Fanontanian’ny Mpamaky
Iza ilay “vehivavy” resahin’ny Isaia 60:1, ary amin’ny fomba ahoana izy no hoe ‘hitsangana’ sy ‘handefa hazavana’?
Hoy ny Isaia 60:1: “Mitsangàna, ry vehivavy, dia mandefasa hazavana, fa efa tonga ny hazavanao. Mamirapiratra eo aminao ny voninahitr’i Jehovah.” Asehon’ny teny manodidina fa i Ziona na i Jerosalema renivohitr’i Joda tamin’izany io “vehivavy” io. a (Isaia 60:14; 62:1, 2) Manondro an’ilay firenena manontolo io tanàna io. Mampipoitra fanontaniana roa ireo tenin’i Isaia ireo: Voalohany, oviana ary tamin’ny fomba ahoana i Jerosalema no ‘nitsangana’ sy nandefa hazavana ara-panahy? Faharoa, mbola ho tanteraka amin’ny fomba lehibe kokoa amin’ny androntsika ve ireo teny ireo?
Oviana ary tamin’ny fomba ahoana i Jerosalema no ‘nitsangana’ sy nandefa hazavana ara-panahy? Rava i Jerosalema sy ny tempoliny, tamin’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona nandritra ny 70 taona. Rehefa resin’ny Medianina sy ny Persianina anefa i Babylona, dia afaka nody tany an-tanindrazany sy namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina ny Israelita nanerana ny Fanjakana Babylonianina. (Ezra 1:1-4) Nisy sisa tamin’ny Jiosy tsy nivadika avy tamin’ireo foko 12 nanao an’izany, nanomboka tamin’ny 537 T.K. (Isaia 60:4) Nanomboka nanolotra sorona ho an’i Jehovah ry zareo, nankalaza fety, dia nanorina indray ny tempoly. (Ezra 3:1-4, 7-11; 6:16-22) Namirapiratra teo amin’i Jerosalema indray ny voninahitr’i Jehovah, izany hoe teo amin’ny vahoakany tafaverina tao amin’ny taniny. Ry zareo indray avy eo no lasa loharanon’ny hazavana ho an’ireo firenena tao anaty haizina ara-panahy.
Tanteraka tamin’i Jerosalema fahiny ilay faminanian’i Isaia momba ny famerenana amin’ny laoniny, saingy tamin’ny ampahany ihany. Lasa tsy nankatò an’Andriamanitra intsony mantsy ny ankamaroan’ny Israelita. (Neh. 13:27; Mal. 1:6-8; 2:13, 14; Mat. 15:7-9) Nanda ny Mesia, na Jesosy Kristy, mihitsy aza ry zareo tatỳ aoriana. (Mat. 27:1, 2) Rava indray àry i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny taona 70.
Efa nilaza mialoha i Jehovah fa hitranga izany. (Dan. 9:24-27) Mazava àry fa tsy fikasany ny hoe i Jerosalema eto an-tany no hanatanteraka ny tsipiriany rehetra amin’ilay faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny resahin’ny Isaia toko faha-60.
Ho tanteraka amin’ny fomba lehibe kokoa amin’ny androntsika ve ireo tenin’i Isaia ireo? Ie, fa ho tanteraka amin’ny vehivavy an’ohatra hafa, dia i “Jerosalema any ambony.” Hoy ny apostoly Paoly momba azy io: “Izy no renintsika.” (Gal. 4:26) Iza ilay Jerosalema any ambony? Ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’Andriamanitra misy an’ireo anjeliny tsy mivadika. Ary iza ny zanany? I Jesosy sy ny Kristianina voahosotry ny fanahy 144 000. Manantena hiaina any an-danitra ireo Kristianina ireo, hoatran’i Paoly. Ny Kristianina voahosotra ilay antsoina hoe “firenena masina” na “Israelin’Andriamanitra.”—1 Pet. 2:9; Gal. 6:16.
Amin’ny fomba ahoana no hoe ‘nitsangana’ sy ‘nandefa hazavana’ i Jerosalema any ambony? Nanao an’izany tamin’ny alalan’ny zanany voahosotra eto an-tany izy. Andao hampitahaintsika amin’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-60 ny zavatra niainan-dry zareo.
Tsy maintsy ‘nitsangana’ ny Kristianina voahosotra, satria lasa tao anaty haizina ara-panahy rehefa tanteraka ilay faminaniana momba ny tsimparifary. Be dia be mantsy ny mpivadi-pinoana tamin’ny taonjato faharoa, dia hoatran’ny hoe sarona ry zareo. (Mat. 13:37-43) Lasa babo tao amin’i Babylona Lehibe na ny fivavahan-diso rehetra àry ry zareo. Babo tao ireo voahosotra ireo, mandra-pahatongan’ny “vanim-potoana alohan’ny faran’izao tontolo izao.” (Mat. 13:39, 40) Nanomboka tamin’ny 1914 io vanim-potoana io. Nafahana anefa ry zareo tsy ela taorian’izay, tamin’ny 1919, ary tonga dia nandefa hazavana ara-panahy rehefa nafana fo nitory. b Rehefa nandeha teny ny taona, dia voasarik’ilay hazavana ny olona avy amin’ny firenena rehetra, anisan’izany ny sisa amin’ny Israelin’Andriamanitra, izany hoe ireo “mpanjaka” resahin’ny Isaia 60:3.—Apok. 5:9, 10.
Handefa hazavana avy amin’Andriamanitra amin’ny fomba miavaka kokoa aza ny Kristianina voahosotra, amin’ny hoavy. Amin’ny fomba ahoana? Rehefa mahavita ny fanompoany eto an-tany ry zareo, dia ho lasa anisan’i “Jerosalema Vaovao” na vadin’i Kristy, izany hoe ho anisan’ireo 144 000 ho mpanjaka sy mpisorona miaraka aminy.—Apok. 14:1; 21:1, 2, 24; 22:3-5.
Handray anjara be amin’ny fahatanterahan’ny Isaia 60:1 i Jerosalema Vaovao. (Ampitahao amin’ny Isaia 60:1, 3, 5, 11, 19, 20 ny Apokalypsy 21:2, 9-11, 22-26.) I Jerosalema eto an-tany no foiben’ny fanjakan’ny Israely taloha. Hoatr’izany koa, fa i Jerosalema Vaovao sy Kristy no ho lasa mpitondra ao amin’ny tontolo vaovao. Amin’ny fomba ahoana no hoe ‘midina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra’ i Jerosalema vaovao? Hanao an’izany izy rehefa handray an-tanana ny fitondrana eto an-tany. ‘Hanazava ny lalana halehan’ny’ vahoaka matahotra an’Andriamanitra, avy any amin’ny firenena rehetra, “ny hazavan’ilay tanàna” amin’izay. Hafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana mihitsy aza ireo olona ireo. (Apok. 21:3, 4, 24) ‘Haverina [tanteraka] amin’ny laoniny’ àry “ny zava-drehetra”, araka ny noresahin’i Isaia sy ny mpaminany hafa. (Asa. 3:21) Nanomboka io famerenana amin’ny laoniny io rehefa lasa Mpanjaka i Kristy, ary ho tapitra rehefa mifarana ny Fanjakana Arivo Taona.
a Mampiasa an’ilay hoe “vehivavy” ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ao amin’ny Isaia 60:1, fa tsy hoe “Ziona” na “Jerosalema”, satria amin’ny endriny milaza vavy ny matoanteny hebreo hoe “mitsangàna” sy “mandefasa hazavana” ary ilay teny hoe “aminao.”
b Miresaka an’ilay famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana marina tamin’ny 1919 koa ny Ezekiela 37:1-14 sy ny Apokalypsy 11:7-12. Naminany i Ezekiela fa hafahana ny Kristianina voahosotra rehetra, rehefa avy babo ela be. Ilay faminanian’ny Apokalypsy indray milaza fa hoatran’ny hoe ho velona indray ny rahalahy voahosotra vitsivitsy nitarika ny vahoakan’Andriamanitra, taorianan’ilay ry zareo tsy navela hitory nandritra ny fotoana fohy satria nogadraina tsy ara-drariny. Voatendry ho “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ry zareo tamin’ny 1919.—Mat. 24:45; jereo ilay hoe Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!, p. 118.