Ny Mety sy ny Tsy Mety: Inona no Mitari-dalana ny Olona Maro?
Efa ho ny rehetra no miaiky hoe misy zavatra tonga dia miharihary hoe mety na tsy mety. Melohina na aiza na aiza, ohatra, ny hoe mamono olona sy manolana ary mametaveta ankizy. Deraina kosa izay manao ny rariny sy tsara fanahy ary mangoraka. Misy zavatra indray anefa eritreretin’ny maro hoe samy afaka manao izay tiany, na hatramin’ny resaka firaisana sy fanaovana ny marina ary fitaizan-janaka aza. Mieritreritra ry zareo hoe tsy mampaninona izay safidy atao amin’ny ankapobeny. Matetika no miankina amin’izay tsapany ny fanapahan-kevitra raisin’ny olona na izay tsapan’ny manodidina azy momba an’ilay izy. Mety foana ve izany?
IZAY TSAPANTSIKA
Izay tsapantsika na izay heverintsika hoe mety sy tsy mety no mitari-dalana antsika matetika. Izay ilay antsoina hoe feon’ny fieritreretana. (Romanina 2:14, 15) Na mbola kely aza ny ankizy, dia efa mahay manavaka ny atao hoe rariny sy tsy rariny, ary mety hanamelo-tena mihitsy. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mamolavola ny feon’ny fieritreretantsika izay ianarantsika avy amin’ny fianakaviantsika, namantsika, mpampianatra antsika, manodidina antsika, kolontsaintsika, ary izay ampianarin’ny fivavahantsika. Milaza amintsika ny feon’ny fieritreretantsika rehefa mandray fanapahan-kevitra isika hoe mety ve ny safidintsika sa tsia, arakaraka izay nampianarina antsika.
Rehefa haintsika ny atao hoe mety sy tsy mety, dia mandrisika antsika izany mba hiara-miory, hahay hankasitraka, hanao ny rariny, ary hangoraka. Misakana antsika koa izany mba tsy hanao zavatra handratra ny fon’ny olona tiantsika, na hahatonga antsika ho afa-baraka, ho menatra, ary hanamelo-tena.
Azo ianteherana foana ve izay tsapantsika? Eritrereto i Garrick. Afaka nanao izay tiany, hono, izy tamin’izy tanora. Hitany anefa hoe tsy tsara ny vokany rehefa nanao izay nety taminy fotsiny izy. Tsy nisy maminy intsony ny fiainany tatỳ aoriana. Hoy izy: “Lasa ratsy fitondran-tena aho, nifoka rongony, mamo lava, dia nahery setra be.”
IZAY TSAPAN’NY OLONA
Ankoatra an’izay tsapantsika, dia matetika no mitari-dalana antsika koa ny ho fahitan’ny olona ny fanapahan-kevitsika. Afaka mandray soa avy amin’ny traikefan-dry zareo sy ny fahendreny isika amin’izay. Lasa hajain’ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ny fiaraha-monina koa isika, rehefa manao an’izay heverin-dry zareo hoe mety.
Azo ianteherana foana ve izay tsapan’ny olona? Nanaraka ny fanaon’ny namany fotsiny i Priscila tamin’izy tanora, dia tsy nampaninona azy ny nanao firaisana na dia mbola tsy nanambady aza. Hitany anefa fa tsy nahasambatra ilay nanao an’izay noheverin’ny olona fa mety. Hoy izy: “Tsy nahasoa ahy ilay nanao ny fanaon’ny olona, fa nahatonga ahy hanaonao foana sy ho sahisahy ratsy.”
MISY FOMBA TSARA KOKOA VE?
Tena zava-dehibe izay tsapantsika sy izay tsapan’ny olona rehefa manapa-kevitra momba an’izay mety sy tsy mety isika. Tsy voatery ho ampy anefa ireo raha te handray soa isika. Mety tsy hahita afa-tsy izay eo ambany maso mantsy isika, dia tsy ho tsikaritsika akory hoe mety hampidi-doza antsika na ny hafa ny safidintsika. (Ohabolana 14:12) Tsy azo antoka koa hoe tena mahasoa antsika izay heverintsika na heverin’ny manodidina antsika hoe mety, ka hoe tsy mila ovana intsony. Misy fitondran-tena noeritreretina hoe tsy mety, ohatra, taloha nefa eken’ny maro ilay izy amin’izao, na ny mifanohitra amin’izay.
Misy tari-dalana tsara kokoa hanampy antsika hanapa-kevitra ny amin’izay mety sy tsy mety ve? Misy fitsipika momba ny fitondran-tena ve azontsika arahina dieny izao, ka hoe tsy hanenenantsika any aoriana any?
Soa ihany fa misy tari-dalana momba ny fitondran-tena azo ianteherana sy tsy miovaova mihitsy, sady mahasoa ny olona rehetra na aiza na aiza. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe aiza no ahitantsika ny tari-dalana azo ianteherana indrindra mba hamantarana an’izay mety sy tsy mety.