Fanomezan’Andriamanitra ny Mozika
Fanomezan’Andriamanitra ny Mozika
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA
MISY heriny eo amintsika ny hira sy mozika, satria mampitony sy mandrisika ary mampifalifaly antsika. Ny hira no anehoantsika ny hafaliana sy ny alahelo. Saiky ny olona avy amin’ny kolontsaina rehetra hatramin’izay no tia mamoaka izay ao an-tsainy sy ao am-pony, amin’ny alalan’ny hira sy mozika. Fanomezan’Andriamanitra mantsy ny mozika.—Genesisy 4:21.
Efa hatramin’ny mbola kely isika no nahare hira sy mozika. Nihirahira, ohatra, ny mamantsika mba hampatoriana antsika. Rehefa tanora indray isika dia lasa tia hiram-pitiavana. Na efa lehibe aza isika, dia mbola mankafy mozika malefaka ihany, rehefa ao anaty fiara na vizana avy niasa.
Misy hira miresaka momba ny tantaran’ny firenena iray na ny kolontsainy. Nataon’ny Israelita fahiny an-kira, ohatra, ny zava-dehibe nitranga tamin’izy ireo. (Eksodosy 15:1-21; Mpitsara 5:1-31) Nisy hira noforonin’i Mosesy mpaminany koa, miresaka ny tantaran’ilay firenena sady misy fananarana feno fitiavana. (Deoteronomia 32:1-43) Azo antoka fa nanampy azy ireo hitadidy an’izay nitranga ireny hira ireny.
Aza menatra mihira!
Mety hiteny ianao hoe: ‘Tsy mahay mihira aho!’ Diniho anefa ange ny feonao e! Afaka mamoaka feon-javamaneno maro ny olona, na dia tsy misy zavamaneno aza. Efa zavamaneno mantsy ny feo, sady azo ovaovana. Sokafy fotsiny ny vavanao dia mihirà. Tsy maninona na tsy mitehaka aza ny olona rehefa mandre anao! Mihirà foana dia hihatsara ny feonao.
Hoy ny gazety Psikolojia (espaniola): “Ny feo no fomba tsara indrindra hamoahana ny fihetseham-po, satria mifandray akaiky ireo.” Hoy koa i Ainhoa Arteta, mpihira: “Mahafinaritra [ny mihira] ... Raha te hamoaka ny ao am-ponao àry ianao, dia aza misalasala mihira!”
Mila mahay mifidy anefa isika, satria tena misy vokany eo amin’ny fo ny hira sy mozika. Ratsy mantsy ny tonon-kira sasany, fa mody ravahana feony mahafinaritra. Mety hisy resaka fankahalana, fitondran-tena maloto, na herisetra izy ireny, na an-kolaka na mivantana. Tsy tia an’izany anefa ny olona tsara toetra. (Efesianina 4:17-19; 5:3, 4) Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23) Zava-dehibe àry ny mozika fidinao. *
Mahasalama ny mozika
Hoy ny boky Toro Lalana Iatrehana ny Adin-tsaina (anglisy): “Mahasalama sy mampifalifaly ny mozika, ka izany no anisan’ny mahatonga azy io ho hita saika amin’ny kolontsaina rehetra.” Milaza koa ny boky iray fa rehefa mihira isika, dia manako eran’ny vatantsika ny feo. Mihovotrovotra àry ny any anatintsika any, ka mahazo aina sy mitatra ny tambatsela. Mampihena ny fanaintainana izany.
Asain’ny dokotera sasany mihaino mozika malefaka ny olona miady saina. Afaka mampitony azy mantsy izany. Misy aza hopitaly mandefa mozika ho an’ireo marary mafy. Matetika koa ny hira mahafinaritra no mahatsara ny olona avy nodidiana sy ny zaza teraka tsy tonga volana. Milaza ny Toro Lalana Iatrehana ny Adin-tsaina, fa “misy hormonina vokarin’ny vatana rehefa mitebiteby ny olona hodidiana.
Mihena be anefa izy io raha andefasana mozika [malefaka] izy, mandritra ny fandidiana.”Tony koa ny vehivavy raha mihaino mozika, rehefa mihetsi-jaza na eo am-piterahana. Mandefa mozika milamindamina indraindray ny mpitsabo nify, raha matahotra ny marary. Misy soa hafa koa anefa azo avy amin’ny hira sy mozika. Afaka manampy antsika hifandray tsara amin’Andriamanitra izy io.
‘Ny hira no hiderako an’Andriamanitra’
Fantatrao ve fa hira ny ampahafolon’ny Baiboly? Ny Salamo, Tonon-kiran’i Solomona, ary Fitomaniana no misongadina indrindra amin’izany. Tsy mahagaga raha hira efa ho telonjato ao amin’ny Baiboly no mifandray amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra. Mpamoron-kira sy mpitendry zavamaneno nanan-talenta, ohatra, i Davida mpanjakan’ny Israely. Hoy izy: “Jehovah no heriko ... ka ny hirako no hiderako Azy.”—Salamo 28:7.
Nanendry lehilahy 4 000 avy tamin’ny fokon’i Levy i Davida, mba hitendry zavamaneno sy hihira tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. ‘Efa nianatra hira ho an’i Jehovah’ ny 288 tamin’ireo, ary tena “nahay.” (1 Tantara 23:4, 5; 25:7) Azo antoka fa nanao famerenan-kira foana izy ireo. Zava-dehibe teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny hira, ka tsy nomena asa hafa tao amin’ny tempoly intsony ny mpihira. Amin’izay izy ireo afaka nifantoka tsara tamin’ny hira.—1 Tantara 9:33.
Ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanao hira fiderana an’Andriamanitra izy sy ny apostoliny. Ny Salamo 113 ka hatramin’ny 118 angamba izany, satria nohiraina tamin’ny Paska izy ireo, tamin’ny andron’i Jesosy. (Matio 26:26-30) Nantsoina hoe “Salamo Hallel” izy ireo, noho ilay teny miverimberina hoe “Haleloia!”, midika hoe “Miderà An’i Jah!” Ny hoe “Jah” dia fanafohezana ny hoe Jehovah, izay anaran’ilay Andriamanitra Avo Indrindra.—Salamo 83:18.
Anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra koa ny hira, tamin’ny andro kristianina. Hoy ny boky Tantaran’ny Mozika (anglisy): ‘Fanaon’ny Kristianina voalohany ny nihira. Anisan’ny fivavahan’izy ireo izany, na tany amin’ny toerana manokana na tany an-trano. Efa nahazatra ny Jiosy niova finoana izany, satria fanao tao amin’ny synagoga. Namorona hira fiderana [ny Kristianina], ho fanampin’ireo Salamo Hebreo.’ Faly koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny manao hira fiderana, rehefa mivory na any an-tranony.
Tena misy vokany eo amin’ny fo sy ny saina ary ny vatana tokoa ny hira sy mozika. Afaka mamoaka ny ao am-pontsika isika rehefa mihira. Tokony hankasitrahantsika mihitsy io ‘fanomezana tonga lafatra avy any ambony’ io. (Jakoba 1:17) Mazotoa àry mihaino mozika tsara, ary mihirà foana!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Ny olona tia an’Andriamanitra sy tia namana koa dia tsy mihaino hira momba ny fanompoan-tsampy, fanindrahindram-pirenena, na fivavahan-diso.—Isaia 2:4; 2 Korintianina 6:14-18; 1 Jaona 5:21.