Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
Manimba ny Fo ny Hatezerana
Milaza ny gazety Daily News any New York fa ‘atahorana kokoa ho voan’ny fibrillation auriculaire (tsy mitepo ara-dalàna ny fo), ny lehilahy mora misafoaka na mitana lolompo.’ Hitan’ny mpikaroka fa atahorana kokoa hanana fo tsy mitepo ara-dalàna ny lehilahy foizina, na manao teny mahery rehefa diso fanantenana, na romotra rehefa kianina. Hoy i Elaine Eaker, mpitarika ilay fikarohana: “Maro no mihevitra fa mety tsy hanimba ny fahasalamana ny hatezerana, raha havoaka fa tsy kobonina. ... Tsy izany mihitsy anefa no hita tamin’ireo lehilahy nanaovana fandinihana. Tena natahorana tsy hitepo ara-dalàna ny fony, sady nety ho faty noho ny antony hafa koa izy ireo.”
Mariazy sy Fisarahana any Grande-Bretagne
‘Milaza ny ampahatelon’ny olona tsy manambady any Grande-Bretagne fa “tsy azo eritreretina mihitsy” ny hanambadian’izy ireo’, araka ny gazety Daily Telegraph any Londres. Nilaza toy izao i Jenny Catlin, mpanadihady ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mintel: “Mampiseho tsara izany fa niova ny fiheveran’ny olona ny mariazy.” Hoy koa izy: “Ekena kokoa ankehitriny ny hiterahan’ny olona manao tokantranomaso.” Matetika no manao ny mariaziny any amin’ny firenen-kafa ireo maniry hanambady, satria lafo be izany any Grande-Bretagne. Mahatratra 28 600 dolara mantsy izany ankehitriny. Maherin’ny 10 isan-jaton’ny olona any Grande-Bretagne no manao ny mariaziny any ivelan’ny taniny. Raha vitsy kokoa mantsy ny olona asaina sy ny sakafo karakaraina, dia mety ho ny ampahatelon’io vola io ihany no ho lany. Mihavitsy ny olona manambady fa mihamaro kosa ny misaraka. Hoy ny gazety Telegraph: “Avo dimy heny noho ny tamin’ny 30 taona lasa izao ny zokiolona misara-panambadiana, ary hatahorana hitombo foana io isa io.”
Fametavetana Ankizy any Meksika
Nilaza ny Minisiteran’ny Fitsarana any Mexico tao amin’ny tatitra nataon’ny gazety El Universal, fa “ny ampahavalon’ny ankizivavy sy ny ampahafolon’ny ankizilahy no vetavetaina any Mexico.” Mizara taratasy mivalona ny Minisiteran’ny Fitsarana mba hampitandremana ny ray aman-dreny momba ny fametavetana ankizy, sy izay tokony hatao rehefa mitranga izany. Anisan’ny torohevitra tao ireto manaraka ireto: 1) Minoa ny zanakao rehefa milaza fa nisy nametaveta ary ampio izy. 2) Hazavao aminy fa tsy tompon’andraikitra tamin’izay nitranga izy. 3) Ampahafantaro azy fa raran’ny lalàna ny fametavetana, ary tena ilaina ny mampandre ny polisy, mba tsy hiverenan’izany intsony.
Fanesorana Tombokavatsa
Hoy ny gazety Vancouver Sun any Kanada: “Mampiseho ny fanadihadiana sasany fa ny 80 ka hatramin’ny 90 isan-jaton’ny olona misy tombokavatsa no te hanaisotra izany atỳ aoriana.” Hoy koa ny mpitsabo aretin-koditra iray: “Arakaraka ny itomboan’ny isan’ny olona manao tombokavatsa no itomboan’ny isan’ireo maniry hanaisotra ny azy.” Mampiseho izany tsara ny ohatry Dan, 27 taona. Nesoriny ny tombokavatsa mampiseho sary faneva maitso manjelanjelatra teo amin’ny sandriny. Hoy izy: “Tsy mampiseho ny maha izy ahy intsony ilay izy.” Mety haharary sy ho lafo ary handany fotoana anefa ny fanesorana tombokavatsa, na dia lazera aza no ampiasaina amin’izany. Hoy koa ilay gazety: ‘Mety hahatratra 1 400 dolara ny fanesorana tombokavatsa, na dia kely aza ilay izy. Tena sarotra esorina anefa ireo tombokavatsa natao tamin’ny fomba maoderina kokoa sy maro loko, indrindra ireo be velarana.’
Zavatra Fitaina Mahafaty
Milaza toy izao ny gazety Down to Earth, any New Delhi: ‘Mamono olona iray isaky ny 20 segondra ny setroka avy amin’ny fatana ao an-trano, any amin’ny tany mahantra. Mbola betsaka noho ny olona matin’ny tazo izany, ary mitovy amin’ny isan’ny olona maty vokatry ny rano tsy azo sotroina sy ny tsy fisian’ny fitandremam-pahadiovana.’ Lasa avo 100 heny noho ny fatran’ny loto zakan’ny olona ny fatran’ny loto avoakan’ny arina sy ny ravinkazo ary ny taim-biby ataina, rehefa tsy ampy ny rivotra mivezivezy ao an-trano. Izany loto izany koa dia mety hahatonga kanseran’ny havokavoka, asma, tioberkilaozy, ary aretin’ny traotraoka. Milaza ny manam-pahaizana ao amin’ny fikambanana mpikaroka iray, fa mbola afaka mampihena hatramin’ny 80 isan-jaton’ny loza ateraky ny setroka, na dia ireo tena mahantra ka tsy afaka mividy solika madio kokoa aza. Azon’izy ireo atao mantsy ny mampiasa fatana misy lalan-tsetroka tsara. Ankizy efa ho iray tapitrisa amin’ireo olona 1,6 tapitrisa no maty isan-taona noho ny setroka ao an-trano.
Zokiolona Mbola Miasa
Mitombo foana ny isan’ireo Kanadianina efa 65 taona mahery nefa mbola miasa ihany, na dia efa tokony hisotro ronono aza, araka ny gazety The Globe and Mail. Nitombo 11 isan-jato ny isan’ny zokiolona tao anatin’ny dimy taona mahery, fa nitombo efa ho 20 isan-jato kosa ny isan’ireo mbola miasa. Nahoana no betsaka toy izany ny zokiolona mampihemotra ny fotoana hisotroany ronono? Hoy i Doreen Duchesne, mpandinika antontan’isa any Kanada: ‘Salama kokoa ny olona ankehitriny, ka ela velona kokoa.’ Nolazaina fa anisan’ny antony iasan’izy ireo koa ny fahasahiranana ara-bola sy ny fahasorisorenana. Mbola miasa foana ny 6 isan-jaton’ny olona maherin’ny 80 taona, araka ilay tatitra. Mamboly sy miompy no tena ataon’izy ireo, fa misy koa miasa birao na mivarotra.
Be Mpifoka Sigara any Eoropa
Milaza ny gazety El País fa ny 40 isan-jaton’ny mponina any amin’ny Vondrona Eoropeanina no mifoka sigara. I Gresy no firenena eoropeanina be mpifoka sigara indrindra, satria ny 44 isan-jaton’ny mponina any no mifoka. Mamokatra sigara 40 000 taonina isan-taona koa i Gresy, ka izany no mahatonga azy ho ny mpamokatra sigara lehibe indrindra any Eoropa. Anisan’ny firenena eoropeanina vitsy mpifoka sigara indrindra kosa i Portogaly, satria ny 29 isan-jaton’ny mponina eo ho eo ihany no mifoka, anisan’izany ireo mpifoka tsindraindray. Any Portogaly anefa no mora indrindra ny sigara any amin’ny Vondrona Eoropeanina. Izao no antony iray mety ho nahatonga ny mpifoka ho vitsy any: Nisy lalàna portogey nivoaka tamin’ny 1982, nandrara ny fanaovana dokam-barotra momba ny sigara sy ny fifohana sigara eny amin’ny toerana falehan’ny olona.
Ilay Boky Voadika Amin’ny Fiteny Maro Indrindra
Mbola ny Baiboly ihany no boky voadika amin’ny fiteny maro indrindra maneran-tany. Eo amin’ny 6 500 eo ho eo ny fiteny misy, ary eo amin’ny 2 355 kosa no nandikana ny Baiboly manontolo na ny tapany aminy. Misy amin’ny fiteny afrikanina 665 izao ny Baiboly, ary 585 amin’ny fiteny any Azia, 414 any Oseania, 404 any Amerika Latinina sy Karaiba, 209 any Eoropa, ary 75 any Amerika Avaratra. Manampy amin’ny tetikasa handikana ny Baiboly amin’ny fiteny 600 eo ho eo izao ny Vondron’ireo Fikambanana Mampiely Baiboly.