Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Notahin’i Jehovah Aho Satria Nandray Lesona avy Tamin’ny Olon-kafa

Notahin’i Jehovah Aho Satria Nandray Lesona avy Tamin’ny Olon-kafa

TSY mora tamiko ny nanompo tamin’izaho mbola tanora. Rehefa nihalehibe anefa aho, dia nahazo fanendrena tsy noeritreretiko mihitsy hoe ho vitako. Marina fa natahotra aho nefa nisy olona azoko natao modely, dia nanampy ahy handresy ny tahotro izany. Nahazo fitahiana be dia be aho vokatr’izany, nandritra an’ireo 58 taona nanompoako manontolo andro. Aleo hotantaraiko aminareo izany.

Tao amin’ny Tanànan’i Québec aho no teraka. Ao amin’ny faritanin’i Québec, any Kanada, no misy azy io ary miteny frantsay ny olona any. Tena tia ahy ny ray aman-dreniko. Louis sy Zélia no anaran-dry zareo. Tsy dia be teny i Dada sady tia namaky boky. Izaho indray tia nanoratra ary te ho lasa mpanao gazety.

Nisy mpiara-miasa tamin’i Dada tonga nitsidika anay niaraka tamin’ny namany, tamin’izaho 12 taona teo ho eo. Rodolphe Soucy no anarany. Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Tsy nahafantatra tsara momba ny Vavolombelon’i Jehovah aho, sady tsy dia liana tamin’ny fivavahan-dry zareo. Hain-dry zareo tsara anefa ny namaly ny fanontanianay, ary nampiasa Baiboly foana ry zareo. Tena nampiaiky ahy sy ny ray aman-dreniko izany, ka nanaiky hianatra Baiboly izahay.

Nianatra tany amin’ny sekoly katolika aho tamin’izany. Mompera ny mpampianatra anay. Niresaka tamin’ny mpiara-mianatra tamiko momba an’izay nianarako tao amin’ny Baiboly aho indraindray. Rehefa fantatry ry mompera anefa izany, dia nisy iray tamin-dry zareo nanendrikendrika ahy teo anatrehan’ny iray kilasy. Nolazainy hoe mpikomy, hono, aho. Tsy nampiasa Baiboly akory izy mba hanaporofoana hoe diso ny zavatra nolazaiko. Tena tsy mora ny niatrika an’ilay izy nefa nahasoa ahy. Tonga saina mantsy aho hoe tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ny zavatra ampianarin-dry zareo momba ny fivavahana. Tsapako tamin’izay hoe tsy tokony hianatra tao intsony aho. Niera tamin’i Dada sy Neny aho dia navelan-dry zareo hifindra fianarana.

INONA NO NANAMPY AHY HO TIA FANOMPOANA?

Nianatra Baiboly foana aho nefa tsy dia nandroso, satria natahotra hitory isan-trano. Tena nila herim-po ny mpitory tamin’izany. Nisy heriny be tamin’ny olona mantsy ny Eglizy Katolika sady tena nanohitra ny asa fitoriana. Tsy vitan’izany fa nanohana ny Eglizy i Maurice Duplessis, praiminisitr’i Québec. Nenjehin’ny vahoaka romotra àry ny Vavolombelon’i Jehovah indraindray, ary nisy aza nanao herisetra tamin-dry zareo. Nanohana an’izany rehetra izany ilay praiminisitra.

Anisan’ny nanampy ahy handresy ny tahotro i John Rae. Nanao Sekolin’i Gileada kilasy fahasivy izy. Tena za-draharaha i John nefa nalemy fanahy sy nimpirimpirina ary mora niresahana. Zara raha nanitsy ahy mivantana izy. Nisy vokany be tamiko anefa ny modely nomeny. Nanompo matetika niaraka taminy aho satria tsy nahay niteny frantsay tsara izy, dia izaho no nanampy azy. Ny fiarahako taminy no nahatonga ahy ho tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah. Natao batisa ihany aho tamin’ny 26 Mey 1951, folo taona taorian’ny nihaonako voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanampy ahy (A) tsy hatahotra hitory isan-trano ny ohatra tsara nomen’i John Rae (B)

Mpisava lalana ny ankamaroan’ny mpitory tao amin’ilay fiangonana kely nisy anay tao amin’ny Tanànan’i Québec. Ohatra tsara ho ahy ry zareo ka lasa nanao mpisava lalana koa aho. Baiboly fotsiny no nampiasainay tamin’izany rehefa nitory isan-trano. Tsy maintsy niezaka hahay hampiasa tsara ny Baiboly izahay, satria tsy nizara boky sy gazety. Niezaka hahay andinin-teny àry aho mba hahafahako hiaro ny fahamarinana. Be dia be anefa ny olona tsy nanaiky na dia hamakiana andinin-teny aza, raha tsy nisy famantarana tao amin’ilay Baiboly hoe neken’ny Eglizy Katolika ilay izy.

Nivady izahay sy Simone Patry tamin’ny 1952. Anabavy tsy nivadika tao amin’ny fiangonanay izy. Nifindra teto Montréal izahay avy eo dia niteraka an’i Lise, herintaona latsaka taorian’izay. Tsy nanao mpisava lalana intsony aho taloha kelin’ny nivadianay. Niezaka hanana fiainana tsotra foana anefa izahay sy Simone, mba hahafahanay mianakavy kely hivory sy hitory miaraka amin’ny fiangonana foana.

Folo taona tatỳ aoriana aho vao nieritreritra ny hampitombo ny fanompoako indray. Nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana ho an’ny anti-panahy aho, tamin’ny 1962. Tao amin’ny Betelan’i Kanada ilay izy no natao ary naharitra iray volana. Izahay sy Camille Ouellette no voatendry hiray trano. Tena tia fanompoana i Camille. Te hanao mpisava lalana, hono, izy. Nahavariana ahy izany satria izy raim-pianakaviana. Tsy fahita firy izany tany Kanada. Vitsy kely mantsy ny rahalahy na anabavy nanao mpisava lalana nefa nanan-janaka. Nampirisika ahy i Camille mba handinika hoe sao dia afaka mampitombo ny fanompoako aho. Volana vitsivitsy taorian’izay dia hitako hoe afaka nanao mpisava lalana maharitra indray aho. Nisy olona nieritreritra hoe tsy nety ny fanapahan-kevitro, nefa tsy niova hevitra intsony aho. Natoky aho fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataoko mba hanompoana bebe kokoa.

LASA MPISAVA LALANA MANOKANA IZAHAY

Voatendry ho mpisava lalana manokana izahay sy Simone, tamin’ny 1964. Nalefa tany amin’ny tanàna niavianay izahay, izany hoe ny Tanànan’i Québec. Marina fa tsy voasakantsakana be hoatran’ny taloha intsony ny fitoriana. Mbola nisy nanohitra ihany anefa.

Nosamborin’ny polisy aho indray asabotsy tolakandro, tany Sainte-Marie, tanàna kely tsy lavitra ny Tanànan’i Québec. Nentiny tany amin’ny biraon-dry zareo aho, ary nogadrainy satria nitory isan-trano nefa tsy nahazo alalana. Nentina tany amin’ny mpitsara atao hoe Baillargeon aho avy eo. Nampahatahotra be ny paoziny. Nanontaniany aho hoe iza no mpisolovava hiaro ahy. Raha vao niteny fotsiny aho hoe Glen How, dia taitra izy sady niteny hoe: “An? Izy ve?” Vavolombelon’i Jehovah i Glen sady nalaza ho tena nahay niaro antsika teny amin’ny fitsarana. Tsy ela taorian’izay dia nilazana aho hoe nofoanana ny fiampangana ahy.

Noho ny fanenjehana, dia lasa sarotra ny nahita toerana hofana mba hivoriana. Garazy efa tranainy be izay no mba hitan’ny fiangonanay. Nangatsiaka be tao rehefa ririnina, dia nampiasa fitaovana fanafanana trano izahay mba hahazoana hafanana. Matetika izahay no nitangorona teo amin’ilay izy nandritra ny ora vitsivitsy talohan’ny fivoriana, dia nifampitantara zavatra nampahery.

Nandroso be ny asa fitoriana rehefa nandeha ny fotoana. Nahafinaritra be ny nahita an’izany! Tsy nisy afa-tsy fiangonana kely vitsivitsy tao amin’ny Tanànan’i Québec sy tany Côte-Nord ary tany amin’ny Saikinosy Gaspé, talohan’ny taona 1970. Efa be dia be anefa izao ny fiangonana any, sady tsara be ny Efitrano Fanjakana ampiasain-dry zareo.

VOATENDRY HO MPIANDRAIKITRA NY FARITRA SY VONDROM-PARITRA

Nanatrika fivoriana ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany tany Toronto, any Kanada, aho tamin’ny 1977

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny 1970, dia lasa mpiandraikitra ny vondrom-paritra tamin’ny 1973. Be dia be ny zavatra nianarako avy tamin’ny rahalahy za-draharaha hoatran-dry Laurier Saumur sy David Splane. * Mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra i Laurier, ary mpiandraikitra ny faritra i David. Isaky ny vita ny fivoriambe, dia nifanoro hevitra izahay sy David hoe ahoana no hanatsaranay ny fomba fampianatray. Hoy izy indray mandeha: “Tsara ilay lahateninao farany teo fa izany hoe... hahavitako lahateny telo ireny hevitra rehetra ireny!” Be loatra ny hevitra nohazavaiko tao amin’ny lahateniko matetika, dia nila nianatra ny tsy ho be resaka aho.

Nanompo tany amin’ny tanàna maromaro tany amin’ny faritra atsinanan’i Kanada aho

Notendrena hampahery mpiandraikitra ny faritra ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Betsaka anefa ny mpitory nahafantatra tsara ahy tany Québec. Matetika ry zareo no te hiara-manompo tamiko rehefa nitsidika ny mpiandraikitra ny faritra aho. Marina fa nahafinaritra ny niara-nanompo tamin-dry zareo. Lasa tsy ampy anefa ny fotoana niarahako tamin’ny mpiandraikitra ny faritra. Nisy mpiandraikitra ny faritra be fitiavana nampahatsiahy ahy indray mandeha hoe: “Tsara aloha ilay ianao miaraka amin’ny mpiara-manompo e! Fa izaho anefa no tokony hotsidihinao amin’ity herinandro ity. Izaho koa mba mila fampaherezana!” Nanampy ahy mba hahay handanjalanja kokoa ny torohevitr’io rahalahy tsara fanahy io.

Nisy zavatra nampalahelo be sady tsy nampoiziko tamin’ny 1976. Narary mafy ilay vady malalako dia maty. Tena namana nahafinaritra izy satria nahafoy tena sady tena tia an’i Jehovah. Niezaka ho be atao tamin’ny fanompoana aho, dia nanampy ahy hizaka ny alaheloko izany. Misaotra an’i Jehovah aho fa nanohana ahy sy naneho fitiavana ahy izy nandritra an’ireny fotoan-tsarotra ireny. Nanambady an’i Carolyn Elliott, mpisava lalana miteny anglisy, aho tatỳ aoriana. Tena nazoto nanompo izy ary tonga hanitatra teto Québec. Mora iresahana izy sady tena miahy izay hahasoa ny hafa, indrindra fa ny olona saro-kenatra sy manirery. Nanampy be ahy izy rehefa niara-nanao ny asan’ny faritra sy vondrom-paritra izahay.

TAONA NIAVAKA

Tamin’ny Janoary 1978 no nisy Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana voalohany teto Québec, ary nasaina hampianatra tamin’izy io aho. Nitaintaina aho satria samy mbola tsy nahita an’ilay bokin’ny mpisava lalana na izaho na ny mpianatra. Soa ihany fa nisy mpisava lalana be dia be efa za-draharaha tao amin’ilay kilasy voalohany. Na izaho aza no nampianatra, dia betsaka ny zavatra nianarako avy tamin’ny mpianatra.

Nisy an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Finoana Mandresy” tatỳ aoriana, tamin’io taona io. Tao amin’ny Kianja Olympikan’i Montréal ilay izy no natao. Sambany no nisy fivoriambe lehibe hoatr’izany teto Québec. Nisy 80 000 mahery ny mpanatrika. Nasaina nanampy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Filazam-baovao aho nandritra ny fivoriambe, dia tafaresaka tamin’ny mpanao gazety maro. Tena faly aho hoe betsaka ny tatitra tsara nataon-dry zareo momba antsika. Namoaka lahatsoratra an-gazety be dia be ry zareo. Nadinadinin-dry zareo koa isika, dia nalefany tamin’ny tele sy radio izany, ary adiny 20 mahery no fitambarany. Lasa betsaka ny olona nahafantatra an’i Jehovah sy ny vahoakany.

NIFINDRA FARITANY

Nisy fiovana be tamin’ny 1996. Voatendry hiandraikitra ny vondrom-paritra miteny anglisy tao amin’ny faritr’i Toronto aho. Teny frantsay foana anefa no nampiasaiko hatramin’izay, satria tany Québec aho no nanompo taorian’ny batisako. Natahotra aho hoe tsy ho vitako tsara ilay andraikitra. Izaho koa moa tsy nahay teny anglisy tsara. Na ny nieritreritra fotsiny aza hoe hanao lahateny amin’ny teny anglisy dia efa nampivarahontsana ahy! Tena nila nivavaka matetika kokoa aho sady niantehitra kokoa tamin’i Jehovah.

Roa taona aho no niandraikitra an’ilay vondrom-paritra tao Toronto. Nahafinaritra be ilay izy na dia nitebiteby aza aho tamin’ny voalohany. Nanampy ahy mba hahay hiteny anglisy kokoa i Carolyn ary tena nanam-paharetana izy. Nanohana ahy koa ny mpiara-manompo sady nampahery ahy. Vetivety izahay dia nahazo namana be dia be.

Betsaka ny zavatra nila nataoko mba hanomanana ny fivoriambe. Na izany aza dia matetika aho no nandeha nitory isan-trano nandritra ny adiny iray teo ho eo ny zoma hariva. Nisy nieritreritra angamba hoe: ‘Fa maninona no mbola manompo ihany nefa ho be atao be amin’ny faran’ny herinandro?’ Namelombelona ahy anefa ny niresaka tamin’ny olona liana teny amin’ny fanompoana. Mbola falifaly foana aho rehefa avy manompo, na amin’izao aza.

Voatendry ho mpisava lalana manokana teto Montréal izahay sy Carolyn tamin’ny 1998. Nasaina handamina ny fitoriana manokana natao teny amin’ny toerana be olona koa aho, nandritra ny taona maromaro. Tsy izay ihany fa notendrena hanitsy ny hevi-diso nananan’ny olona momba antsika aho nandritra an’izany fotoana izany, ka niara-niasa tamin’ny fampitam-baovao. Mitory amin’ny vahiny vao tonga eto Kanada izahay mivady amin’izao, ary tianay be izany. Liana amin’ny Baiboly ry zareo matetika.

Izahay sy Carolyn

Efa 68 taona aho izay no vita batisa, ary mahatsiaro ho sambatra be aho rehefa mieritreritra ny fanompoako an’i Jehovah hatramin’izay. Nianatra ny ho tia mitory aho ary nanampy olona be dia be hahalala ny fahamarinana, dia tiako be izany. Faly koa aho fa mazoto manompo foana i Lise zanako. Lasa nanao mpisava lalana maharitra izy sy ny vadiny, rehefa lehibe ny zanak’izy ireo. Tsy haiko ny tsy hisaotra an’ireo mpiara-manompo nanome ohatra tsara sy nanoro hevitra ahy. Nahatonga ahy hinamana kokoa amin’i Jehovah izany, sady nanampy ahy hahavita fanompoana isan-karazany. Hitako hoe rehefa miantehitra amin’ny fanahy maherin’i Jehovah ihany isika vao hahavita hanao foana an’izay asain’ny fandaminana atao. (Sal. 51:11) Misaotra an’i Jehovah foana aho satria avelany hidera ny anarany, ary tombontsoa be izany.—Sal. 54:6.

^ feh. 20 Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah i David Splane.