Manjaka Eran-tany ny Faharatsiana
Manjaka Eran-tany ny Faharatsiana
“HITA hatraiza hatraiza ny fitaka”, hoy i David Callahan, tao amin’ilay boky nosoratany vao haingana hoe Lasa Fomba Fiaina ny Fitaka (anglisy). Notanisainy, ohatra, ny karazana fitaka fahita any Etazonia. Nilaza izy fa “mifraody ny mpianatry ny lise sy oniversite.” Mamoaka hira sy filma “piraty” koa ny olona, na mangalatra rehefa any am-piasana, na tsy miasa fa ilaozana manao zavatra hafa. Eo koa ny “fisolokiana eo amin’ny sehatry ny fitsaboana”, sy ny fampiasan’ny mpanao fanatanjahan-tena fanafody mampahatanjaka. “Rehefa dinihina izany sy ny fandikan-dalàna hafa rehetra, dia hita fa efa manjaka izaitsizy ny faharatsiana.”
Hoy Ny Gazetin’i New York (anglisy), momba izay nitranga tany Etazonia, rehefa nandalo ny Rivo-doza Katrina tamin’ny Aogositra 2005: “Mbola tsy nisy mihitsy fisolokiana sy fanambakana goavana toy izay nitranga tamin’iny rivo-doza iny. Tamin’iny koa ny fanjakana no tsy nahay niasa indrindra.” Hoy ny senatera amerikanina iray: “Tsy menatra mihitsy ireo mpanambaka, ary tena sahy ireo mpisoloky. Be loatra koa ny vola verivery fotsiny. Tsy mampino ilay zava-nitranga.”
Marina fa mbola misy ihany ny olona tsara fanahy fa tsy tia tena. (Asan’ny Apostoly 27:3; 28:2) Matetika anefa isika no mandre olona miteny hoe: “Misy ho ahy ve aloha amin’izany e? Inona no tombony ho ahy?” Toa izay hahasoa ny tenany ihany no tadiavin’ny olona voalohany. Izany no toe-tsaina manjaka ankehitriny.
Voalaza fa anisan’ny naharava ny fanjakana maro fahiny ny fitiavan-tena sy ny faharatsiam-pitondran-tena mibaribary, izay nanjaka teo anivony. Iray tamin’ireny fanjakana rava ireny ny Fanjakana Romanina. Mety hisy fiovana goavana hitranga koa ve ankehitriny, rehefa jerena ny zava-misy? Tena ‘mitombo’ ve ny “fandikan-dalàna” eran-tany? Milaza mantsy ny Baiboly fa raha izany no mitranga, dia efa ho rava ity tontolo ity.—Matio 24:3-8, 12-14; 2 Timoty 3:1-5.
Efa eran-tany mihitsy ny faharatsiana
Nisy fanadihadiana natao tany amin’ireo tanàna mahantra any Ouganda, “momba ny fametavetana sy ny sary mamoafady.” Hita tamin’izany, araka ny gazety Vaovaon’i Afrika (anglisy) tamin’ny 22 Jona 2006, fa “tsy dia miraharaha ny zanany ny olona any amin’ireny tanàna ireny, ka izany no mahabetsaka ny ankizy mivaro-tena sy midoroka zava-mahadomelina.” Hoy ihany ilay gazety: “Nitombo be ny fametavetana ankizy sy ny herisetra ao an-tokantrano, araka ny tenin’Atoa Dhabangi Salongo, polisy miandraikitra ny fiarovana ny ankizy sy ny fianakaviana, any Kawempe.”
Nilaza ny mpitsabo aretin-tsaina iray any Inde, fa “tsy manaraka intsony ny fitsipika momba ny fitondran-tena navelan’ny razana ny olona” any. Hoy ny mpanatontosa filma iray any an-toerana: ‘Mihabetsaka ny olona midoroka zava-mahadomelina sy mijangajanga eto Inde. Tena efa manomboka manaram-po amin’ny faharatsiana, toy ny Eoropeanina sy ny Amerikanina, ny olona eto.’
Hoy i Hu Peicheng, sekretera jeneralin’ny Fikambanana Mpandinika Momba ny Firaisana, any Beijing, any Chine: “Nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy ny mponina teto taloha. Samy manao izay tiany fotsiny anefa ny olona izao.” Hoy koa ny gazety Chine Ankehitriny (anglisy): “Mihatsy mampaninona ny olona ny fanitsakitsaham-bady.”
Hoy ny Gazetin’i Yorkshire any Angletera, vao haingana: ‘Toa vonona hiboridana daholo ny olona, ka hampiseho ny filahiany na ny fivaviany, mba hahalafosana entana. Nanafintohina olona maro izany, 50 taona lasa teo ho eo izay. Ahitana sary isan-karazany momba ny firaisana anefa izay toerana rehetra alehanao ankehitriny. Tsy heverin’ny ankamaroan’ny olona ho ratsy intsony koa ny boky sy sary mamoafady.’ Hoy ihany io gazety io: “Fahiny, dia nisy boky na filma tsy azo nojeren’ny olona latsaka ny 18 taona. Lasa tsy mampaninona
ny fianakaviana manontolo anefa izao ny mijery izany. Misy amin’izy ireny aza natao ho an’ny ankizy, araka ny tenin’ireo mpanohitra ny boky sy sary mamoafady.”Milaza Ny Gazetin’i New York, fa tsy menatra miresaka momba ny firaisana nataony ny ankizy sasany. Toy ny miresaka zavatra hafa amin’ny fiainana andavanandro ihany izy ireo amin’izany. Izao no nolazain’ny gazety Vaovaon’ny Ankizy (anglisy), natao hanoroana hevitra ny olona manan-janaka 8 ka hatramin’ny 12 taona: ‘Nanoratra izao hafatra mahavaky fo izao ny ankizivavy iray: “Teren’i Neny hitady ankizilahy hiarahana sy hanaovana firaisana aho, nefa izaho vao 12 taona. Ampio aho!” ’
Niova tokoa ny olona! Nilaza ny gazety Kintan’i Toronto (anglisy), fa vao haingana no “nanafintohina ny olona ny nahita lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy, sahy miray trano.” Tsy izany intsony anefa ny zava-misy. Hoy i Barbara Freemen, mpampianatra momba ny fiaraha-monina any amin’ny Oniversiten’i Carleton, any Ottawa: “Izao no toe-tsain’ny olona ankehitriny: ‘Samy manana ny fiainany io, ka aza miditra amin’ny fiainan’ny hafa.’ ”
Hita àry fa nitombo haingana be, tato ho ato, ny faharatsiana any amin’ny faritra maro maneran-tany. Inona no nahatonga izany fiovana goavana izany? Ahoana no hevitrao? Hanao ahoana ny hoavy?