LAHATSORATRA FIANARANA 19
HIRA 6 Ny Lanitra Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra
Tahafo Ireo Anjely Tsy Mivadika
“Derao i Jehovah, ry anjeliny rehetra.”—SAL. 103:20.
HEVITRA HODINIHINA
Izay azontsika ianarana avy amin’ireo anjely tsy mivadika.
1-2. a) Inona no tsy mampitovy antsika amin’ny anjely? b) Inona no itovizantsika amin’ny anjely?
NANASA anao ho anisan’ny fianakaviana iray be fitiavana i Jehovah rehefa nitaona anao ho ao amin’ny fahamarinana. Rahalahy sy anabavy isan-karazany no ao amin’io fianakaviana io, ary anisan’izy io koa ny anjely an-tapitrisany tsy mivadika. (Dan. 7:9, 10) Rehefa mieritreritra momba ny anjely isika dia matetika no mahita hoe tsy mitovy amintsika ry zareo. Efa nisy ela be talohantsika, ohatra, ny anjely. (Joba 38:4, 7) Matanjaka kokoa noho isika koa ry zareo. Ankoatra izay, dia masina sy marina kokoa noho isika ny anjely, ka tsy ho vitantsika olombelona tsy lavorary mihitsy ny hitovy amin-dry zareo.—Lioka 9:26.
2 Na eo aza anefa izany, dia betsaka ny zavatra itovizantsika amin’ny anjely. Afaka manahaka ny toetran’i Jehovah, ohatra, isika. Manana safidy malalaka koa isika. Samy manana ny anarany sy ny maha izy azy ary ny andraikiny isika, hoatran’ny anjely ihany. Ankoatra izay, dia mila manompo an’ilay Mpamorona koa isika, hoatran-dry zareo.—1 Pet. 1:12.
3. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo anjely tsy mivadika?
3 Satria betsaka no itovizantsika amin’ny anjely, dia afaka mampahery antsika ny modelin-dry zareo sady azontsika tahafina. Be dia be mihitsy ny zavatra tsara azontsika ianarana avy amin-dry zareo. Manetry tena ny anjely tsy mivadika, tia olona, miaritra, ary manampy ny fiangonana mba hadio foana. Hodinihintsika ato hoe ahoana no anahafantsika an-dry zareo amin’ireo lafiny ireo.
MANETRY TENA
4. a) Ahoana no ampisehoan’ny anjely hoe manetry tena ry zareo? b) Nahoana no manetry tena ny anjely? (Salamo 89:7)
4 Manetry tena ny anjely tsy mivadika. Marina hoe ampy traikefa sy mahery ary manam-pahendrena ry zareo, nefa mankatò ny toromarik’i Jehovah. (Sal. 103:20) Tsy mirehareha amin’ny zava-bitany koa ry zareo rehefa manao ny andraikiny, na mampideradera ny heriny miavaka. Faly manao ny sitrapon’Andriamanitra ry zareo na dia tsy nampahafantarina aza ny anarany. a (Gen. 32:24, 29; 2 Mpanj. 19:35) Tsy manaiky omena voninahitra ry zareo satria i Jehovah no mendrika an’izany. Nahoana ny anjely no manetry tena be hoatr’izany? Satria tia sy manaja lalina an’i Jehovah ry zareo.—Vakio ny Salamo 89:7.
5. Ahoana no nampisehoan’ny anjely iray hoe nanetry tena izy tamin’izy nanitsy ny apostoly Jaona? (Jereo koa ny sary.)
5 Diniho ny zava-nitranga iray mampiseho hoe manetry tena ny anjely. Nisy anjely iray tsy nitonona anarana niseho tamin’ny apostoly Jaona, tamin’ny taona 96 tany ho any. Nisy fahitana nasehony an’i Jaona tamin’izay. (Apok. 1:1) Ahoana no nataon’ilay apostoly rehefa nahazo an’ilay fahitana? Saika hivavaka tamin’ilay anjely izy. Tonga dia nanakana azy anefa io anjely tsy mivadika io, dia niteny hoe: “Tandremo! Aza manao an’izao! Andriamanitra no ivavaho! Fa mpanompo ihany aho, hoatr’anao sy ny rahalahinao.” (Apok. 19:10) Nanetry tena be ilay anjely! Tsy hoe te hahazo voninahitra sy laza izy. Tonga izy dia niteny tamin’i Jaona hoe i Jehovah Andriamanitra no ivavaho. Tsy nanambanimbany an’i Jaona koa ilay anjely. Marina hoe efa ela kokoa izy no nanompo an’i Jehovah sady matanjaka kokoa noho i Jaona, nefa nanetry tena izy dia niantso an’i Jaona hoe mpanompo hoatr’azy ihany. Tsy nibedy na nasiaka be tamin’io apostoly efa be taona io koa izy, na dia tsy maintsy nanitsy azy aza. Tsara fanahy kosa izy rehefa niresaka taminy. Azo inoana fa fantatr’ilay anjely hoe nampiaiky an’i Jaona ny zavatra hitany matoa izy niankohoka teo anatrehany.
Nanetry tena ilay anjely rehefa niresaka sy nanitsy an’i Jaona (Fehintsoratra 5)
6. Ahoana no ampisehoantsika hoe manetry tena hoatran’ny anjely isika?
6 Ahoana no ampisehoantsika hoe manetry tena hoatran’ny anjely isika? Tsy misehoseho na mirehareha noho ny zava-bitantsika isika rehefa manao ny andraikitsika. (1 Kor. 4:7) Tsy tokony hieritreritra koa isika hoe ambony noho ny hafa, raha efa ela kokoa no nanompo an’i Jehovah na manana tombontsoa. Vao mainka mantsy isika tokony hitondra tena toy ny kely indrindra, arakaraka ny maha betsaka ny andraikitsika. (Lioka 9:48) Tsy te hisongadina isika fa te hanompo ny hafa, hoatran’ny anjely ihany.
7. Ahoana no ampisehoantsika hoe manetry tena isika rehefa tsy maintsy manitsy na manome torohevitra olona?
7 Azontsika aseho koa hoe manetry tena isika rehefa tsy maintsy manitsy na manome torohevitra olona, ohatra hoe mpiara-manompo amintsika na zanatsika. Tsy maintsy hentitra isika indraindray rehefa manome torohevitra. Raha tsara fanahy hoatran’ilay anjely nanitsy an’i Jaona anefa isika, dia afaka ny ho hentitra nefa tsy manao izay hahatsapan’ilay olona hoe tsy misy dikany izy. Hahay hanaja sy hangoraka kokoa isika rehefa manome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly, raha tsy mihevi-tena ho ambony.—Kol. 4:6.
TIA OLONA
8. a) Ahoana no ampisehoan’ny anjely hoe tia olona ry zareo, araka ny Lioka 15:10? b) Inona no anjara asan’ny anjely mifandray amin’ny asa fitoriana? (Jereo koa ny sary.)
8 Tsy hoe tsy miraharaha na mihatakataka amin’ny olombelona ny anjely. Tia olona ry zareo. Faly ny anjely rehefa misy mpanota mibebaka, izany hoe misy ondry very miverina amin’i Jehovah na misy olona miova dia lasa manaraka ny fahamarinana. (Vakio ny Lioka 15:10.) Mandray anjara be amin’ny asa fitoriana momba an’ilay Fanjakana koa ny anjely. (Apok. 14:6) Marina hoe tsy miresaka mivantana amin’ny olona ry zareo, nefa mety hitarika ny mpitory ho any amin’ny olona te hahafantatra an’i Jehovah. Isika aloha tsy afaka manizingizina hoe tena mitarika antsika any amin’ny olona tsirairay ny anjely e! I Jehovah rahateo afaka mampiasa fomba hafa, ohatra hoe ny fanahy masina, mba hanampiana ny olona na hitarihana ny mpanompony. (Asa. 16:6, 7) Ny anjely anefa no tena ampiasainy. Afaka matoky àry isika hoe hanohana antsika foana ny anjely rehefa mitory ny vaovao tsara isika.—Jereo ilay hoe “ Nivaly ny Vavaka Nataon-dry Zareo.” b
Mpivady avy nanao fampirantiana. Mahita vehivavy hoatran’ny hoe kivy ilay anabavy eny an-dalana hody. Tonga saina izy hoe afaka mitarika antsika ho any amin’izay olona te hahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra ny anjely. Lasa te hampahery an’ilay vehivavy izy (Fehintsoratra 8)
9. Ahoana no ampisehoantsika hoe tia olona isika, hoatran’ny anjely?
9 Ahoana no ampisehoantsika hoe tia olona isika, hoatran’ny anjely? Afaka mifaly hoatran’ny anjely isika, rehefa ampandrenesina hoe voaray indray ny olona iray. Miezaka handray tsara azy isika sady asehontsika aminy hoe faly be isika, ary omentsika toky izy hoe tiantsika. (Lioka 15:4-7; 2 Kor. 2:6-8) Afaka manahaka ny anjely koa isika, ka manao izay rehetra azontsika atao amin’ny fitoriana. (Mpito. 11:6) Ankoatra izay, dia mitady hevitra hanohanana ny rahalahy sy anabavy isika, hoatran’ny ataon’ny anjely amintsika ihany rehefa mitory ny vaovao tsara isika. Azonao atao, ohatra, ny manao fandaharana mba hiarahana amin’ny mpitory tsy za-draharaha. Afaka manampy ny rahalahy sy anabavy be taona na tsy salama koa ianao, amin’izay ry zareo afaka manompo.
10. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Sara?
10 Ahoana raha tsy afaka manao be amin’ny fitoriana isika noho ny toe-javatra iainantsika? Mbola afaka mitady hevitra ihany isika, dia miara-miasa amin’ny anjely. Diniho ny tantaran’i Sara, c anabavy any Inde. Mpisava lalana nandritra ny 20 taona teo ho eo izy, nefa narary dia tsy afa-nihetsika teo am-pandriana intsony. Tsy nahagaga raha kivy tanteraka izy. Nihafaly indray anefa izy satria namaky Baiboly tsy tapaka, sady nanohana azy ny anadahiny sy ny rahavaviny be fitiavana. Mazava ho azy hoe tsy maintsy nampifanarahiny tamin’ny zava-nisy ny fomba nanaovany fanompoana. Fitoriana an-telefaonina sisa no azony natao, satria na ny hipetraka hanoratra taratasy aza tsy vitany. Nataony an-telefaonina àry ny fiverenana mitsidika, dia ireny olona nantsoiny ireny indray no nanoro azy olon-kafa mety ho liana. Inona ny vokany? Nahazo mpianatra Baiboly 70 be izao i Sara tao anatin’ny volana vitsivitsy! Tsy ho arany mihitsy izany dia nafindrany tamin’ny olon-kafa tao amin’ny fiangonana ny sasany. Betsaka amin’ireny mpianatra ireny no efa mivory. Faly erỳ izao ny anjely miara-miasa amin’ny rahalahy sy anabavy hoatran’i Sara, satria manao izay vitany ry zareo amin’ny fitoriana!
MIARITRA
11. Ahoana no ampisehoan’ny anjely tsy mivadika hoe tena miavaka ny fiaretan-dry zareo?
11 Tena miavaka ny fiaretana asehon’ny anjely tsy mivadika. Efa an’arivony taona ry zareo no mizaka ny tsy rariny sy ny faharatsiana. Hitan-dry zareo ny nikomian’i Satana sy ny anjely hafa be dia be, nefa mba niara-nanompo an’i Jehovah ihany ry zareo taloha. (Gen. 3:1; 6:1, 2; Joda 6) Resahin’ny Baiboly koa hoe nisy demonia mahery nanohitra anjely iray tsy mivadika. (Dan. 10:13) Ankoatra izay, dia vitsy ihany ny olona hitan’ny anjely hoe manaraka ny fivavahana marina, hatramin’izay nisian’ny olombelona. Faly sy mazoto manompo an’i Jehovah foana anefa ireo anjely tsy mivadika ireo, na eo aza izany rehetra izany. Fantatr’izy ireo hoe hesorin’i Jehovah ny tsy rariny rehetra amin’ny fotoana mety.
12. Inona no manampy antsika hiaritra?
12 Ahoana no ampisehoantsika hoe miaritra hoatran’ny anjely isika? Mety hahita tsy rariny na hisy hanohitra isika, hoatran’ny anjely. Resy lahatra tanteraka hoatran-dry zareo anefa isika hoe hesorin’Andriamanitra daholo ny faharatsiana amin’ny fotoana mety. Tsy “mba reraka manao ny tsara mihitsy” àry isika, toa an’ireo anjely tsy mivadika ihany. (Gal. 6:9) I Jehovah koa moa mampanantena hoe hanampy antsika hiaritra. (1 Kor. 10:13) Afaka mivavaka àry isika mba hahazo ny fanahiny. Manampy antsika hanam-paharetana sy ho faly mantsy izy io. (Gal. 5:22; Kol. 1:11) Ary ahoana raha ianao mihitsy no misy manohitra? Aza matahotra, dia miantehera tanteraka amin’i Jehovah. Hanohana sy hampahery anao foana izy.—Heb. 13:6.
MANAMPY NY FIANGONANA HADIO FOANA
13. Inona ny asa manokana ankinina amin’ny anjely, mandritra ny andro farany? (Matio 13:47-49)
13 Anankinan’i Jehovah asa manokana ny anjely mandritra ny andro farany. (Vakio ny Matio 13:47-49.) An-tapitrisany ny olona liana amin’ny vaovao tsara eran-tany. Misy amin’izy ireny miova dia lasa tena Kristianina, fa ny hafa kosa tsy hoatr’izany. Nasaina “hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny olo-marina” ny anjely. Inona no dikan’izany? Hoe manampy sady miaro ny fiangonana mba hadio foana ry zareo. Tsy midika anefa izany hoe tsy afaka miverina amin’i Jehovah intsony izay olona mijanona tsy manompo azy na inona na inona antony, na koa hoe tsy hisy olana mihitsy ao amin’ny fiangonana. Afaka matoky kosa isika fa miasa mafy ny anjely, amin’izay madio foana ny fiangonantsika.
14-15. Ahoana no ampisehoantsika hoe manahaka ny anjely isika ka zava-dehibe amintsika koa ny fahadiovan’ny fiangonana? (Jereo koa ny sary.)
14 Ahoana no ampisehoantsika hoe manahaka ny anjely isika ka zava-dehibe amintsika koa ny fahadiovan’ny fiangonana? Manao ny anjarantsika isika, ka madio fitondran-tena sy mifandray tsara amin’i Jehovah, amin’izay madio foana ny fiangonantsika. Hahavita an’izany isika raha miezaka miaro ny fontsika, izany hoe mifidy tsara ny olona ifaneraserantsika sy manalavitra an’izay mety hahatonga antsika hanao ratsy. (Sal. 101:3) Azontsika ampiana koa ny mpiara-manompo mba tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy. Inona, ohatra, no tokony hataonao raha misy rahalahy na anabavy fantatrao hoe nanao fahotana lehibe? Tianao izy dia hampirisihinao hiresaka amin’ny anti-panahy. Raha tsy mety anefa izy, dia ianao no tokony hampahafantatra ny anti-panahy an’ilay zavatra nataony. Tiantsika mantsy raha mahazo fanampiana haingana izay mpiara-manompo marary ara-panahy!—Jak. 5:14, 15.
15 Mampalahelo fa tsy maintsy esorina tsy ho anisan’ny fiangonana ny olona sasany nanao fahotana lehibe. Raha izay no mitranga, dia ‘tsy mifanerasera intsony’ amin’izy ireny isika. d (1 Kor. 5:9-13) Manampy ny fiangonana hadio foana izany fandaharana izany. Tsara fanahy amin’ilay olona nesorina koa isika raha mifidy ny tsy hifanerasera aminy intsony. Mety ho tonga saina ihany mantsy izy dia hiova raha hentitra isika. Ho faly hoatran’i Jehovah sy ny anjeliny isika raha miova izy.—Lioka 15:7.
Inona no tokony hataonao raha misy mpiara-manompo aminao fantatrao hoe nanao fahotana lehibe? (Fehintsoratra 14) e
16. Ahoana no ampisehoanao hoe miezaka manahaka ny anjely ianao?
16 Tombontsoa be ilay hoe hoatran’ny mahita maso ny any an-danitra mihitsy, sady miara-miasa amin’ny anjely! Andao àry isika hanahaka ny toetra tsaran-dry zareo ka hanetry tena, ho tia olona, hiaritra, ary hanao an’izay hampahadio ny fiangonana foana na eo amin’ny ara-panahy na ara-pitondran-tena. Afaka ny ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah mandrakizay koa isika, raha manahaka ny anjely tsy mivadika.
HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah
a An-jatony tapitrisa ny anjely nefa roa ihany no voatonona anarana ao amin’ny Baiboly, dia i Mikaela sy Gabriela.—Dan. 12:1; Lioka 1:19.
b Misy fitantarana hafa azonao jerena ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ilay lohateny hoe “Anjely”, dia avy eo ilay lohatenikely hoe “fitarihan’ny anjely (ohatra).”
c Novana ny anarana.
d Nohazavaina tao amin’ny Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana (2024) #2 hoe raha manatrika fivoriana ny olona iray nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana, dia afaka mihaino ny feon’ny fieritreretany efa nampiofanin’ny Baiboly ny mpitory tsirairay, ka anjarany ny manapa-kevitra raha hiarahaba kely sy hilaza tonga soa aminy izy na tsia.
e FANAZAVANA SARY: Anabavy iray mampirisika ny namany hiresaka amin’ny anti-panahy. Rehefa nandeha kely ny fotoana ary mbola tsy niresaka ihany ilay namany, dia izy mihitsy no niresaka tamin’ny anti-panahy.