Ahoana no Nahalalako ny Antony Isian’ny Tsy Rariny?
Ahoana no Nahalalako ny Antony Isian’ny Tsy Rariny?
Notantarain’i Ursula Menne
Efa hatramin’izay aho no naniry mafy hoe mba hoentina ara-drariny ny olona rehetra. Izany mihitsy aza no nahatonga ahy higadra tany Alemaina Atsinanana, tany kominista. Mahagaga hoe tany am-pigadrana indray no nahalalako ny antony isian’ny tsy rariny. Andraso fa hotantaraiko anareo.
TERAKA tamin’ny 1922 aho, tao Halle, atỳ Alemaina. Efa 1 200 taona mahery no nisy firaketana an-tsoratra momba an’i Halle. Tokotokony ho 200 kilaometatra ao atsimoandrefan’i Berlin izy io ary anisan’ny tanàna voalohany be Protestanta. Teraka tamin’ny 1923 i Käthe rahavaviko. Miaramila i Dada ary mpihira i Neny.
Tena te hiady amin’ny tsy rariny toa an’i Dada aho. Nividy tsena iray izy rehefa niala tao amin’ny tafika. Nampalahelo an’i Dada ireo mpividy tao aminy satria nahantra, ka navelany hitrosa. Izany toetrany tsara izany anefa no nampikatona ny tsenany. Tokony ho hitako tamin’izany hoe sarotra be tsy araka ny ieritreretana azy ny miezaka hanafoana ny tsy rariny. Mbola tanora sy be di-doha anefa aho tamin’izany ka nafana fo erỳ.
Nanan-talenta toa an’i Neny aho ary nampianariny mozika sy hira ary dihy izahay sy Käthe. Zaza falifaly aho ary nahafinaritra foana ny fiainanay mirahavavy, mandra-pahatongan’ny 1939.
Nihamafy ny fiainana
Nianatra dihy aho rehefa vita ny fianarako. Nianatra Ausdruckstanz tamin’i Mary Wigman koa aho. Izy no nampivoatra an’io karazana dihy natao hanehoana fihetseham-po io. Nanao sary hoso-doko koa aho. Tiako ny fahazazako ary nanao zavatra foana aho sady niana-javatra maro. Nipoaka anefa ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939. Matin’ny tioberkilaozy koa i Dada tamin’ny 1941.
Tena mafy ny fiainana nandritra ny ady. Vao 17 taona aho rehefa nanomboka ny ady, nefa tsapako hoe lasa adala ny olona. Olona misaina tsara no lasa nanaiky hanao zava-dratsy be dia be, nandritra ny fitondran’ny Nazia. Nanomboka koa ny fahoriana, be no maty, ary ravarava ny tanàna. Simba be ny tranonay fa nianjeran’ny baomba, ary betsaka ny havanay maty tamin’ny ady.
Mbola tany Halle izahay sy Neny ary Käthe rehefa nifarana ny ady, tamin’ny 1945. Efa nanambady aho tamin’izay ary nanan-janakavavy kely iray, nefa nikorontana ny tokantranoko. Nisaraka izahay mivady ary tsy maintsy niasa aho mba hivelomanay mianaka, ka nandihy sy nanao hoso-doko no asako.
Nizara efatra i Alemaina taorian’ny ady, ary nofehezin’ny Firaisana Sovietika ny faritra
nisy anay. Tsy maintsy nizatra ny fitondrana kominista àry izahay rehetra. Ilay faritr’i Alemaina nisy anay, antsoina matetika hoe Alemaina Atsinanana, no lasa Repoblika Demokratikan’i Alemaina (RDA), tamin’ny 1949.Teo ambany fitondrana kominista
Narary i Neny tamin’izany ary tsy maintsy nikarakara azy aho. Niasa tamin’ny fanjakana aho. Efa nifankahalala tamin’ny mpianatra mpikomy amin’ny fanjakana koa aho. Niezaka nampahafantatra ny fisian’ny tsy rariny izy ireo. Tsy navela nianatra teny amin’ny oniversite, ohatra, ny ankizy iray satria anisan’ny Nazia ny dadany taloha. Fantatro tsara ilay ankizy satria miara-manao mozika matetika izahay. Hoy aho hoe: ‘Izay nataon’ny dadany ve no hampijaliana ny zanany?’ Vao mainka aho niaraka tamin’ireo mpianatra mpikomy, ary nanapa-kevitra ny hidina an-dalambe. Efa nametaka taratasy teo amin’ny tohatry ny fitsarana mihitsy aza aho.
Nanoratra taratasy maro aho satria sekretera tao amin’ny Komitim-paritra Momba ny Filaminana. Hitako tamin’ny taratasy sasany hoe tena manjaka ny tsy rariny, ka vao mainka izany nanafintohina ahy. Te hanendrikendrika lehilahy zokiolona iray tatỳ Alemaina Andrefana ilay komity, indray mandeha, ka nikasa handefa fitaovana fampielezan-kevitra an’ny Kominista tany amin’ilay lehilahy. Nahasosotra ahy loatra izany ka nafeniko tao amin’ny birao ilay entana, ary tsy lasa mihitsy.
Nanome fanantenana ahy ilay olona “mampidi-doza indrindra”
Namadika ahy ny mpianatra iray ka nilaza tamin’ny polisy miafina hoe izaho no nametaka an’ireo taratasy tany amin’ny fitsarana. Nisy lehilahy roa àry tonga tao amin’ny biraoko tamin’ny Jona 1951. Nisambotra ahy izy ireo ary nentiny tany amin’ny fonjan’i Roter Ochse, na Omby Mena, aho. Nampangain’ny fitsarana ho mpikomy amin’ny fanjakana aho, herintaona tatỳ aoriana. Anarany fotsiny ilay izy no fitsarana fa tsy nisy niraharaha akory ny fiarovan-tenako. Nomelohina higadra enin-taona aho. Narary aho ka nalefa tany amin’ny hopitalin’ny fonja, izay efa nisy vehivavy 40 teo ho eo. Nivadi-po aho nahita azy ireo kivy be, ka nihazakazaka namely totohondry an’ilay varavarana.
Hoy ilay mpiambina: “Fa inona ny anao e?”
Nikiakiaka aho hoe: “Tsy maintsy miala ato aho. Tsy maninona aho na hatokanareo toerana aza, fa esory ato fotsiny aho!” Mazava ho azy fa tsy noraharahainy aho. Voamariko, avy eo, ny vehivavy iray. Hitako teo amin’ny masony hoe nilamin-tsaina izy fa tsy toy ny hafa rehetra, ka nankeo akaikiny aho.
Gaga be aho fa hoy izy: “Mitandrema tsara ianao raha hipetraka eto akaikiko. Izaho ange, hono, no mampidi-doza indrindra ato satria Vavolombelon’i Jehovah e!”
Tsy fantatro, tamin’izany, hoe noheverina ho fahavalon’ny fanjakana kominista ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao fotsiny no fantatro momba azy ireo: Nisy Mpianatra ny Baiboly (fomba niantsoana ny Vavolombelona) roa nitsidika foana an’i Dada tamin’izaho mbola kely. Tadidiko i Dada niteny hoe: “Marina ny an’ny Mpianatra ny Baiboly!”
Faly aho tafahaona tamin’io vehivavy io ka nirotsaka ny ranomasoko. Berta Brüggemeier no anarany. Hoy aho: “Mba ampianaro momba an’i Jehovah aho.” Niaraka foana izahay nanomboka teo, ary matetika no niresaka momba ny Baiboly. Nianarako hoe be fitiavana sy manao ny rariny ary tia filaminana i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Nianarako koa fa hesoriny ny fahoriana rehetra vokatry ny ataon’ny olombelona ratsy fanahy sy manjakazaka. Hoy ny Salamo 37:10, 11: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. ... Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”
Nafahana ary nitsoaka tatỳ Alemaina Andrefana
Nafahana aho tamin’ny 1956 rehefa nigadra dimy taona mahery. Niala tany amin’ny
RDA aho, dimy andro taorian’izay, ary nandositra tatỳ Alemaina Andrefana, niaraka tamin’i Hannelore sy Sabine zanako. Tatỳ no vita ny fisarahanay sy ny vadiko, ary nifanerasera tamin’ny Vavolombelona indray aho. Nianatra Baiboly aho ka nahatakatra fa nila niova mba hanarahana ny fitsipik’i Jehovah. Nanao fiovana maro aho ary natao batisa tamin’ny 1958.Nanambady indray aho, tatỳ aoriana. Klaus Menne no anarany ary Vavolombelon’i Jehovah izy. Sambatra am-panambadiana izahay roa ary niteraka mianadahy, dia i Benjamin sy Tabia. Mampalahelo fa niharan-doza i Klaus ka maty, 20 taona teo ho eo izay, ary tsy nanambady intsony aho. Tena mampionona ahy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Fantatro fa hitsangana ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny maty. (Lioka 23:43; Asan’ny Apostoly 24:15) Tena mampahery ahy koa ny hoe samy manompo an’i Jehovah ny zanako efatra.
Nianarako tao amin’ny Baiboly fa i Jehovah ihany no ho afaka hampanjaka ny tena rariny. Matetika no tsy hitan’ny olona ny toe-javatra rehetra misy antsika sy ny zavatra niainantsika taloha. Tsy toy ny olombelona anefa i Jehovah satria mahita an’izany. Mampilamin-tsaina ahy izany dieny izao, indrindra rehefa mahita na iharan’ny tsy rariny aho. Hoy ny Mpitoriteny 5:8: “Aza atao mahagaga anao ny mahita ny fampahoriana ny mahantra sy ny fanitsakitsahana ny rariny sy ny hitsiny ao amin’ny faritany, fa ilay ambony kokoa noho ny ambony dia manara-maso, ary mbola misy aza ny ambony noho ireo.” Mazava ho azy fa ny Mpamorona no ambony indrindra. Hoy ny Hebreo 4:13: “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.”
Mamisavisa ny lasa
Misy manontany ahy indraindray hoe nanao ahoana izany niaina tamin’ny andron’ny Nazia sy Kominista izany. Samy tsy mora izany. Hita avy amin’ireo karazana fitondrana roa ireo sy ny karazana fitondran’olombelona hafa fa tsy afaka mifampitondra ny olombelona. Marina ilay voalazan’ny Baiboly hoe: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9.
Olombelona no nantenaiko hitondra araka ny rariny, tamin’izaho mbola tanora sy tsy nisaina tsara. Fantatro anefa izao fa ny Mpamorona ihany no afaka mampanjaka ny rariny. Hesoriny ny faharatsiana rehetra ary hasainy hitondra ny tany i Jesosy Kristy Zanany, izay mihevitra ny hahasoa ny hafa foana. Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dalàna.” (Hebreo 1:9) Tena faly aho fa nampian’Andriamanitra hahalala an’io Mpanjaka mahafinaritra sy manao ny rariny io. Manantena koa aho fa hiaina mandrakizay eo ambany fifehezany.
[Sary, pejy 23]
Izahay sy Hannelore sy Sabine tamin’izahay vao tonga tatỳ Alemaina Andrefana
[Sary, pejy 23]
Izahay sy Benjamin sy Sandra vadiny