Avy Amin’ny Mpamaky
Avy Amin’ny Mpamaky
Manompo any Amin’izay Ilana Mpitory Maro Kokoa Tena izay nilaiko mihitsy ilay lahatsoratra hoe “Raha mba Fantatry ny Tanora Mantsy Izany!” (8 Janoary 2005) Teren’ny fiaraha-monina hikatsaka harena ny tanora, ka lasa sarotra be ny manao ny fanompoana an’i Jehovah ho loha laharana. Sambatra anefa i Davey rehefa nanompo tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa, ka mba te hanao toa azy koa aho amin’ny faran’ity taona ity.
C. G., Etazonia
“Tsy misy zavatra tsara kokoa noho ny manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo”, hoy i Davey. Miombon-kevitra tanteraka aminy aho. Tena mampalahelo fa tsy ny tanora rehetra no mahatakatra izany! Tsy manenina aho manompo an’i Jehovah mandritra ny fahatanorako, ary te hihazona ny zotom-poko hatramin’ny farany aho, toa an’i Davey!
A. P., Rosia
Mahatonga antsika tsirairay hisaintsaina ny fomba ampiasantsika ny fiainana ny zotom-pon’i Davey, na tanora isika na antitra. Te hidera ny ray aman-dreniny aho, noho izy ireo nitaiza ny zanany tamim-pitiavana. Tena afaka mirehareha ny aminy izy ireo!
L. C., Italia
Fito ambin’ny folo taona aho ary mianatra asa. Mbola be ny zavatra azoko atao eo amin’ny fiainana. Ny ohatr’i Davey dia vao mainka mandrisika ahy hanome an’i Jehovah ny tsara indrindra, ka hanompo azy manontolo andro amin’ny hoavy. Maniry mafy ho any amin’izay ilana mpanompon’i Jehovah maro kokoa aho, toa an’i Davey. Fantatro fa izany no fomba tsara indrindra azoko ampiasana ny fiainako.
R. I., Failandy
Tsy manao afa-tsy izay ahazoana asa na mandany andro amin’ny fahafinaretana fotsiny ny tanora atỳ aminay. Inoako fa ny ohatr’i Davey dia handrisika tanora maro kokoa hieritreritra ny maha zava-dehibe ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah, ka hiainany mifanaraka amin’izany.
J. O., Soeda
Nampahatsiahy ahy indray ny tanjoko eo amin’ny fanompoana iny lahatsoratra iny. Nisy fotoana nanadinoako izany. Ny tantaran’i Davey anefa, dia nahatonga ahy hieritreritra izay mety holazain’ny olona momba ahy raha maty aho. Nampiseho tamiko koa izany fa tokony handinika akaiky ny fanompoako aho. Manorata lahatsoratra mampahery toy ireny foana.
S. K., Alemaina
Tia vola loatra ity tontolo ity, ka mila miady mafy amin’ny faniriana feno fitiavan-tena isika. Tsy hohadinoiko ny ohatra tsaran’i Davey, ary hataoko izay rehetra takina amiko mba hahatongavana ao amin’ny tontolo vaovao. Hisaotra azy aho amin’izay, noho ny nampianarany ahy ilay lesona sarobidy hoe: “Tsy misy zavatra tsara kokoa noho ny manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.”
O. G., Frantsa
Folo taona aho. Takatro tsara ny fihetseham-pon’i Davey, satria mpisava lalana atỳ Taïwan miaraka amin’ny ray aman-dreniko aho. Nampahery ahy iny lahatsoratra iny. Mahafinaritra ny mahalala fa misy tanora manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Miombon-kevitra amin’i Davey aho fa tsy misy asa mahafa-po toy izany!
J. R., Taïwan
Manontany ny Tanora Iraika ambin’ny folo taona aho. Tena tiako ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hataoko Raha Tantarainy Amiko ny Olana Mahazo Azy?” (8 Febroary 2005) Nampalahelo be ny fiainan’ny ankizivavy iray tany am-pianaranay, ary notantarainy tamiko daholo izany. Nanampy trotraka ny fahoriany ny fahafatesan’ny dadabeny tamin’ny herinandro lasa. Nahita fomba maro hampiononana azy aho tao amin’io lahatsoratra io. Mampahery ahy tokoa ny mahalala fa tena fantatr’i Jehovah ny zavatra iainan’ny tanora.
A. H., Etazonia