Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampitandremo ny Zanakao Amin’ny Hafatra Vetaveta

Ampitandremo ny Zanakao Amin’ny Hafatra Vetaveta

OLANA

Henonao fa lasa fanaon’ny tanora ny mifandefa hafatra vetaveta amin’ny telefaonina. Matahotra àry ianao sao manao an’izany koa ny zanakao.

Te hampitandrina azy ianao, nefa tsy hitanao izay fomba hiresahana an’ilay izy. Fa nahoana tokoa moa no misy ankizy manao an’izany? Ary nahoana ianao no tsy tokony hanamaivana an’ilay izy? *

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

  • Misy, ohatra, mba te hiaraka amin’ny ankizy iray, dia andefasany hafatra manaitaitra ilay ankizy.

  • Misy indray ankizivavy mandefa ny sariny miboridana, satria ampirisihin’ilay ankizilahy miaraka aminy.

  • Ny ankizilahy sasany kosa mandefa sarin’ankizivavy miboridana any amin’ny namany rehetra satria te hampifalifaly azy ireo, na te hamaly faty an’ilay tovovavy nisaraka taminy.

Na inona na inona anton’ilay izy, dia mety hahita olana ny ankizy manana telefaonina raha tsy mitandrina. Hoy ny boky iray: “Bokotra iray fotsiny no tsindrinao, dia mety ho simba tanteraka ny fiainanao na ny an’ny hafa.”

Maro no tsy mahalala fa vao mandefa sary amin’ny telefaonina izy, dia be dia be no mety hitranga amin’iny sary iny, ary tsy misy azony atao hisakanana an’izany. Izao, ohatra, ny tatitra nataon’ny FBI na Birao Federaly Momba ny Famotorana any Etazonia: “Nalefan’ny tovovavy iray [18 taona] tany amin’ny olon-tiany ny sariny niboridana. Nisy nandefa tany amin’ny mpianatra an-jatony tao amin’ny sekoliny anefa ilay izy! Ny sasany koa moa vao mainka nanaparitaka an’ilay sary sady nanesoeso azy. Namono tena ilay tovovavy vokatr’izany.”

Henjehin’ny lalàna koa izay mandefa hafatra vetaveta. Misy ankizy tsy ampy taona, ohatra, nomelohin’ny fitsarana satria nandefa sary vetaveta tamin’ny ankizy hafa. Voaheloka mitovy amin’ny olona manery ankizy hanao filma mamoafady izy ireny, sady sokajina ho anisan’ny mpametaveta mihitsy. Mety ho voarohirohy koa ianao raha tsy anarinao ny zanakao mba tsy handefa sary hoatr’izany, na raha misoratra amin’ny anaranao ny telefaonina nandefasana an’ilay izy!

 INONA NO AZONAO ATAO?

Aoka ianao ho hentitra. Marina fa tsy ho arakao daholo izay ataon’ny zanakao amin’ny telefaoniny. Hazavao tsara aminy anefa izay tsy tokony hataony, sy ny sazy hampiharinao raha mandika an’izany izy. Tadidio koa fa zonao ny mifehy azy, na dia amin’ny resaka telefaonina aza, satria zanakao izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Efesianina 6:1.

Ampisaintsaino izy. Azonao atao ny miteny hoe: “Raha ianao no anontaniana, rehefa hoatran’ny ahoana ny hafatra iray no efa vetaveta?” “Ary sary manao ahoana no tsy tokony halefa amin’olona?” “Any amin’ny tany sasany izao, dia miakatra fitsarana hoatran’ny olon-dratsy ny ankizy tsy ampy taona, raha mandefa sarin’ankizy miboridana. Aminao ve, tena tokony hosazina izay manao an’izany?” “Inona no hitanao hoe maharatsy an’ilay izy?” Henoy tsara ny heviny, ary ampio izy mba tsy ho maika handefa hafatra fotsiny fa hieritreritra ny mety ho vokany.—Toro lalan’ny Baiboly: Hebreo 5:14.

Milazà ohatra. Azonao resahina izy hoe: “Raha misy ankizivavy asain’ny sipany mandefa ny sariny miboridana, inona no tokony hataony? Hanaiky ve izy satria matahotra ny hisaraka? Sa handa nefa mbola hiaraka amin’ilay ankizilahy ihany? Sa hisarahany ilay ankizy? Sa hiteny amin’ny olon-dehibe?” Ampio ny zanakao handinika tsara.—Toro lalan’ny Baiboly: Galatianina 6:7.

Ampio izy hampiasa ny feon’ny fieritreretany. Anontanio, ohatra, izy hoe: Tsy mampaninona anao ve raha lasa malaza ratsy ianao? Hoatran’ny ahoana no tianao hiheveran’ny olona anao? Andeha hatao hoe naharay sarin’ankizy miboridana ianao, nefa mbola naparitakao ilay izy ka menatra be ilay ankizy. Dia ho faly ve ianao? Ahoana anefa no ho tsapanao raha mba niaro an’ilay ankizy ianao? Ampio àry ny zanakao hanana “feon’ny fieritreretana madio.”—1 Petera 3:16.

Aoka ianao ho modely. Milaza ny Baiboly fa madio fitondran-tena ny olona tena hendry, sady tsy mihatsaravelatsihy. (Jakoba 3:17) Hoatr’izany ve ianao? Hoy ilay boky voalaza tany aloha: “Tokony ho modely isika, ka tsy hijery tranonkala misy sary maloto na raran’ny lalàna, rehefa manokatra Internet.”

^ feh. 5 Tsy voatery ho SMS ihany ilay hoe hafatra vetaveta, fa mety ho sarin’olona miboridana na video ratsy mihitsy. Azonao jerena ao amin’ny www.jw.org/mg koa ny “Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Hafatra Vetaveta?”—Jereo ao amin’ny FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA