Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana ireo biriky sy fomba fanamboarana biriky hita tao amin’ny tanànan’i Babylona efa rava no manamarina ny tantara ao amin’ny Baiboly?

NAHITA biriky be dia be tao Babylona ireo mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Biriky masaka izy ireo ary nanorenana an’ilay tanàna. Nilaza ilay mpikaroka atao hoe Robert Koldewey fa nodorana tao anaty lafaoro “tany ivelan’ny tanàna” ireo biriky ireo. ‘Tsara mantsy ny tanimanga teny sady be dia be ny hazo azo natao kitay.’

Hita tao amin’ny asa soratra fahiny hoe nasain’ny mpitondra babylonianina nanaovana zavatra mahatsiravina koa ireny lafaoro ireny. Izao no nolazain’i Paul-Alain Beaulieu, manam-pahaizana momba ny tantaran’i Asyria ao amin’ny Oniversiten’i Toronto: “Betsaka ny asa soratra babylonianina ... mitantara fa nasain’ny mpanjaka nodorana izay olona nikomy na tsy nanaja zava-masina.” Misy an’izao fehezanteny izao tao amin’ny asa soratra iray tamin’ny andron’i Nebokadnezara Mpanjaka: “Vonoy ireo, dory, atonoy anaty lafaoro, ... ataovy mahamay be ny afo, ataovy midona-tsetroka mihitsy dia amin’izay maty ao ry zareo.”

Rehefa mahita an’izany ny mpamaky Baiboly, dia mahatsiaro an’ilay tantara ao amin’ny Daniela toko faha-​3. Voalaza ao fa nanamboatra sarivongana volamena ngezabe i Nebokadnezara Mpanjaka tao amin’ny lemak’i Dora, tany ivelan’ny tanànan’i Babylona. Romotra izy rehefa tsy nanaiky hiankohoka tamin’izy io ny Hebreo telo lahy, izany hoe i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Nasainy nohafanaina “avo fito heny noho ny mahazatra” àry ny lafaoro, ary nasainy “natsipy tao anatin’ilay lafaoro misy afo mivaivay” izy telo lahy. Nisy anjely mahery anefa namonjy an-dry zareo tsy ho faty.​—Dan. 3:1-6, 19-28.

© The Trustees of the British Museum. Licensed under CC BY-NC-SA 4.0. Source

Biriky masaka misy anaran’i Nebokadnezara

Na ireny biriky babylonianina ireny koa aza dia efa manamarina ny tantara ao amin’ny Baiboly. Betsaka amin’izy ireny mantsy no misy soratra mandokadoka ny mpanjaka. Izao, ohatra, ny soratra tamin’ny iray tamin’ireny: “Nebokadnezara, Mpanjakan’i Babylona ... Ilay lapa namboariko, izaho Mpanjaka Lehibe... Enga anie ka hitondra mandrakizay ny taranako.” Mitovy be amin’izay voasoratra ao amin’ny Daniela 4:30 izany. Nirehareha hoatr’izao mantsy i Nebokadnezara ao: “Tsy ity ve no Babylona Lehibe, ilay naoriko tamin’ny tanjaky ny heriko mba ho lasa lapam-panjakana sy hahazoako voninahitra lehibe?”