HEVITRA AZO IANARANA
Manaja ny Voady Nataony ny Olona Tsy Mivadika
Vakio ny Mpitsara 11:30-40: Ho hitanao ao izay azo ianarana avy amin’i Jefta sy ny zanany vavy momba ny hoe manaja voady.
Fakafakao ny teny manodidina: Ahoana no fiheveran’ny Israelita tsy nivadika ny voady nataony tamin’i Jehovah? (Nom. 30:2) Ahoana no nampisehoan’i Jefta sy ny zanany vavy hoe nino an’i Jehovah ry zareo?—Mpits. 11:9-11, 19-24, 36.
Fakafakao ilay tantara: Inona no azo antoka hoe tao an-tsain’i Jefta tamin’izy nanao an’ilay voady? (w16.04 7 § 12) Inona no nafoin’i Jefta sy ny zanany vavy mba hanatanterahana an’ilay voady nataon’i Jefta? (w16.04 7-8 § 14-16) Inona avy ny voady mety hataon’ny Kristianina amin’izao?—w17.04 5-8 § 10-19.
Fantaro hoe inona ny lesona azonao raisina. Diniho izao:
-
‘Inona no manampy ahy hanaja foana an’ilay voady nataoko tamin’izaho nanokan-tena?’ (w20.03 13 § 20)
-
‘Inona avy no mety hafoiko mba hahafahako manompo bebe kokoa an’i Jehovah?’
-
‘Inona no hanampy ahy ho tapa-kevitra kokoa hanaja ny voadim-panambadiako?’ (Mat. 19:5, 6; Efes. 5:28-33)