Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Mahaiza Mifandray Amin’ny Rafozanao

Mahaiza Mifandray Amin’ny Rafozanao

OLANA

“Tantarain’ny vadiko any amin’ny ray aman-dreniny ny olana ao an-tokantranonay. Antsoin’ny dadany aho avy eo dia omeny torohevitra. Tsy faly amin’izany mihitsy aho!”—Tefy. *

“Matetika ny rafozambaviko no miteny hoe: ‘Malahelo an-janako foana aho!’ Dia tantarainy amiko avy eo hoe nifankatia be ry zareo. Hoatran’ny hoe diso aho nanambady ny zanany, satria izao izy lasa marary fo foana!”—Vololona.

Inona no azonao atao mba tsy hampisy olana ao an-tokantranonareo ny resaka havam-bady?

TSARA HO FANTATRAO

Fianakaviana hafa mihitsy ianareo mivady. Milaza ny Baiboly fa rehefa manambady ny olona, dia “handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny.” Lasa “nofo iray ihany” izy ireo, ka manorina fianakaviana hafa mihitsy.—Matio 19:5.

Ny vadinao aloha vao ny ray aman-dreninao. Hoy ny Pr. John Gottman: ‘Anisan’ny zava-dehibe mila ianaran’ny olona manambady ny hoe mihevitra ny vadiny foana amin’izay rehetra hatao. Mety ilainao atao mihitsy aza ny hoe tsy mifandray am-po loatra amin’ny fianakavianao, amin’izay tena hifankatia be ianareo mivady. Mila manao an’izany foana ianao na nanambady vao haingana na efa ela, raha tsapanao fa mitady tsy hifandray am-po ianareo mivady.’ *

Mafy amin’ny ray aman-dreny ny misaraka amin-janany. Hoy ny lehilahy iray: “Tena niahy sy nikarakara be an’ireo ray aman-dreniny foana ny vadiko, taloha. Niova anefa izany rehefa nivady izahay. Tsy mora tamin’ny reniny àry ny nieritreritra hoe olon-kafa indray no ataon’ny zanany an’izany.”

Sarotra amin’ny mpivady vao rehetra ilay izy. Hoy i Tefy, voalaza tetsy aloha: ‘Ny namana no azonao fidina, fa ny rafozana tsy mba hoatr’izany. Tsy maintsy raisinao ho namana izy ireo, na tianao na tsy tianao. Ary na mandreraka be aza ry zareo, dia ireo no havanao!’

INONA NO AZONAO ATAO?

Raha ny havam-bady no mampifanolana anareo mivady, dia miezaha mba hifandamina sy hiaraka hitady vahaolana. Araho ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Mitadiava fihavanana ka tandrovy izany.”—Salamo 34:14.

Ireto misy toe-javatra samihafa, sy soso-kevitra mety hanampy anao. Azonao ampiharina amin’ny toe-javatra hafa koa ny toro lalana ato, mba hahatonga anao hifandray tsara amin’ny rafozanao.

Tian’ny vadinao hifandray kokoa amin’ny reniny ianao. Ianao anefa mahita hoe sarotra ifandraisana ny reniny.

Andramo izao: Mahaiza mandefitra. Tsy ilay rafozambavinao no tokony hifantohanao fa ny vadinao, satria efa nivoady ianao hoe ho tia azy foana. Mifampiresaha amin’ny vadinao, ka mitadiava hevitra iray na roa azonao iezahana mba hahatonga anao hifandray kokoa amin’ny rafozambavinao. Tena ampiharo ilay izy avy eo. Ho tia sy hanaja anao kokoa ny vadinao, rehefa hitany fa miezaka ianao.—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Korintianina 10:24.

Mitaraina ny vadinao hoe izay tian’ny ray aman-dreninao foana no ataonao, fa tsy izay mba tiany.

Andramo izao: Mifampiresaha amin’ny vadinao, ka miezaha hahatakatra ny heviny. Marina aloha fa adidinao ny miahy ny ray aman-dreninao, ary tsy tokony hampaninona ny vadinao izany. (Ohabolana 23:22) Mety mba mila omenao toky anefa ny vadinao hoe izy no eritreretinao voalohany, izay vao ny ray aman-dreninao. Mila asehonao amin’ny ataonao koa izany. Rehefa matoky anao ny vadinao, dia tsy hahatsapa izy hoe hoatran’ny mifaninana amin’ny ray aman-dreninao mba ho tianao kokoa.—Toro lalan’ny Baiboly: Efesianina 5:33.

Any amin’ny ray aman-dreniny ny vadinao no maka torohevitra fa tsy any aminao.

Andramo izao: Miresaha amin’ny vadinao, ary mitadiava marimaritra iraisana fa aza hentitra loatra. Diniho hoe: Tsy mety mihitsy ve ny mitantara amin’ny ray aman-dreny rehefa misy olana? Rehefa inona izany no azo atao? Tsy voatery hampifanolana anareo ilay izy, raha efa ifanarahana tsara.—Toro lalan’ny Baiboly: Filipianina 4:5.

^ feh. 4 Novana ny anarana ato.

^ feh. 9 Nalaina tao amin’ilay boky hoe Torohevitra Fito Hahasambatra ny Tokantrano (anglisy).