Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampanahy ve ny Tanora Matoritory?

Mampanahy ve ny Tanora Matoritory?

Mampanahy ve ny Tanora Matoritory?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KANADA

MILAZA ny gazety Gilaoby sy Taratasy, any Kanada, fa mampihena ny fahaiza-misaina sy ny fitadidiana ny tsy fahampian-torimaso, ary ny tanora mbola mianatra no tena mety ho voan’izany. ‘Anisan’ny mahatonga ny ankizy na ny tanora haditra sy ho mora tezitra ary tsy hahatombina koa ny tsy fahampian-torimaso.’ Rehefa nanao fandinihana tamin’ny mpianatra 2 200 eo ho eo tany amin’ny lise ny mpahay siansa, dia nahita fa tsy ampy adiny valo ny torimason’ny efa ho antsasak’izy ireo, isan’alina, nefa izany no ara-dalàna.

Marina fa ny fomba fiainan’ilay tanora matetika, no mahatonga azy tsy ho ampy torimaso, nefa lazain’ny Gilaoby fa ‘misy aretina tsy hitan’ny dokotera mety mahazo azy koa. Mijanona tsy mifoka rivotra vetivety ny efatra isan-jato eo ho eo amin’ny ankizy 4 ka hatramin’ny 18 taona, rehefa matory.’ Zara raha misokatra na tsy misokatra mihitsy ny lalan-drivotra ao amin’ny fara tenda, rehefa matory, ka kely ny oksizenina mivezivezy. Tsy miala sasatra tsara àry ny atidoha, ka reraka be ilay ankizy rehefa mifoha sady sorisorena.

Mety ho famantarana an’io aretina io ny hoe mierotra na misefosefo ilay ankizy rehefa matory, marary andoha foana amin’ny maraina, be fanadinoana sady tsy mahavita mifantoka, ary te hatory be foana mandritra ny andro. Ampirisihina ny ray aman-dreny mba hihaino tsindraindray rehefa matory be ny zanany. Nilaza i Dr. Robert Brouillette, manam-pahaizana momba ny torimason’ny ankizy, miasa any amin’ny Hopitalin’ankizin’i Montréal, fa mety hijanona tsy mifoka rivotra ny ankizy iray rehefa matory na dia mbola miakatra sy midina aza ny havokavony. ‘Miverina amin’ny laoniny ny fifohany rivotra avy eo, ka na tafafoha tanteraka izy amin’izany na somary mbola rendremana. Mifoka rivotra kelikely izy, dia miverina matory indray.’ Mety hiverimberina matetika be io toe-javatra io mandritra ny alina, ka mety ho reraka be ilay ankizy rehefa mifoha.

Manoro hevitra ny Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Olana eo Amin’ny Torimaso hoe atao mangatsiatsiaka sady tsy mazava loatra ny efitrano fandriana sady tsy asiana zavatra mahavariana toy ny tele na ordinatera. Hatory tsara koa ny ankizy sy ny tanora raha tsy miovaova ny ora fatoriany sy fifohazany. Mampiasa fitaovana manokana ny olona sasany tratran’ilay aretina. Mampiditra rivotra any amin’ny orona sy ny vavan’ilay olona matory io fitaovana io, ka misokatra foana ny lalan-drivotra. Hoy ny dokoteran-jaza iray: ‘Zava-dehibe kokoa noho ny sakafo hanintsika sy ny fanatanjahan-tena ny torimaso. Mifehy ny hormonina ao amintsika sy ny toe-po ary ny rafi-kery fanefitra izy io.’