Tsy Nivadika Nandritra ny 70 Taona Mahery
Tsy Nivadika Nandritra ny 70 Taona Mahery
Notantarain’i Josephine Elias
“Matokia fa tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy aho, na hovonoin-dry zareo na hafahany.” Izany no nobitsibitsihin’ny vadiko tamiko, tamin’izy tany am-ponja. Tapa-kevitra ny tsy hivadika koa aho, ary mbola toy izany ihany hatramin’izao.
TERAKA tany Sukabumi aho tamin’ny 1916. Tanàna kely teo amin’ny havoana iray eo andrefan’i Java, atỳ Indonezia, izy io. Sinoa mpanefohefo i Dada sy Neny. Nanana trano be sy mpiasa maro izahay. Nanan-jokilahy telo sy zandrilahy roa aho. Vavitokana aho, ka somary nitomban-dahy. Nianikanika teny ambony tafo aho ary tia nanao fanatanjahan-tena. Nisy zavatra tena nanahiran-tsaina ahy anefa.
Natahotra ny halefa any amin’ny afobe aho. Nilaza ny mpampianatra anay fa halefa any, hono, ny ankizivavy mafy loha. Nihevitra àry aho hoe halefa any, satria mafy loha. Narary aho tatỳ aoriana, tamin’izaho nianatra teny amin’ny lise teto Jakarta (Batavia taloha). Nihevitra ny dokotera fa ho faty aho. Nampionona ahy àry ilay vehivavy tompon-tranonay, ka nilaza fa ho any an-danitra tsy ho ela aho. Natahotra anefa aho hoe efa voatokana ho any amin’ny afobe.
Nikoropaka naka ahy teto Jakarta i Kang Nio reniko sy Dodo zokiko lahy. Hoy i Dodo teny an-dalana: “Hitanao! Hay ny Baiboly tsy mampianatra momba ny afobe akory!”
“Ahoana no ahalalanareo an’izany?”, hoy aho. Namaky andininy tao amin’ny Baiboly i Neny. Voalaza tao fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, ary miandry ny hananganana azy. (Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 5:28, 29) Hoy ry zareo avy eo: “Ny Vavolombelon’i Jehovah no nahalalanay an’izany.” Nomen’izy ireo ahy ilay bokikely hoe Aiza moa Ireo Maty? * Tonga dia novakiko ilay bokikely. Mbola tsy tonga tany an-trano akory izahay dia hoy aho: “Ity no fahamarinana!”
Noresahiko tamin’ny hafa ny finoako
Nifindra tany Bandung, tanàn-dehibe any Java Andrefana, izahay. Nihasitrana tsikelikely aho tany. Nisy Vavolombelona aostralianina iray nitory teto Jakarta. Clem Deschamp no anarany, ary nitsidika anay izy tamin’ny Martsa 1937. Tamin’izay no nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy natao batisa izahay sy Neny sy ireo zokiko lahy, izany hoe i Felix sy Dodo ary Peng. Lasa Vavolombelona koa, tatỳ aoriana, i Hartanto sy Jusak, zandriko lahy, ary i Tan Gim Hok, raiko. *
Nisy ezaka manokana mba hitoriana nandritra ny sivy andro, ary nanampy an’i Clem tamin’izany izahay taorian’ny batisanay. Nampianariny nitory izahay, ary karatra fitoriana nisy hafatra ara-baiboly tamin’ny fiteny telo no nampiasainay. Nitory tsy ara-potoana tamin’ny havana sy namana koa izahay. Tsy ela dia nisy fiangonana tany Bandung. Io no fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah faharoa teto Indonezia.
Nifindra teto Jakarta izahay taoriana kelin’izay, mba hitory tamin’ireo Sinoa 80 000 nipetraka teto. Lasa mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, izahay sy Neny ary Felix. Nitory tany Bandung sy Surabaya ary tany an-toeran-kafa koa aho, ary nandeha irery matetika. Mbola tanora aho tamin’izany, ary natanjaka tsara sady faly nanompo an’Andriamanitra. Nisy ady
nananontanona anefa, ary hosedraina tsy ho ela ny finoako.Fisedrana nandritra ny ady
Lasa tafiditra tamin’ny Ady Lehibe II i Azia tamin’ny Desambra 1941. Lasa teo ambany vahohon’ny tafi-panjakana japoney i Indonezia. Voarara ny bokintsika ary tsy afaka nitory an-kalalahana izahay. Nisy kilalao iray izay àry nentiko nitsidika ny olona liana, mba hiheveran’ny hafa hoe handeha hilalao fotsiny aho.
Nanambady an’i André aho tamin’ny 1943. Mpisava lalana be herim-po izy ary manana feo midoboka be sy manaitra. Nitondra boky an-tsokosoko ho an’ireo Vavolombelona eran’i Java izahay mivady. Ho nampijalijalina sy ho novonoina izahay raha tratra. Imbetsaka anefa izahay no saika tratra.
Nosakanan’ny Kempeitai, na polisy japoney, izahay mivady indray mandeha, tamin’izahay hiakatra ny lamasinina ho any Sukabumi. Nampahatahotra be ry zareo. Nisy boky tao amin’ny fanambanin’ny kitapoko, tamin’izay. Hoy ny polisy iray: “Inona no ao anatin’io kitapo io?”
“Akanjo”, hoy i André.
“Ary ny ao ambaniny?”, hoy izy.
“Akanjo hafa”, hoy i André.
“Ary inona no any amin’ny farany ambany indrindra?”, hoy ilay polisy. An-tenda ny aiko ary nivavaka mangina tamin’i Jehovah aho. Hoy i André: “Savao dia ho hitanao e!”
Natsofoky ny iray tamin’ireo polisy tao amin’ilay kitapo ny tanany. Nikiakiaka tampoka izy ary notsoahany haingana ny tanany. Hay voatsindron’ny paingotra izy! Menamenatra ilay polisy voalohany, ka nasainy nanidy haingana an’ilay kitapo sy niakatra tao amin’ilay lamasinina izahay.
Nankany Sukabumi koa izahay indray mandeha, ary fantatry ny Kempeitai hoe Vavolombelona aho, ka nentiny tany amin’ny foibeny. Nanaraka ahy koa i André sy Felix. I André aloha no nalaina am-bavany. Nototofan’izy ireo fanontaniana izy. “Fa iza ny Vavolombelon’i Jehovah? Manohitra ny fanjakana japoney ve ianareo? Sao dia mpitsikilo ianareo?”
“Mpanompon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra izahay, ary tsy nanao ratsy”, hoy i André. Nosintonin’ilay lehiben’ny polisy ny sabatra japoney iray nihantona teo amin’ny rindrina, ary nambanany izy.
“Ahoana raha vonoiko ianao”, hoy izy nibetroka. Nataon’i André teo ambony latabatra ny lohany ary nivavaka mangina izy. Nangina aloha ny rehetra. Nikakakaka mafy be avy eo ireo polisy. “Tena be herim-po ianao!”, hoy ilay polisy. Nasainy nivoaka i André ary nantsoiny izahay sy Felix. Rehefa nitovy ny zavatra nolazainay telo, dia niteny mafy ilay polisy hoe: “Mandehana mandeha fa tsy mpitsikilo ianareo!”
Nody izahay telo ary faly erỳ nidera an’i Jehovah. Tsy nampoizinay anefa hoe hisy fisedrana mafy kokoa hanjo anay tsy ho ela.
Fisedrana hafa
Nampangain’ny “rahalahy sandoka” i André, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nogadrain’ny Kempeitai. (2 Korintianina 11:26) Nitsidika azy tany am-ponja aho. Nahia kely izy sady reraka. Nitsindroka poti-tsakafo tao amin’ny fantson-dranon’ny fonja izy mba hivelomany. Tsy nahavita nampivadika azy ny mpiambina fonja. Araka ny voaresaka teo aloha, dia niteny moramora izy hoe: “Matokia fa tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy aho, na hovonoin-dry zareo na hafahany. Aleoko aza vonoin-dry zareo, toy izay hivadika!”
Nigadra enim-bolana i André ary niseho teo anatrehan’ny Fitsarana Avon’i Jakarta avy eo. Nameno an’ilay efitra fitsarana ny havanay sy ny namanay. Nitebiteby ny rehetra.
“Nahoana ianao no tsy miditra ao amin’ny tafika japoney?”, hoy ilay mpitsara.
“Miaramilan’ny Fanjakan’Andriamanitra aho”, hoy i André, “ary tsy afaka ny hiasa ao amin’ny tafika roa samy hafa ny miaramila iray.”
“Ampirisihinao tsy hiditra amin’ny tafika ve ny hafa?”, hoy ilay mpitsara.
“Tsia!”, hoy i André, “izay tiany ihany ka!”
Nanohy niaro tena i André, ary nanonona andinin-teny maro tao amin’ny Baiboly. Gaga ilay mpitsara, izay Miozolimanina nafana fo. Hoy izy: “Tsy mitovy ny zavatra inoantsika, nefa tsy hanery olona hanao zavatra mifanohitra amin’ny eritreriny aho. Afaka ianao!”
Nahatsiaro ho maivamaivana ny tao amin’ilay efitrano, ary dibo-kafaliana aho. Nanatona ahy i André ary nandray ny tanako. Nitangorona nanodidina anay ny havanay sy ny namanay, ary faly erỳ ry zareo niarahaba anay.
Nanambara ny tena fahafahana
Taorian’ny Ady Lehibe II, dia nisy tolom-bahoaka naharitra efa-taona, mba hanoherana ny mpanjana-tany holandey teto Indonezia. An’arivony ny olona maty. Foana ny tanàna sasany satria nitsoaka daholo ny mponina tao. Noteren’ireo tia tanindrazana izahay hikiakiaka hoe “Merdeka”, izany hoe “Fahafahana.” Nolazainay tamin’izy ireo anefa fa tsy momba an’iza na iza izahay amin’ny politika.
Nanohy nitory isan-trano izahay na teo aza ny herisetra. Nampiasainay tamin’izany ireo karatra fitoriana sy boky notehirizinay talohan’ny ady. Tsy dia nampidi-doza intsony ny toe-draharaha, ka nanao mpisava lalana indray izahay mivady tamin’ny Mey 1948. Izahay irery no mpisava lalana teto Indonezia tamin’izany. Nisy Vavolombelona 14 tonga teto Jakarta, telo taona tatỳ aoriana, ary faly erỳ izahay nandray azy ireo. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tany Etazonia, ry zareo. Nanampy anay hiantsoroka andraikitra fanampiny ny fampiofanana nomen’izy ireo.
Nanaiky hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany Semarang, Java afovoany, izahay mivady tamin’ny Jona 1952. Nanatrika ny kilasy faha-22 amin’ny Sekolin’i Gileada izahay, ny taona nanaraka. Niverina teto Indonezia izahay rehefa nahazo diplaoma, ary notendrena hiasa tany Kupang, any Timaoro. Nalefa tany Sulawesi Atsimo sy Sulawesi Avaratra izahay tatỳ aoriana. Nisy fisedrana hafa nahazo anay indray anefa tany.
Voarara indray ny asa
Nisy fanonganam-panjakana tamin’ny 1965, ka ana hetsiny no maty. Nisy lohandohany tao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina nandray anjara tamin’izany. Nolazainy fa Kominista ny Vavolombelon’i Jehovah. Soa ihany fa tsy mora nambakaina ny manam-pahefana. Tsy nanaiky anefa ny mpitondra fivavahana fa mbola nanendrikendrika ny Vavolombelona ihany. Voarara àry ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 25 Desambra 1976.
Nampanantsoin’ny mpampanoa lalàna tao Manado i André, tsy ela taorian’ny nanambarana hoe voarara ny asa, ka nanontaniany hoe: “Fantatrao ve fa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah?”
“Ie”, hoy i André.
“Vonona ny hiova fivavahana amin’izay ve ianao izao?”, hoy ilay mpampanoa lalàna.
Niondrika kely i André ary nataony teo amin’ny tratrany ny tanany. Hoy izy, tamin’ilay feony nidoboka: “Azonao vonoina aho, saingy tsy afaka ny hampiala ahy amin’ny fivavahako mihitsy ianao.”
Gaga be ilay lehilahy, ary niteny hoe: “Inona àry no hosoratako ato amin’ny tatitro?”
“Ataovy hoe mbola Vavolombelon’i Jehovah aho ary tsy nanao ratsy”, hoy i André.
“Tokony halaiko izany ny bokinareo”, hoy ilay lehilahy.
Ny alin’iny dia nalain’ny tanora Vavolombelona tao an-tranonay ireo boky, ary baoritra sisa no navelany. Nanohy nitory izahay ary Baiboly no nampiasainay. Tsy nanelingelina anay intsony ilay mpampanoa lalàna taorian’izay.
Tiako be ny fiainako!
Nanompo tany Surabaya, eto amin’ny Nosy Java, sy Bangka, nosy any atsimoatsinanan’i Sumatra, izahay sy André. Voatery niverina teto Jakarta izahay tamin’ny 1982, noho ny aretina. Nodimandry i André tamin’ny taona 2000, tamin’izy 85 taona. Mpisava lalana mazoto izy mandra-pahafatiny. Tsy voarara intsony ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, herintaona taorian’ny nahafatesany.
Tena tiako be ny fiainako! Efa 93 taona aho izao, ary mpisava lalana nandritra ny 70 taona mahery. Tsy nisy afa-tsy 25 ny Vavolombelon’i Jehovah teto Indonezia, tamin’ny 1937, tamin’izaho natao batisa. Efa ho 22 000 anefa izahay izao. Faly be aho nitondra ny anjara birikiko tamin’izany! Te hanompo an’Andriamanitra mandrakizay anefa aho, ka toy ny hoe vao fanombohany fotsiny izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.
^ Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy mianakavy. I Josephine sy Jusak sisa no mbola velona. Mazoto manompo an’i Jehovah eto Jakarta izy mianadahy hatramin’izao.
[Teny notsongaina, pejy 13]
“Miaramilan’ny Fanjakan’Andriamanitra aho, ary tsy afaka ny hiasa ao amin’ny tafika roa samy hafa ny miaramila iray”
[Teny notsongaina, pejy 14]
“Azonao vonoina aho, saingy tsy afaka ny hampiala ahy amin’ny fivavahako mihitsy ianao”
[Sarintany, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
Ireo toerana nipetrahanay sy nitorianay
INDONEZIA
Sulawesi
Manado
Sumatra
Bangka
Java
JAKARTA
Sukabumi
Bandung
Semarang
Surabaya
Timaoro
Kupang
[Sary, pejy 15]
Izahay sy André, teo anelanelan’ny 1970 sy 1980
[Sary, pejy 15]
Nanampy ahy hahita ny fahamarinana ilay bokikely hoe “Aiza moa Ireo Maty?”, tamin’izaho 15 taona