Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Faly Nanompo An’i Jehovah Aho!

Faly Nanompo An’i Jehovah Aho!

NANOMPO tao amin’ny Betelan’i Kanada aho taloha. Namafa gorodona tao amin’ny toerana fanaovana pirinty no asako voalohany tany. Tamin’ny 1958 izany no nitranga, tamin’izaho 18 taona. Nahafinaritra erỳ ny fiainana! Tsy ela taorian’izay aho dia niasa tamina masinina manapaka ny sisina gazety vao vita pirinty. Faly aho nanompo tao amin’ny Betela!

Nampandrenesina tamin’ny fianakavian’ny Betela ny taona nanaraka hoe nila mpiasa fanampiny ny sampan’i Afrika Atsimo, satria nahazo milina fanaovana pirinty vaovao. Afaka nifindra àry izay vonona. Nisoratra anarana aho dia faly fa anisan’ny voafidy. Nisy rahalahy telo avy tao amin’ny Betelan’i Kanada koa voafidy: I Dennis Leech sy Bill McLellan ary Ken Nordin. Nilazana izahay fa hijanona ela any Afrika Atsimo, ka tapakila mandroso ihany no homena anay.

Nitelefaonina ny neninay aho dia niteny hoe: “Neny a, misy vaovao! Handeha ho any Afrika Atsimo aho!” Tsy dia be teny i Neny, nefa tena nanam-pinoana sady nifandray tsara tamin’i Jehovah. Na dia tsy niteny betsaka aza izy tamin’io, dia fantatro hoe nanohana ahy. Nanaiky an’ilay fanapahan-kevitro izy sy i Dada, na dia nalahelo aza hoe handeha lavitra be aho.

NANKANY AFRIKA ATSIMO!

Mandeha lamasinina avy any Le Cap ho any Johannesburg, miaraka amin’i Dennis Leech sy Ken Nordin ary Bill McLellan (1959)

Izahay efatra mirahalahy tany amin’ny sampan’i Afrika Atsimo, 60 taona tatỳ aoriana (2019)

Nankany amin’ny Betelan’ny Brooklyn aloha izahay efa-dahy. Nampiofanina nandritra ny telo volana izahay tany, mba hahay hampiasa milina manokana fanaovana pirinty. Nandeha sambo mpitondra entana nankany Le Cap, any Afrika Atsimo, izahay taorian’izay. Vao feno 20 taona aho tamin’izany. Rehefa tonga tao Le Cap izahay, dia nandeha lamasinina nankany Johannesburg indray. Efa hariva izahay vao niainga ary mbola ho lava ny dia. Niato kely tao amin’ny tanàna tao Karoo ilay lamasinina rehefa nangiran-dratsy. Io no toerana voalohany nijanonanay. Faritra somary karakaina i Karoo, ary be vovoka sy nahamay be. Nitazana teo am-baravarankely izahay efatra mirahalahy, dia gaga be nahita an’ilay toerana. Nieritreritra izahay hoe: ‘Fa inona àry no ataonay atỳ?’ Nitsidika an’ireny toerana ireny anefa izahay tatỳ aoriana, dia hitanay hoe hay mahafinaritra be sy milamina tsara ny fiainana any.

Nampiasa milina Linotype no asako nandritra ny taona vitsivitsy. Tena miavaka io milina io sady be pitsiny. Natao handaharana an’izay soratra hatao pirinty izy io, ary izaho no nanao an’izany ho an’ny gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nanao pirinty ny gazetintsika tamin’ny fiteny afrikanina maro ny biraon’ny sampana. Tsy ho an’i Afrika Atsimo ihany no nanaovany an’izany, fa ho an’ny firenena maro hafa tao Afrika koa. Tena faly izahay hoe niasa be ilay milina fanaovana pirinty vaovao! Izany mantsy no nahatongavanay avy any Kanada.

Nisy sampan-draharaha iray niandraikitra ny asa natao tao amin’ny fanaovana pirinty sy ny fandefasana entana ary ny fandikan-teny, dia tao aho no niasa tatỳ aoriana. Be atao aho nefa afa-po!

NANAMBADY ARY NAHAZO FANENDRENA VAOVAO

Izahay sy Laura tamin’izahay mpisava lalana manokana (1968)

Nanambady an’i Laura Bowen aho tamin’ny 1968. Mpisava lalana izy ary nipetraka teny akaikin’ny Betela. Mpitendry masinina tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny tao amin’ny Betela koa izy. Tsy nijanona tao amin’ny Betela izay Betelita nanambady tamin’izany. Voatendry ho mpisava lalana manokana àry izahay. Natahotra kely aho satria efa 10 taona aho no tao amin’ny Betela. Tsy nandoa hofan-trano aho tao sady niantohana foana ny sakafoko. Nanahy aho hoe sao dia tsy ho ampy anay ny vola fanampiana nomena ny mpisava lalana manokana. Marina fa samy homena vola fanampiana kely izahay mivady isam-bolana. Tsy hahazo an’izany anefa izahay raha tsy nahatratra ny ora notakina, sy ny fiverenana mitsidika tokony hatao, ary ny isan’ny boky sy gazety tokony hapetraka. Iny vola iny no hampiasainay handoavana hofan-trano, sakafo, fitaterana, fitsaboana, ary ny zavatra hafa ilainay.

Voatendry ho anisan’ny antoko-mpitory tsy lavitra ny tanànan’i Durban, eo amoron’ny Oseana Indianina, izahay. Be Karàna tany. Nisy Karàna avy any Inde mantsy tonga tany Afrika Atsimo tamin’ny 1875 tany ho any, mba hiasa tamina orinasa mpamokatra siramamy. Taranak’izy ireny ny ankamaroan’ny Karàna hitanay tany, saingy efa hafa ny asa nataony. Mbola nanaraka ny kolontsaina karàna anefa ry zareo, ary tsy niova ny fomba fahandrony sakafo. Tena tian-dry zareo, ohatra, ny manao laoka feno zava-manitra sady masiatsiaka. Niteny Anglisy koa ry zareo dia tsy sahirana izahay niresaka taminy.

Nitakiana 150 ora ny mpisava lalana manokana tamin’izany. Nieritreritra hanompo adiny enina àry izahay sy Laura ny andro voalohany. Izahay anefa sady tsy nanana fiverenana mitsidika no tsy nisy fampianarana Baiboly, dia hitory isan-trano izany izahay mandritra ny adiny enina! Ny andro amin’io mafana be! Rehefa nandeha ny fotoana, dia nijery famantaranandro aho. Hay vao 40 minitra no lasa! Nieritreritra aho hoe: ‘Ho vitanay ihany àry ve izy ity?’

Voalaminay ihany ny fandaharam-potoananay tsy ela taorian’izay. Nanomana mofo izahay isan’andro. Nanao lasopy na kafe koa izahay, dia nataonay tao anaty termôsy ilay izy. Najanonay teo ambanin’ny aloky ny hazo teo akaiky teo ny aotomobilina kelinay rehefa nila naka aina izahay. Indraindray feno ankizy karàna nahafatifaty kely tonga nijerijery anay teo. Samy hafa be tamin-dry zareo mantsy izahay. Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hitanay hoe mandeha haingana be ihany ny fotoana rehefa afaka ilay adiny roa na adiny telo voalohany.

Nahafinaritra ny nampahafantatra ny fahamarinana tamin’ny olona tao amin’io faritany io. Hitanay hoe tia mandray vahiny ny Karàna, manaja olona, mahalala fomba, ary tia an’Andriamanitra. Betsaka tamin’ny Karàna nanaraka ny fivavahana hindoa no nandray tsara rehefa nitorianay. Faly ry zareo nianatra momba an’i Jehovah, Jesosy, ny Baiboly, ny tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana, ary ny fanantenana momba ny maty. Nanana mpianatra Baiboly 20 izahay rehefa afaka herintaona. Nisakafo antoandro tao amin’ny iray tamin’ny fianakaviana nampianarinay Baiboly izahay isan’andro. Tena faly izahay!

Nahazo fanendrena vaovao anefa izahay tsy ela taorian’izay. Lasa mpiandraikitra ny faritra aho, dia nitsidika fiangonana tany amin’ny morontsiraky ny Oseana Indianina. Nahafinaritra be ilay toerana! Namangy ny mpitory tao amin’ny fiangonana sy niaraka nanompo tamin-dry zareo izahay mivady, mba hampahery an-dry zareo. Nisy fianakaviana nampiantrano anay isan-kerinandro. Nataon-dry zareo hoatran’ny fianakaviany izahay. Faly erỳ izahay niaraka tamin’ny zanak’izy ireo sy nilalao ny biby tao an-tranony. Nahafinaritra anay ny nanao ny asan’ny faritra. Rehefa afaka roa taona anefa, dia nitelefaonina anay ny biraon’ny sampana. Tsy nampoizinay ilay izy! Izao no nolazain’ilay rahalahy: “Tianay hiverina atỳ amin’ny Betela ianareo.” Namaly aho hoe: “Tianay be ange atỳ e!” Na izany aza, dia vonona foana izahay na aiza na aiza hanendrena anay.

NIVERINA TANY AMIN’NY BETELA

Voatendry hiasa tao amin’ny Biraon’ny Fanompoana aho rehefa tonga tao amin’ny Betela. Faly aho hoe niara-niasa tamina rahalahy be dia be efa matotra sy ampy traikefa. Nandefa tatitra tany amin’ny sampana ny mpiandraikitra ny faritra tamin’izany, isaky ny avy nitsidika fiangonana. Nanoratra taratasy ho an’ilay fiangonana ny Biraon’ny Fanompoana avy eo, nifanaraka tamin’izay voasoratra tao amin’ilay tatitra. Natao mba hampaherezana ny fiangonana sy hanomezana an’izay toromarika nilaina ireny taratasy ireny. Tsy mahagaga àry raha be asa be ny mpitan-tsoratry ny sampana. Tsy maintsy nadikan-dry zareo tamin’ny teny anglisy mantsy ny tatitra tamin’ny fiteny xhosa sy zoloa ary fiteny afrikanina hafa. Rehefa namaly indray ny biraon’ny sampana, dia nadikan-dry zareo tamin’ireny fiteny afrikanina ireny ilay taratasy tamin’ny teny anglisy. Tena misaotra an’ireny mpandika teny niasa mafy ireny aho, satria noho ry zareo dia lasa azoko ny olana natrehin’ny rahalahy sy anabavy afrikanina mainty hoditra.

Nanavakava-bolon-koditra koa ny fanjakana tany Afrika Atsimo tamin’izany. Samy nanana ny faritra azony nipetrahana ny fotsy hoditra sy ny mainty hoditra, ka tsy dia afaka nifandray. Nitory tamin’ny fiteniny ny mpiara-manompo mainty hoditra, ary nivory tany amin’ny fiangonana nampiasa ny fiteniny.

Fiangonana miteny anglisy foana no nisy ahy hatramin’izay, dia vitsy ny Afrikanina mainty hoditra fantatro. Lasa nahafantatra ny mainty hoditra sy ny kolontsainy ary ny fanaony anefa aho. Lasa fantatro ny olana natrehin’ny mpiara-manompo vokatry ny fombafomban’ny manodidina sy ny zavatra ninoan’izy ireny. Tsy nanaiky hanao fombafomba tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina na misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina ry zareo, na dia nanohitra mafy aza ny fianakaviany sy ny tao an-tanàna. Tena be herim-po ireny rahalahy sy anabavy ireny! Hitako koa hoe be dia be ny olona nahantra tany ambanivohitra. Betsaka no tsy dia nahita fianarana nefa nanaja ny Baiboly.

Afaka nanampy tamin’ny raharaham-pitsarana sasany koa aho. Nila narovana mantsy ny zontsika hanaraka ny fivavahantsika, ary nisy olana nitranga noho isika tsy anisan’izao tontolo izao. Voaroaka tany am-pianarana, ohatra, ny ankizy Vavolombelon’i Jehovah sasany, satria tsy nety niaraka nivavaka sy nanao hiram-pivavahana tamin’ny mpianatra hafa. Tsy nivadika sy be herim-po ry zareo, ary tena nanatanjaka ny finoako izany!

Niatrika olana hafa ny mpiara-manompo tany Soazilandy (Eswatini), firenena kely any Afrika. Rehefa maty i Sobhuza II, mpanjaka tany, dia nasaina nanao fombafomba daholo ny mponina mba hisaonana azy. Nasaina nosolaina ny lehilahy, dia ny vehivavy nasaina nanapaka ny volony ho fohy kely. Betsaka ny rahalahy sy anabavy nenjehina, satria tsy nety nanao an’izany. Nifandray tamin’ny fivavahana tamin’ny razana mantsy ilay izy. Nanohina ny fonay ny nahita hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah ry zareo. Nianatra zavatra betsaka momba ny hoe tsy mivadika sy manam-paharetana izahay, rehefa nandinika ny nataon’ireny mpiara-manompo tany Afrika ireny. Nanatanjaka ny finoanay izany.

NIASA TANY AMIN’NY FANAOVANA PIRINTY INDRAY

Nasaina nanampy tany amin’ny fanaovana pirinty indray aho tamin’ny 1981. Nanomboka nampiasa ordinatera mantsy ny Betela rehefa nanao pirinty. Nahafinaritra be tamin’izany satria niova be ny fanaovana pirinty. Nisy mpivarotra milina fandaharana soratra nanome milina iray ho an’ny Betela mba hanaovana andrana. Tsy nitakiany vola izany. Nosoloana milina vaovao dimy àry ireo milina Linotype sivy nampiasainay. Nasiana milina vaovao fanaovana pirinty koa tao amin’ny Betela. Vao mainka nihabetsaka ny zavatra natao pirinty!

Rehefa nanomboka nampiasa ordinatera tamin’ny fanaovana pirinty izahay, dia lasa namorona programa mba handaminana ny soratra sy sary teo amin’ny pejy. MEPS * no anaran’ilay programa. Nivoatra be ny teknolojia hatramin’ny nahatongavanay efatra mirahalahy avy any Kanada. (Isaia 60:17) Efa samy nanambady izahay efatra tamin’izany. Samy mpisava lalana mahafinaritra sy tena tia an’i Jehovah ny vadinay. Mbola nanompo tao amin’ny Betela izahay sy Bill tamin’izany. I Ken sy Dennis indray efa samy nanan-janaka, ary nipetraka tsy lavitra teo.

Nitombo ny asa tao amin’ny sampana. Nadika tamin’ny fiteny betsaka kokoa mantsy ny bokintsika. Nalefa sambo tany amin’ny sampana hafa izy ireny rehefa vita pirinty. Lasa nila trano vaovao maromaro ny Betela. Nisy trano naorina àry tany amin’ny faritra tsara tarehy tany andrefan’i Johannesburg, ary notokanana izy ireo tamin’ny 1987. Faly aho hoe teo nandritra an’izany fitomboana be izany. Nahafaly ahy koa hoe anisan’ny Komitin’ny Sampana tao Afrika Atsimo aho nandritra ny taona maro!

NAHAZO FANENDRENA VAOVAO INDRAY!

Gaga be izahay tamin’ny 2001 fa nantsoina hanompo tatỳ Etazonia. Tamin’izay vao nisy Komitin’ny Sampana tatỳ, ary voatendry ho anisan’izy io aho. Nalahelo izahay rehefa niala tamin’ny asanay tany Afrika Atsimo sy nisaraka tamin’ny namanay. Faly be anefa izahay hoe hanomboka fiainam-baovao miaraka fianakavian’ny Betelan’i Etazonia!

Nanahy ihany izahay satria efa nihantitra ny maman’i Laura nefa izahay handeha lavitra be. Tsy tena ho afaka hanampy azy izahay rehefa atỳ New York. Soa ihany ny rahavavin’i Laura anankitelo fa nanolo-tena hikarakara azy sy hampahery azy ary hanome izay vola ilainy. Izao no nolazain-dry zareo: “Tsy afaka manompo manontolo andro izahay. Hanampy anareo hanohy ny fanompoanareo anefa izahay raha mikarakara an’izay ilain’i Neny.” Tena mankasitraka azy telo mirahavavy izahay!

Hoatr’izany koa no nataon’ny rahalahiko sy ny vadiny. Tany Toronto, any Kanada, ry zareo no nipetraka ary izy mivady no nikarakara ny mamanay. Efa maty mantsy i Dada. Efa 20 taona mahery ny mamanay no niara-nipetraka tamin-dry zareo tamin’izany. Tena misaotra azy mivady izahay hoe nampiseho fitiavana taminy sy nikarakara azy ry zareo mandra-pahafatiny, taoriana kelin’ny nahatongavanay teto New York. Sambatra izahay hoe manohana anay ny fianakavianay. Vonona hanova ny fiainany ry zareo mba hikarakarana ray aman-dreny be taona, na dia sarotra be aza izany indraindray.

Tao amin’ny fanaovana pirinty ny asako voalohany teto amin’ny Betelan’i Etazonia. Lasa maoderina kokoa ny fomba fanaovana ny asa ao, ary vao mainka nihatsotra. Nifindra tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana aho vao haingana. Roapolo taona izao izahay mivady no teto amin’ity Betela ngezabe ity. Misy 5 000 eo ho eo ny mpianakavin’ny Betela ato, ary 2 000 eo ho eo ny mpiasa an-tsitrapo. Tena faly aho hoe anisan’io fianakaviana io!

Tsy noeritreretiko mihitsy hoe ho lasa hoatr’izao ny fiainako, 60 taona lasa izay. Nanohana ahy tamin’ny fony manontolo foana i Laura tao anatin’izany. Mamy be mihitsy ny fiainako! Tena nankafizinay ny asa rehetra nanendrena anay, ary tianay be koa ny olona niara-niasa taminay. Anisan’izany ireo mpiara-manompo nihaona taminay tany amin’ireo sampana maro notsidihinay. Efa 80 taona mahery aho izao, ary nahena ny asako. Betsaka mantsy ny rahalahy tanora kokoa mahay an’ilay izy.

Nilaza ny mpanao salamo hoe: “Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” (Sal. 33:12) Tena marina izany. Sambatra aho fa nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny vahoakany falifaly!

^ feh. 26 Ny MEPS dia Fandaharana Elektronika Famoahana Boky sy Gazety Amin’ny Fiteny Maro.