LAHATSORATRA FIANARANA 51
Miadan-tsaina na dia Miatrika ny Mafy Aza
‘Aza avela hitebiteby na hatahotra ny fonareo.’—JAONA 14:27.
HIRA 112 Jehovah, Andriamanitry ny Fiadanana
HO HITANAO ATO a
1. Inona ilay “fiadanan’Andriamanitra”, ary inona ny soa raisintsika rehefa manana azy io isika? (Filipianina 4:6, 7)
MISY karazana fiadanana tsy fantatr’izao tontolo izao mihitsy. Inona izany? “Ny fiadanan’Andriamanitra”, izany hoe ny fahatoniana tsapa rehefa mifandray akaiky amin’ilay Raintsika any an-danitra. Tsy mitebiteby isika rehefa manana azy io. (Vakio ny Filipianina 4:6, 7.) Minamana be amin’ny olon-kafa tia azy koa isika sady mifandray akaiky amin’ilay “Andriamanitry ny fiadanana.” (1 Tes. 5:23) Rehefa mahalala sy matoky ary mankatò an’ilay Raintsika isika, dia mampitony ny fontsika ny fiadanan’Andriamanitra rehefa ao anatin’ny mafy isika.
2. Nahoana isika no matoky fa afaka mahazo ny fiadanan’Andriamanitra?
2 Tena afaka mahazo ny fiadanan’Andriamanitra ve isika rehefa ao anatin’ny mafy, ohatra hoe rehefa misy valanaretina, loza, ady, na fanenjehana? Samy mety hampivarahontsana ireo. Nanoro hevitra ny mpanara-dia azy anefa i Jesosy hoe: ‘Aza avela hitebiteby na hatahotra ny fonareo.’ (Jaona 14:27) Soa ihany ny rahalahy sy anabavy fa manaraka an’io torohevitra io. Ampian’i Jehovah ry zareo, dia mahavita miadan-tsaina na dia miatrika fitsapana mafy aza.
MIADAN-TSAINA NA DIA MISY VALANARETINA AZA
3. Nahoana no mety hahatonga antsika tsy hiadan-tsaina intsony ny valanaretina?
3 Mety hitsimbadika tampoka ny fiainana iray manontolo rehefa misy valanaretina. Eritrereto ny vokatr’ilay COVID-19 tamin’ny olona maro. Resahin’ny tatitra iray fa ny antsasany mahery tamin’ny olona nohadinadinina no tsy nahita tory tsara nandritra an’ilay valanaretina. Vokatr’izy iny, dia lasa nitombo be ny olona niady saina, kivy be, niboboka toaka, nidoroka zava-mahadomelina, nikasi-tanana ny fianakaviany, ary nitady hamono tena. Inona àry no hanampy anao tsy hiady saina loatra fa hanana an’ilay fiadanan’Andriamanitra, raha misy valanaretina any aminareo?
4. Nahoana no manampy antsika hiadan-tsaina ny mahalala ny faminanian’i Jesosy momba ny andro farany?
4 Nilaza i Jesosy fa hisy areti-mandringana “any amin’ny toerana samihafa” mandritra ny andro farany. (Lioka 21:11) Nahoana no miadan-tsaina isika rehefa mahalala an’izany? Satria efa ampoizintsika ny valanaretina. Fantatsika hoe araka ny nolazain’i Jesosy ny zava-mitranga. Hanaraka ny torohevitra nomeny ho an’ny olona miaina mandritra ny andro farany àry isika. Hoy izy: “Aza matahotra.”—Mat. 24:6.
5. a) Inona no tokony hangatahintsika amin’ny vavaka rehefa misy valanaretina, araka ny Filipianina 4:8, 9? b) Nahoana no mahasoa anao ny mihaino famakiana Baiboly noraisim-peo?
5 Mety tsy ho hitantsika izay hatao rehefa misy valanaretina, ary mety hatahotra mihitsy aza isika. Izany no nanjo ny Ranabavy Diana. b Matin’ny COVID-19 daholo na ny dadafarany, na ny zanaky ny dadatoany, na ny dokoterany. Natahotra àry izy sao ho tratran’ilay virosy, dia hamindra amin’ilay mamany efa be taona. Niady saina koa izy sao ho very asa, ka ho sahirana vao hahita sakafo sy hofan-trano. Lasa nanahy be izy dia tsy nahita tory. Nahavita niadan-tsaina ihany anefa i Diana. Ahoana no nataony? Nivavaka izy, dia nofaritany tsara hoe tiany raha ampian’i Jehovah ho tony sy hieritreritra zavatra tsara izy. (Vakio ny Filipianina 4:8, 9.) Nihaino an’i Jehovah “niresaka” taminy tamin’ny alalan’ny famakiana Baiboly noraisim-peo koa izy. Izao no nolazainy: “Malefaka be ny feon’ilay mpamaky, dia nampitony ahy izany sady nampahatsiahy ahy hoe mikarakara ahy i Jehovah.”—Sal. 94:19.
6. Nahoana no hanampy anao ny fianarana samirery sy ny fivoriana?
6 Azo inoana hoe hiova ny fahazaranao sasany vokatr’ilay valanaretina. Aza avela hanembantsembana ny fianaranao samirery sy ny fivoriana anefa izany. Hampahatsiahy anao ny boky sy gazety ary video fa tsy mivadika ny rahalahy sy anabavy, na dia miatrika olana mitovitovy amin’ny anao aza. (1 Pet. 5:9) Ny fivoriana indray hanampy anao hieritreritra zavatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly. Rehefa any koa ianao, dia ho afaka hampahery ny mpiara-manompo sady hahazo fampaherezana avy amin-dry zareo. (Rom. 1:11, 12) Inona no ho vokany raha misaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah ny mpanompony ianao tamin-dry zareo narary, natahotra, na nanirery? Hihamatanjaka ny finoanao ary hatoky ianao hoe hanohana anao koa izy.
7. Inona no ianaranao avy amin’ny apostoly Jaona?
7 Miezaha hifandray amin’ny rahalahy sy anabavinao. Tsy maintsy manaja elanelana angamba isika rehefa misy valanaretina, na dia rehefa miaraka amin’ny mpiara-manompo aza. Mety hahatsapa hoatran’ny apostoly Jaona ianao amin’izay. Mpinamana izy sy Gaio, dia te hahita mivantana azy izy. (3 Jaona 13, 14) Niaiky anefa i Jaona hoe mbola tsy afaka ny hihaona ry zareo. Nanao izay azony natao àry izy, dia naleony nanoratra ho an’i Gaio. Raha tsy afaka mitsidika mivantana ny mpiara-manompo koa ianao, dia miezaha hiantso an-dry zareo an-telefaonina, na hanao vidéoconférence miaraka aminy, na handefa SMS ho azy. Ho tony sy hiadan-tsaina kokoa ianao raha mifandray amin’ny rahalahy sy anabavy. Miresaha amin’ny anti-panahy raha miady saina be ianao, ary raiso tsara ny fampaherezana feno fitiavana omeny.—Isaia 32:1, 2.
MIADAN-TSAINA NA DIA MISY LOZA AZA
8. Nahoana no mety hahatonga anao tsy hiadan-tsaina intsony ny loza?
8 Efa nisy tondra-drano ve tany aminareo, na horohoron-tany, na afo nandravarava? Lasa niady saina be angamba ianao, na dia efa elaela atỳ aoriana aza. Mety halahelo be sy ho very fanantenana ary ho tezitra mihitsy ianao, raha nisy havanao maty na potika ny fanananao. Midika ve izany hoe miraiki-po be loatra amin’ny fanananao ianao na tsy ampy finoana? Tsy izany! Avy niatrika ny mafy ianao, ka mety ho efa ampoizin’ny olona sasany hoe hanana an’ireo fihetseham-po ireo. (Joba 1:11) Afaka ny hiadan-tsaina anefa ianao, na izany aza. Nahoana?
9. Ahoana no nampiomanan’i Jesosy antsika amin’ny loza?
9 Tadidio ilay faminanian’i Jesosy. Ny olona sasany eto amin’izao tontolo izao mieritreritra hoe tsy hisy loza hanjo azy mihitsy. Isika kosa mahafantatra fa hihabetsaka ny loza, ary mety hiharan’ny sasany amin’izany isika. Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe hisy “horohoron-tany lehibe” sy loza hafa alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Lioka 21:11) Naminany koa izy fa “hihabetsaka ny mpandika lalàna” ary manaporofo an’izany ny fitomboan’ny heloka bevava sy ny herisetra ary ny fampihorohoroana. (Mat. 24:12) Tsy nilaza mihitsy i Jesosy hoe izay nafoin’i Jehovah ihany no iharan’ireny loza ireny. Raha ny marina aza, dia betsaka ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika tratran’izany. (Isaia 57:1; 2 Kor. 11:25) Mety tsy hanao fahagagana i Jehovah mba hiarovana antsika amin’ny loza rehetra, nefa hanome an’izay rehetra ilaintsika izy mba hahatonga antsika ho tony sy hiadan-tsaina.
10. Nahoana isika no mampiseho hoe manam-pinoana raha miomana dieny izao mba hiatrika loza? (Ohabolana 22:3)
10 Mety ho tonga tampoka ny loza. Ho mora kokoa amintsika anefa ny ho tony foana, raha miomana mialoha isika. Midika ve izany hoe tsy ampy finoana isika? Tsy izany! Izany aza, raha ny marina, no ampisehoantsika hoe tena mino isika fa mahavita mikarakara antsika i Jehovah. Mampirisika antsika mantsy ny Teniny mba hiomana amin’ny loza mety hitranga. (Vakio ny Ohabolana 22:3.) Efa imbetsaka koa ny fandaminan’Andriamanitra no mampirisika antsika mba hiomana raha sanatria misy loza tampoka. Manao an’izany izy io amin’ny alalan’ny lahatsoratra ao amin’ny gazety sy ny fivoriana ary ny fampandrenesana. c Matoky an’i Jehovah ve isika? Raha izany, dia hanaraka ny toroheviny isika izao, dieny mbola tsy misy loza mitranga.
11. Inona no ianaranao avy amin’i Margaret?
11 Eritrereto izay nitranga tamin’ny Ranabavy Margaret. Nisy afo nandravarava tany amin-dry zareo, dia nasaina niala ny tranony izy. Niara-nirohotra nitsoaka anefa ny olona, dia nihitsoka ny fifamoivoizana. Feno setroka mainty be tamin’izay. Nisy fotoana koa i Margaret tsy afaka nivoaka tao amin’ny aotomobiliny. Afa-doza ihany anefa izy satria niomana. Nisy sarintany notehiriziny tao anaty poketrany, dia iny no nojereny mba hahitany lalan-kafa hivoahana an’ilay faritra. Efa nanandrana nitondra fiara tamin’ilay lalana mihitsy aza izy taloha, amin’izay mora kokoa aminy ny hahita hoe aiza no haleha rehefa misy loza tampoka. Soa ihany i Margaret fa niomana, dia tafavoaka soa aman-tsara!
12. Maninona isika no manaraka toromarika fiarovana ny aina?
12 Mety hanome toromarika ny manam-pahefana indraindray, mba hiarovana antsika sy hisian’ny filaminana. Mety tsy havelany hivezivezy, ohatra, isika amin’ny alina, na hasainy miala amin’ny tanàna, na hasainy manaraka toromarika hafa. Tsy mankatò an’ireny ny olona sasany na mangataka andro, satria tsy foin-dry zareo ny fananany. Ahoana anefa no hataon’ny Kristianina? Hoy ny Baiboly: “Noho ny amin’ny Tompo, dia ekeo izay fahefana rehetra najoron’olombelona: Na mpanjaka izany, satria ambony izy, na governora, satria nirahin’ny mpanjaka ... ireny.” (1 Pet. 2:13, 14) Manome toromarika koa ny fandaminan’Andriamanitra mba hiarovana ny aintsika. Ampahatsiahivina matetika, ohatra, isika mba hanome ny nomeraon-telefaonintsika sy ny adiresintsika amin’ny anti-panahy, amin’izay ry zareo afaka mifandray amintsika raha misy loza tampoka. Efa nanao an’izany ve ianao? Mety hanome toromarika koa ry zareo hoe aleo mijanona ao an-trano, na mandositra, na hoe ahoana no fomba hahazoana fanampiana, na ahoana no hanampiana ny hafa ary rahoviana no hanao an’izany. Raha tsy mankatò isika, dia mety hampidi-doza ny aintsika sy ny ain’ny anti-panahy izany. Tadidio fa miahy antsika ireny lehilahy tsy mivadika ireny. (Heb. 13:17) Izao no nolazain’i Margaret: “Resy lahatra aho hoe soa ihany fa nanaraka ny toromariky ny anti-panahy sy ny fandaminana, fa izay no namonjy ny aiko!”
13. Inona no nataon’ny Kristianina maro tsy maintsy nifindra toerana mba ho faly sy hiadan-tsaina izy ireo?
13 Maro ny rahalahy sy anabavy tsy maintsy nifindra toerana noho ny loza, na ady, na korontana. Manao izay tsara indrindra vitany ry zareo mba ho zatra an’ilay fiainany vaovao sy tonga dia hampitombo ny fanompoany. Manahaka ny Kristianina voalohany ry zareo. Niparitaka tany amin’ny toerana samihafa ireo Kristianina ireo noho ny fanenjehana, nefa mbola “nitory ny vaovao tsaran’ny tenin’Andriamanitra” foana. (Asa. 8:4) Manampy an’ireny rahalahy sy anabavy ireny ny fitoriana mba hifantoka amin’ilay Fanjakana, fa tsy amin’ny olana. Lasa faly sy miadan-tsaina àry ry zareo!
MIADAN-TSAINA NA DIA ENJEHINA AZA
14. Nahoana no mety hahatonga antsika tsy hiadan-tsaina intsony ny fanenjehana?
14 Rehefa misy fanenjehana, dia mety ho betsaka amin’ny zavatra manampy antsika ho tony no tsy azontsika atao intsony. Faly sy afa-po isika raha tsy voasakantsakana rehefa mivory sy mitory ary manao ny zavatra fanaontsika andavanandro. Tsy matahotra mantsy isika hoe sao dia ho voasambotra. Mety hiady saina àry isika raha tsy afaka manao an’ireo intsony sady hitaintaina hoe inona indray no hitranga. Ara-dalàna izany. Tsy maintsy mitandrina anefa isika. Nilaza mantsy i Jesosy hoe mety hahatonga ny finoan’ny mpianany ho levona ny fanenjehana. (Jaona 16:1, 2) Inona àry no azontsika atao mba hiadan-tsaina foana na dia enjehina aza?
15. Maninona isika no tsy tokony hatahotra fanenjehana? (Jaona 15:20; 16:33)
15 Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Henjehina ihany koa izay rehetra te hampiseho eo amin’ny fiainany hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Tim. 3:12) Sarotsarotra tamin’ny Rahalahy Andrei ny nanaiky an’izany, rehefa voarara ny asantsika tany amin’ny fireneny. Hoy izy: “Be dia be ange ny Vavolombelon’i Jehovah eto e! Ahoana moa no hahavitan’ny fanjakana hanagadra anay rehetra?” Tsy nampilamin-tsaina azy anefa ny nieritreritra an’izany, fa vao mainka aza izy niady saina foana. Ny rahalahy hafa kosa nametraka an’ilay izy tamin’i Jehovah, fa tsy niezaka nandresy lahatra ny tenany hoe tsy ho voasambotra. Niaiky ry zareo hoe mety ho voasambotra, nefa tsy niady saina be hoatran’i Andrei. Nanapa-kevitra àry i Andrei hoe aleo manahaka ny toe-tsain-dry zareo, dia miantehitra tanteraka amin’Andriamanitra. Tsy ela izy dia nahatsapa hoe miadan-tsaina ary faly izy izao na dia misy olana aza. Hoatr’izany koa isika. Marina fa nilaza i Jesosy hoe tokony ho efa ampoizintsika ny fanenjehana. Nanome toky koa anefa izy hoe afaka ny hahavita tsy hivadika isika.—Vakio ny Jaona 15:20; 16:33.
16. Inona ny toromarika mila ankatoavintsika rehefa misy fanenjehana?
16 Mahazo toromarika avy amin’ny biraon’ny sampana sy ny anti-panahy isika, rehefa voarara ny asantsika na voasakantsakana be. Natao hiarovana antsika ireny, amin’izay isika mahazo sakafo ara-panahy foana sady hanohy hitory foana araka izay azo atao. Ataovy àry izay tsara indrindra vitanao mba hankatoavana an’izay toromarika voarainareo, na dia tsy azonao tsara aza indraindray ny antony nanomezana an’ilay izy. (Jak. 3:17) Tandremo koa sao mamoaka fanazavana momba ny mpiara-manompo na momba ny zavatra ataon’ny fiangonana, amin’ny olona tsy tokony hahafantatra an’izany.—Mpito. 3:7.
17. Tapa-kevitra ny hanao inona isika, hoatran’ny apostoly?
17 “Nasaina nitory momba an’i Jesosy” ny vahoakan’Andriamanitra. Izany no anisan’ny antony lehibe indrindra mahatonga an’i Satana hiady amin-dry zareo. (Apok. 12:17) Aza avela hampahatahotra anao anefa i Satana sy ny tontolony! Mahatonga antsika ho faly sy hiadan-tsaina mantsy ny asa fitoriana sy fampianarana, na dia enjehina aza isika. Inona no nataon’ny apostoly rehefa noraran’ny manam-pahefana jiosy izy ireo mba tsy hitory intsony? Naleon’ireo lehilahy manam-pinoana ireo nankatò an’Andriamanitra. Nitory foana ry zareo dia lasa faly. (Asa. 5:27-29, 41, 42) Mazava ho azy hoe rehefa voarara ny asantsika, dia tsy maintsy mitandrina kokoa isika rehefa mitory. (Mat. 10:16) Raha manao izay tsara indrindra vitantsika anefa isika, dia hiadan-tsaina satria mampifaly an’i Jehovah sady mampita hafatra mamonjy aina.
‘HITAHY ANAO ILAY ANDRIAMANITRY NY FIADANANA!’
18. Avy aiza ilay fiadanana ilaintsika?
18 Matokia fa na dia ao anatin’ny mangidy indrindra aza, dia mbola afaka ny hiadan-tsaina isika. Tsy maintsy tadidintsika amin’ireny fotoana ireny hoe ilay fiadanan’Andriamanitra no fiadanana ilaintsika, izany hoe ilay fiadanana tsy vitan’iza na iza ny manome azy afa-tsy i Jehovah. Miantehera aminy àry rehefa misy valanaretina, na loza, na fanenjehana. Aza misaraka amin’ny fandaminany mihitsy. Saintsaino ilay hoavy tsara be miandry anao. ‘Hitahy anao ilay Andriamanitry ny fiadanana’ amin’izay. (Fil. 4:9) Hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay azontsika atao mba hanampiana ny mpiara-manompo hahazo ny fiadanan’Andriamanitra, rehefa miatrika olana izy.
HIRA 38 Izy no Hampahery Anao
a Mampanantena i Jehovah hoe hanome fiadanana ho an’izay tia azy. Inona io fiadanana omen’Andriamanitra io, ary ahoana no ahazoantsika azy io? Nahoana ny “fiadanan’Andriamanitra” no manampy antsika rehefa misy valanaretina, na loza, na fanenjehana? Hamaly an’ireo ity lahatsoratra ity.
b Novana ny anarana sasany.
c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Azo Atao mba ho Voaro Amin’ny Loza?”, ao amin’ny Mifohaza! No. 5 2017.