Zavatra Tokony ho Fantatrao Momba ny Krismasy
Ny Fiheveran’ny Baiboly
Zavatra Tokony ho Fantatrao Momba ny Krismasy
OLONA an-tapitrisa maneran-tany no miomana hankalaza ny Krismasy 2002. Anisan’izany angamba ianao. Mety tsy ho zatra mankalaza ny lafiny ara-pivavahana amin’io fety be mpitia io koa anefa ianao. Na ahoana na ahoana, dia toa tsy maintsy hisarika anao ny Krismasy. Manenika ny tontolon’ny varotra sy ny fialam-boly izy io, na dia any amin’ny tany tsy kristianina aza.
Inona no fantatrao momba ny Krismasy? Mifanaraka amin’ny Baiboly ve ny fankalazana ny nahaterahan’i Kristy? Zava-nitranga ara-tantara inona no mifandray amin’io fety be mpitia atao isaky ny 25 Desambra io?
Norarana ny Krismasy
Raha maka fotoana kely hanaovana fikarohana momba ny Krismasy ianao, dia ho hitanao fa tsy avy amin’ny Kristianisma marina izy io. Manaiky an’izany ny manam-pahaizana maro momba ny Baiboly sy avy amin’ny antokom-pivavahana samihafa. Tsy tokony hahagaga anao àry raha namoaka didy ny Parlemantan’i Cromwell tany Angletera, tamin’ny 1647, fa atao andro fihafiana ny Krismasy, ary norarany tanteraka izy io tamin’ny 1652. Ny Parlemanta aza nivory isaky ny 25 Desambra, nanomboka tamin’ny 1644 ka hatramin’ny 1656. Araka an’ilay mpahay tantara atao hoe Penne Restad, dia “fantatr’ireo mpitondra fivavahana fa mety higadra izy ireo raha manao toriteny momba ny nahaterahan’i Kristy. Nasaina nandoa lamandy izay mpikarakara fiangonana nandravaka ny trano fiangonany tamin’ny Krismasy. Araka ny lalàna, dia nivoha toy ny amin’ny andro fiasana ihany ny fivarotana rehefa Krismasy.” Inona no anton’izany fepetra hentitra izany? Nino ireo mpitondra fanavaozana antsoina hoe Puritains fa tsy tokony hamorona fomba tsy hita ao amin’ny Soratra Masina ny fiangonana. Nazoto nitory sy nizara boky nanakiana ny fankalazana ny Krismasy koa izy ireo.
Toy izany koa ny toe-tsaina nisongadina tany Amerika Avaratra. Norarana ny Krismasy teo anelanelan’ny taona 1659 sy 1681 tany amin’ny Massachusetts Bay Colony. a Rehefa karazana fankalazana Krismasy dia tsy azo natao, araka ny lalàna nampiharina tany. Niharan’ny lamandy izay nandika izany. Tsy ny Puritains tany Nouvelle-Angleterre ihany no tsy nety nankalaza Krismasy, fa ny antokom-pivavahana sasany tany Delaware, New Jersey sy New York, ary Pennsylvanie koa. Toy ny Puritains dia nijoro tamin’ny heviny momba io fety io koa ny antokom-pivavahana Quakers tany Pennsylvanie. Misy boky milaza fa “nizara ny mponin’i Philadelphie ho sokajy telo i Elizabeth Drinker, izay anisan’ny Quaker, taoriana kelin’ny nahazoan’ny Amerikanina ny fahaleovan-tenany. Tao ireo Quakers ‘nihevitra ny [Krismasy] ho toy ny andro rehetra ihany.’ Tao koa ireo nankalaza azy io noho ny antony ara-pivavahana, ary ny sisa ‘nankalaza azy io tamin’ny korana fanaranam-po sy filibana.’ ”
Tsy nahalala zavatra firy momba ny Krismasy i Henry Beecher raha tsy efa 30 taona. Mpitoriteny amerikanina malaza izy ary nafana fo tamin’ny fampianaran’i John Calvin ny fianakaviany. “Zavatra tsy nataoko teo amin’ny fiainana mihitsy ny Krismasy”, hoy i Beecher tamin’ny 1874.
Tsy nahita fototra ara-baiboly momba ny fankalazana ny nahaterahan’i Kristy koa ny Batista sy ny Kongregasionalista tany am-boalohany. Marihin’ny boky iray fa tsy nankalaza ny nahaterahan’i Kristy ny Fiangonana Batista tany Newport [Rhode Island] raha tsy tamin’ny 25 Desambra 1772. Izany dia 130 taona teo ho eo taorian’ny nananganana
ny fiangonana batista voalohany tany Nouvelle-Angleterre.Ny niandohan’ny Krismasy
Miaiky toy izao ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): “Tsy fantatra ny daty nahaterahan’i Kristy. Tsy ampahafantarin’ny Filazantsara na ny andro na ny volana. . . . Araka ny hevitra naroson’i H. Usener . . . ary eken’ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana ankehitriny, ny daty nahaterahan’i Kristy dia nampifanitsiana tamin’ny fotoanan’ny ririnina, izay maha lavitra indrindra ny masoandro raha oharina amin’ny ekoatera (25 Desambra amin’ny Kalandrie Jolianina, 6 Janoary amin’ny Kalandrie Ejipsianina). Nankalaza ny dies natalis Solis Invicti (fahaterahan’ny masoandro tsy mety resy) mantsy ireo mpanompo sampy mpivavaka amin’i Mithra tamin’io andro io, rehefa nanomboka niverina tany amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra ny masoandro. Nambaran’i Aurélien tamin’ny 25 Des. 274 fa ilay andriamanitra masoandro no tena mpiaro ny fanjakana ary nanokana tempoly ho azy io izy tao amin’ny Campus Martius. Niandoha tamin’ny fotoana nampiroborobo indrindra ny fivavahana tamin’ny masoandro tany Roma, ny Krismasy.”
Manamarika ny rakipahalalan’i M’Clintock sy Strong hoe: “Tsy nandidy ny hankalazana ny Krismasy Andriamanitra, ary tsy hita ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] izy io. Tsy misy fomba azo antoka hamaritana ny daty nahaterahan’i Kristy ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] na ao amin’ny boky hafa.”
“Famitahana foana”
Tokony hanaraka ny fomba fanao amin’ny Krismasy ve ny Kristianina marina, araka izay fandinihana izay? Mampifaly an’Andriamanitra ve ny mampifangaro ny fivavahana aminy sy ny zavatra inoana ary fanaon’ireo tsy mpivavaka aminy? Nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny Kolosiana 2:8: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.”
Hoy koa ilay apostoly: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala [Satana]? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?”—2 Korintiana 6:14, 15.
Tsy mankalaza Krismasy àry ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ireo porofo tsy azo lavina eo am-pelatanana ireo. Mifanaraka amin’ny Soratra Masina, dia miezaka manaraka ny “fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra” izy ireo, ka miaro ny tenany “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.”—Jakoba 1:27.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tamin’ny 1628 no nanomboka nisy ny Massachusetts Bay Colony. Io no fitambaran’ny Puritains anglisy betsaka sy nandroso indrindra, anisan’ny tonga voalohany tany Nouvelle-Angleterre.
[Teny notsongaina, pejy 24]
Nandrara ny Krismasy ny Parlemantan’i Angletera tamin’ny 1652
[Teny notsongaina, pejy 25]
“Zavatra tsy nataoko teo amin’ny fiainana mihitsy ny Krismasy”—HENRY BEECHER, MPITONDRA FIVAVAHANA AMERIKANINA
[Sary, pejy 25]
Nankalaza ny 25 Desambra ny mpivavaka tamin’i Mithras sy ilay andriamanitra masoandro (eo amin’ilay sary sokitra)
[Sary nahazoan-dalana]
Musée du Louvre, Paris