Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Ianao no Tokony Handoa Hetra?

Nahoana Ianao no Tokony Handoa Hetra?

Nahoana Ianao no Tokony Handoa Hetra?

“Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra, ny haba ho an’izay mitaky haba, ny tahotra ho an’izay tokony hatahorana, ny haja ho an’izay tokony hohajaina.”—Romanina 13:7.

TOA sarotra ny manaraka an’io torohevitra io, satria tsy mitsaha-mitombo ny hetra. Ny apostoly Paoly anefa no nilaza ireo teny ireo, ao amin’ny Baiboly. Azo antoka fa manaja ny Baiboly ianao. Mety hanontany tena anefa ianao hoe: “Tokony haloan’ny Kristianina ve izany ny hetrany rehetra, na dia ireo heverina ho tsy ara-drariny koa aza?”

Saintsaino ny fananaran’i Jesosy ny mpianany. Fantatr’i Jesosy fa tena halan’ny Jiosy ny nandoa hetra tamin’ny fanjakana romanina. Nampirisihiny mafy anefa izy ireo hoe: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17) Mariho fa nampirisihin’i Jesosy handoa hetra, tamin’ilay fanjakana hamono azy tsy ho ela ny mpianany.

Nanome ny torohevitra etsy am-piandohan’ny lahatsoratra i Paoly, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nampirisihiny ny andoavana hetra, na dia fantany aza fa nanohanana ny tafika romanina, sy nolanin’ny mpanjaka tamin’ny filibana sy ny fitondran-tena maloto izany. Nahoana i Paoly no nanana fomba fihevitra tsy mitovy amin’ny an’ny besinimaro toy izany?

Manam-pahefana

Mariho izay lazain’i Paoly, eo amin’ny teny manodidina. Hoy izy ao amin’ny Romanina 13:1: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana.” Mora kokoa tamin’ny vahoaka ny nandoa hetra tamin’ny naha olom-pirenena sy tamin’ny naha mpivavaka, raha mbola natahotra an’Andriamanitra ireo mpitondra israelita. Tokony hanao izany koa ve anefa ny Kristianina raha mpanompo sampy ny mpitondra? Eny! Asehon’ny tenin’i Paoly mantsy fa Andriamanitra no mamela an’ireo manam-pahefana hitondra.

Manao izay hisian’ny filaminana ny fanjakana, ka afaka manatanteraka ireo asany ara-panahy ny Kristianina. (Matio 24:14; Hebreo 10:24, 25) Hoy àry i Paoly: “Mpanompon’Andriamanitra hitondra soa ho anao izy.” (Romanina 13:4) Ny tenan’i Paoly mihitsy no efa narovan’ny fanjakana romanina. Novonjen’ny miaramila romanina, ohatra, izy rehefa nirotahan’ny vahoaka romotra. Afaka nanohy ny asa misionera koa izy tatỳ aoriana, noho ny lalàna romanina.—Asan’ny Apostoly 22:22-29; 25:11, 12.

Nanome antony telo andoavana hetra àry i Paoly. Voalohany: tezitra amin’ny mpandika lalàna ny fanjakana. Faharoa: enjehin’ny fieritreretany ny mpanompon’Andriamanitra raha tsy mandoa hetra. Ary farany: tambiny omena ny fanjakana izany, satria “miasa ho an’ny besinimaro” izy ireo.—Romanina 13:1-6.

Nankatò ny tenin’i Paoly ve ny Kristianina namany? Toa nanao izany izy ireo. Nilaza mantsy i Justin Maritiora, Kristianina anarana tamin’ny taonjato faharoa (110 ka hatramin’ny 165 A.K. tany ho any), fa “vonona kokoa noho ny olon-kafa rehetra” ny Kristianina, rehefa nasaina nandoa hetra. Vonona hanome izay takin’ny fanjakana aminy koa ny Kristianina ankehitriny, na vola izany na fotoana.—Matio 5:41. *

Afaka mitady fomba ara-dalàna hampihenana ny hetrany anefa ny Kristianina. Mety hahazo fampihenan-ketra izy ireo indraindray, satria manohana fikambanana ara-pivavahana. Manaiky ny Tenin’Andriamanitra anefa ny Kristianina marina, ka tsy mandà ny hetra tokony haloany mihitsy. Aloany ny hetrany, ary ireo manam-pahefana no tompon’andraikitra amin’izay hampiasana azy.

Iray monja amin’ireo fomba “anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”, ny hetra mihoa-pampana. (Mpitoriteny 8:9) Mampanantena ny Baiboly fa kely sisa dia hitondra ny fanjakan’Andriamanitra, ka hanjaka ny rariny. Mampahery ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Tsy hanavesatra ny vahoakany amin’ny hetra tsy ara-drariny mihitsy io fanjakana io.—Salamo 72:12, 13; Isaia 9:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Tsy hoe ny hetra ihany akory no tian’i Jesosy horesahina, rehefa nilaza izy fa tokony haloa amin’i ‘Kaisara izay an’i Kaisara.’ (Matio 22:21) Hoy ny fanazavan’i Heinrich Meyer, ao amin’ny bokiny momba ireo lafiny miavaka amin’ny filazantsaran’i Matio: “Tsy ny hetra aloan’ny vahoaka ihany akory ilay hoe [izay an’i Kaisara] . . . fa tafiditra amin’izany koa izay rehetra ananany zo, amin’ny maha mpitondra eken’ny lalàna azy.”

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Vonona kokoa noho ny olon-kafa rehetra” ny Kristianina voalohany, rehefa nasaina nandoa hetra.—JUSTIN MARITIORA

[Sary, pejy 10]

Eken’ny Kristianina ny lalàna momba ny hetra

[Sary, pejy 11]

Hoy i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

© Fikambanana Eoropeanina Momba ny Vola