‘Ny Areti-mifindra Mandripaka Indrindra Hatramin’izao’

‘Ny Areti-mifindra Mandripaka Indrindra Hatramin’izao’

‘Ny Areti-mifindra Mandripaka Indrindra Hatramin’izao’

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO

“Mbola tsy nisy ady nandripaka olona be dia be toy ny ripaky ny SIDA.”—COLIN POWELL, SEKRETERAM-PANJAKANA AMERIKANINA.

TAMIN’NY Jona 1981 no nivoaka ny vaovao ofisialy voalohany momba ny aretina SIDA (fanafohezana ny anaran’ilay aretina mamono ny hery fanefitra ao amin’ny vatana). “Tsy nisy nieritreritra mihitsy isika izay nahita ny niandohan’ny SIDA fa hoe hihanaka be toy izao io areti-mifindra io”, hoy i Peter Piot, tale mpanatanteraka ao amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Miady Amin’ny VIH/SIDA (ONUSIDA). Io no areti-mifindra nandripaka indrindra tao anatin’ny 20 taona izao, ary hita fa mbola handripaka olona maro kokoa aza.

Misy 36 tapitrisa mahery ny olona heverina fa mitondra ny virosy VIH (fanafohezana ny anaran’ilay virosy mahatonga ny aretina SIDA), ary 22 tapitrisa eo ho eo no efa matin’ny SIDA. a Telo tapitrisa no matin’io aretina io naneran-tany, tamin’ny taona 2000 fotsiny, ary tamin’io taona io no betsaka maty indrindra hatramin’izay. Mitranga izany na dia efa ampiasaina aza ny fitsaboana iadiana amin’ireo antsoina hoe virosy mivadika, indrindra fa any amin’ny tany manankarena.

Manafika an’i Afrika ny SIDA

I Afrika atsimon’i Sahara no tena lasibatr’io areti-mifindra io. Olona 25,3 tapitrisa any ho any no voan’ny SIDA ao amin’io faritra io ary 2,4 tapitrisa no efa maty tamin’ny taona 2000, izany hoe 80 isan-jaton’ny olona matin’ny SIDA naneran-tany. Ny SIDA no tena mahafaty ny olona any amin’io faritra io. b

I Afrika Atsimo no tany be olona voan’ny SIDA indrindra, satria 4,7 tapitrisa any ho any no voan’izy io eto, ary zazakely 5 000 isam-bolana no mitondra ny virosy VIH hatrany an-kibon-dreniny. Nandray fitenenana Andriamatoa Nelson Mandela, filoham-pirenen’i Afrika Atsimo taloha, nandritra ny Konferansa Iraisam-pirenena Faha-13 Momba ny SIDA, natao tany Durban tamin’ny Jolay 2000. Hoy izy: “Taitra izahay raha nahafantatra fa ho fatin’ny SIDA ny antsasaky ny tanora eto Afrika Atsimo. Ny tena nampihoron-koditra anay, dia ny fahafantarana fa azo narovana tsy ho voa sy hijaly ireny olona rehetra voalazan’ny statistika ireny, ary mbola azo atao ny misoroka izany.”

Mirongatra any an-tany hafa koa ny SIDA

Mihabetsaka koa ny olona voan’ny SIDA any Eoropa Atsinanana sy Azia ary Caraïbes. Olona 420 000 no voa tany Eoropa Atsinanana, tamin’ny faran’ny taona 1999. Tafakatra ho 700 000 izany, fara fahakeliny, tamin’ny faran’ny taona 2000.

Nasehon’ny fanadihadiana natao tany amin’ny tany lehibe enina any Amerika, fa mitondra ny virosy VIH ny 12,3 isan-jaton’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Fantatra koa fa ny 29 isan-jaton’izy ireo ihany no nahalala hoe mitondra an’ilay virosy izy. Hoy ny mpanadihady momba ny areti-mifindra, niandraikitra an’io fanadihadiana io: “Tena nalahelo izahay raha nahafantatra fa vitsy tamin’ireo lehilahy no nahalala fa mitondra ny virosy VIH izy. Midika izany fa misy olona tsy mahafantatra akory hoe nifindran’ilay virosy izy, ka mamindra azy io amin’olon-kafa.”

Nolazaina nandritra ny fivoriana nataon’ireo manam-pahaizana momba ny SIDA tany Soisa, tamin’ny Mey 2001, fa io “no areti-mifindra mandripaka indrindra hatramin’izao.” Efa voalaza teo fa ao Afrika atsimon’i Sahara no tena mirongatra ny SIDA. Miresaka ny anton’izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tombantombana navoakan’ny ONUSIDA ireo isa ampiasaina ato.

[Teny notsongaina, pejy 3]

“Ny tena nampihoron-koditra anay, dia ny fahafantarana fa azo narovana tsy ho voa sy hijaly ireny olona . . . ireny, ary mbola azo atao ny misoroka izany.”—NELSON MANDELA

[Sary, pejy 2, 3]

Betsaka ny olona tsy mahalala akory hoe mitondra ny virosy VIH izy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

UN/DPI Photo 198594C/Greg Kinch