Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voankazo Tena Mamy Nefa Alaina Fotsiny

Voankazo Tena Mamy Nefa Alaina Fotsiny

Voankazo Tena Mamy Nefa Alaina Fotsiny

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FAILANDY

TIA mioty voaroy any an’ala ny fianakaviana maro atỳ Skandinavia. Atỳ Failandy, ohatra, dia azo atao ny mitsangantsangana any amin’izay toerana rehetra misy ala, na dia misy tompony aza ilay izy, raha tsy manimba zavatra na manakaiky tranon’olona. Tsy voasoratra ao amin’ny lalàna izany, saingy efa fanao atỳ Skandinavia hatramin’ny ela. Azo atao àry ny mioty voninkazodia sy holatra ary voaroy, eny rehetra eny.

Misy karazana voaroy 50 eo ho eo atỳ Failandy, ary fihinana ny ankamaroany. Karazany telo no tena fahita, dia ny voaroimanga, ny voaroimavo, ary ny voaroimena. *—Jereo ireo efajoro.

Tsara atao amin’ny sakafo ny voaroy, satria misy loko sy hanitra isan-karazany, sady mahasalama. Hoy ny Boky Momba ny Voaroy any An’ala (failandey): “Mahazo masoandro mandritra ny ora maro ny voaroy atỳ Skandinavia [amin’ny vanin-taona mafana]. Izany no manome azy loko marevaka, sy hanitra isan-karazany, ary mineraly sy vitaminina maro.” Misy fibra izy io, ka mampidina kolesterola sy mampifandanja ny fatran’ny siramamy ao amin’ny ra. Inoana fa mahasalama koa ilay taharon’alkaola ao amin’ny voaroy.

Misy tombony ve ny mioty voaroy any an’ala? Hoy i Jukka, izay tena tia mioty voaroy: “Mitsitsy vola ianao raha mioty, satria lafo ny voaroy raha vidina. Azonao antoka koa hoe mbola tsy simba ilay izy satria vao notazana.” Misy tombony hafa koa, satria hoy i Niina vadiny: “Afaka miara-mitsangantsangana any an’ala izahay mianakavy, sady mioty voaroy.”

Hoy ihany i Niina: “Araho maso tsara anefa ny ankizy, sao very na mihinana voaroy tsy azo antoka.” Ilaina ny mitandrina, satria misy poizina ny voaroy sasany.

Tia mitsangantsangana any anaty ala ny ankamaroan’ny olona atỳ Skandinavia, toa an’i Jukka sy Niina. Hoy i Niina: “Tiako ny mankany an’ala satria mahafinaritra, mangingina, madio, ary tsara rivotra. Milamin-tsaina ianao, satria mba miova amin’ny mahazatra, ary faly koa ny ankizy.” Hitan’izy mivady fa afaka misaintsaina tsara izy ireo any an’ala, satria mangingina. Afaka miresaka tsara koa ny mpianakavy.

Amin’ilay izy vao otazana iny no tena tsara sy be otrikaina ny voaroy. Mora simba anefa izy ireny ka tsy maintsy misy fomba itehirizana azy, raha tiana haharitra hatramin’ny ririnina. Notehirizina tany anaty lakaly ny voaroy, taloha, fa izao kosa atao anaty frizidera. Matetika koa izy ireny no atao kaonfitira na ranom-boankazo.

“Mahafinaritra erỳ ny mamoaka ireny [voaroy] notehirizina ireny, rehefa tena ao anatin’ny ririnina mamirifiry. Mahatsiaro ny lohataona lasa ianao amin’izay, ary tsy andrinao indray izay hiavian’ny lohataona manaraka.” Izany no tenin’ny mpanoratra soedoà iray, ao amin’ny Boky Momba ny Voaroin’i Soeda, ary marina ny azy. Azo ampiasaina amin’ny fomba maro ny voaroy. Azo atao sakafo maraina izy io, ka hohanina miaraka amin’ny yaorta, na miaraka amin’ny voa madinika nohamainina na nandrahoina. Tsara be koa izy io raha atao tsindrin-tsakafo, na anaovana mofomamy. Azo aroso miaraka amin’ny sakafo isan-karazany ny voaroy nopotsehina na natao kaonfitira.

Olona maro no mividy voaroy eny an-tsena. Alao sary an-tsaina anefa hoe any anaty ala ianao e! Tsara ny andro, madio ny rivotra, tony sy milamina ny manodidina, ary iny ianao fa mioty voaroy mamy be sady mareva-doko! Mahazo voankazo tena tsara ianao, nefa tsy mandoa vola akory! Mampahatsiahy antsika ny tenin’ny mpanao salamo izany, manao hoe: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.”—Salamo 104:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ireo voankazo kely misy nofony no ataontsika hoe “voaroy”, satria izay no fiantsoan’ny olona azy. Matetika izy ireny no misy voany kely be dia be. Sokajin’ny manam-pahaizana ho iray tarika amin’ny voaroy ny akondro sy ny voatabiha.

[Efajoro/​Sary, pejy 24, 25]

VOAROIMANGA (Vaccinium myrtillus)

Voaroy mamy be izy io ary matetika no atao podinina, kaonfitira, ranom-boankazo, na potsehina mba hahazoana ranony marihitra. Azo anaovana mofomamy koa izy io. Tena tsara ny voaroimanga asiana ronono. Tandremo anefa sao mihinana azy mangingina, ka mihevitra hoe tsy hisy hahalala. Lasa mangamanga mantsy ny vavanao avy eo. Izany no iantsoana azy hoe voaroy be tati-bolana.

[Efajoro/​Sary, pejy 25]

VOAROIMAVO (Rubus chamaemorus)

Maniry hatrany anaty honahona izy io. Any avaratra no tena ahitana azy atỳ Failandy. Be ranony sady misy otrikaina izy io, ary be vitaminina A sy C. Avo telo na efatra heny noho ny vitaminina C ao amin’ny voasary no ao aminy. Be mpitia ny voaroimavo, ary misy miantso azy hoe volamena anaty honahona. Manome tsiro hafakely izy io rehefa afangaro amin’ny tsindrin-tsakafo, sady azo anaovana toaka mamy tena tsara.

[Sary nahazoan-dalana]

Reijo Juurinen/Kuvaliiteri

[Efajoro/​Sary, pejy 25]

VOAROIMENA (Vaccinium vitis-idaea)

Mitovitovy amin’ny goavitsinà izy io ary mena be ny lokony. Tena betsaka azy atỳ Failandy sy any Soeda. Tsara aroso miaraka amin’ny sakafo hafa izy io, rehefa avy nopotsehina na natao kaonfitira. Azo atao podinina, ranom-boankazo, ary mofomamy izy io, na koa potsehina mba hahazoana ranony marihitra. Tsy mora simba ny voaroimena satria misy taharo marikivy ao anatiny. Tsy tonga dia tian’ny olona izy io, angamba noho izy marikivy be.

[Efajoro, pejy 25]

Ao Anatin’ny Mangidy no Ahitana ny Mamy!

Mahafinaritra erỳ ny mioty voaroy. * Misy zava-tsarotra ihany anefa. Mpioty voaroy i Pasi sy Tuire, mpivady avy any Laponie. Amidin’izy ireo izay azony, ary ny sasany hohaniny. Matetika izy ireo no sorena rehefa mioty voaroy, satria itangoronan’ny bibikely toy ny moka na lalitra. Nahatsiravina an’i Tuire izany. Hoy izy: “Mahasosotra be ilay izy. Tafiditra any am-bavanao sy any anaty masonao mihitsy izy ireo indraindray.” Soa ihany fa afaka manao akanjo mety amin’izany ianao, na mitondra fanafody famonoana bibikely.

Mety hanahirana koa ny lalana mankany an’ala, indrindra any amin’ny toerana misy honahona. Misy faritra sasany mantsy jerena toa maina nefa hay mampilentika. Tena mandreraka koa ny fiotazana, araka ny tenin’i Pasi sy Tuire. Miondrika sy mininginingina mandritra ny ora maro mantsy ianao, ka mety ho vizana be ny lamosina sy ny tongotra.

Sarotra koa indraindray ny mahita voaroy. Hoy i Pasi: “Mila manana fikirizana ianao raha te hahita toerana feno voaroy.” Hoy indray i Tuire: “Ny mitady no mandreraka kokoa matetika noho ny mioty.” Tsy maintsy mbola diovina koa ny voaroy rehefa azo.

Misy àry mihevitra fa sarotra loatra ny maka voaroy, ka aleo izy ireny hohanin’ny biby any an’ala ihany. Maro anefa no mbola mazoto mioty, toa an’i Pasi sy Tuire, ka mandeha isan-taona any anaty ala sy honahona. Tsy mampaninona azy ireo izay zava-tsarotra any, satria tena fahafinaretana ho azy ny mioty voaroy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 27 Tsy fihinana ny voaroy sasany satria misy poizina. Fantaro aloha izay karazany azo hanina, vao mioty any an’ala ianao.