Rahoviana no Manomboka ny Fiainana?
Rahoviana no Manomboka ny Fiainana?
HOY i Gianna, 19 taona: ‘Nanala zaza ny reniko tamin’izy 17 taona, ary bevohoka fito volana sy tapany izy tamin’izay. Izaho ilay zaza tao an-kibony, ary velona aho fa tsy maty.’ *
Ireo no tenin’i Gianna tamin’ny 1996, teo anoloan’ny komity iray notendren’ny fitondrana amerikanina hanadihady momba ny fanalana zaza. Efa niavaka tsara ny taova sy rantsambatan’i Gianna, tamin’izy fito volana sy tapany. Ekenao angamba fa olona efa niaina izy tamin’io fotoana io, matoa izy efa olona sady velona tsara, tamin’izy nesorin’ny reniny.
Ahoana indray àry tamin’izy vao iray volana? Iray santimetatra ny halavany tamin’izay, ary mbola tsy niforona tsara ny taova sy rantsambatany. Efa tao aminy anefa ny toromarika mibaiko ny fiforonan’ny rafi-pitatitra, ka anisan’izany ny atidoha. Nitepo im-80 isa-minitra koa ny fony, ka nampikoriana ny ra tao amin’ny lalan-drany. Koa raha efa olona àry i Gianna tamin’izy fito volana sy tapany, tsy efa olona koa ve izy tamin’izy iray volana, na dia mbola tsy niforona tsara aza ny rantsambatany?
Mahagaga ny fiforonan’ny zazakely!
Manomboka miforona ny mombamomba ny zazakely iray, raha vao mikambana ny tsirilahy sy tsirivavy avy amin’ny rainy sy ny reniny, ka lasa sela tokana. Afaka mahita ny fiovana mahatalanjona mitranga ao anatin’io sela io ny mpahay siansa, noho ny fivoaran’ny teknolojia. Mitambatra ao anatin’io sela io ny ampahan’ny ADN (fanazavana momba ny ho toetoetry ny vatan’ny olona iray) avy amin’ilay ray sy reny, ka manomboka eo dia misy olona iray vaovao.
Tena mahavariana fa manomboka amin’io sela tokana io ny fiforonan’ny olombelona iray. Misy drafitra arahina amin’izany. Ao anatin’ny fototarazo, izay ampahana ADN, no misy ilay drafitra. Izy io no mirakitra ny fanazavana rehetra momba ny ho toetoetry ny vatan’ilay olona: Ny halavany, ny tarehiny, ny lokon’ny masony sy ny volony, ary ny zavatra hafa an’arivony.
Mizara ilay sela tokana avy eo, ka manome sela vaovao, izay mbola mizara koa. Voadika ao amin’ny sela vaovao tsirairay ilay drafitra manontolo tao amin’ilay sela voalohany.
Mahagaga anefa fa lasa sela samy hafa izy ireny. Ny sasany lasa selan’ny fo, na atidoha, na taolana, na hoditra. Misy aza lasa sela tantera-pahazavana eo amin’ny maso. Mahagaga tokoa ny mahatonga an’ilay drafitra ao anatin’ilay sela voalohany, izay mibaiko ny fiforonan’ny olona iray vaovao!Hoy ny manam-pahaizana atao hoe David Mark: ‘Vao sela tokana ny olona, dia efa ao anatiny daholo ny mombamomba azy. Anisan’izany ny fitomboany sy ny fiovana hitranga amin’ny vatany mandritra ny fiainany manontolo. Tsy isalasalana àry fa vao miforona mihitsy ny olona tsirairay, dia efa manana ny mampiavaka azy manokana.’
Olon-kafa mihitsy ny zaza ao am-bohoka
Vao miforona ny zaza, dia efa olon-kafa tanteraka, fa tsy ampahany amin’ny vatan’ny reniny. Raha ny ara-dalàna, dia manilika haingana azy io ny vatan’ny reniny, nefa misy fiarovana manokana ao an-kibony, izay miaro an’ilay zaza tsy horoahin’ny vatany. Ankoatra izany, dia misy hoditra manify mahatonga an’ilay zaza hitokana ao an-kibon-dreniny, ary manana ADN azy manokana izy.
Be dia be ny zaza afaka ho azy, rehefa misy tsy mety ao an-kibon-dreniny. Misy mieritreritra àry hoe tsy maninona ny manala zaza. Tsy mitovy mihitsy anefa ny hoe maty noho ny antony tsy nampoizina sy ny hoe novonoina ho faty. Haka ohatra isika: Any amin’ny tany iray any Amerika Atsimo, dia zaza 71 amin’ny 1 000 no maty isan-taona, nefa mbola latsaka ny herintaona. Azo ekena àry ve ny hamonoana zaza latsaka ny herintaona, satria fotsiny hoe efa maro ihany ny zaza maty? Mazava ho azy fa tsia!
Araka ny Baiboly, dia efa olona manana aina ny zaza ao am-bohoka. Hoy i Davida tamin’Andriamanitra: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako.” (Salamo 139:16) Ilay teny hoe “aho” dia midika fa “vao niforona” i Davida dia efa nanomboka ny fiainany, izany hoe efa ela talohan’ny nahaterahany. Nasehon’i Davida eo koa fa vao niforona izy, dia nisy drafitra misy tsipiriany “voasoratra” tao anatiny, nibaiko ny fiforonan’ny faritra amin’ny vatany, ka nahatonga azy ho olona manana ny mampiavaka azy.
Mariho koa ity andinin-teny ity: “Misy lehilahy vao miforona ao am-bohoka!” (Joba 3:3) Tsy fitambaran-tsela fotsiny no resahina eo, fa efa olona mihitsy. Araka ny Baiboly àry, dia efa olona miaina ny zaza, raha vao miforona. Amin’izay no manomboka ny fiainany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Rano masira no nampiasaina tamin’io fanalana zaza io. Rehefa tsindronina an’iny ranon-javatra iny ilay reny, dia mitelina an’ilay izy ilay zaza, ka mazàna no maty rehefa afaka adiny roa eo ho eo. Mihetsi-jaza ilay reny rehefa afaka 24 ora, ka miteraka zaza efa maty, na zaza eo am-pialana aina.
[Sary, pejy 6, 7]
Tsy fitambaran-tsela fotsiny ny zaza ao am-bohoka, na vao iray volana aza. Efa ao aminy ireo sela ho lasa taova sy rantsambatany rehefa lehibe izy
(tena habeny)