontolo ity no avelanao hampianatra azy an’izay eritreretiny hoe mahasambatra? Rehefa manao an’i Jehovah ho loha laharana ihany isika, vao ho faly sy hahomby eo amin’ny fiainana.—Vakio ny Salamo 1:2, 3.
DIA AHOANA RAHA MANAO FAHOTANA LEHIBE IZY?
12. Nahoana no asain’ny ray aman-dreny sasany miandry aloha ny zanany vao hatao batisa?
12 Tsy tian’ny anabavy iray hatao batisa ny zanany vavy. Hoy izy: “Mahamenatra aloha ny miaiky an’ilay izy e! Natahorako ho voaroaka izy, dia izay no tena nisakanako azy.” Misy koa mieritreritra hoe aleo aloha rehefa lehibebe ny zanany vao hatao batisa, amin’izay mba efa afaka ny hadalany. (Gen. 8:21; Ohab. 22:15) Mihevitra angamba izy ireo hoe tsy ho voaroaka ny zanany satria mbola tsy vita batisa. Diso hevitra anefa izy ireo.—Jak. 1:22.
13. Izay vita batisa ihany ve no hotsarain’i Jehovah? Hazavao.
13 Ara-dalàna raha tian’ny ray aman-dreny mba ho efa matomatotra ny zanany vao hatao batisa. Diso anefa izy ireo raha mieritreritra hoe tsy hotsarain’i Jehovah ny zanany satria mbola tsy vita batisa. Rehefa mahalala an’izay lazain’i Jehovah hoe tsara sy ratsy mantsy ny olona iray, anisan’izany ny ankizy, dia tsy maintsy hotsarainy amin’izay ataony. (Vakio ny Jakoba 4:17.) Tsy hisakana ny zanany tsy hatao batisa àry ny ray aman-dreny hendry, fa hiezaka mafy kosa mba ho modely. Mbola kely ny zanany dia efa ampiany ho tena tia ny fitsipik’i Jehovah. (Lioka 6:40) Hisakana azy tsy hanao fahotana lehibe izany, satria izy mihitsy amin’izay no te hankatò an’i Jehovah.—Isaia 35:8.
INONA NO AZON’NY OLON-KAFA ATAO?
14. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanampiana ny ray aman-dreny?
14 Afaka manampy ny anti-panahy. Tokony ho hita amin’ny resaka ataony, ohatra, fa tsara ny manana tanjona ara-panahy. Tadidin’ny anabavy iray hoe nanontany azy momba ny tanjony ny Rahalahy Russell, tamin’izy enin-taona. Hoy izy: “Fahefak’adiny izahay no niresaka.” Inona no vokatr’izany? Nanao mpisava lalana nandritra ny 70 taona mahery io anabavy io tatỳ aoriana. Hitantsika amin’izany hoe mety hisy vokany maharitra ny teny mampahery. (Ohab. 25:11) Azon’ny anti-panahy asaina mandray anjara koa ny ray aman-dreny sy ny zanany, rehefa misy asa atao any amin’ny Efitrano Fanjakana. Azo omena asa mifanentana amin’ny taonany sy ny fahaizany ny ankizy.
15. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny ankizy sy ny tanora?
15 Afaka manampy koa isika rehetra ao amin’ny fiangonana. Azontsika aseho hoe miahy ny ankizy sy ny tanora isika. Jereo, ohatra, ny ezaka ataon’izy ireny mba handrosoana ara-panahy. Nisy ankizy nanome valin-teny vokatry ny fo sy voaomana tsara ve, na nanao anjara tamin’ny fivoriana andavanandro? Sa ve nisy ankizy sahy nanararaotra nitory tany am-pianarana, na nahavita nanohitra fakam-panahy? Raha mahita ankizy hoatr’izany ianao, dia aza misalasala Sal. 35:18.
midera azy. Nahoana raha atao tanjona ny hiresaka amin’ny ankizy na tanora iray, aloha na aorian’ny fivoriana? Raha manao an’izany isika, dia ho tsapan’izy ireny fa tena anisan’ny fiangonana izy.—AMPIO IZY MBA HO LASA VITA BATISA
16, 17. a) Nahoana no tena ilaina ny batisa? b) Inona no tena hahafaly ny ray aman-dreny kristianina raha tanteraka? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
16 Anisan’ny tombontsoa lehibe indrindra ananan’ny ray aman-dreny ny hoe mitaiza ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4; Sal. 127:3) Vao teraka ny zanaky ny Israelita fahiny dia efa voatokana ho an’i Jehovah. Tsy hoatr’izany kosa ny ankizy eo anivon’ny fandaminana. Tsy hoe satria tia an’i Jehovah sy tia ny fahamarinana ny ray aman-dreniny, dia ho lasa hoatr’izany ho azy ry zareo. Vao teraka àry ny zaza iray, dia efa tokony hataon’ny ray aman-dreniny tanjona ny hanao mpianatra, izany hoe ny hanampy azy hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa. Tsy misy zava-dehibe noho izany! Izay nanokan-tena sy vita batisa ary tsy mivadika amin’i Jehovah ihany mantsy no ho voavonjy amin’ny fahoriana lehibe.—Mat. 24:13.
17 Rehefa nilaza tamin’ny ray aman-dreniny i Blossom Brandt hoe te hatao batisa, dia nataon’izy mivady azo antoka tsara hoe tena vonona izy. Io mantsy no fanapahan-kevitra lehibe indrindra horaisiny. Nanaiky izy ireo rehefa hitany hoe vonona i Blossom. Nisy zavatra nahafinaritra be nataon’ny dadany, ny alina talohan’ny batisany. Hoy i Blossom: “Nasainy nandohalika izahay rehetra, dia nivavaka izy. Nilaza tamin’i Jehovah izy hoe faly be fa nanapa-kevitra hanokan-tena ho azy ny zanany vavikely.” Hoy i Blossom, 60 taona mahery tatỳ aoriana: “Tsy ho afaka ato an-tsaiko mihitsy iny alina iny!” Ry ray aman-dreny, enga anie hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa ny zanakareo, ka ho faly sy ho afa-po koa ianareo!
^ feh. 9 Azonao dinihina miaraka amin’ny zanakao ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, pejy 304-310, sy ny “Valin’ny Fanontanianareo” ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aprily 2011, pejy 2.