LAHATSORATRA FIANARANA 17
HIRA 99 Vavolombelona Maro
Tsy Irery Mihitsy Isika
‘Hanampy anao aho.’—ISAIA 41:10.
HEVITRA HODINIHINA
Fomba efatra hikarakaran’i Jehovah antsika.
1-2. a) Nahoana isika no afaka milaza hoe tsy miady irery mihitsy? b) Inona no hodinihintsika ato?
REHEFA miatrika olana lehibe isika dia mety hahatsapa hoatran’ny hoe irery ao anaty sambokely eo amin’ny ranomasina misamboaravoara. Tsy miady irery anefa isika rehefa ao anatin’ny sarotra. Tsy hoe mahita ny olana mahazo antsika fotsiny ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, fa mampanantena koa hoe hanampy antsika hiatrika azy ireny. Manome toky ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah hoe: ‘Hanampy anao aho.’—Isaia 41:10.
2 Hodinihintsika ato ny fomba hanampian’i Jehovah antsika: 1) Mitari-dalana antsika izy, 2) manome an’izay ilaintsika, 3) miaro antsika, ary 4) mampionona antsika. Manome toky antsika i Jehovah hoe na inona na inona olana atrehintsika eo amin’ny fiainana, dia tsy hanadino antsika mihitsy izy ary tsy hahafoy antsika mihitsy. Tsy irery mihitsy izany isika.
MITARI-DALANA ANTSIKA I JEHOVAH
3-4. Ahoana no itarihan’i Jehovah antsika? (Salamo 48:14)
3 Vakio ny Salamo 48:14. Fantatr’i Jehovah hoe tsy mahavita tena isika fa mila ny tari-dalany. Ny Baiboly no anisan’ny fomba itarihany ny mpanompony tsy mivadika amin’izao. (Sal. 119:105) Mampiasa ny Teniny i Jehovah mba hanampiana antsika hahay hanapa-kevitra sy hanana toetra tsara, amin’izay isika sambatra kokoa dieny izao ary hiaina mandrakizay amin’ny hoavy. a Ampianariny, ohatra, isika mba tsy hitana lolompo, hanao ny marina amin’ny zava-drehetra, ary hanana fitiavana lalina amin’ny fo. (Sal. 37:8; Heb. 13:18; 1 Pet. 1:22) Raha mampiseho an’ireo toetra ireo isika, dia ho lasa ray aman-dreny sy vady ary namana tsara kokoa.
4 Nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Teniny koa ny tantaran’ny olona niatrika olana sy nanana fihetseham-po hoatran’ny antsika. (1 Kor. 10:13; Jak. 5:17) Roa, fara fahakeliny, ny soa raisintsika rehefa mamaky sy mampihatra ny lesona avy amin’ireny tantara tena nisy ireny isika. Voalohany, lasa fantatsika hoe tsy irery isika. Efa nisy olon-kafa niatrika olana mitovy amin’ny antsika dia nahavita niaritra. (1 Pet. 5:9) Faharoa, lasa haintsika ny fomba iatrehana ny olana mahazo antsika.—Rom. 15:4.
5. Iza no ampiasain’i Jehovah hitari-dalana antsika?
5 Mampiasa ny mpiray finoana amintsika koa i Jehovah mba hitarihana antsika. b Mampahery antsika, ohatra, ny mpiandraikitra ny faritra isaky ny mitsidika ny fiangonantsika. Manatanjaka ny finoantsika ny lahatenin’izy ireo sady manampy antsika hiray saina foana. (Asa. 15:40–16:5) Tena mitady an’izay hahasoa ny mpitory tsirairay koa ny anti-panahy. (1 Pet. 5:2, 3) Mitarika ny zanany amin’ny ara-panahy koa ny ray aman-dreny, ka manampy an-dry zareo hahay hisaina sy hanana fahazarana tsara. (Ohab. 22:6) Ny anabavy matotra indray manampy ny anabavy tanora kokoa, ka miezaka ny ho modely sy manome torohevitra mahasoa ary mampahery.—Tit. 2:3-5.
6. Tsy maintsy manao inona isika raha te handray soa avy amin’ny tari-dalan’i Jehovah?
6 Efa nanao ny anjarany i Jehovah ka nanome ny tari-dalana ilaintsika. Ahoana no ankasitrahantsika azy? Izao no resahin’ny Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao.” Raha manao an’izany isika dia “hataony mandeha tsara ny [fiainantsika]”, izany hoe hanampy antsika hisoroka olana be dia be sy ho sambatra kokoa izy. Tena tia antsika i Jehovah ka manome torohevitra mety amintsika tsirairay. Tsy te hisaotra azy ve ianao amin’izany?—Sal. 32:8.
MANOME AN’IZAY ILAINTSIKA I JEHOVAH
7. Milazà zavatra ataon’i Jehovah mba hanomezana an’izay ilaintsika. (Filipianina 4:19)
7 Vakio ny Filipianina 4:19. Ankoatra ny hoe mitarika antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia mitahy ny ezaka ataontsika koa i Jehovah mba hahazoantsika sakafo sy fitafiana ary fialofana. (Mat. 6:33; 2 Tes. 3:12) Ara-dalàna aloha isika raha manahy momba an’izay ilaintsika e! Tsy tian’i Jehovah hanahy be loatra momba an’izany anefa isika. (Mat. 6:25) Tsy hahafoy ny mpanompony tsy mivadika mihitsy mantsy ilay Raintsika, amin’ny fotoana ilan-dry zareo fanampiana. (Mat. 6:8; Heb. 13:5) Nampanantena i Jehovah hoe hanome an’izay ilaintsika ary afaka matoky tanteraka azy isika.
8. Inona no nataon’i Jehovah ho an’i Davida?
8 Diniho ny fomba nanampian’i Jehovah an’i Davida. Mafy be ny fiainan’i Davida tamin’izy nandositra an’i Saoly. Nomen’i Jehovah foana anefa izay nilain’i Davida sy ny namany, nandritra an’ireny taona maro ireny. Rehefa nisaintsaina ny fikarakaran’i Jehovah azy hatramin’izay i Davida dia nanoratra hoe: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho izao, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy, na nahita ny zanany nangataka sakafo.” (Sal. 37:25) Azo inoana fa efa hitanao koa hoe tia ny mpanompony mahafoy tena i Jehovah sady manome an’izay ilain’izy ireo.
9. Ahoana no ataon’i Jehovah amin’izao mba hahazo an’izay ilainy ny vahoakany rehefa misy loza? (Jereo koa ny sary.)
9 Manome an’izay ilain’ny vahoakany koa i Jehovah rehefa misy loza. Nandefa fanampiana ho an’ny mpiara-manompo taminy tratran’ny mosary, ohatra, ny Kristianina avy any amin’ny tany samihafa, tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 11:27-30; Rom. 15:25, 26) Malala-tanana koa ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao rehefa misy loza. Be fitiavana i Jehovah ka mandrisika azy ireo hanome an’izay ilain’ny namany tra-boina, anisan’izany ny sakafo, rano, fitafiana, ary fanafody. Ny ekipan’ny fanorenana indray no manamboatra ny trano sy ny Efitrano Fanjakana simba. Mailaka hampionona an’izay namoy havana na fananana koa ny mpanompon’i Jehovah, sady mampiasa ny Baiboly mba hampaherezana an-dry zareo. c
10-11. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Borys?
10 Malala-tanana amin’ny olona mbola tsy manompo azy koa i Jehovah ka manome an’izay ilain-dry zareo. Te ho tsara fanahy hoatr’azy isika, dia mitady fomba hampisehoana an’izany amin’ny olona tsy mitovy finoana amintsika. (Gal. 6:10) Matetika no fitoriana vita ho azy ny zavatra hoatr’izany. Diniho ny tantaran’i Borys, talen’ny sekoly iray any Ukraine. Na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza izy dia tsara fanahy tamin’ireo mpianatra Vavolombelona foana, sady nanaja ny zavatra inoan’izy ireo. Noho ilay ady any Ukraine, dia nanapa-kevitra izy hoe hiala ao amin’ilay faritra nisy azy mba ho any amin’ny toerana azo antoka kokoa. Nampian’ny mpiara-manompo izy tamin’izay. Nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy i Borys taorian’izay. Hoy izy rehefa mieritreritra an’izay natao taminy: “Tena tsara fanahy sy niahy ahy ny Vavolombelon’i Jehovah. Misaotra an-dry zareo aho.”
11 Mamindra fo hoatran’ilay Raintsika any an-danitra koa isika raha mampiseho fitiavana amin’izay mila fanampiana, na mpiray finoana amintsika ilay olona na tsia. (Lioka 6:31, 36) Rehefa miezaka ho tia olona hoatr’izany isika dia manantena hoe ho lasa mpianatr’i Kristy izy. (1 Pet. 2:12) Na hanompo an’i Jehovah anefa izy na tsia, dia ho faly foana isika satria manome.—Asa. 20:35.
MIARO ANTSIKA I JEHOVAH
12. Inona no nampanantenain’i Jehovah hoe hataony amin’ny vahoakany? (Salamo 91:1, 2, 14)
12 Vakio ny Salamo 91:1, 2, 14. Mampanantena i Jehovah hoe harovany ny fifandraisantsika aminy. Tsy avelany hanimba ny fivavahana marina mihitsy i Satana. (Jaona 17:15) Afaka matoky tanteraka isika hoe mandritra “ny fahoriana lehibe”, dia hanampy antsika hanana finoana matanjaka foana izy sady hiaro antsika vahoakany, araka ny nampanantenainy.—Apok. 7:9, 14.
13. Ahoana avy ny fomba iarovan’i Jehovah antsika tsirairay?
13 Ahoana no iarovan’i Jehovah antsika tsirairay? Mampiasa ny Soratra Masina izy mba hanampiana antsika hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. (Heb. 5:14) Rehefa mampihatra ny torolalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia hoatran’ny hoe mitazona ampinga ka voaro na eo amin’ny ara-panahy na ara-batana. (Sal. 91:4) Mampiasa ny fiangonana koa i Jehovah mba hiarovana antsika. (Isaia 32:1, 2) Raha olona tia an’i Jehovah sy mankatò ny torolalany no mpiaraka amintsika, dia hahazo fampaherezana isika sady hahazo hery mba tsy ho voatarika hanao ratsy.—Ohab. 13:20.
14. a) Nahoana Andriamanitra no tsy hoe miaro antsika foana? b) Manome toky antsika ny amin’inona ny Salamo 9:10? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
14 Nisy fotoana i Jehovah niaro ny mpanompony tamin’ny loza. Tsy hoe nanao hoatr’izany foana anefa izy. “Tratran’ny sampona” mantsy isika indraindray “amin’ny fotoana tsy ampoizina.” (Mpito. 9:11) Nisy mpanompon’i Jehovah sasany koa navelany nenjehina ary nisy aza novonoina mihitsy mba hanaporofoana hoe mpandainga i Satana. (Joba 2:4-6; Mat. 23:34) Hoatr’izany koa amin’izao. Marina fa mety tsy esorin’i Jehovah ny olana mahazo antsika. Afaka matoky anefa isika hoe tsy handao an’izay tia azy mihitsy izy. d—Sal. 9:10.
MAMPIONONA ANTSIKA I JEHOVAH
15. Mampionona antsika ny vavaka, ny Tenin’Andriamanitra, ary ny mpiara-manompo. Hazavao. (2 Korintianina 1:3, 4)
15 Vakio ny 2 Korintianina 1:3, 4. Misy fotoana isika malahelo, miady saina, na mitebiteby. Izany mihitsy angamba no iainanao izao, dia mahatsiaro ho irery ianao. Matokia hoe tsapan’i Jehovah ny mahazo anao na dia tsy hitan’ny olona aza. Izy mantsy mahatsapa ny fijaliantsika sady “mampionona antsika amin’ny fahoriana rehetra mahazo antsika.” Ahoana avy no ampiononany antsika? Omeny antsika “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona”, rehefa mitalaho aminy amin’ny alalan’ny vavaka isika. (Fil. 4:6, 7) Mampionona antsika koa ny zavatra lazain’i Jehovah amintsika ao amin’ny Baiboly. Ao mantsy no ilazany amintsika hoe tena tiany isika, sy ampianarany antsika ho hendry, ary anomezany antsika fanantenana. Mampionona antsika koa ny fivoriana satria any isika no miaraka amin’ny mpiara-manompo tia antsika, sady mahazo fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly.
16. Inona no ianaranao avy amin’i Nathan sy Priscilla?
16 Ahoana no ahitana hoe mampionona sy mampahery antsika amin’ny alalan’ny Teniny i Jehovah? Diniho ny tantaran’i Nathan sy Priscilla, any Etazonia. Nanitatra faritany izy mivady, taona maro lasa izay. Izao no lazain’i Nathan: “Natoky izahay hoe hitahy ny ezaka nataonay i Jehovah.” Rehefa tonga tany amin’ilay faritaniny vaovao anefa ry zareo, dia narary sady lasa sahirana ara-bola tampoka. Voatery nody izy mivady tatỳ aoriana, ary mbola sahirana ara-bola ihany. Hoy i Nathan: “Tsy azoko hoe maninona Andriamanitra no tsy nitahy anay araka ny nieritreretanay azy. Nieritreritra mihitsy aza aho hoe sao dia nisy tsy nety nataoko.” Tonga saina anefa i Nathan sy Priscilla rehefa nandeha ny fotoana hoe tsy nandao an-dry zareo tao anatin’ny sarotra mihitsy Andriamanitra. Izao no tantarain’i Nathan: “Ny Baiboly no namanay tamin’ireny fotoana ireny. Hoatran’ny hoe olona hendry manome fampaherezana sy tari-dalana ho anay ilay izy. Tsy nifantoka tamin’ny olana nahazo anay izahay fa tamin’ny fomba nanampian’i Jehovah anay hiaritra. Nanampy anay hatoky izany hoe ho vitanay ny hiatrika an’izay olana hitranga eo.”
17. Ahoana no nahazoan’ny Ranabavy Helga fampiononana? (Jereo koa ny sary.)
17 Eo koa ny rahalahy sy anabavy hampionona antsika. Diniho ny tantaran’i Helga, anabavy any Hongria. Nisesisesy ny olana nahazo azy nandritra ny taona maro, dia kivy izy sady nahatsapa hoe tsy nisy nilana azy. Rehefa misaintsaina ny zavatra niainany anefa izy, dia hitany hoe nampionona azy tamin’ny alalan’ny fiangonana i Jehovah. Izao no soratany: “Nampian’i Jehovah foana aho rehefa hitany hoe reraka satria be asa, mikarakara ny zanako marary, ary miatrika olana hafa. Tsy nisy andro iray nandalo tao anatin’izay 30 taona izay, ka hoe tsy nanatanteraka an’ilay teniny hoe hampionona ahy izy. Tsapako hoe mampahery ahy izy isaky ny misy olona milaza zavatra tsara momba ahy na mankasitraka ahy. Matetika aho no mahazo hafatra, karta, na teny fiderana amin’ny fotoana tena ilako azy.”
18. Ahoana no azontsika ampiononana ny hafa?
18 Manana tombontsoa hanahaka an’ilay Andriamanitsika isika. Amin’ny fomba ahoana? Rehefa mampionona ny hafa. Mihaino tsara an-dry zareo isika, mangoraka rehefa miresaka aminy, ary manao zavatra mba hanampiana azy. (Ohab. 3:27) Miezaka mafy isika mba hampionona an’izay rehetra mijaly, anisan’izany ireo mbola tsy manompo an’Andriamanitra. Rehefa malahelo na marary na miady saina ny mpiray tanàna amintsika, dia mitsidika an-dry zareo isika, mihaino azy, ary miresaka hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly. Rehefa manahaka an’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, isika dia manampy ny mpiara-manompo amintsika hiaritra fitsapana, sady mety hanalefaka ny fon’ny olon-kafa ka hanaraka ny fivavahana marina ry zareo.—Mat. 5:16.
HANAMPY ANTSIKA FOANA I JEHOVAH
19. Inona no ataon’i Jehovah ho antsika, ary ahoana no anahafantsika azy?
19 Tena mitady an’izay hahasoa ny olona rehetra tia azy i Jehovah. Tsy avelany hiady irery isika rehefa manana olana. Hoatran’ny ataon’ny ray aman-dreny be fitiavana no hikarakaran’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika. Mitari-dalana antsika izy, manome an’izay ilaintsika, miaro antsika, ary mampionona antsika. Manahaka an’io Raintsika be fitiavana any an-danitra io isika, raha manohana sy mampahery ny hafa rehefa miatrika olana ry zareo. Azontsika antoka hoe eo akaikintsika i Jehovah rehefa misy zavatra mampiady saina sy mandratra ny fontsika. Izy mihitsy mantsy no nampanantena hoe: “Aza matahotra fa manohana anao aho.” (Isaia 41:10) Matokia àry hoe tsy irery izany mihitsy isika!
HIRA 100 Aoka Isika ho Tia Mandray Vahiny
a Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2011 ilay lahatsoratra hoe “Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao.”
b Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Febroary 2024 ilay lahatsoratra hoe “Araho Foana ny Tari-dalan’i Jehovah”, fehintsoratra 11-14.
c Ahitana ny zava-nitranga faramparany ao amin’ny jw.org. Karohy ny hoe “vonjy rano vaky” na “fanampiana tra-boina.”
d Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Febroary 2017.
e FANAZAVANA SARY: Nahazo fanampiana vonjy rano vaky sy fampaherezana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah ny mpiara-manompo any Malawi rehefa nisy loza araka ny natiora tany.