Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Mahatonga Antsika ho Tsara na ho Ratsy Toetra?

Inona no Mahatonga Antsika ho Tsara na ho Ratsy Toetra?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Mahatonga Antsika ho Tsara na ho Ratsy Toetra?

NIFANKAHALA sy nifamono foana ny olona hatramin’izay. Matetika anefa no misy olona tena tsara fanahy sy mahafoy tena ao anatin’ny fotoana toy ireny. Nahoana no misy olona tsara fanahy sady mpanao asa soa, nefa koa misy mpamono olona tsy misy indrafo? Nahoana no manana toetram-biby ny olona indraindray?

Tsy fahalavorariana sy feon’ny fieritreretana

Milaza mivantana ny Baiboly hoe: “Zava-dratsy foana no irin’ny [fon’ny olona], efa hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Izany no mahatonga ny ankizy ho mora maditra. (Ohabolana 22:15) Vao teraka isika rehetra dia efa mirona hanao ratsy. (Salamo 51:5) Mila miezaka isika raha te hanao ny tsara, toy ny olona mivoy lakana manohitra ny fikorianan’ny rano.

Nomena feon’ny fieritreretana koa anefa isika. Izy io no mahatonga ny ankamaroantsika hahatsapa ny atao hoe tsara sy ratsy, ka tsy hanao zavatra mety hahamenatra. Mety ho tsara fanahy ihany àry na dia ny olona tsy nampianarina hanao ny tsara aza. (Romanina 2:14, 15) Tsy maintsy miady mafy anefa isika satria mora manao ratsy, araka ny voalaza etsy ambony. Inona koa no mety hanampy trotraka an’io ady ao anatintsika io?

Simbain’ny manodidina

Maka tahaka ny manodidina azy ny tanalahy ka miovaova loko. Raha minamana amin’ny mpanao heloka bevava koa ny olona iray dia azo inoana fa hanahaka ny toetrany. Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Aza manaraka ny maro mba hanao ratsy.” (Eksodosy 23:2) Lasa manao ny tsara kosa ny olona iray raha miaraka matetika amin’ny olona manao ny marina sy tia rariny ary tsara fitondran-tena.—Ohabolana 13:20.

Tsy tokony hihevitra anefa isika hoe tsy ho voatarika hanao ratsy mihitsy raha tsy miaraka amin’ny mpanao ratsy. Mpanota isika ka efa ao amintsika mihitsy ny faniriana hanao ratsy, fa miandry ny hanatanterahana azy fotsiny izany. (Genesisy 4:7) Mety hiditra ao an-tranontsika amin’ny alalan’ny haino aman-jery koa ny faharatsiana. Matetika, ohatra, no manindrahindra ny herisetra sy ny fanaovana valifaty ny lalao video sy ny fandaharana amin’ny tele ary ny filma. Mety hahatonga antsika tsy hihontsina amin’ny fahoriana sy ny fijalian’ny hafa, na dia ny fanarahana tsy tapaka ny vaovao eran-tany sy eo an-toerana aza.

Nahoana no manimba antsika ny manodidina? Hoy ny Baiboly: “Izao tontolo izao manontolo [dia] eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19) Ahariharin’ny Soratra Masina fa mpandainga sy mpamono olona i Satana Devoly, izany hoe “ilay ratsy.” (Jaona 8:44) Mampiasa ny tontolony izy mba hahatonga ny faharatsiana hiely.

Ireo no mamolavola ny saintsika sy ny ataontsika. Mety hisy hihevitra àry fa tsy tompon’andraikitra amin’ny zava-dratsy ataony izy. Izany tokoa ve no izy? Diniho izao: Ny familiana no mibaiko ny fiara, ary ny fivoy familiana no mibaiko ny sambo. Toy izany koa fa ny saina no mibaiko na mifehy ny vatana.

Ianao no tompon-tsafidy

Mieritreritra foana isika alohan’ny hanaovana zavatra, na tsara ilay izy na ratsy. Hijinja vokatra tsara isika raha zavatra tsara sy mendri-kaja no afafintsika ao an-tsaina. Hahavita zavatra tena ratsy kosa isika, raha avelantsika hitsiry ao an-tsaintsika ny faniriana feno fitiavan-tena. (Lioka 6:43-45; Jakoba 1:14, 15) Azo lazaina hoe safidin’ny olona àry ny hanao ny tsara na hanao ratsy.

Soa ihany fa azo ianarana ny manao ny tsara, hoy ny Baiboly. (Isaia 1:16, 17) Ny fitiavana no mahatonga ny olona hanao ny tsara, satria “ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana.” (Romanina 13:10) Tsy ho vitantsika mihitsy ny hanisy ratsy olona raha tiantsika izy ireo.

Izany no nianaran’i Ray, avy any Pennsylvanie, Etazonia. Zatra niady hatramin’ny mbola kely izy, ary tsy ela dia nahazo anaram-bosotra satria tia ady. Mora misafoaka koa izy. Niova tsikelikely anefa izy rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy mora taminy foana izany. Tsapany indraindray izao tenin’i Paoly, mpanoratra Baiboly, izao: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.” (Romanina 7:21) Niezaka mafy nandritra ny taona maro i Ray, ka vitany ihany ny ‘nandresy ny ratsy tamin’ny tsara.’—Romanina 12:21.

Nahoana no tsy very maina ny ezaka ataontsika mba ‘handehanana amin’ny lalan’ny olona tsara toetra’? (Ohabolana 2:20-22) Satria tsy maintsy mbola handresy ny ratsy ny tsara. Hoy ny Baiboly: ‘Ny mpanao ratsy horinganina. Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’ (Salamo 37:9-11) Hesorin’Andriamanitra ny faharatsiana rehetra. Hoavy mahatalanjona tokoa no miandry an’izay miezaka mafy hanao ny tsara!

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Iza no tompon’andraikitra amin’izay ataontsika?—Jakoba 1:14.

● Ho vitantsika ve ny hiova?—Isaia 1:16, 17.

● Hifarana ihany ve ny faharatsiana?—Salamo 37:9, 10; Ohabolana 2:20-22.

[Sary, pejy 21]

Safidin’ny olona ny hanao ny tsara na hanao ratsy