Avy Amin’ny Mpamaky
Avy Amin’ny Mpamaky
Diary Tsy hitanareo ny hafaliako nahazo ilay lahatsoratra hoe “Ny Diary—Namana Mendri-pitokisana.” (8 Aogositra 2001) Roapolo taona aho izao, ary tamin’izaho 11 taona no efa nanomboka nanoratra diary. Azonareo an-tsaina angamba ny zavatra tsapako rehefa mamaky ny hadalako, ireo fotoana voalohany naha matimatim-pitia ahy tamin’ny fahazazako, ny tononkaloko, ny fientanam-poko, ary ny andron’ny batisako koa aza sy ny fihetseham-poko tamin’izay andro izay.
L. C., Italia
Nisy nametaveta aho tamin’izaho mbola kely, ka ny diariko no nanampy ahy hahafantatra tsara kokoa ny tenako sy hiatrika ny fijaliako. Nanjary nandroso teo amin’ny lafiny ara-panahy aho.
E. L., Etazonia
Vavaka Misaotra tamin’ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe... Afaka Manampy Ahy ve ny Vavaka?” (8 Aogositra 2001) Novakiko tao amin’ilay lahatsoratra fa nanampy tanora maro be hiatrika ny zava-manahirana azy ny vavaka. Nanosika ahy hiresaka tsara kokoa amin’i Jehovah izany.
D. B., Italia
Nanampy ahy ilay lahatsoratra. Fantatro izao fa mila mifandray bebe kokoa amin’Andriamanitra aho. Enina ambin’ny folo taona aho, ka tena sarotra be izany amin’izao taonako izao. Betsaka ny fakam-panahy sy ny fitaoman’ny namana. Mieritreritra aho hoe mety mba ho afaka hahazo Baiboly ve aho?
M. A., Etazonia
Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Nanao fandaharana izahay mba hitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ireo mpamaky ny gazetinay ary hanome azy ireo Baiboly.
Roa ambin’ny enimpolo taona aho izao. Nahafinaritra ahy ny tenin’ilay tanora atao hoe Paul. Fiadanan-tsaina, hono, no nangatahiny tamin’i Jehovah. Izaho kosa hatramin’izay nangataka tamin’i Jehovah mba hanampiany ahy hampifandanja hatrany ny zavatra ataoko isan’andro sy ny fanapahan-kevitra tokony horaisiko. Mba hangataka fiadanan-tsaina koa aho izao. Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ny tanora tokoa isika!
M. P., Aostralia