Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO TENA MAHASAMBATRA?

Te ho Sambatra ny Olona

Te ho Sambatra ny Olona

SAMBATRA VE IANAO? Raha eny, inona no mahasambatra anao? Ny fianakavianao ve? Sa ny asanao? Sa ny fivavahanao? Sa mieritreritra ianao hoe mety ho sambatra rehefa mahavita fianarana, na mahazo asa tsara, na mahazo fiara vaovao?

Olona maro no mahatsiaro ho sambatra rehefa tratrany ny tanjony na azony izay niriny. Tsy maharitra ela anefa izany matetika, ka diso fanantenana izy ireo.

Lazaina hoe sambatra ny olona raha finaritra, nefa tsy hoe finaritra vetivety fotsiny fa maharitra. Tsy hoe mahatsiaro ho afa-po fotsiny koa izy, fa tena faly mihitsy mahatsapa hoe mamy ny miaina, ary tiany raha mitohy foana izany.

Tsy izay ananan’ny olona iray anefa no mahasambatra azy, fa izay fomba itondrany ny fiainany. Tokony ho fihetseham-po maharitra mantsy ny fahasambarana. Hoatran’ny hoe mbola amin’ny hoavy àry ianao vao te ho sambatra, rehefa miteny hoe: “Ho sambatra aho raha...”

Azo oharina amin’ny fahasalamana ny fahasambarana. Ho salama isika raha mitandrina tsara ny sakafo hanintsika sy ny fomba fiainantsika, ary manao fanatanjahan-tena. Mila manaraka toro lalana mahasoa koa ny olona iray vao ho sambatra.

Inona izany toro lalana izany? Misy vitsivitsy ireo ambany ireo. Tena ilaina daholo izy ireo, na dia zava-dehibe kokoa noho ny hafa aza ny sasany.

  • MAHAY MIANINA SY MALALA-TANANA

  • SALAMA SY MATANJA-TSAINA

  • BE FITIAVANA

  • MAMELA HELOKA

  • MAHALALA NY ANTONY MAMPISY ANTSIKA

  • MANANA FANANTENANA

Hoy ny bokim-pahendrena iray: “Sambatra izay mandeha tsy misy tsiny.” (Salamo 119:1) Andeha hodinihintsika ny dikan’izany.