Nanomana Ahy ho Amin’ny Fiainana ny Zava-tsarotra Tamin’ny Ady
Nanomana Ahy ho Amin’ny Fiainana ny Zava-tsarotra Tamin’ny Ady
NOTANTARAIN’I ERNST KRÖMER
“Inty ny efitranonareo.” Izany no nolazaina taminay rehefa tonga tany Gabon, atỳ Afrika Andrefana, izaho sy ilay namako. Zara raha omby kidoro iray ilay toerana. Nipetraka enim-bolana tao amin’io efitra io izahay.
NANOMANA ahy hiatrika ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana ny zavatra niainako tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana, nandritra ny Ady Lehibe II. Vetivety kely, dia nitondra an’i Polonina i Alemaina Nazia, raha vao nanomboka ny ady tamin’ny 1939. Efa-taona aho tamin’izany. Ireto avy ny fianakaviako: I Dada sy Neny, ny zandriko lahy sy vavy, ary ny zokiko vavy roa. Nampiomana anay i Dada fa handia fotoan-tsarotra izahay raha resy eo i Alemaina.
Tany Löwenstein izahay no nipetraka, tanàna kely an’ny Alemà, any Silezia Ambany, izay anisan’i Polonina amin’izao fotoana izao. Namboly voa maina sy niompy izahay tao amin’ilay toeram-pambolena sy fiompiana kely nisy anay. Mirefy 25 hektara eo ho eo izy io. Mpitantana ny fikambanan’ny tantsaha teo amin’ny manodidina koa i Dada. Nasaina nitarika ireo tantsaha hanohana ny ady izy, rehefa nitondra tao Silezia ny Nazia.
Miaramila mpitaingin-tsoavaly i Dada nandritra ny Ady Lehibe I. Tsy voantso ho miaramila anefa izy, noho izy nitantan-draharaha niaraka tamin’ny Nazia. Efa hatramin’ny taona maro ny ray aman-dreniko no niala tamin’ny fivavahana, satria nandiso fanantenana azy ireo ny fihetsiky ny mpitondra fivavahana nandritra ny Ady Lehibe I. Vokatr’izany, dia tsy liana tamin’ny fivavahana aho rehefa nihalehibe.
Nanomboka nankany an-tsekoly aho tamin’ny 1941, saingy tsy tia nianatra. Nihevitra koa aho fa betsaka ny zavatra mahaliana kokoa noho ny fijerena solaitrabe. Nohodidinin’ny tafika rosianina i Breslau (Wroclaw ankehitriny), renivohitr’i Silezia Ambany, tamin’ny voalohandohan’ny taona 1945, izany hoe enim-bolana monja talohan’ny nifaranan’ny ady. Indray asabotsy hariva izay, dia nazava be ilay tanàna manontolo vokatry ny zera baomba sy tifitra tafondro teo aminy, ary tazanay avy teny amin’ny 50 kilaometatra teo ho eo izany. Tsy ela dia tsy maintsy nandositra tany an-tendrombohitra izahay. Nody tany Löwenstein izahay, rehefa vita ny ady.
Taorian’ny ady
Nisy fotoan-tsarotra taorian’ny ady. Novetavetaina ny vehivavy, ary fahita isan’andro ny fandrobana. Nisy nangalatra koa ny ankamaroan’ny biby fiompinay.
Nosamborina i Dada tamin’ny Jolay 1945. Nanaovana famotopotorana nisy herisetra nandritra ny fito alina izy, ary nafahana avy eo. Nosamborina ary nentina indray izy, telo volana tatỳ aoriana.
Tsy nahita azy intsony izahay taorian’izay. Nisy lehilahy poloney roa naka ny toeram-pambolena sy fiompianay, ary nilaza fa izy ireo no tompon’izy io. Nasaina niala tao amin’ilay tanàna ny Alemà rehetra tamin’ny Aprily 1946, ary izay zakany ihany no azony nentina.Efa niomana tamin’izany toe-javatra izany i Neny ka tsy nisahotaka izahay. Nanana fasiana entana lehibe nisy kodiarana izy, ary tao no nasianay ny lamba firakotra. Samy nanana sakaosy nisy izay nilainay koa izahay. Nasain’ny milisy poloney niditra tao amin’ny lamasinina mpitondra omby izahay rehetra, ka olona 30 teo ho eo isaky ny vagao. Tonga tany avaratrandrefan’i Alemaina, tsy lavitra an’i Holandy izahay, afaka tapa-bolana teo ho eo.
Nasain’ny governemanta nipetraka tao amin’ny efitra roa an’ny toeram-pambolena sy fiompiana kely iray ny fianakavianay sy ny havanay. Nisy 19 izahay rehetra tao, tamin’ny fitambarany. Valo kilaometatra avy any Quakenbrück no misy io toeram-pambolena io. Nasaina nipetraka tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana hafa ny havanay sasany rehefa nandeha ny fotoana, ka lasa vitsy kokoa izahay.
Nahafoy zavatra be dia be ho anay ankizy i Neny. Matetika izy no tsy nisakafo mba hahafahanay hihinana. Tsy nanana kitay ampy ho an’ny ririnina izahay. Feno ranomandry ny rindrina sy ny valindrihan’ny tranonay, ary toy ny lava-bato vita amin’ny ranomandry no fijery azy. Soa ihany fa nafana tsara ny lamba firakotray, ka velona soa aman-tsara izahay.
Nifandray tamin’ny Vavolombelona
Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny nenitoako i Neny, tamin’ny 1949 tany ho any. Nampahatsiaro an’i Neny ny tenin’i Hitler tao amin’ny radio nandritra ny ady ny lahatsoratra iray tao anatin’izy io. Nomelohin’i Hitler ny ‘antokon’olona’ iray, izay nilaza mialoha fa ho resy i Alemaina. Nanontany tena i Neny hoe iza ireo olona ireo. Rehefa novakiny tao amin’ilay Tilikambo Fiambenana fa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, dia lasa liana izy, ary nanapa-kevitra ny hianatra Baiboly niaraka tamin’izy ireo.
Niara-nianatra Baiboly tamin’ny mpivady Vavolombelona iray i Neny, ka nihaona tamin’io mpivady io aho teo am-pianaran’izy ireo, tamin’ny Aprily 1954. Rehefa vita ny fianaran’izy ireo, dia nanao famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana aho, ary nandray ilay bokikely hoe Afaka ny Hiaina Mandrakizay sy ho Sambatra eto An-tany ve Ianao? Niaiky aho fa nahita ny fahamarinana rehefa avy namaky ilay bokikely. Nomeko an’ilay mpampiasa ahy àry ilay izy. Rehefa nanontany ny heviny momba azy io aho, dia hoy izy: “Tena tsara ilay hevitra, ary tsara loatra aza ka tsy mampino. Tsy afaka mino an’izany aho.”
Hoy aho taminy: “Mino mihitsy anefa aho fa izany no fahamarinana, ary hanaraka izany aho.” Nihatokatoka izy, ary nilaza hoe: “Natao ho an’ny olona malemy fanahy io hafatra io. Tsy ho lasa Vavolombelona mihitsy ianao maditra io.” Nanomboka nanao fiovana teo amin’ny fiainako anefa aho.
Nianatra Baiboly irery aho, na dia tsy nisy Vavolombelona aza teo amin’ilay faritra nisy anay. Nandeha bisikileta teo amin’ny folo kilaometatra isan-kerinandro koa aho, mba hanatrehana ny fivorian’izy ireo. Nankany amin’ny fivoriamben’ny faritra iray aho, tatỳ aoriana. Maromaro ny fiangonan’ny Vavolombelona nivory tao amin’ilay fivoriambe. Sambany aho tamin’izay no niara-nitory tamin’ny olon-kafa. Tsy ela dia nitory tsy tapaka aho, ary natao batisa izahay sy i Neny tamin’ny 14 Jolay 1954. Lasa Vavolombelona koa ny renibeko tatỳ aoriana, teo amin’ny faha-80 taonany.
Naka fotoana be ilay asako tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana, ka nialako. Avy eo aho, dia niasa tao amin’ny tahirin-javaboary avy any anaty ala. Nifindra tany amin’ny tanàna kelin’i Reutlingen, akaikin’i Stuttgart, ny fianakavianay tatỳ aoriana. Lasa Vavolombelona koa i Ingrid, zandriko vavy, rehefa nipetraka tany izahay. Izy irery koa no hany lasa Vavolombelona tamin’ireo iray tam-po tamiko.
Fanompoana manontolo andro
Tamin’ny 1957 vao nekena ara-dalàna fa maty i Dada. Vokatr’izany, dia nanomboka nahazo vola fanampiana i Neny, ka afaka nivelona tsy nila fanampiana avy tamiko. Nanao asa tapa-potoana avy hatrany aho, raha vao afaka tamin’io andraikitra ara-pianakaviana io. Nanomboka nanompo manontolo andro tamin’ny naha mpisava lalana aho, tamin’ny Aprily 1957. Nahazo fanasana mba hanompo tamin’ny naha mpisava lalana manokana aho, tatỳ aoriana. Nanasa ahy ho any amin’ny biraony ny mpiara-manompo iray, raha vao nandre izany. Hoy izy: “Mino aho fa mila fanampiana ianao.” Avy eo aho, dia nomeny 500 deutsche marks (vola alemà). Nividy ireo akanjo nilaiko àry
aho, ary mbola nisy ambiny 200 deutsche marks ilay vola.Nanolo-tena hanompo tany Autriche aho tamin’ny 1960, ka afaka nitory tany amin’ny tanàna kelin’i Scheibbs. Afaka nitory vetivety tany amin’ny tanànan’i Linz koa aho. Niharan-doza tamin’ny môtô anefa aho tamin’ny faramparan’io taona io, ka tapaka ny tongotro havanana. Afaka nanohy ny asa nanendrena ahy aho, taorian’ny fandidiana maromaro. Voatery nody tany Reutlingen anefa aho tamin’ny 1962, mba hikarakarana zava-manahirana momba ny fifindra-monina. Nodidiana indray aho rehefa tonga tany, mba hanesorana ilay vy lavalava napetraka tao amin’ny tongotro havanana. Nijanona tsy nanao ny asan’ny mpisava lalana aho nandritra ny enim-bolana, mba hitadiavana vola handoavana ny lany tamin’ilay fitsaboana.
Nanoro hevitra ahy ny mpiandraikitra mpitety faritany, rehefa nitsidika ilay fiangonana nisy ahy, fa tokony hanao fangatahana hiasa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Tany Wiesbaden, any Alemaina no nisy azy io tamin’izany. Nataoko izany, ary tapa-bolana taorian’izay, dia naharay taratasy fiantsoana maika aho. Tonga tany amin’ny sampana na Betelan’i Alemaina aho, herinandro tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny Mey 1963. Tany amin’ny fanontam-pirinty aho no niasa.
Nianatra tsara aho
Ny Betela no toerana tsara indrindra nipetrahako hatramin’izay, ary tsy ela aho dia nizatra tamin’ilay asa mafy natao tany. Nitsidika an’i Espaina aho tamin’ny 1965, ary nitondra boky ara-baiboly an-tsokosoko, satria voarara ny asa fitoriana tany. Naniry hianatra fiteny hafa aho, noho io fitsidihana io, ka ny teny anglisy no nofidiko. Nohararaotiko daholo ny fahafahana rehetra mba hianarana. Nanomboka nisy antoko-mpitory miteny anglisy tany Alemaina tamin’izany fotoana izany, ka niaraka tamin’izy io aho. Nandany adiny fito aho, rehefa nanomana voalohany ny lahatsoratra fianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny anglisy. Fantatro fa nihanandroso aho, satria adiny dimy monja sisa izany rehefa nianatra fanindroany aho.
Nasaina hanatrika ny kilasy faha-43 tamin’ny Sekolin’i Gileada tany Etazonia aho tamin’ny 1966. Natao hampiofanana ireo Vavolombelon’i Jehovah manompo manontolo andro ho amin’ny asa misionera, io sekoly io. Voatendry ho any Gabon, atỳ Afrika Andrefana izaho sy Gunther Reschke tamin’ny Aprily 1967, taorian’ny nahazoana diplaoma tamin’ilay sekoly. Rehefa tonga tany Libreville, renivohitr’i Gabon izahay, dia nipetraka tao amin’ilay efitra kely, voalaza terỳ aloha. Tao amin’ny efitrano fisakafoana no nanantonanay ny akanjonay tamin’izay. Nifindra tany amin’ny tranona misionera hafa izahay, enim-bolana tatỳ aoriana.
Ny fianarana teny frantsay no tena nanahirana ahy tany Gabon. Nahafehy an’izy io ihany anefa aho tamin’ny farany, rehefa niezaka mafy. Voarara tampoka ny asa fitoriana tany Gabon tamin’ny 1970, ary nomena tapa-bolana ireo misionera mba handaozana ilay tany.
Nifindra tany amin’ny République centrafricaine
Notendrena tany amin’ny République centrafricaine, niaraka tamin’ny misionera hafa aho. Ny teny frantsay no fiteny ofisialy tao amin’ilay tany. Tsy maintsy nianatra ny teny sango anefa izahay, mba hahafahanay hitory amin’ny
olona faran’izay betsaka. Nirahina nankany Bambari, izahay, mba hanokatra tranona misionera vaovao. Telonjato kilaometatra eo ho eo avy ao Bangui renivohitra no misy an’io tanàna io. Tsy nisy herinaratra sy rano amin’ny paompy tao an-tanànan’i Bambari, kanefa nila ny fanampianay ireo fiangonana roa tao. Mora kokoa tamiko ny niatrika ny fiainana tany Bambari sy tany an-toeran-kafa, noho ny zavatra niainako nandritra ny ady tany Eoropa.Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany aho, rehefa avy nanompo roa taona tany Bambari. Nisy fiangonana 40 teo amin’ilay tany. Herinandro avy no nolaniko tao amin’ireo fiangonana nanendrena ahy, rehefa nitsidika azy ireo aho. Nanana fiara kely iray aho, kanefa nandeha fitateram-bahoaka, rehefa ratsy loatra ny lalan-tany.
Tany Bangui ihany no nisy mpanamboatra fiara, nanerana an’ilay tany. Tsy maintsy nanao dia lavitra aho rehefa nanompo. Noho izany, dia nividy boky momba ny fanamboarana fiara sy fitaovana sasantsasany aho, ary izaho ihany no nanamboatra ny ankamaroan’ny zavatra simba tamin’ny fiarako. Indray mandeha izay, dia tsy nandeha intsony ilay fiara, satria vaky ny tranona roulement iray. Teo amin’ny 60 kilaometatra teo ho eo avy teo amin’ilay toerana nisy ahy, vao nisy tanàna. Nanapaka hazo mafy tany an’ala àry aho, ary namboariko izany mba hanoloana ilay tranona roulement vaky. Nofenoiko menaka fanao amin’ny fiara ilay izy, nafatotro tamin’ny arbre secondaire, ary niezaka nanohy ny diako aho.
Nanahirana be ny nanompo tany ambanivohitra lavitra tany, satria vitsy matetika no nahay namaky teny sy nanoratra. Olona iray monja no nahay namaky teny sy nanoratra teo anivon’ny fiangonana iray, sady izay indray mbola tsy mahay miteny tsara. Sarotra tsy toy ny mahazatra ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izay. Nampahery anefa ny nahita ilay fiangonana nanao ezaka mafy mba hahatakarana ireo hevitra nodinihina.
Nanontany azy ireo aho avy eo, hoe ahoana no handraisany soa amin’ny fianarana, izay tsy tena azony tsara. Nampahery ny valin-tenin’izy ireo hoe: “Afaka mifampahery izahay.”—Hebreo 10:23-25.
Nampianatra ahy zavatra be dia be momba ny fiainana ireo rahalahiko afrikanina, na dia tsy nahay taratasy aza. Lasa nankasitrahako ny hasarobidin’ilay torohevitra ara-baiboly mba “hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” (Filipianina 2:3) Nampianatra ahy zavatra be dia be momba ny fitiavana, hatsaram-panahy, fahaiza-mandray vahiny, ary ny fomba hahafahana hivelona any ambanivohitra lavitra any, ireo rahalahiko afrikanina. Tena lasa misy heviny kokoa amiko ilay tenin’ny Rahalahy Nathan Knorr, tamin’ny andro nanomezana diplaoma anay. Izy mantsy no prezidàn’ny Sekolin’i Gileada tamin’izany. Hoy izy: “Manetre tena foana. Aza mieritreritra mihitsy hoe mahay ny zava-drehetra isika, satria tsy marina izany. Betsaka ny zavatra ilaintsika hianarana.”
Fiainana any ambanivohitra lavitra, eto Afrika
Nipetraka tany amin’ireo rahalahy foana aho isaky ny mitsidika fiangonana. Mazàna no lasa karazana fety, indrindra fa ho an’ny ankizy, ilay herinandro nandalovako. Nandeha nihaza sy nanjono mantsy ilay fiangonana mpampiantrano, ary nanao ezaka manokana mba hahazoan’ny rehetra sakafo be dia be.
Nohaniko daholo izay naroson’ireo rahalahy rehefa niara-nipetraka tamin’izy ireo aho, anisan’izany ny vitsikazo sy ny elefanta. Nihinana gidro foana koa izahay. Tena natsiro ny lambo sy ny sokina. Mazava ho azy, fa tsy nisy fanasam-be foana akory isan’andro. Nila nizatra an’izany karazan-tsakafo izany ny vatako tamin’ny voalohany. Afaka nandevona izay rehetra naroso ahy anefa ny vavoniko rehefa nihazatra. Nianarako fa
mahatsara vavony ny mihinana papay miaraka amin’ny voany.Mety hitranga daholo ny zavatra tsy ampoizina rehetra rehefa any ambanivohitra lavitra any. Noheverin’ny olona ho matoatoa, na fanahin’olona maty izay mipetraka any anaty rano, aho indray mandeha. Mihevitra ny olona fa afaka misintona olona sy mamono azy ao anaty rano izy io. Indray mandeha, dia nikiakiaka sy nandositra ny ankizivavy iray raha vao nahita ahy nivoaka avy tao anaty rano, rehefa avy nandro. Tsy nino ny olona, na dia niezaka nanazava aza ny mpiara-manompo iray hoe mpitory tonga nitsidika azy ireo aho fa tsy matoatoa. Namaly izy ireo, fa “tsy hisy lehilahy fotsy hoditra ho tonga atỳ lavitra be atỳ.”
Matetika aho no natory teny an-tokotany satria nadio ny rivotra. Nitondra lay aro moka foana aho, satria naharo ahy tamin’ny bibilava, maingoka, voalavo, ary ny biby hafa koa izany. Matetika aho no notafihin’ny andiam-bitsika, ka io lay io no niaro ahy. Nandrehitra jiro aho indray alina ary nahita ny laiko feno vitsika. Nandositra haingana aho, satria na dia kely aza izy ireo dia afaka mamono biby lehibe toy ny liona.
Nitory tamin’ny Pygmées aho, tamin’izaho tany amin’ny faritra atsimon’ny République centrafricaine, any akaikin’ny Reniranon’i Congo. Tena nivelona tamin’ny tany ireo Pygmées ireo. Mpihaza mahay izy ireo, ary fantany tsara izay azo hanina sy tsy azo hanina. Mahay teny sango ny sasany tamin’izy ireo, ary faly erỳ nihaino ny hafatra ara-baiboly notorinay. Manaiky hotsidihina izy ireo, saingy efa nifindra toerana rehefa niverina izahay. Tsy nisy lasa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, tamin’izay fotoana izay. Reko anefa tatỳ aoriana fa nisy Pygmées tonga Vavolombelona, tany amin’ny Repoblikan’i Congo.
Mpiandraikitra ny faritra tany amin’ny République centrafricaine aho, nandritra ny dimy taona. Nanao dia nanerana an’ilay tany aho, mba hitsidihana fiangonana, indrindra fa ireo tany ambanivohitra lavitra be tany.
Fanompoana teto amin’ny sampan’i Nizeria
Nasaina nanompo teto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Lagos, Nizeria aho, tamin’ny Mey 1977. Efa ho iray hetsy teo ho eo tamin’izany ny Vavolombelona tao amin’io tany be mponina indrindra eto Afrika io, ka ny 80 teo ho eo tamin’izy ireo dia nanompo tao amin’ny sampana. Notendrena hiasa tao amin’ny garazy aho, ary nasaina nikojakoja fiara.
Tamin’ny 1979, dia niverina niasa tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana aho, toy ny nataoko tamin’izaho nihalehibe tany Eoropa. Tany Ilaro, 80 kilaometatra avy eto Lagos no misy ilay toerana, ary tao no nambolena ny sakafon’ireo nanompo teto amin’ny sampana. Tany no nahitako fa tsy mitovy ny fambolena any Eoropa sy atỳ amin’ny alan’ny tany mafana. Niverina teto Lagos aho rehefa avy niasa telo taona sy tapany tany, ary nikojakoja fiara tao amin’ny garazy indray.
Nafindra tany Igieduma, 360 kilaometatra teo ho eo avy eto Lagos, aho, tamin’ny 1986. Nisy fanorenana ny tranon’ny sampana vaovao tany, izay notokanana tamin’ny Janoary 1990. Misy trano fanontam-pirinty, sy toeram-pambolena sy fiompiana kely, ary trano fonenana ho an’ny olona 500 izy io. Tany mirefy 60 hektara no nisy azy io, ary nisy fefy ny nanodidina azy, izay roa metatra ny haavony. Miandraikitra ny sampan-draharahan’ny fikojakojana an’io toerana io sy ny manodidina azy aho, ary misy 35 ny mpiara-miasa amiko.
Efa ho 27 taona teo ho eo izay no nipetrahako teto Nizeria, ary tena nankafiziko ireo asa maro nanendrena ahy teto amin’ny sampana. Faly aho fa nahatoky teo anatrehan’i Jehovah foana i Neny. Toy izany koa i Ingrid zandriko vavy, izay efa nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana nandritra ny 14 taona, ary mbola manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny vadiny hatramin’izao.
Na teo aza ny zava-tsarotra natrehiko, dia tena faly aho nanompo an’i Jehovah sy ireo rahalahiko teto Afrika Andrefana. Velom-pankasitrahana aho satria mbola salama tsara hatramin’izao, ary mivavaka aho mba ho toy izany foana, ka ho afaka hanompo amim-pahazotoana hatrany an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika lehibe.
[Sarintany, pejy 13]
(Jereo ny gazety)
Nizeria
République centrafricaine
Gabon
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 10]
Niaraka tamin’i Gertrud reniko sy Ingrid anabaviko, tamin’ny 1939
[Sary, pejy 12]
Tamin’izaho misionera tany Gabon
[Sary, pejy 12]
Nipetraka tany amin’ny tanàna kely toa an’ity aho, tany amin’ny République centrafricaine