Nanafaka Azy Ireo ny Marina ao Amin’ny Baiboly
Nanafaka Azy Ireo ny Marina ao Amin’ny Baiboly
HOY i Jesosy Kristy: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) Asehon’ireto tantara ireto fa manafaka ny marina, ary manafaka amin’ny herin’ny demonia, izay mpandainga sy mpamitaka. Izy ireo no ao ambadiky ny asan’ny maizina.—Jaona 8:44.
Asongadin’ireto ohatra ireto fa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ihany no tena manafaka ny olona. Diniho izy io fa tsy handiso fanantenana anao.
[Efajoro/Sary, pejy 8]
Namboarina ireo sary
● Susanna: Mpisorona tao amin’ny tempoly iray any Brezila izy. Tiany hampiasaina hanampiana ny mahantra ny hery hafahafa nananany. Tiany koa ny “niresaka tamin’ny reniny efa maty.” Niangavian’io “reniny” io hamono tena anefa izy, mba hiarahan’izy ireo any ankoatra. Nampiady saina an’i Susanna izany ka nanonofy ratsy izy. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny vadiny, tatỳ aoriana. Niady mafy izy ireo mba ‘hanoherana ny Devoly.’ ‘Nandositra azy ireo’ ny Devoly, tamin’ny farany. (Jakoba 4:7) Milamin-tsaina izy ireo izao ary tsy manonofy ratsy intsony i Susanna. Hoy izy: “Maro ny antony hisaorako an’i Jehovah, fa ny lehibe indrindra dia noho izy nanafaka anay tamin’ny haizina.”
[Efajoro/Sary, pejy 8]
● Timothy: * Mipetraka any Afrika Andrefana izy ary moana marenina. Nankany amin’ny mpanasitrana izy, satria tsy sitran’ny dokotera. Hoy izy: “Diso fanantenana aho ka kivy be.” Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tatỳ aoriana. Nohazavaina taminy ny fikasan’Andriamanitra hanafoana ny aretina sy ny kilema rehetra. Hoy i Timothy: “Tsy andriko ny hahatongavan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, satria ‘hatao mandre ny sofin’ny marenina’ amin’izay ‘ary hihoby ny lelan’ny moana.’ ” (Isaia 35:1-6) Tiany anefa aloha izao ny mampiasa fitaovana fijerena DVD, mba hampitana ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny marenina sy hanampiana azy ireo hahita ny tena fahafahana.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Novana ny anarana sasany.
[Efajoro/Sary, pejy 9]
● Evelyn: Any Estonia izy ary nanao asan’ny maizina. Nanasitrana marary i Jesosy, ka mba te hanao toy izany koa izy. Ny reniny marary no tena tiany hampiana. Nianarany àry ny nampiasa karazana kapilim-pamantaranandro mba hamantarana sy hitsaboana aretina lehibe. Nandinika ny Baiboly izy tatỳ aoriana. Inona no vokany? Hoy izy: “Lasa takatro hoe tena voafitaka aho, ka nodorako ireo boky sy fitaovana nampiasaiko hanaovana ny asan’ny maizina.” Ampianariny amin’ny hafa izao ireo fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly, izay manafaka.
[Efajoro/Sary, pejy 9]
● Mary: Nihalehibe tany amin’ny nosy iray any Papouasie-Nouvelle-Guinée izy. Matahotra ny maty ny olona any. Natory tao ambany fandrianan’olona i Mary rehefa nisy maty teo an-tanànany. Natahotra mantsy izy sao hampitahorin’ny angatr’ilay maty raha irery. Nianarany tao amin’ny Baiboly, tatỳ aoriana, fa toy ny matory ny maty, izany hoe ao am-pasana, mandra-pahatongan’ny fotoana hananganana azy ho ao amin’ny Paradisa eto an-tany. (Lioka 23:43; Jaona 11:11-14) Tsy natahotra ny maty intsony àry izy.
[Efajoro/Sary, pejy 9]
● Alicia: Notezaina tao amin’ny fianakaviana kristianina any Etazonia izy, ary lasa tia boky sy filma momba ny asan’ny maizina. Nanomboka namisavisa ny fahamarinana nianarany tao amin’ny Baiboly izy, tatỳ aoriana. Takany fa niezaka ‘nihinana tamin’ny latabatr’i Jehovah sy ny latabatry ny demonia’ izy, raha ny marina. (1 Korintianina 10:21) Niova àry izy, ka lasa manana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra.