Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahazoana Torimaso Ampy

Fahazoana Torimaso Ampy

Fahazoana Torimaso Ampy

TATO anatin’ireo 50 taona farany vao tena fantatra tsara ny marina momba ny torimaso. Nanjary niharihary ireo hevi-diso nahazatra hatramin’ny ela, anisan’izany ny fiheverana fa tsy miasa firy ny taova ao amin’ny tenan’ny olombelona rehefa matory.

Hitan’ireo dokotera nikaroka momba ny fiasan’ny atidoha, fa mandalo tsingerina sy ambaratonga samihafa miverimberina ny torimaso. Miasa be ny atidoha mandritra ny ambaratonga sasany fa tsy miala sasatra velively. Tokony hiverina inefatra na mihoatra isan’alina ny ambaratonga tsirairay mba hahazoana torimaso mahasalama, ary tokony ho ampy tsara koa ny faharetan’ny ambaratonga tsirairay.

Be pitsiny ny torimaso

Azo zaraina ho roa karazana ny torimaso ara-dalàna: ny torimaso misy nofy, sy ny torimaso tsy misy nofy. Manonofy ny olona iray raha hita mihetsiketsika be eo ambanin’ny hodimasony ny masony.

Azo zaraina ho ambaratonga efatra kosa ny torimaso tsy misy nofy. Ambaratonga voalohany: Miharendremana ianao rehefa avy mitsotra. Malefaka ny hozatrao, ary haingana sy miovaova ny fiasan’ny atidohanao. Maharitra 30 segondra ka hatramin’ny 7 minitra eo ho eo isan’alina io ambaratonga voalohany io. Miditra tsikelikely amin’ny tena torimaso ianao avy eo, mandritra ny ambaratonga faharoa. Maharitra tokotokony ho ny ampahadimin’ny alina izy io. Mihamiadana ny fiasan’ny atidohanao, ary mety hisy eritreritra na sary mifanesy nefa tsy mifampitohy, mandalo ao an-tsainao. Tsy manaitra anao ny zava-mitranga eo amin’ny manodidina, ary tsy mahita koa ianao na dia mihiratra aza.

Miditra amin’ny torimaso lalina kosa ianao eo amin’ny ambaratonga fahatelo sy fahefatra, ary miadana ny fiasan’ny atidohanao. Eo ianao no sarotra fohazina indrindra, satria saika mankany amin’ny hozatra avy hatrany ny ankabeazan’ny ranao. Mandritra io fotoana io (izay maharitra hatramin’ny antsasaky ny alina eo ho eo), no mihavao ny vatana ary mitombo ny zaza. Tsara homarihina fa na iza na iza tsy mandalo amin’ireo ambaratonga roa farany ireo, dia hahatsiaro ho reraka sy kamokamo na hikorontan-tsaina mihitsy ny ampitson’iny.

Mifarana amin’ny torimaso misy nofy, izay karazany hafa tanteraka avy eo, ny tsingerina tsirairay. Betsaka kokoa ny ra mankany amin’ny atidoha amin’io ambaratonga io (izay mazàna maharitra 90 minitra eo ho eo), ary miasa toy ny rehefa ianao mifoha ny atidohanao. Tsy afa-manetsika ny hozatrao anefa ianao. Toa io tsy fahafaha-mihetsika io no manakana anao tsy hanatanteraka ilay zavatra nofisina, mba tsy haratra sy tsy handratra olona ianao.

Mihalava arakaraka ny hiverenany amin’ny alina ny torimaso misy nofy, ary tena ilaina izy io mba hahasalama ny saina. Toy ny ataon’ny ordinatera, dia jeren’ny atidoha indray ireo zavatra noraisiny. Esoriny izay tsy ilaina hotadidina, ary tahiriziny izay zava-dehibe. Fantatra fa mety harary fo ny olona tsy ampy torimaso misy nofy. Lasa mihabe fanahiana, ohatra, ny olona tsy ampy azy io.

Inona àry no mitranga raha tsy ampy torimaso isika, satria tsy maharaka matetika an’ireo ambaratonga ireo (na fanahy iniana izany na tsia)? Raha tsy ampy torimaso isika dia tsy ho azontsika ilay torimaso misy nofy farany, izay lava indrindra sy tena ilaina mba hahasalama ny saina. Tsy ho voasolo koa ny simba amin’ny vatantsika raha tapatapaka ny torimasontsika, satria tsy afaka mandalo amin’ireo ambaratonga roa farany ny torimasontsika. Ireto no vokany rehefa tena tsy ampy torimaso ny olona iray: tsy afaka mifantoka maharitra izy, mora manadino zavatra na teny, tsy mahavita mamakafaka sy mamoron-javatra firy intsony.

Nahoana no mila torimaso ny vatantsika? Betsaka ny antony mampifoha sy mampatory antsika (isan’andro). Eo aloha ny toetoetra simikan’ny atidoha. Eo koa ny vihin’ireo sela ao amin’ny atidoha, izay mandrindra ny tsingerin’ny torimaso. Eo akaikin’ny fihaonan’ireo hoza-maso no misy an’io “famantaranandro” io. Koa misy ifandraisany àry ny hazavana sy ny fahitantsika tory. Manaitra antsika ny hazavana, fa mampatory kosa ny haizina.

Eo koa ny hafanan’ny vatana. Mifoha tsara ianao rehefa mahatratra ny hafanany ambony indrindra ny vatanao, eo antenatenan’ny maraina na faramparan’ny tolakandro. Mihate hatory kosa ianao, arakaraka ny hidinan’io hafanana io. Eken’ireo mpikaroka anefa fa miovaova arakaraka ny olona ny fizotran’ny fatoriana sy ny fifohazana.

Adiny firy ianao no tokony hatory?

Milaza ny mpahay siansa fa tokony hatory adiny valo eo ho eo isan’alina ny olona. Hita tamin’ny fanadihadiana koa anefa fa miovaova be arakaraka ny olona izany.

Afaka mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra ianao, hahafantarana raha mahazo torimaso mahasalama na tsia. Eken’ny maro amin’ny manam-pahaizana ireto famantarana ireto, izay hita amin’ny olona ampy torimaso:

◼ Mora mahita tory ianao fa tsy lasa saina be na mila mihinana fanafody fampatoriana.

◼ Matetika ianao no tsy manahy ho taitra tampoka amin’ny alina. Mora mahita tory indray anefa ianao, raha sendra mitranga izany.

◼ Mifoha ho azy amin’ny ora mitovitovy foana ianao isa-maraina fa tsy mila fohazina.

◼ Tsy mahatsiaro ho te hatory intsony ianao mandritra ny andro, rehefa avy mifoha sy mandehandeha.

Ny azo atao

Ahoana raha tsy mahita tory ianao indraindray? Misy soso-kevitra avy amin’ny manam-pahaizana ireto:

1. Fadio ny misotro zavatra misy alkaola sy manaitaitra toy ny kafe na dite, alohan’ny hatoriana. Maro no diso hevitra ka mieritreritra fa manampy azy hahita tory ny zava-pisotro misy alkaola. Mety ho ny mifanohitra amin’izany anefa no hitranga, araka ny fandinihana ara-pitsaboana. Mety tsy hahita tory mihitsy ianao raha misotro zavatra misy alkaola.

2. Fadio ny sigara. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Tsy mora mahita tory ny mpifoka sigara, satria mampiakatra ny tosidra ny fifohana, sady manafaingana ny fitepon’ny fo, ary mahatonga ny atidoha hiasa kokoa. Mifoha matetika koa ny mpifoka, satria angamba mila sigara foana ny vatany.”

3. Aza mandrera-tena na mandrera-tsaina alohan’ny hatoriana. Tsara ny mampiasa vatana raha tsy atao aloha kelin’ny hatoriana izany. Tsy hahita tory ianao raha mampiasa saina be alohan’ny hatoriana, satria ilaina ny filaminan-tsaina mba hahitana tory.

4. Tokony ho maizina sy tsy ho be tabataba ny efitrano fatoriana, ary tsara raha somary mangatsiatsiaka. Eritrereto ny fandinihana natao tamin’ny olona mipetraka akaikin’ny seranam-piaramanidina. Nilaza izy ireo fa efa nahazatra azy ny tabataba. Hita anefa taorian’ny fanandramana fa voarain’ny atidohan’izy ireo avokoa ny fiaingana sy ny fahatongavan’ny fiaramanidina rehetra! Nilaza àry ny mpikaroka fa toy ny hoe tsy ampy adiny iray ny torimason’ireo olona nanaovana fanandramana ireo, raha oharina amin’ireo mipetraka eny amin’ny toerana tsy be tabataba. Ho nihena ny tabataba ary nahazo fialan-tsasatra tsara kokoa izy ireo, raha nanao tampin-tsofina na nampiasa fomba hafa. Hitan’ny olona sasany koa fa afaka mampihena ny tabataba any ivelan’ny trano ny feon-javatra malefaka sy tsy miovaova, toy ny feon’ny vantilatera.

5. Aza tia mihinana fanafody fampatoriana. Mihamiharihary fa manandevo ny fahazarana mihinana fanafody fampatoriana. Mihatsy mandaitra izy ireny arakaraka ny hihinanana azy, sady miteraka voka-dratsiny hafa koa. Raha sanatria anefa ka tsy maintsy mihinana ianao, dia aza atao maharitra izany.

Tsy ahitan-tory ny fikorontanan-tsaina. Mba hahitanao tory àry dia manaova zavatra mampitony alohan’ny hatoriana. Hadinoy kely aloha ny sorisory nandritra ny andro, fa manaova zavatra mahafinaritra, toy ny famakiana boky. Tena manampy koa ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra . . . no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”​—Filipianina 4:6, 7.

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

Hevi-diso Mahazatra Sasany

1. Ny fisotroana kafe no fomba mandaitra indrindra tsy hatoriana, rehefa mitondra fiara manao dia lavitra.

Hita tamin’ny fanadihadiana fa matetika no mamita-tena ny saofera rehefa mihevitra fa mifoha izy. Raha tsy maintsy mitondra fiara sy manao dia lavitra amin’ny alina ianao, dia tsara kokoa ny matory kely tsindraindray (15 ka hatramin’ny 30 minitra), ary avy eo mandehandeha na mihazakazaka kely sy manenjana ny tanana sy ny hoza-pe.

2. Matory antoandro aho hamenoana ny torimaso tsy ampy amin’ny alina.

Mety ho marina izany. Manam-pahaizana maro anefa no milaza fa ny torimaso lava isan’alina no tena tsara. Mety hifoha tsara mandritra ny tolakandro manontolo ianao, raha matory antoandro (15 ka hatramin’ny 30 minitra). Tsy hanelingelina ny torimasonao amin’ny alina koa izany. Mety tsy hahazo torimaso mahasalama anefa ianao raha matory kely, ao anatin’ireo adiny efatra mialoha ny ora tokony hatoriana.

3. Ilay nofy tadidintsika no nampifoha antsika.

Mahazo torimaso mahasalama isika raha manonofy. Manonofy inefatra na mihoatra isan’alina ny olona ampy torimaso. Hita tamin’ny fanadihadiana fa efa nofintsika teo an-dalam-pifohazana ilay nofy tadidintsika iny. Mety ho nifoha isika raha mbola teo am-panonofisana, na mety ho vao vita kelikely talohan’ny nifohazantsika ilay nofy. Mety ho sarotra kosa ny mahita tory indray rehefa avy nanonofy ratsy, satria miteraka tebiteby izany.

[Sary, pejy 6, 7]

Mifoha tsara isika mandritra ny andro raha ampy torimaso

[Sary, pejy 7]

Hitan’ireo mpahay siansa fa mizarazara ho tsingerina sy ambaratonga samihafa ny torimaso

[Sary, pejy 8]

Tsy mora mahita tory ny mpifoka sigara

[Sary, pejy 9]

Aza tia mihinana fanafody fampatoriana