Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaina eo Am-pototry ny Volkano

Miaina eo Am-pototry ny Volkano

Miaina eo Am-pototry ny Volkano

Tsy ampoizina mihitsy izay hafitsoky ny volkano. Mety tsy hihetsika mandritra ny taonjato maro izy ireny, nefa mety hipoaka tampoka ka hampitolagaga. Mahafaty koa anefa izy ireny. Potika tanteraka ao anatin’ny minitra vitsy monja ny tanàna manodidina ary ripaka daholo izay zavamananaina ao.

AZO antoka fa hanaiky ny rehetra hoe mampidi-doza ny volkano. Olona ana hetsiny no efa matin’izy ireny tao anatin’ny 300 taona lasa. Marina fa miaina any amin’ny toerana lavitra ny volkano ny ankamaroantsika. Olona an-tapitrisany anefa eran-tany no mipetraka eny akaikin’ny volkano velona. Eo avaratrandrefana kelin’i Quito renivohitr’i Ekoatera, ohatra, no misy ny Volkano Pichincha. Tokony ho 60 kilaometatra monja avy ao Mexico koa no misy ny Volkano Popocatépetl, izay midika hoe “Tendrombohitra Manetroka” amin’ny teny azteka. Ankoatra izany, dia eo am-pototry ny volkano na eo akaikiny no misy ny tanàn-dehibe, toa an’i Auckland any Nouvelle-Zélande, sy Naples any Italia. Tsy ampoizin’ireny olona an-tapitrisany ireny mihitsy àry izay hitranga. Mety hirohondrohona mafy tampoka mantsy ny tany indray andro any, ka hipoaka ilay volkano.

Volkano mampidi-doza

Efa 3 000 taona teo ho eo izay no nipetraka teo akaikin’ny Volkano Vésuve ny mponin’i Naples. Any amin’ny 11 kilaometatra monja avy eo Naples no misy azy io. Voahodidin’ilay volkano tranainy atao hoe Monte Somma izy io. Anisan’ny volkano mampidi-doza indrindra eto an-tany i Vésuve. Lehibe kokoa noho izay taza-maso io tendrombohitra io, satria mbola iva noho ny ranomasina ny fotony.

Efa nipoaka imbetsaka ny Volkano Vésuve. Indimampolo mahery izany no nitranga nanomboka tamin’ny taona 79. Nandrava ny tanànan’i Pompéi sy Herculanum izy io, rehefa nipoaka tamin’io taona io, ary nalaza be izany. Nahafaty olona 4 000 teo ho eo koa izy io sady nanimba zavatra maro, rehefa nipoaka tamin’ny 1631.

Tsy nitsahatra nihetsika izy io, nandritra ny taonjato maro. Nipoaka indray izy io tamin’ny 1944, tao anatin’ny Ady Lehibe II, ka rahon-davenona no nitsena ny miaramilan’ny Mpiray Dina nanafika an’i Italia. Tototra ny tanànan’i Massa sy San Sebastiano, teo akaikin’i Vésuve. Rakotra tao koa ilay lamasinina funiculaire mpiakatra tendrombohitra, izay nanjary nalaza noho ilay hira italianina hoe “Funiculì, Funiculà.”

Toa variana amin’ny fiainany ny mponin’i Naples ankehitriny, ka manadino ny loza mananontanona azy. Talanjona ny mpizaha tany rehefa mahita an’ireo trano sy toerana manan-tantara any. Feno olona mifanaretsaka ny fivarotana sy hotely fisakafoana. Be dia be ny sambolay mivezivezy eo amin’ny Helodranon’i Naples. Mbola mahasarika olona maro koa i Vésuve, ka heverina ho toerana mahafinaritra fa tsy mampidi-doza.

Auckland: Tanàna feno volkano

Feno volkano ny tanànan’i Auckland any Nouvelle-Zélande. Monina eo anivon’ny volkano madinika 48 ireo olona iray tapitrisa mahery any. Misy seranan-tsambo roa eo amin’ny toerana iva nisy volkano taloha. Sisam-bolkano koa ireo nosy manodidina azy. Ny Nosy Rangitoto no tena tazana tsara. Efa 600 taona no nisian’izy io, ary mitovy haavo ny andaniny roa aminy, toa an’i Vésuve ihany. Rehefa nipoaka ny volkano ka nipoitra avy tao anaty rano ny Nosy Rangitoto, dia tototry ny lavenona ny tanàna maori iray teo akaiky teo.

Efa zatra miaina eny akaikin’ny volkano ny mponin’i Auckland. Zaridainam-panjakana sy fiompiana ondry izao ny Volkano Maungakiekie, ary eo afovoan’i Auckland no misy azy. Lasa farihy na valan-javaboary na toerana fanaovana fanatanjahan-tena ny volkano sasany. Misy anankiray lasa toeram-pandevenana. Maro no manorim-ponenana eny amin’ny tehezan’ny volkano, satria mahafinaritra ny mitazantazana eny.

Ny Maori no nipetraka tany Auckland voalohany, ary tonga tany ny Eoropeanina, 180 taona lasa izay. Toa tsy nieritreritra loatra ny tantaran’ireo volkano tao izy ireo. Ilay izy hoe tsy nisy nipetraka sy amoron-dranomasina sady lonaka kosa no nahasarika azy. Lonaka toy izany koa ny toerana hafa misy volkano eran-tany. Eo am-pototry ny volkano velona, ohatra, no misy ny faritra sasany mahavoka-bary indrindra any Indonezia. Tany nisy volkano fahiny ny ankabeazan’ny toeram-pambolena mahavokatra indrindra any amin’ny faritra andrefan’i Etazonia. Herintaona latsaka aorian’ny ipoahan’ny volkano, dia efa afaka mamokatra ny faritra tototry ny ranoka volkano, raha tomombana ny zavatra ilain’ny zavamaniry.

Fampitandremana aloha be

Maro no mety hieritreritra hoe: ‘Tsy atahorana hampidi-doza ve ny miaina eny akaikin’ny volkano?’ Izany tokoa. Afaka manara-maso akaiky ny fihetsehan’ny horohoron-tany sy ny volkano anefa ny manam-pahaizana. Mandinika akaiky ny volkano velona eran-tany, ohatra, ny Fikambanana Amerikanina Manadihady Momba ny Tany. Anisan’izany ny any Naples sy Auckland, izay efa misy foto-drafitrasa momba ny vonjy taitra. Mba hanaraha-maso ny fihetsehan’ny ranoka volkano sy ny soson-tany, dia mampifandray fitaovam-pandrefesana horohoron-tany eran’izao tontolo izao ny manam-pahaizana. Mampiasa GPS koa izy ireo. Fitaovana mifandray amin’ny satelita izy io, ary miasa tsy an-kiato.

Arahi-maso akaiky foana i Vésuve. Tena mailo ny fitondram-panjakana italianina ka nametraka foto-drafitrasa momba ny vonjy taitra, mba ho vonona raha sendra misy fipoahana mahery vaika toy ilay tamin’ny 1631. Milaza ny manam-pahaizana fa azo atao ny mampitandrina ny olona eny amin’ny faritra tena mampidi-doza, sy mandefa azy ireo any amin’ny toerana azo antoka, alohan’ny hipoahan’ny volkano.

Voalazan’ny manam-pahaizana fa mety ho volkano vaovao mihitsy no hipoitra any Auckland, fa tsy ny taloha no hipoaka. Lazain’izy ireo fa tsy maintsy misy horohoron-tany maharitra andro maromaro na herinandro maromaro, alohan’izany. Efa fampitandremana ho an’ny olona izany, ka manam-potoana tsara izy ireo handosirana any amin’ny faritra azo antoka.

Mila mailo foana

Tena ilaina ny fanaraha-maso an’ireo volkano. Tsy hisy dikany anefa izany raha tsy arahina akory ireo fampitandremana. Efa nampiomanina, ohatra, ny manam-pahefana tany Armero, any Kolombia tamin’ny 1985, fa hipoaka ny Volkano Nevado del Ruiz. Na dia efa nirohondrohona nandefa fampitandremana hatrany amin’ny 50 kilaometatra aza anefa ilay tendrombohitra, dia nasaina nitony fotsiny ny tao an-tanàna. Olona 21 000 mahery no matin’ny fotaka nanototra an’ilay tanàna.

Marina fa mahalana vao mitranga ny loza toy ireny. Na izany aza, dia ampiasaina hanaovana fikarohana sy hiomanana tsara kokoa ny fotoana tsy ihetsehan’ny volkano. Mampihena ny loza mety hitranga amin’ny olona miaina eny am-pototry ny volkano àry ny fanaraha-maso azy ireny foana, sy ny fiomanana tsara, ary ny fampianarana ny olona.

[Efajoro/​Sary, pejy 16]

MIOMÀNA!

Vonona hiatrika loza ve ianao? Fantaro izay loza mety hitranga eny amin’ny faritra misy anao. Mifanaraha mialoha amin’ny fianakavianao hoe aiza ianareo no hihaona raha sendra tafasaraka, ary iza no hilazana izay toerana mety hahitana anareo. Ataovy vonona foana ny zavatra ilaina amin’ny vonjy taitra. Anisan’izany ny sakafo sy rano, fitaovam-pitsaboana vonjy maika, fitafiana, radio, jiro fanao am-paosy mahatanty rano, ary pila. Ataovy misimisy ireo mba ho ampy mandritra ny andro maromaro.

[Sary, pejy 15]

Mpizaha tany eo amoron’ny vavan’ny Volkano Vésuve

[Sary nahazoan-dalana]

©Danilo Donadoni/Marka/age fotostock

[Sary, pejy 15]

Naples, any Italia, eo anoloan’ny Volkano Vésuve

[Sary nahazoan-dalana]

© Tom Pfeiffer

[Sary, pejy 15]

Sary hoso-doko mampiseho ny fipoahan’i Vésuve tamin’ny taona 79, izay nandrava ny tanànan’i Pompéi sy Herculanum

[Sary nahazoan-dalana]

© North Wind Picture Archives

[Sary, pejy 16]

Rangitoto, iray amin’ireo volkano maro lasa nosy any Auckland

[Sary, pejy 16, 17]

Ambony sy havanana: Volkano Popocatépetl, any Meksika

[Sary nahazoan-dalana]

AFP/Getty Images

Jorge Silva/AFP/Getty Images

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

USGS, Cascades Volcano Observatory