Tranokely any Istanbul
Tranokely any Istanbul
● Hita any amin’ny tany maro ny tranom-borona hazo. Mety tsara izy ireny mba hisakafoan’ny vorona, hampahafana azy, hanatodizany, hitaizany ny zanany, ary hiarovany tena amin’ny biby mpiremby sy ny toetrandro. Natao mitovy endrika amin’ny trano ipetrahana na fiangonana silamo na lapa, ny tranom-borona any Istanbul. * Antsoina hoe tranom-boromailala, tranom-borona, ary lapan’ny fody izy ireny.
Efa tamin’ny taonjato faha-15 tany ho any ny tranainy indrindra amin’ireny tranom-borona ireny, ary nanaraka ny bikan’ny trano tiorka. Tsotra ny tranom-borona natao, tamin’izany, nefa lasa lehibe sy be renty izy ireny, nanomboka tamin’ny taonjato faha-18. Nasiana fitoerana sakafo sy rano, sy fandehandehanana, ary lavarangana mihitsy aza ny sasany, toy ny hoe mba hitazantazanan’ny vorona. Amin’izay lafiny amin’ny trano azon’andro tsara, sy voaro amin’ny rivotra, ary tsy mora azon’ny olona na saka na alika no ametrahana azy ireny. Tsy ho an’ny vorona ihany no nanamboarana azy ireny indraindray, fa mba hampihaingoana trano koa. Mety hahitana azy ireny eny amin’ny fiangonana silamo, toerana fisotroan-drano ho an’ny besinimaro, tranomboky, tetezana, ary tranon’olona.
Mampalahelo fa maro amin’ireny tranom-borona ireny no nosimban’ny toetrandro. Ny hafa kosa nopotehin’ireo tsy miraharaha ny hasarobidiny. Efa mihavitsy ireny tranom-borona ireny nefa mety hahita azy ireny eny ambany sisin-tafontrano ihany ianao, rehefa mankany Istanbul. Raha mahaliana anao ny taotrano fahiny, dia hahafinaritra anao ny fahitana an’ireny tranokely ireny, satria efa fantatrao izao hoe inona izy ireny.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Vita tsara ireny tranom-borona ireny, nefa tsy nisy trano manokana nakana tahaka.