LAHATSORATRA FIANARANA 5
Nahoana Isika no Manatrika Fivoriana?
‘Ambarao foana ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny.’ —1 KOR. 11:26.
HIRA 18 Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana
HO HITANAO ATO *
1-2. a) Inona no hitan’i Jehovah isaky ny Fahatsiarovana? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.) b) Inona no hodinihintsika ato?
ERITRERETO ange ny zavatra hitan’i Jehovah isaky ny Fahatsiarovana e! Olona an-tapitrisany maneran-tany no tonga manatrika azy io. Tsy ireo olona be dia be fotsiny anefa no hitany, fa jereny tsirairay mihitsy izay olona tonga ao. Hitany, ohatra, izay tonga foana isan-taona. Misy amin’izy ireny angamba enjehina be. Ny sasany indray tsy dia manatrika fivoriana, nefa mihevitra hoe zava-dehibe ny Fahatsiarovana ka tsy maintsy atrehina. Hitan’i Jehovah koa ny olona mba te hijerijery fotsiny dia tonga.
2 Azo antoka fa faly i Jehovah mahita hoe be dia be ny olona manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (Lioka 22:19) Tsy ny isan’ny olona tonga anefa no tena mahaliana azy. Ny antony ahatongavan-dry zareo no zava-dehibe kokoa aminy. Mandamina fivoriana ho an’izay tia azy koa i Jehovah isan-kerinandro. Nahoana isika no manatrika ny Fahatsiarovana sady tonga mivory? Handinika an’io fanontaniana lehibe io isika ato.
TONGA MIVORY ISIKA SATRIA MANETRY TENA
3-4. a) Nahoana isika no mivory? b) Inona no toetra ananantsika matoa isika mivory? d) Nahoana isika no tena tokony ho tonga amin’ny Fahatsiarovana, araka ny 1 Korintianina 11:23-26?
3 Inona no antony voalohany andehanantsika mivory? Satria anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ny fivoriana. Mandeha mivory koa isika, satria ampianarin’i Jehovah rehefa any. Mieritreritra ny olona manambony tena hoe efa tapi-pahaizana izy, ka tsy mila ampianarina intsony. (3 Jaona 9) Isika kosa tsy hoatr’izany fa mazoto hampianarin’i Jehovah sy ny fandaminany.—Isaia 30:20; Jaona 6:45.
4 Manetry tena isika ka manaiky hampianarina, matoa mandeha mivory. Zava-dehibe amintsika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, dia manatrika azy io isika. Tonga amin’izy io koa anefa isika, satria manetry tena ka mankatò an’ilay baikon’i Jesosy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Vakio ny 1 Korintianina 11:23-26.) Rehefa manatrika an’io fivoriana manokana io isika, dia vao mainka hatoky hoe ho tanteraka ny zavatra antenaintsika. Mampahatsiahy antsika koa izy io hoe tena tia antsika i Jehovah. Fantatr’i Jehovah anefa hoe tsy indray mandeha isan-taona ihany isika no mila ampaherezina. Izany no mahatonga azy handamina fivoriana isan-kerinandro, dia ampirisihiny hanatrika azy ireny isika. Mankatò isika satria manetry tena. Ora maro mihitsy no lanintsika isan-kerinandro mba hanomanana fivoriana sy hanatrehana azy ireny.
5. Nahoana ny olona manetry tena no manaiky rehefa asain’i Jehovah?
5 Manasa antsika mba hampianariny i Jehovah, ary be dia be ny olona manetry tena isan-taona ka manaiky an’izany. (Isaia 50:4) Tian’izy ireo ny Fahatsiarovana, dia lasa tonga koa ry zareo amin’ny fivoriana hafa. (Zak. 8:20-23) Faly be isika sy ireny vaovao ireny hoe mampianatra sy mitari-dalana antsika i Jehovah, ilay “Mpanampy sy Mpanafaka” antsika. (Sal. 40:17) Mba eritrereto ange e! I Jehovah sy Jesosy no manasa antsika mba hampianariny. Misy zavatra tsara sy lehibe noho ny hoe manaiky an’izany ve?—Mat. 17:5; 18:20; 28:20.
6. Nanetry tena ny lehilahy iray. Nahoana izany no nanampy azy hanatrika ny Fahatsiarovana?
6 Manasa olona betsaka araka izay azo atao isika isan-taona, mba hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Be dia be ny olona mandray soa satria manetry tena dia tonga. Nisy lehilahy nomen’ny rahalahy iray fanasana, taona vitsivitsy lasa izay. Nilaza anefa izy hoe tsy ho afaka. Gaga be àry ilay rahalahy rehefa nahita azy niditra ny Efitrano Fanjakana tamin’ny Fahatsiarovana. Nandray tsara azy ny olona dia nanohina ny fony izany, ka tonga nivory foana izy. Intelo fotsiny izy no tsy nanatrika fivoriana tao anatin’ny herintaona. Nahoana izy no niova hevitra ka lasa nivory foana? Nilaza ilay rahalahy hoe: “Tena manetry tena be izy!” Efa vita batisa izy izao. Azo antoka hoe i Jehovah no nitaona an’io lehilahy io hanompo azy.—2 Sam. 22:28; Jaona 6:44.
7. Nahoana no manampy antsika hanetry tena ny zavatra ianarantsika any am-pivoriana sy vakintsika ao amin’ny Baiboly?
7 Manampy antsika hanetry tena ny zavatra ianarantsika any am-pivoriana sy vakintsika ao amin’ny Baiboly. Ny modely nomen’i Jesosy no resahina any am-pivoriana matetika, mandritra ny herinandro vitsivitsy alohan’ny Fahatsiarovana. Asongadina koa hoe nanetry tena izy, ka nahafoy ny ainy hanavotana antsika. Ary ahoana indray mandritra an’ireo andro vitsivitsy alohan’ny Fahatsiarovana? Ampirisihina isika mba hamaky andinin-teny mifandray amin’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nananganana azy tamin’ny maty. Hankasitraka bebe kokoa ny sorona nataony isika, raha manatrika fivoriana sy mamaky an’ireny andinin-teny ireny. Lasa te hanetry tena sy hanao ny sitrapon’i Jehovah hoatran’i Jesosy koa isika amin’izay, na dia rehefa sarotra aza izany.—Lioka 22:41, 42.
TONGA MIVORY ISIKA SATRIA BE HERIM-PO
8. Inona no mampiseho hoe be herim-po i Jesosy?
8 Miezaka ho be herim-po hoatran’i Jesosy koa isika. Eritrereto izay nitranga, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Mat. 20:17-19) Vonona ny ho faty anefa izy. Rehefa nanakaiky ny fotoana hamonoana azy, dia niteny tamin’ireo apostoliny tsy nivadika izy hoe: “Mitsangàna, andao isika handeha, fa efa manatona ilay mpamadika ahy.” (Mat. 26:36, 46) Tao Getsemane ry zareo tamin’izay. Nisy olona be dia be nitondra fitaovam-piadiana avy eo tonga hisambotra azy. Inona no nataony? Tsy nisalasala nanatona azy ireo izy, dia nilaza hoe izy ilay notadiavin-dry zareo. Nandidy an’ireo miaramila koa izy mba hamela ny apostoliny handeha. (Jaona 18:3-8) Tena be herim-po i Jesosy! Miezaka hanahaka azy ny Kristianina voahosotra sy ny ondry hafa amin’izao. Ahoana no ataon’izy ireo?
Fantany tsara hoe kely sisa dia hambanin’ny fahavalony izy, dia hokaravasin’izy ireo, ary hovonoiny. (9. a) Nahoana no mila herim-po isika raha te hahavita hivory foana? b) Nahoana no mahasoa an’ireo migadra ny maheno hoe mivory foana isika?
9 Mila herim-po isika raha te hahavita hivory foana. Mety ho sarotra mantsy izany indraindray. Misy, ohatra, tototry ny alahelo, na kivy, na marary nefa tonga mivory foana. Misy koa tena be herim-po ka manatrika fivoriana, na dia manohitra be aza ny fianakaviany na ny fitondram-panjakana. Inona no vokany rehefa maheno an’izany ireo rahalahy sy anabavy migadra noho ny finoany? (Heb. 13:3) Mahazo hery izy ireo rehefa mahafantatra hoe mbola manompo an’i Jehovah isika na dia misy zava-tsarotra aza. Vao mainka izy ireo manam-pinoana sy be herim-po ary tsy mivadika. Hoatr’izany ny apostoly Paoly tamin’izy nigadra tany Roma. Faly be izy isaky ny naheno hoe manompo an’i Jehovah foana ny mpiara-manompo aminy. (Fil. 1:3-5, 12-14) Nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo izy taloha kelin’ny nanafahana azy na taoriana kelin’izay, dia nilaza hoe: “Aoka haharitra ny fitiavanareo ny rahalahy.” Nampirisika azy ireo hivory foana koa izy.—Heb. 10:24, 25; 13:1.
10-11. a) Iza no tokony hasaintsika hanatrika ny Fahatsiarovana? b) Nahoana isika no tokony hanasa azy ireny, araka ny Efesianina 1:7?
10 Be herim-po koa isika raha manasa ny havantsika sy ny mpiara-miasa amintsika ary ny mpiray tanàna amintsika mba hanatrika ny Fahatsiarovana. Tena te hanasa azy ireo isika, satria mankasitraka lalina an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika. Tiantsika ho fantatr’izy ireo hoe inona no tokony hataony, raha te handray soa avy amin’ny vidim-panavotana izy. Porofon’ny ‘hatsaram-panahy tsy manam-paharoa’ asehon’i Jehovah izy io.—Vakio ny Efesianina 1:7; Apok. 22:17.
11 Tsy hoe be herim-po fotsiny isika rehefa mivory. Misy toetra hafa tena tsara koa asehontsika amin’izany. Nampiseho an’io toetra io tamin’ny fomba miavaka, na i Jehovah na ilay Zanany.
TONGA MIVORY ISIKA SATRIA BE FITIAVANA
12. a) Nahoana no mitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah sy Jesosy rehefa mivory isika? b) Mampirisika antsika hanao inona ny 2 Korintianina 5:14, 15?
12 Mandeha mivory koa isika satria tia an’i Jehovah sy Jesosy. Vao mainka mampitombo Rom. 5:8) Ny Fahatsiarovana no tena mampahatsiahy ny halalin’ny fitiavan’i Jehovah sy Jesosy antsika. Tena tian’izy ireo na dia ny olona mbola tsy mahalala aza hoe sarobidy ny vidim-panavotana. Mankasitraka ny nataon’i Jesosy isika, ka miezaka manahaka azy amin’izay ataontsika isan’andro. (Vakio ny 2 Korintianina 5:14, 15.) Lasa te hidera an’i Jehovah koa isika, noho izy nanome ny vidim-panavotana. Manao an’izany, ohatra, isika rehefa manome valin-teny avy amin’ny fo.
ny fitiavantsika azy ireo ny zavatra ianarantsika any. Matetika mantsy no ampahatsiahivina antsika any hoe inona no nataon’izy ireo ho antsika. (13. Ahoana no ampisehoantsika hoe tena tia an’i Jehovah sy Jesosy isika? Manomeza ohatra.
13 Raha tena tia an’i Jehovah sy Jesosy koa isika, dia vonona hamoy zavatra ho azy ireo. Matetika no misy zavatra afointsika mba hahafahana mivory. Be dia be, ohatra, ny fiangonana mivory amin’ny hariva rehefa andavanandro. Andro fiasana anefa ilay izy matetika, ka reraka ny ankamaroantsika. Amin’ny faran’ny herinandro kosa ny fivoriana iray, nefa ny olon-kafa amin’izany maka aina. Mba hitan’i Jehovah ve hoe tonga mivory isika na dia vizana aza? Tena azo antoka izany! Arakaraka ny ezaka mafy ataonao no vao mainka hahitan’i Jehovah hoe tia azy ianao, ary tena mankasitraka an’izany izy.—Mar. 12:41-44.
14. Inona no porofo hoe be fitiavana sy nahafoy tena i Jesosy?
14 Modely ho antsika i Jesosy. Be fitiavana izy ka nahafoy tena ho an’ny hafa. Tsy hoe vonona hamoy ny ainy ho an’ny mpianany fotsiny izy. Hita tamin’izay nataony isan’andro koa hoe izay hahasoa azy ireo aloha no notadiaviny izay vao ny hahasoa azy. Mbola niaraka tamin’izy ireo ihany, ohatra, izy na dia efa vizana na niady saina aza. (Lioka 22:39-46) Izay azony nomena ny olona koa no nifantohany, fa tsy izay azon’ny olona nomena azy. (Mat. 20:28) Raha tena tia an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo hoatr’izany isika, dia hanao izay rehetra azo atao mba ho tonga amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo sy amin’ny fivoriana hafa rehetra.
15. Iza no tena tiantsika hampiana?
15 Toy ny fianakaviana iray ny mpanompon’i Jehovah eran-tany, ary tena miavaka izy io. Faly isika manokana fotoana betsaka araka izay azo atao, mba hanasana ny olona hiditra Gal. 6:10) Tia azy ireny isika ka mampirisika azy hanatrika fivoriana, indrindra fa ny Fahatsiarovana. Faly be hoatran’i Jehovah sy Jesosy isika, rehefa misy amin’izy ireny miverina amin’i Jehovah, ilay Mpiandry antsika sy Raintsika be fitiavana.—Mat. 18:14.
ho anisan’io fianakaviana io. Tena tiantsika hampiana anefa izay “mpiray finoana amintsika” lasa tsy mivory na tsy mitory intsony. (16. a) Inona no azontsika atao raha te hifampahery isika? Inona no ho vokany raha mivory foana isika? b) Nahoana isika izao no tena mila mitadidy ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 3:16?
16 Inona àry no azontsika atao mandritra an’ireo herinandro maromaro ho avy? Miezaha hanasa olona faran’izay betsaka mba ho tonga amin’ny Fahatsiarovana, izay hatao ny zoma 19 Aprily 2019. (Jereo ilay hoe “ Hanasa Azy Ireo ve Ianao?”) Tsara koa ny miezaka manatrika ny fivoriana rehetra halamin’i Jehovah amin’ity taona ity. Hifampahery isika amin’izay. Mila an’ireny fivoriana ireny isika mba hanampy antsika hanetry tena sy ho be herim-po ary ho be fitiavana foana, indrindra amin’izao farany efa tena akaiky izao. (1 Tes. 5:8-11) Andao àry isika hampiseho amin’i Jehovah sy ny Zanany hoe ankasitrahantsika amin’ny fo manontolo ny fitiavana lehibe asehon’izy ireo antsika.—Vakio ny Jaona 3:16.
HIRA 126 Miambena, Mahereza
^ feh. 5 Amin’ny zoma 19 Aprily 2019, amin’ny hariva, no hatao ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Io no fivoriana miavaka indrindra ao anatin’ny taona. Nahoana isika no manatrika azy io? Azo antoka hoe te hampifaly an’i Jehovah isika. Misy toetra maromaro koa mahatonga antsika hanatrika ny Fahatsiarovana sy ny fivoriana ataontsika isan-kerinandro. Izany no horesahina ato.
^ feh. 52 SARY: Rahalahy migadra noho ny finoany. Mampahery azy ny taratasy nalefan’ny vady aman-janany. Faly izy hoe misy mahatsiaro. Faly koa izy mahalala hoe tsy mivadika izy mianaka, na dia misy korontana aza any amin-dry zareo.