Karazana Tsy Fahita Sady Mpiremby Mahay Mijoko
Karazana Tsy Fahita Sady Mpiremby Mahay Mijoko
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KANADA
JEREO irỳ anaty bozaka irỳ!”, hoy aho taitra nibitsibitsika tamin’ny vadiko. Nandeha lakana izahay mivady, nanaraka ny Reniranon’i Nechako, eto Kolombia Britanika afovoany, ary nankafy ny zavaboary sy ny feo re teny amin’ilay faritra tsy misy mponina sady mbola madio. Nisy biby nipoitra tampoka, tsy fantatra hoe avy taiza, ary niantsambotra tamin’ny bitrodia iray tsy nanampo. Vetivety teo, dia tafatsoaka nanavotra aina ilay bitrodia. Fantatr’ilay mpiremby fa teo izahay, ka nijanona tampoka izy. Nivandravandra izy nijery anay sady nierona, toa nilaza hoe: ‘Misaotra anareo nandroaka ny sakafo marainako.’ Nisitrika moramora tany anatin’ilay kirihitr’ala maizina izy avy eo. “Inona ilay teo?”, hoy ny vadiko. “Kary”, hoy aho namaly. Feo nierona nampahatahotra avy eo no renay nanako tamin’ny rivotra nangatsiatsiaka vao maraina, saingy ela kokoa sady mafy kokoa noho ilay teo.
Karazana tsy fahita
Tsy fahita tokoa iny karazana kary iny, izay antsoina hoe lynx. Nikarenjy nanerana ny ala sy ny tendrombohitry ny Ila Bolantany Avaratra manontolo izy ireny taloha. Any amin’ny faritra mitokana anefa sisa no ahitana azy ankehitriny. Voamarina fa mahalana no ahitana azy any amin’ny faritra lavitra sady be tendrombohitra any Eorazia sy any atsimo, any amin’ny tendrombohitr’i Espaina. Any Siberia sy atỳ amin’ny ala mikitroka mitandavana atỳ amin’ny faritra avaratr’i Kanada sy Alaska no tena betsaka azy. Hoy ny boky iray momba ny sakadia: “Faritra karazany roa any an’ala no ilain’ny lynx mba hampety tsara ny fiainany: Ala mikitroka misy hazo efa antitra mifaningotsingotra no hipetrahany sy hiterahany, ary toerana misy ahi-maitso matevina miaraka amin’ny hazo tanora mba hihazany bitrodia.”
Tokony ho avo enina heny noho ny haben’ny saka lehibe fiompy ao an-trano ny haben’ny lynx sasany efa lehibe, ary tokony ho hatreny am-potopen’ny olon-dehibe ny haavony. Mety hilanja 10 ka hatramin’ny 15 kilao ny lynx lahy atỳ
Amerika Avaratra, ary 5 ka hatramin’ny 10 kilao ny vavy. Tokony ho antsasaky ny haben’ny kary iray karazana aminy any Eoropa ny habeny. Mety hahatratra iray metatra ny halavan’ny sasany amin’ireny sakadia ireny.Anisan’ny mampiavaka azy ny volo lava be eo amin’ny takolany, ka mora hanavahana azy amin’ny sakadia iray karazana aminy. Toy ny mba hoe saro-kenatra sy malemy paika no fijery azy, amin’izato tarehiny lehibe sady fohy noho ny an’ny saka hafa. Mihalava sy matevina ny volon’ny lynx atỳ Amerika Avaratra rehefa ririnina. Folo santimetatra eo ho eo ny halavany, volondavenona tanora ny lokony matetika, ary misy fariparitra volondavenona antitra ny tavany. Mety ho volontsôkôlà tanora kosa ny lokon’ny lynx any Eorazia, ary volontsôkôlà antitra ny fariparitra eny aminy. Mbola mampiavaka an’io karazana kary io koa ny rambony fohy sady matevina ary mainty ny tendrony, ka tokony ho folo santimetatra ny halavany. Ho voamarikao koa ny sofiny mibalelaka miendrika telolafy, misy tendrony maranitra feno volo mainty. Toy ny antenina ny asan’ireo sofiny ireo, satria manampy azy hahafantatra ny iavian’ny feon’ny biby hazainy.
Ny fihetsiny maty paika sy ny fahaizany miafina no tena ahafahan’io kary io misambotra ny rembiny. Mandeha irery io mpiremby io amin’ny ankapobeny. Tsy sarotra aminy ny mihazakazaka eny amin’ny ranomandry, satria lehibe sady matevina ny felatongony ary misy hoho afaka
mikainkona. Lava be sady matanjaka ny feny, ka afaka mandeha haingana be izy ary mahavita roa ka hatramin’ny telo metatra raha mitsambikina indray mandeha monja. Afaka manao tsingolobatita eny am-panidinana koa izy raha hiova lalana eny am-panenjehana remby. Tsy ela anefa izy rehefa mihaza. Indimy eo ho eo ihany izy no misambotra ny rembiny, ary lasa izy mandeha rehefa tsy mahazo amin’izay. Raha ny tena izy, dia matetika no tsy maintsy mihaza bitrodia telo ka hatramin’ny folo izy, vao mahazo iray. Tsy misy na inona na inona ao an-kibony rehefa tsy mahazo izy. Rehefa mahazo remby kosa izy, dia ny valanoranony fohy sady matanjaka no anaikerany ny hatok’ilay biby. Misy nify 28 amin’ny valanoranony, ary toy ny antsy ny asan’ireo vanginy efatra.Vao maraina be sy amin’ny takariva maizimaizina ihany izy no tena mihaza. Afaka mahita ao amin’ny maizimaizina, toy ny ankamaroan’ny saka, io kary io. Iray ampahenin’ny hazavana ilain’ny olombelona monja no ilainy mba hahitana amin’ny alina. Misy sosona hafakely iray ao anatin’ny mason-tsaka. Toy ny fitaratra mamerina hazavana ny asan’iny sosona anatiny iny, ka mahatonga ny hazavana hahery kokoa. Izany no mahatonga ny mason-tsaka hamiratra rehefa mibanjina anao ao anatin’ny haizina. Hoy ny boky iray momba ny sakadia eran-tany: “Matsilo maso ny kary ka afaka mahatazana remby lavitra be.” Toa hoe afaka mahatazana totozy avy eny amin’ny 75 metatra sy bitrodia avy eny amin’ny 300 metatra izy; mbola mihoatra ny halavan’ny kianja filalaovam-baolina telo mitambatra izany.”
Ny bitrodia no sakafo tena tian’io kary eto Kanada io, ary mahazo roa isaky ny telo andro izy amin’ny antsalany. Mety ho velona 15 taona izy raha ampy sakafo tsara. Biby mpiremby tsy mifidy sakafo izy ka hohaniny daholo ny totozy sy ny voalavo isan-karazany, ary ny akoholahinala sy ny ganagana ary ny vontsira. Misy boky milaza fa efa nisy lynx nahafaty serfa mihitsy aza, ka izany no mahatonga azy halaza ho mpiremby masiaka sady mahery setra.
Fantatra ka arovana
Mamoaka fofona sy minaonaona ny lynx vavy rehefa mitady lahy. Mety hanan-janaka kely efatra izy rehefa avy niray. Tena mahalana izy no mety hiteraka fito, raha ampy sakafo tsara. Mariho anefa fa vitsy ny zanany raha tsy ampy sakafo ny reniny.
Efa toetran’io karazana kary io mihitsy ny kaodikaody, ary tsy mankany amin’ny toerana efa nipetrahan’olona izy. Nisy ezaka natao hiarovana azy io, ka izany no mahabetsaka azy any amin’ny faritra maro eto Kolombia Britanika. Angamba koa nanampy tamin’ny fiarovana azy ny fomba maoderina fitrandrahana ala. Elanelanina ny hazo kapaina amin’io fomba io. Amin’izay dia afaka miraoka ahitra eny anelanelan’ireo hazo tavela ny bitrodia, izay rembin’ny lynx. Ka rehefa mihabetsaka ny bitrodia, dia mihabetsaka koa ny lynx.
Anisan’ny sarobidy ho an’ny zavamiaina rehetra io zavaboary mahavariana io. Toy ny biby mpiremby rehetra, dia miankina amin’ny fisian’ny rembiny ny fahavelomany. Milaza ny boky iray momba ny zavaboary fa ‘miankina amin’ny fisian’ny ahitra sy ny tahon-javamaniry koa ny fahaveloman’io kary io, satria ireny no sakafon’ny rembiny. Mbola miankina amin’ny zavamananaina any ambanin’ny tany anirian’ny ala koa ny fahavelomany, satria ireny no mamelona ny zavamaniry sakafon’ny rembiny.’ Mifampiankina àry ny fiainan’ny voary manontolo, ka mampianatra antsika tokoa izany fa ilaintsika ny miaina mifanaraka amin’ny tontolo iainana misy antsika sy ny miaro izany, ho fitsimbinana ireo zavaboary eo aminy, anisan’izany ny lynx.