Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
May ny Mpitanina Andro
Milaza ny Medical Journal of Australia, fa tsy ampy mba hiarovany ny tenany amin’ny masoandro, ny menaka ahosotry ny ankamaroan’ny mpitanina andro. Tsy mifanaraka amin’ny fanazavana eo amin’ny boatin’ilay menaka no ahosony. Hoy ny Dr. Stephen Taylor: “Mitsitsy vola ny ankamaroan’ny olona, na matahotra sao simba ny hodiny, ka ampahatelony eo ho eo na ampahefatry ny tokony ho izy fotsiny ny menaka ahosony amin’ny tenany.” Toy inona àry ny habetsahan’ny menaka tokony hahosotra? Nanoro hevitra ny Dr. Jeffrey Schneider, tao amin’ny Archives of Dermatology, fa tokony hihosotra mihoatra ny antsasaky ny sotrokely ny olon-dehibe antonontonony, amin’ireto faritra ireto: loha sy hatoka, sandry havia sy havanana. Tokony ho eran’ny sotrokely mahery kosa no ahosotra amin’ny tratra, kibo, lamosina, ary tongotra havia sy havanana. Hoy koa izy: “Miaro kokoa amin’ny masoandro ny fampiasana menaka fiarovana amin’ny fatrany tokony ho izy ... toy izay ny fampiasana menaka mahery, nefa kely kokoa no ahosotra.”
Tompon-daka Amin’ny Fitsambikinana
Hoy ny gazety The Times any Londres: “Misy bibikely hafa indray lasa tompon-daka amin’ny fitsambikinana.” Philaenus spumarius no anarany, ary fahita eny an-jaridaina izy io. Telo milimetatra monja ny halavany, nefa afaka mitsambikina mihoatra ny 70 santimetatra izy. Azo ampitovina amin’ny olona iray mahavita mitsambikina mihoatra ny tranobe misy rihana 50 eo ho eo izany! Mpampianatra any amin’ny Oniversiten’i Cambridge, Angletera, i Malcolm Burrows. Hitany fa matanjaka be ny hoza-pen’ilay bibikely, ka manosika azy hitsambikina avo be. Nampiasa fakan-tsary fangalana zavatra mandeha haingana be izy nahitany izany. Nanombantombana i Burrows fa tsy maintsy manohitra ny hery misinton’ny tany in-400 heny mahery izy, rehefa mitsambikina. Hoy ilay gazety: “Avo 130 henin’izay tsapan’ny mpanamory sambon-danitra eo am-piaingana izany.”
Adiny Firy Ianao no Tokony Hatory?
Milaza ny USA Today hoe: “Hita tato anatin’ny 10 taona fa ela velona kokoa ny olona matory adiny 7 isan’alina, raha oharina amin’ny olona matory ela kokoa noho izany.” Nanara-maso olona 104 010 nandritra ny folo taona teo ho eo ny mpikaroka tany Japon. Nodinihiny ny halavan’ny torimason’izy ireo, ny fahasalaman’ny vatany sy ny sainy, ary ny fomba fiainany. Hitan’izy ireo tamin’izany fa “tsy nihena firy ny androm-piainan’ny lehilahy, na dia adiny efatra isan’alina monja aza izy no natory. Tsy hihena koa ny androm-piainan’ny vehivavy, raha tsy efa latsaka ny adiny efatra ny torimasony.” Nanamarina izany ny fikarohana lehibe roa hafa sy ny fikarohana madinika maro. Hitan’ireo manam-pahaizana momba ny torimaso koa anefa, fa ‘rehefa nanaovana fitsapana ireo olona matory adiny efatra na adiny dimy sy sasany, dia hita fa ratsy fitadidiana sy tsy afaka misaina tsara ary tsy mahay mifantoka loatra.’ Hoy i Daniel Kripke, mpitsabo aretin-tsaina sady mpikaroka momba ny torimaso: “Izay mahafa-bizana azy no tokony ho halavan’ny torimason’ny olona iray.”
Mampanahy ny Hoavin’ny Tanora Maro
Hoy ny UN State of the World Population, tao amin’ny tatitra nataony tamin’ny 2003: “Izao no fotoana be tanora indrindra teo amin’ny tantara, satria efa ho ny antsasaky ny mponina eran-tany no latsaka ny 25 taona.” Hanao ahoana ny hoavin’izy ireo? Araka ny The Independent any Londres, dia “nilaza ny Pr. Thoraya Obaid, talen’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana Momba ny Mponina, fa miatrika loza mbola tsy nisy toy izany ireo tanora ireo. Anisan’izany ny SIDA sy ny aretina hafa azo avy amin’ny firaisana, ny fanambadiana sy ny fitondrana vohoka aloha be, ny fisarahan’ny ray aman-dreniny, ny fampiasana zava-mahadomelina, ny herisetra, ary ny fanerena hivaro-tena.” Tanora 15 ka hatramin’ny 24 taona avokoa, ohatra, ny antsasak’ireo vao nifindran’ny VIH. Tombanana ho iray isaky ny 14 segondra ny tanora ifindran’ny VIH. Avo roa henin’ny olon-dehibe ny isan’ny tanora maty, rehefa bevohoka na miteraka. Mety hahatratra efatra tapitrisa koa ny tanora terena hivaro-tena, isan-taona.
Mihamaro ny Vehivavy 40 Taona vao Miteraka
Lasa be taona kokoa izao ny vehivavy italianina vao miteraka ny zanany voalohany. Tamin’ny 1980, dia 74,3 isaky ny arivo ny vehivavy italianina niteraka teo amin’ny faha-20 taonany. Nidina ho 20,7 isaky ny arivo kosa izany tamin’ny 2000. Nandritra ireo fotoana ireo ihany anefa, dia niakatra ho 16,1 isaky ny arivo ny vehivavy niteraka teo amin’ny faha-40 taonany, raha 12,2 izany teo aloha. Ny Fikambanana Italianina Misahana ny Antontan’isa (ISTAT) no namoaka ireo antontan’isa ireo, ary naseho tao amin’ny gazety Corriere della Sera. Hita avy amin’izy ireo fa miandry ela kokoa ny vehivavy vao miteraka. Hoy ny ISTAT: “Tsy hoe miandry asa azo antoka sy fiainana milamina fotsiny ny olona, fa mbola tsy te ho voafehifehy koa. Hita amin’izany fa heverina ho maneritery ny fiainana ny zanaka.”
Mihena ny Mpikonfesy
Nilaza i William D’Antonio, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, avy amin’ny Oniversite Katolika, fa “latsaka ny 25 isan-jato sisa ankehitriny ny olona tonga tsy tapaka mba hikonfesy.” Hoy ny gazety The Miami Herald: “Milaza ny manam-pahaizana fa ny tena antony, dia satria niova ny fiheveran’ny olona ny atao hoe ota.” Hoy ilay eveka, 76 taona, atao hoe Thomas Kane, mpitondra ny Eglizy Katolika St. Patrick any Rockville, any Maryland: “Lasa samy manao izay saim-pantany eo amin’ny fitondran-tena ny olona. ... Tsy misy ny tena atao hoe ratsy. Tsy ota ilay izy, raha heveriny fa misy tombontsoany ny fanaovana azy.” Milaza koa ilay gazety fa “mihabetsaka ny Katolika mandà ny fampianaran’ny eglizy momba ny fanabeazana aizana, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary ny fisaraham-panambadiana.” Hita àry ‘fa lasa miantehitra kokoa amin’ny feon’ny fieritreretany ny Katolika mba hamantarany raha ota na tsia ilay zavatra nataony.’
Mananontanona ny Tsy Fahampian-drano
Hoy i Koichiro Matsuura, Tale Jeneralin’ny UNESCO: “Mety ho ny androatokon’ny ankehitriny sisa ny rano hampiasain’ny tsirairay maneran-tany, rehefa afaka 20 taona.” Mitombo foana mantsy ny isan’ny mponina. Eo koa ny fandotoana, sy ny fahasimban’ny tontolo iainana, ka mety hihena be ny tahirin-dranon’ny tany. ‘Tsy vonona hitondra vahaolana ho an’ireo toe-javatra ireo anefa ny mpitondra’, hoy ny UNESCOPRESS. Milaza ny tatitra iray navoakan’ny Firenena Mikambana, fa “mety tsy ho voalamina ara-potoana io olana io, satria tsy tena mahatsapa ny halehibeny ny mponina eran-tany, sady tsy manao zavatra ny mpitondra.” Hoy Atoa Matsuura: “Tsy maintsy ho voakasik’io olana io daholo ny faritra rehetra.”
Tandremo ny Maka Sary Zaza any An-kibo
Milaza ny gazety FDA Consumer fa any Etazonia, dia mihabetsaka ny bevohoka maka sary ny zanany mbola ao an-kibo, mba hatao fahatsiarovana. Mampiasa fitaovana fitarafana maoderina izy ireo amin’izany, ka hita amin’ny an-tsipiriany ny sarin’ilay zaza. Andefasana onjam-peo (échographie) eo amin’ny kibon’ilay vehivavy, mba hahazoana ilay sary. Mivoaka amin’ny ordinatera avy eo ilay izy, ary atao anaty kasety video na atao pirinty. Mihabetsaka ny mpaka sary toy izany any amin’ireo fivarotana lehibe manerana an’i Etazonia. Mety ho tsy nahazo fiofanana na alalana, toy ny olona ampiasain’ny dokotera hanao izany anefa, izy ireny. Mety ho ela na mahery kokoa àry ilay fitarafana, fa tsy toy izay atao any amin’ny toeram-pitsaboana. Hoy ny FDA Consumer: ‘Mampidi-doza ny maka sary zaza mbola any an-kibo raha tsy misy antony ara-pitsaboana anaovana izany.’