Kamtchatka—Toerana Mahavariana any Rosia
Kamtchatka—Toerana Mahavariana any Rosia
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ROSIA
TELONJATO taona mahery lasa izay, dia nahita saikinosy feno tendrombohitra ny Rosianina mpikaroka tany vaovao, rehefa niantsinanana nankany Azia. Kamtchatka no anaran’izy io. Mitomandavana mianatsimo mankany amin’ny Oseana Pasifika izy io, ka manasaraka ny Ranomasina Okhotsk sy ny Ranomasina Béring. Lehibe kokoa noho i Italia io tany kanto io. Feno zavatra tsara tarehy any, nefa tsy fantatra ny ankamaroany. Mbola tsy be mpahalala koa i Kamtchatka.
Tsy dia mamirifiry ny ririnina any amoron-tsiraka, raha oharina amin’ny any afovoan-tany. Mahatratra 6 metatra mahery ny haavon’ny lanezy any amin’ny toerana sasany any afovoan-tany, ary efa ho 12 metatra aza indraindray! Feno zavona avy any an-dranomasina i Kamtchatka mandritra ny vanin-taona mafana, ary mifofofofo be ny rivotra. Mandrobona tsara ny zavamaniry, satria be dia be ny orana. Tany avy amin’ny volkano koa no aniriany. Ahitana hazo madinika toy ny voaroy sy bozaka mitovy halava amin’ny olona any, ary voninkazodia tsara tarehy, toy ilay raozy atao hoe mpanjakavavin’ny saha.
Efa ho ny ampahatelon’ilay saikinosy no feno an’ilay hazo atao hoe hazon’i Erman. Folaka sy miolikolika ny vatan’izy ireny sy ny rantsany, noho ny rivotra mifofofofo sy ny lanezy be loatra. Ela izy ireny
vao mitombo, ka tena mafy toto. Matanjaka be koa ny fakany, ka afaka maniry eny rehetra eny izy. Misy mihitsy aza maniry mitsivalana eo amin’ny hantsam-bato! Mitsimoka ny raviny rehefa volana Jona, na dia mbola misy lanezy kely aza matetika amin’ny toerana sasany. Mivadika ho mavo ny lokon’ny raviny rehefa volana Aogositra, ary izany no famantarana fa ho avy ny ririnina.Volkano sy ranomafana
Eo amin’ilay faritra be horohoron-tany, manamorona ny Oseana Pasifika, no misy an’i Kamtchatka. Antsoina hoe Ceinture de Feu na Fehikibo Mirehitra iny faritra iny. Izany no mahatonga an’i Kamtchatka ahitana volkano 30 eo ho eo, izay mbola mipoaka hatramin’izao. Voalaza fa manana “tendrony tsara tarehy aoka izany” ny volkano Klyuchevskaya, ka “tena mahavariana.” Mahatratra 4 750 metatra ambonin’ny ranomasina ny haavon’izy io, ka izy no volkano lehibe indrindra mbola mipoaka, any Eoropa sy Azia. Voalaza fa nipoaka in-600 mahery ny volkano tany Kamtchatka, nanomboka tamin’ny 1697, taona nahatongavan’ny Rosianina tany.
Nipoaka, ohatra, ny volkano tany amin’ny faritr’i Tolbachik, teo anelanelan’ny 1975 sy 1976, ka niteraka afom-bolkano tafakatra hatrany amin’ny 2 500 metatra! Nisy lavenona matevina toy ny rahona, sy pitik’afo manjelanjelatra nivoaka avy tao. Tsy nitsahatra nipoaka ilay tendrombohitra nandritra ny herintaona sy dimy volana mahery, ka lasa nisy tendrony efatra fanampiny teo aminy. Ritra tanteraka ny farihy sy renirano. Maro be koa ny hazo maina hatrany amin’ny fakany, satria nirarahan’ny lavenona mahamay. Lasa karakaina ny toerana midadasika maro feno zava-maitso.
Soa ihany fa ireo volkano any amin’ny toerana tsy misy mponina no matetika mipoaka, ka vitsy ihany ny olona maty. Na izany aza, dia mitandrina be ny olona mandeha mitsangantsangana any, indrindra rehefa mankany amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana, izay eo am-pototry ny volkano Kichpinych. Feno gazy mahafaty avy amin’ny volkano ao amin’ilay lohasaha, rehefa tsy misy rivotra mitsoka, indrindra amin’ilay lohataona mahamay be iny. Mety ho faty àry izay biby mandeha ao. Efa nahitana fatina orsa folo sy fatim-biby hafa maro tao.
Midadasika be ny vava volkano sasany any Kamtchatka, anisan’izany ny vava volkano Uzon. Ny atao hoe vava volkano, dia lavaka be miendrika koveta eo amin’ny tendron’ny volkano efa nipoaka. Ahitana lavaka misy fotaka mangotrakotraka ao amin’ny vava volkano Uzon. Misy farihy mamoaka etona koa ao, ary feno ahidrano maro loko ao anatiny. Ankoatra izany, dia misy lohasaha feno loharano mafana mifantsitsitra ao, ary tamin’ny 1941 no nahitana azy io voalohany. Isaky ny roa na telo minitra ny loharano sasany no mifantsitsitra. Ny hafa
kosa isaky ny andro vitsivitsy. Mitaingina helikoptera ny olona rehefa mankany amin’ireo toerana mahavariana ireo, izay any amin’ny 180 kilaometatra eo ho eo any avaratry ny tanànan’i Petropavlovsk-Kamtchatski. Mora simba anefa ireo toerana ireo, ka ferana foana ny isan’ny mpitsangantsangana mahazo mankany. Misy toerana enina natao Lova Iraisam-pirenena mihitsy aza, mba hiarovana azy ireo tsy ho simba.Manana ranomafana be dia be koa i Kamtchatka. Mahatratra 30 ka hatramin’ny 40 degre ny hafanan’ny maro amin’izy ireny, ka tian’ny olona ny mandro ao aminy, indrindra amin’ny ririnina, izay lava be sady mamirifiry. Ampiasaina hamokarana herinaratra koa ny hafanana avy amin’ireny rano ireny. Tao amin’io saikinosy io no nisy ny toerana voalohany namokaran’ny Rosianina herinaratra avy amin’ny ranomafana.
Orsa sy trondro ary voromahery
Mbola misy orsa volontsôkôlà 10 000 eo ho eo any Kamtchatka. Manodidina ny 150 ka hatramin’ny 200 kilao ny lanjany. Mety hahatratra avo telo heny noho izany anefa ny lanjany, raha tsy misy mamono izy. Nihevitra ny orsa ho toy ny “rahalahiny” ny razamben’ny Itelmènes, olona tompon-tany any Kamtchatka, ka nanaja azy ireny. Niova anefa izany, rehefa nanomboka tonga tany ny basy. Matahotra izao ny mpiaro ny tontolo iainana sao ho lany tamingana ireny orsa ireny.
Tia mitokantokana ny orsa, ka mahalana vao hita. Be dia be anefa ny orsa mankeny amin’ny renirano, rehefa volana Jona, mba hihinana ilay trondro atao hoe saumon. Manatody eny amin’ny renirano mantsy io trondro io amin’izay. Mety hahalany trondro 24 ny orsa iray, isaky ny mankeny! Nahoana izy ireo no mirangorango toy izany? Tsy maintsy manangona menaka ny orsa amin’ny vanin-taona mafana, mba hahavelona azy mandritra ny ririnina. Tsy misy sakafo firy mantsy amin’izay, sady mamirifiry be ny andro. Matory ao an-davaka ny orsa rehefa ririnina, mba tsy hahareraka azy.
Tia mihinana saumon koa ilay vorona atao hoe voromaherin’i Steller. Tsara tarehy izy io, ary mahatratra roa metatra sy sasany ny halavan’ny elany roa mivelatra. Mainty avokoa ny volony afa-tsy ny eo amin’ny sorony, izay miloko fotsy. Fotsy koa ny rambony, ary matsokotsoko. Efa 5 000 eo ho eo sisa izao no isan’izy ireo, nefa mbola mihavitsy. Any amin’iny faritra iny ihany no ahitana azy ireo. Hita tsindraindray any Alaska koa anefa izy ireo, any amin’ny nosy Aléoutiennes sy Pribilof. Tsy miova akany mihitsy izy ireo isan-taona, fa ny eo ihany no amboamboariny sy itariny. Nahatratra telo metatra mihitsy aza ny savaivon’ny akany iray, ka navesatra be, ary tapaka ilay hazon’i Erman nisy azy!
Ny mponina any Kamtchatka
Rosianina ny ankamaroan’ny mponina any Kamtchatka ankehitriny. Mbola misy tompon-tany an’arivony tavela ihany anefa any, ka ny Koryak, foko any avaratra, no betsaka indrindra. Mbola misy foko hafa koa any, toy ny Chukchi sy ny Itelmènes. Samy manana ny fiteniny izy ireo. Mipetraka any Petropavlovsk-Kamtchatski ny ankamaroan’ny mponina. Any no misy ny biraom-panjakana. Zara raha misy mponina kosa ny faritra hafa ao amin’ilay saikinosy. Sambo sy fiaramanidina ihany no tonga any amin’ny ankamaroan’ny tanàna kely amoron-tsiraka sy amoron’ny renirano.
Ny fanaratoana trondro sy foza no tena fidiram-bolan’ny mponina. Tena tian’ny olona ny foza mena ngezabe any Kamtchatka. Mirefy iray metatra sy sasany mahery izy, manomboka eo amin’ny tendron’ny tanabeny havia ka hatramin’ny tendron’ny tanabeny havanana. Variana erỳ ny olona eny an-tsena mijery azy. Ilay izy koa moa mena midorehitra rahateo.
Nanomboka nitsidika an’i Kamtchatka ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1989. Tsy hanarato trondro anefa no anton-diany. “Mpanarato olona” kosa izy ireo, satria mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ireo mponina any amin’io faritra mitokana io. (Matio 4:19; 24:14) Nandray tsara azy ireo ny olona sasany. Ireny indray izao no manampy olon-kafa hahalala an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mpamorona, ka hanompo azy fa tsy hanompo sampy. Olona maro àry no tsy matahotra ny fanahy ratsy intsony. (Jakoba 4:7) Ianaran’izy ireo koa fa hofoanana ny faharatsiana rehetra eto an-tany, ary haringana ny mpanao ratsy. Amin’izay ny tany dia ho “henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:9.
[Efajoro/Sary, pejy 18]
VAVA VOLKANO MAMPITOLAGAGA
Mahatratra 10 kilaometatra eo ho eo ny savaivon’ny vava volkano Uzon. Volkano iray nipoaka fahiny no nampisy azy io. Mitsatoka be ny tendrombohitra manodidina azy. Milaza ny boky iray fa hita ao ny “zava-drehetra mampahalaza an’i Kamtchatka.” Misy loharano mangatsiaka sy loharano mafana ao, fotaka mangotrakotraka be, rihitra avy amin’ny volkano, zavamaniry isan-karazany, ary farihy madio mangalahala feno trondro sy gisabe.
Fohy dia fohy ny fararano, nefa tena tsara tarehy ny faritra rehetra taza-maso amin’izay. “Vitsy kely ny toerana toy izany eto an-tany”, hoy ny boky iray miresaka momba ireo zavatra mahavariana any Kamtchatka. Hahita loko maro miavaka tsara ianao any. Mena be ny lokon’ny tany maina. Mavo antitra sy mivolom-bolamena kosa ny ravin’ny hazon’i Erman. Ahitana fotaka mangotrakotraka, mamoaka etona manopy fotsy, etsy sy eroa. Tafakatra avo be ilay etona, ka tazana tsara satria manga ny lanitra. Toy ny mihira koa ny hazo amin’ny maraina. Misy ravin-kazo tsy hita isa rakotry ny lanezy mantsy milatsaka amin’ny tany, ka maneno kely. Izany no famantarana fa ho avy tsy ho ela ny ririnina.
[Efajoro, pejy 19]
FARIHY MAHAFATY!
Tamin’ny 1996, dia nipoaka ny volkano iray tao ambanin’ny Farihy Karymsky, na dia noheverina ho efa tsy mipoaka intsony aza. Niteraka onja avo be nahatratra 10 metatra izany, ka simba daholo ny hazo teny amin’ny manodidina. Tao anatin’ny minitra vitsy monja, dia lasa feno asidra be ilay farihy, ka tsy azon’ny zavaboary niainana intsony. Nilaza anefa ilay mpikaroka atao hoe Andrew Logan, fa tsy nahitana fatim-biby teny akaiky teny, na dia teo aza ny lavenona avy tamin’ilay volkano, sy ny onja nanimba ny moron’ilay farihy. Hoy ihany izy: ‘Nisy trondro an-tapitrisany tao amin’ny Farihy Karymsky, talohan’ny nipoahan’ilay volkano. Tsy nisy zavamananaina intsony anefa tao, taorian’izay.’ Angamba nandositra niala tao ny trondro. Milaza ny mpahay siansa fa mety ho nisy fomba nahafantaran’ireo trondro mialoha hoe hisy loza hitranga, ka nahafahany nandositra nankao amin’ny Renirano Karymsky, teo akaiky teo. Tsapan’izy ireo angamba fa niova ny zavatra sasany tao anatin’ilay rano.
[Sarintany, pejy 16]
(Jereo ny gazety)
ROSIA
KAMTCHATKA