Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Kely dia Nampianarina ho Tia An’andriamanitra

Mbola Kely dia Nampianarina ho Tia An’andriamanitra

Mbola Kely dia Nampianarina ho Tia An’andriamanitra

NOTANTARAIN’I ANATOLY MELNIK

Maro no miantso ahy amim-pitiavana hoe Dadabe. Tena manohina ny foko izany, satria mampahatsiaro ahy ny dadabeko izay tena tiako sy nankasitrahako. Mamelà ahy hitantara aminareo ny momba azy sy ny nataon’izy sy Bebe, izay nisy vokany lalina teo amin’ny fiainanay havany sy olon-kafa maro.

TERAKA tany amin’ny tanànan’i Hlina, any avaratr’i Moldavia ankehitriny aho. * Nisy mpiandraikitra mpitety faritany (na mpitety fiangonana) niampita ny sisin-tanin’i Romania, ka tonga tao amin’ilay faritra kanto sy be havoana nisy anay, tamin’ireo taona 1920. Nanaiky avy hatrany ny vaovao tsara avy ao amin’ny Baiboly notorina taminy, ny ray aman-drenin’i Neny, ka lasa Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah), tamin’ny 1927. Efa nisy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ilay tanàna kelinay, tamin’ny 1939 nanombohan’ny Ady Lehibe II.

Vavolombelon’i Jehovah daholo ny havanay, afa-tsy i Dada, tamin’izaho teraka tamin’ny 1936. Mbola niangona tany amin’ny Eglizy Ortodoksa izy tamin’izany. Nandinika lalina ny hevitry ny fiainana anefa izy, nandritra ny Ady Lehibe II. Nanapa-kevitra ny hanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika, àry izy, ka natao batisa tao anaty rano. Tena nanampy ny fianakavianay mba handroso ara-panahy i Dadabe. Tiany be ny Baiboly, ary nisy andinin-teny an-jatony hainy tsianjery. Nahay nampifandray ny resaka rehetra ho amin’ny Baiboly foana izy.

Matetika aho no nankeo am-pofoan’i Dadabe, ary nihaino azy nilaza tantara ara-baiboly. Nataony izay hitiavako an’Andriamanitra, ka isaorako betsaka azy izany! Nanomboka nitory niaraka taminy aho, tamin’izaho valo taona. Nampiasa Baiboly izahay, mba hampisehoana tamin’ny mpiray tanàna hoe iza i Jehovah, ary ahoana no hanatonana azy.

Nampijalin’ny Kominista

Nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah tany Moldavia ny manam-pahefana, tamin’ny 1947, noho ny fampirisihan’ny Kominista sy ny Eglizy Ortodoksa. Tonga tao aminay ny KGB (na polisy miafina sovietika) sy ny polisy teo an-toerana, ka nanontany hoe iza avy no nitarika ny asa fitorianay, avy taiza ireo bokinay, ary taiza izahay no nivory. Nilaza koa izy ireo fa hatsahatra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah satria “manakantsakana ny fandrosoan’ny Kominisma tao amin’ilay tany.”

Lasa tia ny fahamarinana koa i Dada, izay olona nahita fianarana. Nahay namaly ireo mpaka am-bavany izy sy Dadabe, ka tsy namadika ireo rahalahy sy anabavy kristianina. Samy be herim-po sy be fitiavana izy mianaka, sady niahy izay hahasoa ny mpiray finoana taminy. Tony foana toa azy ireo koa i Neny.

Nosamborina i Dada tamin’ny 1948. Tsy nampahafantarina anay mihitsy ny fiampangana azy. Nomelohina higadra fito taona tao amin’ny fonja tsara ambina indrindra izy, ary natao sesitany roa taona koa. Tatỳ aoriana izy, dia nalefa tany Magadan, any amin’ny farany avaratratsinanan’i Rosia, 7 000 kilaometatra avy teo amin’ny nisy anay. Tsy nifankahita àry izahay mianaka nandritra ny sivy taona, ary mafy tamiko izany. Soa ihany fa tena nanampy ahy i Dadabe.

Natao sesitany

Niditra an-keriny tao an-tranonay ny miaramila roa sy polisy iray, ny alin’ny 6 Jona 1949. Nilaza izy ireo fa tokony ho efa tafavoaka ny trano sy niditra tao anaty fiarany izahay rehefa afaka adiny roa. Izay ihany ny fanazavana nomeny. Nolazainy fotsiny fa halefa sesitany izahay, ary tsy hiverina intsony. Nalefa tany Siberia àry aho, niaraka tamin’i Neny, Dadabe, Bebe, ary ireo mpiray finoana taminay. Vao 13 taona aho tamin’izay. Tonga tao amin’ny faritra be honahonan’ny ala kesika sarotra idirana izahay, rehefa afaka herinandro vitsivitsy. Samy hafa tanteraka tamin’ilay toerana niaviako izay mamiko tokoa izy io! Nitomany izahay indraindray, nefa natoky fa tsy hahafoy anay mihitsy i Jehovah.

Trano bongo folo, vita tamin’ny hazo, no teo amin’ilay tanàna nitondrana anay, fa ny Vavolombelona hafa kosa tany amin’ny tanàna hafa. Nilazan’ny manam-pahefana ny mponina teo fa mpihinan’olona izahay, amin’izay matahotra sy manavakavaka anay izy ireo. Tsy ela anefa dia fantany fa lainga izany, ary tsy nisy antony tokony hatahorana anay.

Trano bongo tranainy no nametrahana anay, nandritra ny roa volana voalohany. Tsy maintsy nanorina trano tsara kokoa anefa izahay, talohan’ny nahatongavan’ny ririnina namirifiry. Nampian’i Dadabe sy Bebe izahay sy Neny hanorina trano faran’izay tsotra, ka ny tapany ambany tao anaty tany. Telo taona mahery izahay no nipetraka tao. Tsy navela hiala an’ilay tanàna izahay raha tsy nahazo alalana, kanefa tsy nomena izany mihitsy izahay.

Navela hianatra aho, tatỳ aoriana. Tsy nitovy finoana tamiko ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra tamiko, ka matetika izy ireo no nanontany ahy. Hita teo amin’ny endrik’i Dadabe ny hafaliany, rehefa nody aho ka nitantara fa nahavita nanazava izay inoanay.

Fahalalahana bebe kokoa

Mba nihatsaratsara ny fiainanay rehefa maty tamin’ny 1953 i Staline, ilay mpitondra tsy refesi-mandidy. Navela hiala an’ilay tanàna izahay, ka afaka nifanerasera tamin’ireo mpiray finoana taminay, ary nivory tany amin’ny tanàna hafa nisy Vavolombelona natao sesitany. Vitsivitsy izahay no niara-nivory, mba tsy hisy hahatsikaritra. Nandeha an-tongotra 30 kilaometatra izahay, mba hahatongavana tany. Hatreo amin’ny lohalika ny lanezy indraindray, ary 40 degre ambanin’ny zerô ny mari-pana. Nanao ilay dia lavitra niverina izahay ny ampitso, ka siramamy sy kôkômbra madinika nalona vinaingitra no nohaninay teny an-dalana. Tena faly toa an’i Davida fahiny anefa izahay!—Salamo 122:1.

Natao batisa aho tamin’ny 1955, ho mariky ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah. Nihaona tamin’i Lidiya aho taloha kelin’izay, tamin’ny fivorian’ny fiangonana teo amin’ny tanàna teo akaikinay. Tovovavy tsotra sy mainty volo izy. Vavolombelona natao sesitany avy tany Moldavia, toa anay, izy sy ny fianakaviany. Manga feo izy, ary saika hainy tsianjery daholo ireo hira 337 tao amin’ny fihirananay tamin’izany. Nanaitra ahy izany, satria izaho koa tena tia ny hira sy mozikantsika. Nanapa-kevitra ny hivady izahay tamin’ny 1956.

Nanoratra tany amin’i Dada aho. Efa fantatray mantsy fa natao sesitany tany Magadan izy. Tsy nivady izahay raha tsy nahazo ny tso-dranony. Nafahana izy, taoriana kelin’izay, ka afaka nankany amin’ilay toerana nanaovana sesitany anay. Notantarainy taminay fa noho ny fanampian’Andriamanitra, dia tafavoaka velona tamin’ny fampijaliana nahatsiravina tany amin’ny toby fitanana izy sy ireo Kristianina hafa. Nanatanjaka ny finoanay tokoa izany.

Nisy loza nahatsiravina, taoriana kelin’ny nahatongavan’i Dada. Nampangotraka menaka anaovana loko sy verinia i Neny. Nitongilana anefa ilay vilany be, ka niraraka tany aminy daholo. Maty tany amin’ny hopitaly izy. Tena nalahelo mafy izahay. Maivamaivana ny alahelon’i Dada rehefa nandeha ny fotoana, ka nanambady an’i Tatyana, Vavolombelona tao amin’ny tanàna teo akaikinay izy.

Nanitatra ny fanompoana

Nifindra avy tao Kizak izahay sy Lidiya tamin’ny 1958, ka nipetraka tany Lebyaie, tanàna lehibe kokoa, any amin’ny 100 kilaometatra. Nitory isan-trano ny Kristianina tany an-tany hafa, araka ny novakinay. Niezaka nanao toy izany koa àry izahay teo amin’ilay tanànanay vaovao. Mazava ho azy fa voarara Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, nefa nahazo azy ireo an-tsokosoko ihany izahay. Nilazana anefa izahay fa gazety amin’ny teny rosianina ihany no ho azonay. Nahazo tamin’ny fiteny any Moldavia anefa izahay hatramin’izay. Niezaka mafy àry izahay nianatra teny rosianina. Mbola tadidiko foana ny lohatenin’ireny lahatsoratra ireny sy ny hevitra sasany noraketiny.

Mba hivelomanay dia niasa tany amin’ny toerana fitehirizana voa madinika i Lidiya, ary izaho kosa nampidina hazo avy tamin’ny sarety. Nandreraka be ilay asa, nefa kely karama. Noderaina ho mpiasa nazoto ny Vavolombelona, nefa tsy mba nahazo vola fanampiny na tambin-karama. Notsorin’ireo manam-pahefana, fa “tsy nisy toerana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny fiaraha-monina kominista.” Faly anefa izahay satria tanteraka taminay ilay tenin’i Jesosy momba ny mpianany hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 17:16.

Fahasahiranana hafa

Teraka i Valentina zanakay vavy, tamin’ny 1959. Nisy fanenjehana mafy indray, taoriana kelin’izay. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica: “Nanao fihetsiketsehana nanoherana indray ny fivavahana ny Praiminisitra Nikita Khrouchtchev, tamin’ny 1959-1964.” Nilaza taminay ny tao amin’ny KGB fa ny hanafoana ny fivavahana rehetra, indrindra fa ny Vavolombelon’i Jehovah, no tanjon’ny fitondrana sovietika.

Voantso miaramila aho, nefa mbola tsy ampy herintaona akory i Valentina. Tsy nanaiky aho, ka natao am-ponja nandritra ny dimy taona noho izaho tsy nomba ny atsy na ny aroa. Hoy ny kolonely iray tao amin’ny KGB, rehefa nitsidika ahy i Lidiya, indray mandeha: “Nilazan’ny tany Kremlin izahay, fa tsy hisy hiangana ny Vavolombelona eto amin’ny Firaisana Sovietika, ato anatin’ny roa taona.” Nampitandrina izy avy eo, hoe: “Mialà amin’ny finoanareo, raha tsy izany dia hogadraina ianareo.” Nihevitra ilay kolonely fa hangina ny vehivavy rehefa norahonana toy izany, ka hoy izy: “Olona kanosa ireo.”

Tsy ela dia nampidirina am-ponja sy nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona, ny ankamaroan’ny rahalahy. Nanohy nitory anefa ireo anabavy be herim-po. Nanao vivery ny ainy koa izy ireo, ka nampiditra an-tsokosoko boky sy gazety tany am-ponja sy tany amin’ny toby fiasana an-terivozona. Niharam-pitsapana toy izany koa i Lidiya, ary matetika no nisy lehilahy nanadala azy, satria tsy teo aho. Nolazaina taminy koa fa tsy ho afaka avy tao am-ponja mihitsy aho. Afaka ihany anefa aho!

Nafahana ary nifindra teto Kazakhstan

Notsaraina indray aho tamin’ny 1963, ary nafahana tatỳ aoriana, rehefa avy nigadra telo taona. Tsy nomena fahazoan-dalana hipetraka mihitsy anefa izahay, ka tsy nahita asa aho. Nilaza mantsy ny lalàna hoe: “Tsy mahazo miasa izay tsy manana fahazoan-dalana hipetraka.” Nitalaho ny fanampian’i Jehovah izahay, ary avy eo nanapa-kevitra ny hifindra tany Petropavl, any avaratr’i Kazakhstan. Efa nampahafantarina ny momba anay anefa ny manam-pahefana tany, ka tsy namela anay hipetraka na hiasa. Nenjehina toy izany koa ny Vavolombelona 50 teo ho eo tao.

Nifindra nianatsimo kely nankany Shchuchinsk izahay sy ny mpivady iray. Tsy nisy Vavolombelona tany, ary tsy nahalala na inona na inona momba ny asa fitoriana ny manam-pahefana. Nitady asa nandritra ny herinandro izahay raim-pianakaviana, izany hoe izahay sy Ivan. Ny vadinay kosa nijanona tany amin’ny garan’ny lamasinina, satria tany izahay no natory. Nahita asa tao amin’ny orinasa mpanao fitaratra ihany izahay. Efitra kely antonona fandriana roa sy zavatra kely no nohofanay rehetra, kanefa nianina tamin’izany izahay.

Niasa mafy izahay sy Ivan, ka tena faly ny mpampiasa anay. Voantso miaramila indray aho. Efa fantatry ny lehibenay anefa tamin’izay fa tsy hanao izany aho noho ny feon’ny fieritreretako tarihin’ny Baiboly. Tsy nampoizinay fa nanatona ny lehiben’ny miaramila izy, ary nilaza taminy fa mpiasa kinga izahay sy Ivan, ka tsy afaka nihodina ny orinasa raha tsy teo izahay. Afaka nijanona àry izahay.

Nitaiza zanaka sy nanompo ny hafa

Teraka tamin’ny 1966 i Lilya, zanakay vavy faharoa. Nifindra tao Belyye Vody, any atsimon’i Kazakhstan, akaikin’ny sisin-tanin’i Ouzbékistan izahay, herintaona tatỳ aoriana. Efa nisy Vavolombelona vitsivitsy tany. Tsy ela dia nisy fiangonana tany, ka notendrena ho mpiandraikitra mpitantan-draharaha aho. Teraka i Oleg zanakay lahy tamin’ny 1969, ary roa taona tatỳ aoriana dia teraka koa i Natasha, zanakay faravavy. Tsy hadinonay sy Lidiya mihitsy fa lova avy amin’i Jehovah ny zanaka. (Salamo 127:3) Niara-nidinika izay tokony hatao àry izahay, mba hitaizana ny zanakay ho tia an’i Jehovah.

Mbola tany amin’ny toby fiasana an-terivozona ihany ny ankamaroan’ireo rahalahy, nandritra ireo taona 1970. Maro ny fiangonana nila tari-dalana sy mpiandraikitra matotra. Nanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany àry aho, fa i Lidiya kosa nanana andraikitra lehibe kokoa: Nitaiza ny zanakay izy, ka sady ray no reny indraindray. Nitsidika fiangonana teto Kazakhstan sy ny manodidina aho, ka anisan’izany ny repoblika sovietikan’i Tadjikistan, Turkménistan, ary Ouzbékistan. Niasa koa anefa aho, mba hamelomana ny ankohonako, ary nanampy ahy tamin’izany i Lidiya sy ny ankizy.

Niezaka naneho fitiavana an-janako, sy nanampy azy ireo handroso ara-panahy aho, na dia tsy teo nandritra ny herinandro maro aza indraindray. Nivavaka mafy izahay sy Lidiya mba hanampian’i Jehovah ny zanakay. Noresahinay tamin’izy ireo koa ny fomba handresena ny tahotra olona sy hanatonana akaiky an’Andriamanitra. Tsy afaka niantsoroka ny andraikitro, tamin’ny naha mpiandraikitra mpitety faritany aho, raha tsy teo ny fanampian’ny vady malalako. Tsy “kanosa” araka ny nolazain’ilay manam-pahefana mihitsy, i Lidiya sy ireo anabavy hafa. Tsy saro-tahotra izy ireo fa natanjaka ara-panahy!—Filipianina 4:13.

Rehefa lehibe daholo ny zanakay dia notendrena ho mpiandraikitra mpitety faritany maharitra aho tamin’ny 1988, ka nitsidika ny ankamaroan’ny firenena tany Azia Afovoany. Nanompo tany amin’ireo firenena tany Azia, izay anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha, ny rahalahy matotra hafa, rehefa lasa ara-dalàna ny asa fitoriana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, tamin’ny 1991. Efa 14 izao ny mpiandraikitra mpitety faritany any amin’ireo firenena ireo. Nisy 50 000 mahery kosa no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny taon-dasa.

Fanasana tsy nampoizina

Tsy nampoiziko fa niantso ahy an-telefaonina ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, teo am-piandohan’ny 1998. Nametrahana izao fanontaniana izao aho: “Hono ho’aho, ry Anatoly, efa nieritreritra ny hanompo manontolo andro ve ianareo sy Lidiya?” Mazava ho azy fa nihevitra izany ho an’ny zanakay izahay. Efa dimy taona tokoa mantsy tamin’izay no nanompoan’i Oleg, tany amin’ny biraon’ny sampan’i Rosia.

Nanontany ahy toy izao i Lidiya, rehefa nolazaiko taminy ilay fanasana: “Dia ahoana ny trano, ny zaridaina, ary ny fananantsika?” Nanapa-kevitra anefa izahay fa hanaiky ilay fanasana, rehefa avy nivavaka sy nidinidinika. Tatỳ aoriana izahay dia nasaina hanompo eto amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, eto Issyk, akaikin’ny tanàn-dehiben’i Alma-Ata, eto Kazakhstan. Eto no adika amin’ny fiteny ampiasaina eto an-toerana, ireo boky ara-baiboly.

Ny fianakavianay ankehitriny

Velom-pankasitrahana an’Andriamanitra izahay, noho ny fanampiany tamin’ny fampianarana ny zanakay ny fahamarinana! Nanambady i Valentina zanakay vavimatoa, ary nifindra any Ingelheim, any Alemaina izy mivady, tamin’ny 1993. Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ny zanak’izy ireo telo mianadahy.

Efa manambady aman-janaka koa i Lilya, zanakay faharoa. Anti-panahy eo anivon’ny fiangonana any Belyye Vody ny vadiny, ary mitaiza ireo zanany roa ho tia an’Andriamanitra izy mivady. Nanambady an’i Natasha, anabavy kristianina avy any Moscou i Oleg, ary manompo any amin’ny biraon’ny sampan’i Rosia, any akaikin’i Saint-Pétersbourg izy ireo. Nanambady koa i Natasha zanakay faravavy, tamin’ny 1995, ary manompo eo anivon’ny fiangonana miteny rosianina any Alemaina izy mivady.

Manao fivoriam-pianakaviana izahay indraindray. Mitantara amin’ny zanany ny zanakay, fa nihaino an’i Jehovah i “Papa” sy “Mama”, ary nitaiza ny zanany ho tia sy hanompo an’io Andriamanitra marina io. Hitako fa manampy ireo zafikelinay handroso ara-panahy ireny resadresaka ireny. Manao tahaka ahy tamin’izaho mbola kely koa, ilay zafikeliko zandriny indrindra. Mankeo am-pofoako izy indraindray, ary asainy milaza tantara ara-baiboly aminy aho. Matetika koa i Dadabe no niampofo ahy toy izany, ary nanampy ahy ho tia sy hanompo ilay Mpamorona Lehibe antsika. Manganohano ny masoko rehefa mahatsiaro izany aho.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ny anarany ankehitriny hoe Moldavia no ampiasaina ato fa tsy ilay taloha hoe Moldova, na Repoblika Sovietikan’i Moldova.

[Sary, pejy 11]

Izaho sy ny ray aman-dreniko, teo an-tokotaninay tany Moldavia, taloha kelin’ny nigadran’i Dada

[Sary, pejy 12]

Izahay sy Lidiya tamin’ny 1959, mbola tany an-tsesitany

[Sary, pejy 13]

Lidiya sy Valentina zanakay, tamin’izaho nigadra

[Sary, pejy 15]

Izahay sy Lidiya ankehitriny

[Sary, pejy 15]

Izahay mianakavy. Manompo an’i Jehovah daholo izahay!