Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Milford Sound

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Nouvelle-Zélande

Fitsidihana An’i Nouvelle-Zélande

EFA 800 taona teo ho eo izay ny foko maori no tonga tany Nouvelle-Zélande. Avy any amin’ny nosin’i Polinezia izy ireo no namakivaky ranomasimbe an’arivony kilaometatra. Tany mafana no nialan’izy ireo, fa toerana be vongan-dranomandry sy tendrombohitra kosa no novantaniny. Ahitana lanezy sy loharano mafana koa any. Nisy mpifindra monina avy any Eoropa indray tonga tany, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Manaraka ny fomba amam-panaon’ny Anglisy sy ny Polinezianina izao ny ankamaroan’ny mponina any Nouvelle-Zélande. Efa ho ny 90 isan-jaton’izy ireo no mipetraka an-tanàn-dehibe. Miavaka ny tanànan’i Wellington, satria io no renivohitra atsimo indrindra eto an-tany.

Fotaka mangotraka any amin’ny Nosy Avaratra

Betsaka ny toerana kanto any Nouvelle-Zélande. Tsy mahagaga raha mahatratra telo tapitrisa isan-taona ny mpizaha tany tonga any, na dia mitokana aza ilay firenena.

Mahatratra folo metatra mahery ny ampanga mivolombolafotsy

Noheverina ho lany tamingana ny vorona tsy manidina atao hoe takahé, talohan’ny 1948

Ahitana biby isan-karazany tsy dia fahita koa any Nouvelle-Zélande. Any no misy karazam-borona tsy manidina betsaka indrindra eran-tany. Any koa no misy an’ilay biby atao hoe hattéria, izay mitovitovy amin’ny androngo. Mahatratra 100 taona ny androm-piainan’izy io! Karazana ramanavy vitsivitsy sy biby an-dranomasina goavam-be toy ny trozona sy ny feso, no hany biby mampinono efa nisy tany hatramin’izay.

Efa ho 120 taona no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Nouvelle-Zélande. Mampianatra Baiboly amin’ny fiteny 19 izy ireo, fara fahakeliny, anisan’izany ny teny niue, rarotonga, samoanina, tongan, izay samy teny polinezianina.

Olona avy amin’ny foko maori manao akanjo nentim-paharazana ary manao dihy mirindra